Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 46

Horavana Amin’ny Rano Indray ve ity Tontolo Ity?

Horavana Amin’ny Rano Indray ve ity Tontolo Ity?

EFA nahare olona niresaka momba ny fara andro ve ianao?... Betsaka ny miresaka momba izany ankehitriny. Misy mieritreritra fa hisy ady hampiasan’ny olona baomba, ka izay no faran’izao tontolo izao. Hopotehin’Andriamanitra ve ity tany tsara tarehy ity, araka ny hevitrao?...

Efa hitantsika fa miresaka momba ny faran’izao tontolo izao ny Baiboly, rehefa nilaza hoe: ‘Mandalo izao tontolo izao.’ (1 Jaona 2:17) Ho potika ve ny tany rehefa hifarana izao tontolo izao, araka ny hevitrao?... Tsia. Lazain’ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra “honenana” ny tany, izany hoe nataony hipetrahana sy hifalian’ny olona. (Isaia 45:18) Hoy ny Salamo 37:29: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Izany koa no ilazan’ny Baiboly fa haharitra mandrakizay ny tany.—Salamo 104:5; Mpitoriteny 1:4.

Inona àry no hitranga amin’ny faran’izao tontolo izao, raha tsy ho potika ny tany?... Ho hitantsika ny valin’izany, raha mijery izay nitranga tamin’ny andron’i Noa isika. Hoy ny Baiboly: ‘Rava izao tontolo izao taloha, rehefa safotry ny rano.’—2 Petera 3:6.

Nisy olona tsy maty ve tamin’io Safo-drano namarana ny tontolo tamin’ny andron’i Noa io?... Lazain’ny Baiboly fa ‘namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito hafa Andriamanitra, fony nahatonga ny Safo-drano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao.’—2 Petera 2:5.

Inona ilay tontolo rava tamin’ny andron’i Noa?

Inona àry no nifarana tamin’izay? Ny tany ve, sa ny ratsy fanahy?... Ny “ratsy fanahy”, hoy ny Baiboly. Mariho koa fa nantsoina hoe “mpitory” i Noa. Inona no notoriny, araka ny hevitrao?... Nampitandrina ny olona i Noa fa hifarana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany.

Rehefa niresaka momba ilay Safo-drano lehibe tamin’ny mpianany i Jesosy, dia nolazainy ny zavatra nataon’ny olona taloha kelin’izay. Hoy izy taminy: ‘Tamin’ny andro fony mbola tsy tonga ny Safo-drano, dia nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-piavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo fiara, ary tsy nahafantatra izy mandra-piavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra.’ Nolazain’i Jesosy avy eo, fa hanao an’izany koa ny olona, alohan’ny faran’ity tontolo ity.—Matio 24:37-39.

Asehon’ny tenin’i Jesosy fa afaka mandray anatra avy amin’ny zavatra nataon’ny olona talohan’ny Safo-drano isika. Inona no tadidinao hoe nataon’izy ireo, rehefa namaky ny Toko 10 amin’ity boky ity ianao?... Nisy ireo nampijaly kely sy nahery setra. Maro koa, hoy i Jesosy, no tsy nihaino mihitsy rehefa naniraka an’i Noa hitory taminy Andriamanitra.

Tonga àry ny andro nilazan’i Jehovah tamin’i Noa fa handringana ny ratsy fanahy amin’ny Safo-drano izy. Ho difotry ny rano ny tany manontolo, hatramin’ny tendrombohitra. Nasainy nanamboatra sambo fiara lehibe i Noa. Toy ny vata lava sady ngezabe izy io, raha jerenao ilay sary eo amin’ny pejy faha-238.

Nasain’Andriamanitra natao lehibe tsara ilay sambo fiara, mba ho antonona an-dry Noa mianakavy sy ireo biby maro be. Tena niasa mafy izy ireo. Nikapa hazo be maro izy, ary nanomboka nanamboatra an’ilay sambo fiara. Tena lehibe ilay izy ka taona maro vao vita.

Inona koa no nataon’i Noa nandritra ireo taona nanamboarany an’ilay sambo fiara, raha tadidinao?... Nitory izy, ary nampitandrina fa hisy Safo-drano ho avy. Nisy nihaino azy ve? Tsy nisy, afa-tsy ny fianakaviany. Variana tamin-javatra hafa ny olona. Variana tamin’inona, hoy i Jesosy, raha tadidinao?... Variana nihinana sy nisotro ary nampaka-bady izy ireo. Tsy nihevitra ny tenany ho ratsy fanahy izy, ary tsy nanokana fotoana hihainoana an’i Noa. Andeha àry hojerentsika ny nanjo azy.

Nakaton’i Jehovah ny varavaran’ilay sambo fiara, rehefa tafiditra ry Noa mianakavy. Mbola tsy nino ihany ny olona tany ivelan’ilay sambo fiara hoe hisy Safo-drano ho avy. Tampoka teo anefa dia nanomboka niraraka avy tany an-danitra ny rano! Tsy orana toy ny orana rehetra ilay izy, fa tena oram-be! Vetivety dia lasa toy ny renirano be nisasasasa ny ranonorana. Nianjera ny hazo be ary nikodiadia toy ny vato kely ny vato be. Nanao ahoana kosa ny olona tany ivelan’ilay sambo fiara?... Hoy i Jesosy: ‘Tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.’ Maty izay rehetra tany ivelany. Nahoana?... Satria “tsy fantany”, hoy i Jesosy. Tsy nihaino izy ireo!—Matio 24:39; Genesisy 6:5-7.

Nahoana no tsy mety ny tsy mieritreritra afa-tsy ny hifalifaly?

Tadidio fa anatra ho antsika ankehitriny izay nanjo ireny olona ireny, hoy i Jesosy. Inona ilay anatra?... Ringana izy ireny satria ratsy fanahy. Variana loatra koa izy ka tsy nianatra momba an’Andriamanitra sy ny zavatra hataony. Mila mitandrina isika mba tsy hanao tahaka azy ireny, sa ahoana?...

Mbola handrava ity tontolo ity amin’ny Safo-drano ve Andriamanitra, araka ny hevitrao?... Tsia. Nampanantena izy fa tsy hanao an’izany. Hoy izy: “Ny avako efa napetrako eo amin’ny rahona ho famantarana.” Ny avana no famantarana fa “tsy hisy safo-drano handringana ny nofo rehetra intsony.”—Genesisy 9:11-17.

Azontsika antoka àry fa tsy handrava ity tontolo ity amin’ny safo-drano intsony Andriamanitra. Tena miresaka momba ny faran’izao tontolo izao anefa ny Baiboly, araka ny efa hitantsika. Iza no ho voavonjy rehefa handrava an’ity tontolo ity Andriamanitra?... Ireo olona variana loatra amin-javatra hafa ve, ka tsy te hianatra momba an’Andriamanitra mihitsy? Ireo olona sahirana loatra ve ka tsy nianatra ny Baiboly? Ahoana ny hevitrao?...

Te ho anisan’ireo hovonjen’Andriamanitra isika, sa tsy izany?... Tsy hahafinaritra ve raha ho tahaka an-dry Noa ny fianakaviantsika, ka hovonjen’Andriamanitra?... Tsy te ho faty amin’ny faran’izao tontolo izao isika. Mila fantarintsika àry hoe ahoana no handravan’Andriamanitra azy ity, ka hanorenany ny tontolony vaovao sy marina. Andeha hojerentsika ny amin’izany.

Manome fanazavana momba izany ny Baiboly ao amin’ny Daniela toko faha-2, andininy faha-44. Miresaka ny androntsika io andininy io, rehefa milaza hoe: ‘Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.’

Azonao ve ilay izy?... Lazain’ny Baiboly fa handrava ny fanjakan’olombelona rehetra ny fanjakan’Andriamanitra. Nahoana?... Satria tsy mankatò an’ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra izy ireo. Iza io Mpanjaka io?... Ie, Jesosy Kristy!

Handrava ity tontolo ity amin’ny Hara-magedona i Jesosy Kristy, Mpanjaka voafidin’Andriamanitra

I Jehovah no manana ny zo hanapa-kevitra hoe iza ny fitondram-panjakana tokony hitantana. I Jesosy Zanany no nofidiny ho Mpanjaka. Tsy ho ela i Jesosy dia handrava ny fitondram-panjakana rehetra eto amin’ity tontolo ity. Miresaka an’i Jesosy manao izany fandravana izany ny Baiboly, ao amin’ny Apokalypsy toko faha-19, andininy faha-11 ka hatramin’ny faha-16, araka ny hita eto amin’ny sary. Antsoin’ny Baiboly hoe Hara-magedona ilay ady handravan’Andriamanitra an’ireo fitondram-panjakana ireo.

Lazain’Andriamanitra fa horavan’ilay Fanjakany ny fitondram-panjakan’olombelona. Isika ve no asainy hanao izany?... Tsia. Antsoin’ny Baiboly hoe “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ny Hara-magedona. (Apokalypsy 16:14, 16) Eny, adin’Andriamanitra ny Hara-magedona, ary i Jesosy Kristy no hampiasainy hitarika ny tafiky ny lanitra. Efa akaiky ve ny Hara-magedona? Andeha hojerentsika ny fomba hahitana ny valin’izany.

Andeha hovakintsika ny momba ny fotoana handringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy, sy hamonjeny ny mpanompony, araka ny Ohabolana 2:21, 22; Isaia 26:20, 21; Jeremia 25:31-33; Matio 24:21, 22.