Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 47

Ahoana no Ahafantarantsika fa Akaiky ny Hara-magedona?

Ahoana no Ahafantarantsika fa Akaiky ny Hara-magedona?

FANTATRAO ny atao hoe famantarana, sa tsy izany?... Hitantsika tao amin’ny Toko 46 ny famantarana nomen’Andriamanitra fa hoe tsy handrava an’izao tontolo izao amin’ny safo-drano intsony izy. Nangataka famantarana koa ny apostoly. Tiany ho fantatra mantsy hoe rahoviana no hiverina i Jesosy, ary ahoana no ahafantarana fa akaiky ny faran’izao tontolo izao.—Matio 24:3.

Tsy hita maso i Jesosy any an-danitra, ka nilaina ny famantarana mba hahitan’ny olona fa efa nanomboka nitondra izy. Niresaka zavatra hitranga tokony hodinihin’ny mpianany àry i Jesosy. Rehefa mitranga izany, dia ho fantatr’izy ireo fa efa niverina i Jesosy, ary efa nanomboka nanjaka any an-danitra.

Te hampianatra i Jesosy hoe tena nila ny ho mailo foana ny mpianany. Hoy àry izy: ‘Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. Raha hitanareo fa efa mitsiry ireo, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.’ Fantatrao rehefa akaiky ny lohataona. Fantatrao toy izany koa hoe akaiky ny Hara-magedona, rehefa hitanao ireo zavatra noresahin’i Jesosy.—Lioka 21:29, 30.

Inona no anatra nomen’i Jesosy, rehefa niresaka momba ny aviavy izy?

Handinika ireo sary eto amin’ity pejy ity sy ny pejy manaraka isika. Ireo zavatra nolazain’i Jesosy hita eto no anisan’ny famantarana fa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa mitranga daholo ireo, dia hanorotoro ny fitondram-panjakana rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko 46.

Jereo tsara àry ny sary eo amin’ireo pejy roa ireo, fa horesahintsika. Azonao vakina ao amin’ny Matio 24:6-14 sy ny Lioka 21:9-11, ny zavatra hitanao eo amin’ireo sary ireo. Jereo koa fa misy tarehimarika kely eo amin’ny sary tsirairay. Io tarehimarika io ihany no hita eo amin’ny fiandohan’ny fehintsoratra manazava ilay sary. Andeha hojerentsika àry raha tanteraka amin’izao andro izao, ireo zavatra maro anisan’ilay famantarana nomen’i Jesosy.

1) Hoy i Jesosy: ‘Handre ady sy filazana ady ianareo; hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.’ Efa nandre vaovao mahakasika ady ve ianao?... Teo ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918, sy ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1945. Mbola tsy nisy ady lehibe talohan’ireo! Misy ady maro koa izao maneran-tany. Rentsika amin’ny tele sy radio na vakintsika amin’ny gazety isan’andro ny momba ny ady.

2) Hoy koa i Jesosy: ‘Hisy mosary any amin’ny tany samy hafa.’ Tsy ny olona rehetra no ampy sakafo, araka ny mety ho fantatrao. An’arivo no maty isan’andro, satria tsy ampy sakafo.

3) Mbola hoy koa i Jesosy: ‘Hisy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa.’ Inona no atao hoe areti-mandringana, raha fantatrao?... Izany dia aretina mamono olona maro be. Namono olona 20 tapitrisa teo ho eo, tao anatin’ny herintaona monja, ny areti-mandringana iray nantsoina hoe gripa espaniola. Olona maro noho izany koa izao no mety ho fatin’ny SIDA. Eo koa ny kansera, aretim-po sy aretina hafa izay mamono olona an’arivo isan-taona.

4) Nilaza famantarana hafa koa i Jesosy. Hoy izy: ‘Hisy horohoron-tany any amin’ny tany samy hafa.’ Inona no atao hoe horohoron-tany, raha fantatrao?... Mihetsiketsika be io tany hitsahinao io rehefa misy horohoron-tany. Mianjera ny trano ary matetika no misy olona maty. Misy horohoron-tany maro be isan-taona, nanomboka tamin’ny taona 1914. Efa nandre resaka momba ny horohoron-tany ve ianao?...

5) Nolazain’i Jesosy fa ho anisan’ny famantarana koa ny ‘fitomboan’ny faharatsiana.’ Izany no mahabetsaka ny halatra sy herisetra. Be dia be ny olona matahotra sao misy mamaky ny tranony. Mbola tsy nisy mihitsy asan-jiolahy sy herisetra tahaka izao.

6) Nilaza zavatra tena lehibe anisan’ilay famantarana i Jesosy rehefa niteny hoe: ‘Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, izay vao ho tonga ny farany.’ (Matio 24:14) Tokony hiresaka momba an’io vaovao tsara io amin’ny olona ianao, raha mino fa tena zava-dehibe izy io. Amin’izay dia handray anjara amin’ny fanatanterahana an’io famantarana io ianao.

Mety hisy hiteny fa efa nitranga foana ireo zavatra voalazan’i Jesosy ireo. Mbola tsy niara-nitranga mihitsy tany amin’ny faritra maro tahaka ny hitantsika amin’izao anefa ireo zavatra rehetra ireo. Azonao ve ny dikan’ilay famantarana?... Rehefa mitranga daholo ireo zavatra ireo, dia midika izany fa efa hisolo an’ity tontolo ratsy ity ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.

Niresaka momba ny fotoana hafa iray koa i Jesosy, rehefa nanome an’io famantarana io. Hoy izy: ‘Mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina no handosiranareo.’ (Matio 24:20) Inona no tiany hambara, araka ny hevitrao?...

Raha misy olona voatery mandositra loza amin’ny ririnina, ary lasa sarotra sy mampidi-doza ny diany noho ny toetrandro, inona no mety hitranga?... Tena ho sahirana izy vao mety ho voavotra. Tsy hampalahelo ve raha misy olona maty ao anaty tafio-drivotra, satria variana loatra tamin-javatra hafa, ka tara vao nandositra?...

Inona no anatra nomen’i Jesosy, rehefa niresaka momba ny fandosirana mandritra ny ririnina izy?

Azonao ve ny tian’i Jesosy hambara, rehefa nilaza izy fa tsy tokony hiandry ny ririnina vao handositra?... Nilaza izy fa tsy tokony hangataka andro isika vao haneho fa tia an’Andriamanitra sy hanompo azy. Fantatsika mantsy fa efa akaiky ny Hara-magedona, ka mety ho tara loatra raha mangataka andro isika. Raha tara loatra isika dia ho tahaka ireo olona tamin’ny andron’ny Safo-drano, izay nandre ny fampitandreman’i Noa, nefa tsy niditra tao anatin’ilay sambo fiara.

Andeha horesahintsika indray izao ny hoe hanao ahoana ny fiainana aorian’ny Hara-magedona. Ho hitantsika ireo zavatra nomanin’Andriamanitra ho antsika tia sy manompo azy dieny izao.

Ireto mbola misy andininy mampiseho fa akaiky ny Hara-magedona: 2 Timoty 3:1-5; 2 Petera 3:3, 4.