Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 45

Tiantsika ho Tonga ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

Tiantsika ho Tonga ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

HAINAO ve ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany?... Raha tsy hainao ilay izy, dia azontsika vakina ao amin’ny Matio 6:9-13. Vavaka Nampianarin’ny Tompo no iantsoan’ny olona azy io. Anisan’ny voalaza ao ny hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” Inona ny Fanjakan’Andriamanitra, raha fantatrao?...

Ny atao hoe mpanjaka dia filohan’ny firenena na faritany iray. Ary fanjakana no iantsoana ny fitondrany. Antsoina hoe prezidà ny filoham-panjakana any amin’ny firenena sasany. Ahoana no iantsoana ny Filohan’ny Fanjakan’Andriamanitra?... Mpanjaka. Izany no iantsoana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra hoe Fanjakana.

Iza no voafidin’i Jehovah Andriamanitra ho Mpanjakan’ny Fanjakany, raha fantatrao?... Jesosy Kristy, Zanany. Nahoana no tsy misy mpitondra tsara noho izy?... Satria tena tia an’i Jehovah Rainy i Jesosy, ary manao ny marina foana.

Talohan’ny nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema, dia efa voalazan’ny Baiboly izany. Nolazainy koa fa hoe i Jesosy no ho Mpitondra voafidin’Andriamanitra. Andeha hovakintsika ao amin’ny Isaia 9:6, 7 izany. Hoy izy ao: ‘Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.’

Antsoina hoe ‘Andriana’ i Jesosy eto, satria Mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, sady Zanak’i Jehovah, ilay Mpanjaka Lehibe. Nataony Mpanjakan’ny Fanjakany koa anefa i Jesosy. Io Fanjakana io no hitondra ny tany mandritra ny arivo taona. (Apokalypsy 20:6) Rehefa vita batisa i Jesosy, dia nanomboka ‘nitory sy nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.’—Matio 4:17.

Nahoana i Jesosy no niteny tamin’ny olona hoe efa akaiky ilay Fanjakana, araka ny hevitrao?... Satria teo amin’izy ireo ilay Mpanjaka, izay hitondra avy any an-danitra, any aoriana! Izany no nilazan’i Jesosy hoe: ‘Ny fanjakan’Andriamanitra dia efa eo aminareo.’ (Lioka 17:21) Tsy ho tianao ve raha tena akaiky anao ilay Mpanjaka voafidin’i Jehovah, ka ho azonao kasihina mihitsy?...

Lazao amiko àry hoe inona ilay asa lehibe nasaina nataon’i Jesosy tetỳ an-tany?... Namaly an’io fanontaniana io i Jesosy, ka nanao hoe: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” (Lioka 4:43) Fantatr’i Jesosy fa tsy ho vitany samirery ny fitoriana rehetra. Inona àry no nataony, hoy ianao?...

Inona no asa nasaina nataon’i Jesosy tetỳ an-tany?

Nitondra olona niaraka taminy izy, ary nampiseho azy ny fomba anaovana ny asa fitoriana. Ireo 12 lahy nofidiny ho apostoly no nampiofaniny voalohany. (Matio 10:5, 7) Ny apostoliny ihany ve anefa no nampiofaniny? Tsia. Lazain’ny Baiboly fa nampiofana olon-kafa maro koa izy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy mpianatra 70 nalefany tsiroaroa, hialoha lalana azy. Inona no nampianarin’izy ireo ny olona?... Hoy i Jesosy: “Lazao amin’ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 10:9) Tamin’izany fomba izany no nianaran’ny olona momba ilay Fanjakana.

Fanaon’ny mpanjaka vaovao teo amin’ny Isiraely fahiny ny niditra tao an-tanàna, nitaingina zanak’ampondra mba hiseho tamin’ny vahoaka. Nanao izany i Jesosy nandritra ny fitsidihany farany an’i Jerosalema. Ho Filohan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Tian’ilay vahoaka ho Mpanjakany ve i Jesosy?...

Nandritra ny fandalovan’i Jesosy dia namelatra ny akanjony ivelany teo amin’ny lalana ny ankamaroan’ny olona. Ny hafa kosa nanapaka rantsankazo ka nametraka izany teo amin’ny lalana. Nasehon’izy ireo tamin’izany fa tiany ho Mpanjakany i Jesosy. Niantsoantso izy ireo hoe: “Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah.” Tsy ny olona rehetra anefa no faly. Nisy mpitondra fivavahana niteny mihitsy tamin’i Jesosy hoe: ‘Asaivo mangina ny mpianatrao.’—Lioka 19:28-40.

Nahoana no niova hevitra ilay vahoaka ka lasa tsy tia an’i Jesosy ho Mpanjakany?

Dimy andro tatỳ aoriana, dia voasambotra i Jesosy, ary nentina tao amin’ny lapa iray, teo anatrehan’i Pontio Pilato, governora. Nilaza ireo fahavalon’i Jesosy fa nihambo ho mpanjaka izy, ary nanohitra ny fanjakana romanina. Nanontany an’i Jesosy momba izany i Pilato. Nilaza i Jesosy fa tsy nitady hanongam-panjakana izy. Hoy izy hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao.”—Jaona 18:36.

Nivoaka ny lapa i Pilato, ary nilaza tamin’ilay vahoaka fa tsy hitany izay fahadisoan’i Jesosy. Tsy tian’ilay vahoaka ho Mpanjakany indray anefa izao i Jesosy. Tsy tian’izy ireo hafahana izy. (Jaona 18:37-40) Niverina niresaka tamin’i Jesosy i Pilato, ka tena azony antoka fa tsy nanao ratsy mihitsy i Jesosy. Nentiny teo ivelan’ny lapa i Jesosy, tamin’ny farany, ary hoy izy hoe: “Indro ny Mpanjakanareo!” Nikiakiaka ilay vahoaka, nanao hoe: ‘Ento any, ento any izy! Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!’

Hoy i Pilato: ‘Hofantsihako amin’ny hazo fijaliana ve ny mpanjakanareo?’ Namaly ny lohan’ny mpisorona hoe: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.” Eritrereto ange izany e! Vitan’ireo mpisorona ratsy fanahy ireo ny nitarika an’ilay vahoaka hanohitra an’i Jesosy!—Jaona 19:1-16.

Mitovy be amin’izany ny toe-javatra ankehitriny. Tsy tian’ny ankamaroan’ny olona mihitsy raha i Jesosy no Mpanjakany. Mety hiteny izy ireo hoe mino an’Andriamanitra, nefa tsy te hankatò an’Andriamanitra na i Kristy. Ny fanjakan’olombelona ihany no tiany.

Ahoana ny amintsika? Lasa tia an’Andriamanitra ve isika, rehefa mianatra momba ilay Fanjakany sy ny zavatra mahafinaritra hataon’izy io?... Lasa tia azy isika, sa tsy izany?... Ahoana àry no hampisehoantsika fa tia azy isika ary maniry hoentin’ilay Fanjakany?...

Nahoana i Jesosy no natao batisa, ary ahoana no nampisehoan’Andriamanitra fa nankasitrahany izy?

Asehontsika an’Andriamanitra ny ao am-pontsika raha manahaka an’i Jesosy isika. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tia an’i Jehovah izy?... Hoy i Jesosy: “Izaho manao izay sitrany mandrakariva.” (Jaona 8:29) Tonga tetỳ an-tany i Jesosy ‘mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra’ sy ‘hahavita ny asany.’ (Hebreo 10:7; Jaona 4:34) Eritrereto izay nataony talohan’ny nanombohany ny asa fitoriana.

Nankany amin’i Jaona Mpanao Batisa, tany amin’ny Ony Jordana, i Jesosy. Rehefa tao anaty rano izy ireo, dia narobok’i Jaona tanteraka tao i Jesosy, ary navoakany indray avy eo. Nahoana no nanao batisa an’i Jesosy i Jaona, raha fantatrao?...

Aiza avy isika no afaka mitory ny Fanjakan’Andriamanitra?

I Jesosy no nangataka an’i Jaona hanao batisa azy. Ahoana kosa no ahafantarantsika fa tian’Andriamanitra ny hanaovana batisa an’i Jesosy?... Satria nahare ny feon’Andriamanitra avy tany an-danitra i Jesosy, rehefa niakatra avy tao anaty rano. Hoy ilay feo: ‘Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.’ Nalefan’Andriamanitra teo ambonin’i Jesosy mihitsy ny fanahiny masina, tahaka ny voromailala. Rehefa natao batisa àry i Jesosy, dia nampiseho fa naniry hanompo an’i Jehovah nandritra ny fiainany izy, eny, mandrakizay.—Marka 1:9-11.

Mbola kely ianao izao, nefa inona no hataonao any aoriana?... Hanahaka an’i Jesosy ve ianao, ka hatao batisa koa?... Tokony hanao tahaka azy ianao, satria lazain’ny Baiboly fa ‘namela fianarana ho anao izy, mba hanarahanao ny diany.’ (1 Petera 2:21) Hasehonao fa tena maniry hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao, rehefa manaiky hatao batisa. Tsy ampy anefa ny batisa.

Mila mankatò ny zavatra rehetra nampianarin’i Jesosy isika. Nilaza izy fa tsy tokony ho “naman’izao tontolo izao” isika. Mankatò azy ve isika raha manaraka ny fanaon’izao tontolo izao sy ny toetrany? Tsy nety ho naman’izao tontolo izao i Jesosy sy ny apostoliny. (Jaona 17:14) Inona kosa no nataon’izy ireo?... Niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Izany no asa lehibe teo amin’ny fiainany. Afaka manao izany koa ve isika?... Ie, ary hanao izany isika raha tena amin’ny fo no ivavahantsika hoe: ‘Ho tonga anie ny Fanjakanao.’

Jereo ireto andininy ireto, satria milaza izay azontsika atao mba hanehoana fa irintsika ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra: Matio 6:24-33; 24:14; 1 Jaona 2:15-17; 5:3.