Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao ve no Fikasan’Andriamanitra?

Izao ve no Fikasan’Andriamanitra?

NA MAMAKY gazety ianao, na mijery tele, na mihaino radio, dia misy resaka heloka bevava sy ady ary fampihorohoroana foana amin’izy ireny. Na ianao mihitsy no manana olana, ohatra hoe marary, na nisy havanao maty. Mety ho “vontom-pahoriana” ianao, hoatran’ilay lehilahy tsara fanahy atao hoe Joba.—Joba 10:15.

Eritrereto hoe:

  • Izao ve no nokasain’Andriamanitra ho ahy sy ho an’ny olombelona rehetra?

  • Aiza no ahitako fanampiana mba hiatrehako ny olana mahazo ahy?

  • Mbola hisy fiadanana ihany ve eto an-tany indray andro any?

Mamaly an’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly.

AMPIANARIN’NY BAIBOLY FA IRETO NY FANOVANA HATAON’ANDRIAMANITRA ETO AN-TANY.

“Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” —Apokalypsy 21:4

“Hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra.”—Isaia 35:6

“Hampahiratina ny mason’ny jamba.” —Isaia 35:5

‘Hivoaka izay rehetra any am-pasana.’—Jaona 5:28, 29

“Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’”—Isaia 33:24

“Hahavokatra be ny tany.”—Salamo 72:16

MAHASOA ANAO NY MIANATRA BAIBOLY

Aza tonga dia mieritreritra hoe nofinofy fotsiny ireo zavatra nolazaina tao amin’ny pejy teo aloha. Andriamanitra mantsy no nampanantena fa hanao an’ireo, ary hazavain’ny Baiboly hoe ahoana no hanaovany azy.

Tsy izay ihany anefa. Hitantsika ao amin’ny Baiboly koa hoe ahoana no atao raha tena te ho sambatra ianao dieny izao. Eritrereto kely ange ny zavatra mampanahy anao sy ny olana mahazo anao e! Tsy manam-bola ve, ohatra, ianao, sa mikorontana ny tokantranonao? Marary ve ianao, sa misy maty ny havanao? Afaka mampahery anao sy manampy anao hiatrika an’izany ny Baiboly. Valiana ao, ohatra, ireto:

  • Nahoana isika no mijaly?

  • Ahoana no hiatrehana ny zavatra mampanahy eo amin’ny fiainana?

  • Inona no azontsika atao mba ho sambatra kokoa ny fianakaviantsika?

  • Lasa aiza ny olona rehefa maty?

  • Mbola hahita ny havantsika efa maty ve isika indray andro any?

  • Azo antoka ve fa tena hanatanteraka ny zavatra nampanantenainy Andriamanitra?

Te hahalala an’izay ampianarin’ny Baiboly ianao, matoa mamaky an’ity boky ity. Tena hanampy anao izy ity. Misy fanontaniana eny ambany pejy, ary ao amin’ny fehintsoratra ny valiny. Olona an-tapitrisany no mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka miezaka mamaly an’ireo fanontaniana ireo. Mahafinaritra azy ireo izany, ary enga anie ka hahafinaritra anao koa. Ho faly sy ho afa-po ianao rehefa hahalala hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly. Enga anie ka hotahin’Andriamanitra ianao amin’izany.