Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 1

Inona no Marina Momba An’Andriamanitra?

Inona no Marina Momba An’Andriamanitra?
  • Tena miahy anao ve Andriamanitra?

  • Hoatran’ny ahoana ny toetrany? Manana anarana ve izy?

  • Afaka mifandray akaiky aminy ve ianao?

1, 2. Nahoana isika no mila manontany foana?

EFA nisy ankizikely nanontany zavatra anao ve? Vao mahay miteny ny ankizy matetika dia efa be fanontaniana. Jereny tsara ianao sady anontaniany, ohatra hoe: Fa maninona ny biby no tsy miteny? Maninona kay no maizina be rehefa amin’ny alina? Na efa miezaka mamaly aza ianao, dia mbola anontaniany ihany hoe: Fa maninona?

2 Tsy ny ankizy ihany no tia manontany, fa na ny olon-dehibe koa aza. Mety hoe tsy mahita lalana, ohatra, isika, na te hisoroka loza, na misy zavatra tiantsika ho fantatra, dia manontany olona. Maro anefa no tsy tia manontany intsony, na dia amin’ny zavatra tena lehibe aza. Tsy vonona hitady ny valiny akory izy ireo.

3. Nahoana ny olona maro no tsy miezaka hitady ny valin’ireo fanontaniana tena lehibe intsony?

3 Eritrereto, ohatra, ilay fanontaniana eo amin’ny fonon’ity boky ity, na ny ao amin’ny teny fampidirana, na ny eo am-piandohan’ity toko ity. Anisan’ny tena tokony hoeritreretinao ireo. Olona maro anefa no tsy miezaka hitady ny valin’ireo intsony. Misy mihevitra fa tsy takatry ny saina izay lazain’ny Baiboly momba an’ireo, satria sarotra be. Ny sasany indray mieritreritra hoe mahamenatra izany manontany izany. Misy kosa milaza fa ny mpitondra fivavahana ihany no tena mahavaly an’ireo. Ary ahoana ny hevitrao? Mamaly an’ireo fanontaniana ireo ve ny Baiboly?

4, 5. Inona avy ny fanontaniana lehibe mety ho tiantsika ho fantatra, ary nahoana isika no tokony hitady ny valiny?

4 Mety hanontany ianao hoe: ‘Inona no tena antony namoronana ny olona? Tsy misy azontsika antenaina ve afa-tsy ny hoe teraka, dia antitra, dia maty? Manao ahoana izany Andriamanitra izany?’ Azo inoana fa tianao ho hita ny valin’ireny fanontaniana ireny. Tsara ny manontany zavatra hoatr’ireo, ary tokony hikaroka foana ianao mandra-pahitanao ny tena marina. Hoy mantsy i Jesosy Kristy, mpampianatra malaza: “Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.”—Matio 7:7.

5 Aza kivy àry mitady ny valin’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Tsy hanenina ianao raha manao an’izany. (Ohabolana 2:1-5) Na inona na inona nolazain’ny olona taminao, dia tena misy ny valiny ary ho hitanao ao amin’ny Baiboly izany. Tsy hoe tsy takatry ny saina izay lazainy ao. Vao mainka ho sambatra aza ianao raha mahalala an’ilay izy, sady hanana fanantenana. Hodinihintsika aloha ny fanontaniana iray mampiasa saina ny olona maro.

TSY MIRAHARAHA OLONA SY MAFY FO VE ANDRIAMANITRA?

6. Nahoana ny olona maro no mieritreritra fa tsy miraharaha ny fijaliantsika Andriamanitra?

6 Izany no eritreretin’ny olona maro. ‘Tsy ho hoatr’izao mihitsy’, hono, ‘ny fiainana, raha tena miahy antsika Andriamanitra.’ Feno ady sy fankahalana ary fahantrana tokoa ny tany. Marary sy mijaly koa isika, ary misy havantsika maty mihitsy aza. Izany no mahatonga ny olona maro hilaza hoe: ‘Raha tena miahy antsika sy mijery ny olana mahazo antsika Andriamanitra, tsy hisakana an’ireo zavatra ireo mba tsy hitranga ve izy?’

7. a) Inona no lazain’ny mpitondra fivavahana, ka mahatonga ny olona maro hieritreritra hoe mafy fo Andriamanitra? b) Inona marina no ampianarin’ny Baiboly momba ny fitsapana mahazo antsika?

7 Ny mpitondra fivavahana mihitsy aza indraindray no mahatonga ny olona hieritreritra fa mafy fo Andriamanitra. Rehefa misy loza mantsy, dia lazainy fa izany, hono, no sitrapon’Andriamanitra. Toy ny manome tsiny an’Andriamanitra anefa izy ireo, rehefa miteny an’izany. Inona kosa no tena lazain’ny Baiboly? Hoy ny Jakoba 1:13: “Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” Tsy Andriamanitra mihitsy àry no mahatonga ny zavatra ratsy. (Vakio ny Joba 34:10-12.) Marina fa avelany hitranga ilay izy, kanefa tsy mitovy mihitsy ny hoe mamela zavatra hitranga sy ny hoe mahatonga an’izany hitranga.

8, 9. a) Hazavao amin’ny ohatra fa tsy mitovy ny hoe mamela ny zavatra ratsy hisy sy ny hoe mahatonga an’izany. b) Nahoana no tsy rariny raha manome tsiny an’Andriamanitra isika noho izy mamela ny olona hanao ratsy?

8 Eritrereto hoe misy lehilahy iray hendry sy be fitiavana. Nanan-janakalahy efa lehibe niara-nipetraka taminy izy. Naditra io zanany io tatỳ aoriana, dia niala tao an-trano. Navelan’ilay rainy handeha izy fa tsy nosakanany. Vao mainka naditra izy tany, ka nahita olana. Ilay rainy ve no nahatonga an’izany? Tsia. (Lioka 15:11-13) Avelan’Andriamanitra hanao ratsy koa ny olona raha izay no safidiny. Tsy izy anefa no mahatonga ny olana mitranga aorian’izay. Tsy rariny mihitsy àry raha Andriamanitra indray no omena tsiny amin’ny olana rehetra mahazo ny olombelona.

9 Misy antony matoa avelan’Andriamanitra hanao ratsy ny olona. Mpamorona hendry sy mahery izy, ka tsy voatery hanazava an’izany antony izany. Nolazainy tamintsika anefa izany satria tia antsika izy. Hianaranao any amin’ny Toko faha-11 izany. Matokia anefa fa tsy Andriamanitra no mahatonga ny olana mahazo antsika. Izy irery ihany aza no azo antenaina handamina an’izany!—Isaia 33:2.

10. Nahoana isika no afaka matoky fa hanarina an’izay zavatra tsy mety rehetra Andriamanitra?

10 Ankoatra izany, dia masina Andriamanitra. (Isaia 6:3) Midika izany fa tsy manao ratsy mihitsy izy na kely aza, ka azo atokisana tanteraka. Tsy hoatr’izany ny olombelona, satria mety hanao ratsy izy ireo indraindray. Na ny manam-pahefana faran’izay manao ny marina aza tsy mahavita manarina ny tsy mety ataon’ny olon-dratsy. Andriamanitra kosa anefa mahery indrindra. Mahavita manarina ny tsy mety vokatry ny nataon’ny olona izy, ary tena hanao an’izany. Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny faharatsiana!—Vakio ny Salamo 37:9-11.

MALAHELO VE ANDRIAMANITRA REHEFA IHARAN’NY TSY RARINY ISIKA?

11. a) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny tsy rariny? b) Inona no tsapan’Andriamanitra rehefa mahita anao mijaly?

11 Ahoana anefa ny fiheveran’Andriamanitra ny zava-mitranga eto an-tany sy eo amin’ny fiainanao? Milaza ny Baiboly fa “tia rariny” Andriamanitra. (Salamo 37:28) Manana fitsipika mazava momba an’izay tsara sy ratsy izy, ary tena tsy tiany rehefa hoe tsy rariny. Milaza ny Baiboly fa “nalahelo ny fony”, rehefa feno zava-dratsy teto an-tany taloha. (Genesisy 6:5, 6) Tsy miova Andriamanitra hatramin’izay ka hatramin’izao. (Malakia 3:6) Tsy tiany mihitsy ny mahita olona mijaly, anisan’izany ianao. Milaza ny Baiboly fa ‘miahy anao izy.’—Vakio ny 1 Petera 5:7.

Milaza ny Baiboly fa i Jehovah no Mpamorona an’izao rehetra izao, ary be fitiavana izy

12, 13. a) Nahoana isika no manana toetra tsara, toy ny fitiavana, ary inona no tsapantsika rehefa mahita olona mijaly isika? b) Nahoana ianao no afaka matoky fa tena hanafoana ny olana eto an-tany Andriamanitra?

12 Mbola misy porofo hafa manome toky antsika hoe tena tsy tian’Andriamanitra ny mahita olona mijaly. Noforonina araka ny endriny ny olombelona. (Genesisy 1:26) Noho izy manana toetra tsara àry no mahatonga antsika hanana toetra tsara. Malahelo ve, ohatra, ianao rehefa mahita olona tsy manan-tsiny mijaly? Koa raha ianao aza hontsa mahita an’izany, mainka fa Andriamanitra!

13 Anisan’ny toetra mampiavaka ny olombelona ny fitiavana, ary manahaka an’Andriamanitra koa izy amin’izany. Milaza mantsy ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Manam-pitiavana isika, satria mitovy toetra aminy. Ny fitiavana no mahatonga anao te hanala ny fijaliana sy ny tsy rariny. Ary ahoana raha manana hery hanaovana an’izany ianao? Tsy hataonao ve izany? Afaka matoky koa ianao fa tena hamarana ny fijaliana sy ny tsy rariny Andriamanitra. Tsy nofinofy na fampanantenana poakaty fotsiny ireo voalaza ao amin’ny teny fampidirana amin’ity boky ity. Tsy maintsy ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra! Mila mianatra bebe kokoa momba azy anefa ianao, mba hinoanao an’izany.

TIAN’ANDRIAMANITRA HAHAFANTATRA AZY IANAO

Raha misy olona tianao hahafantatra anao, dia lazainao aminy ny anaranao. Lazain’Andriamanitra amintsika ao amin’ny Baiboly koa ny anarany

14. Iza no anaran’Andriamanitra, ary nahoana isika no tokony hampiasa ny anarany?

14 Inona no hataonao, raha misy olona tianao hahafantatra anao? Azo antoka fa holazainao aminy ny anaranao. Manana anarana àry ve Andriamanitra? Betsaka ny fivavahana milaza fa “Andriamanitra” na “Tompo” no anarany. Tsy tena anarana anefa ireo, fa anaram-boninahitra toy ny hoe “mpanjaka” na “prezidà.” Milaza ny Baiboly fa manana anaram-boninahitra be dia be Andriamanitra. Anisan’izany ny hoe “Andriamanitra” sy “Tompo.” Milaza koa anefa ny Baiboly fa manana ny tena anarany izy, dia Jehovah. Hoy ny Salamo 83:18: “Ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” Raha tsy misy an’io anarana io ao amin’ny Baibolinao, dia jereo ny antony, ao amin’ny Fanazavana Fanampiny, “Ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra sy ny Dikany”. Miverimberina im-7000 eo ho eo ao amin’ny Baiboly sora-tanana fahiny ny anaran’Andriamanitra. Hita amin’izany fa tena tiany hahafantatra ny anarany sy hampiasa azy io ianao. Nanome ny Baiboly izy mba hampahafantarana ny tenany.

15. Inona ny dikan’ilay anarana hoe Jehovah?

15 Tena misy dikany be ny anarana nofidin’Andriamanitra. Ilay hoe Jehovah mantsy dia midika fa mahavita manatanteraka an’izay nampanantenainy sy nokasainy rehetra izy. * Tena miavaka ny anaran’Andriamanitra, ary izy ihany no manana an’io anarana io. Maro ny zavatra mampiavaka an’i Jehovah. Inona avy izany?

16, 17. Inona ny dikan’ilay anaram-boninahitr’i Jehovah hoe: a) “Mahery Indrindra”? b) “Mpanjakan’ny mandrakizay”? d) “Mpamorona”?

16 Hitantsika tao amin’ny Salamo 83:18 fa i Jehovah ‘irery ihany no Avo Indrindra.’ Izy irery koa no antsoina hoe “Mahery Indrindra.” Hoy mantsy ny Apokalypsy 15:3: “Lehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra. Mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny mandrakizay.” Ilay anaram-boninahitra hoe “Mahery Indrindra”, dia midika fa tsy misy mahery noho i Jehovah, sady tsy misy mitovy aminy. Ilay anaram-boninahitra hoe “Mpanjakan’ny mandrakizay” indray, dia midika fa izy irery ihany no efa nisy foana hatramin’izay. Hoy ny Salamo 90:2: “Efa Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” Tsy mahagaga ve izany?

17 Miavaka koa i Jehovah, satria izy irery no Mpamorona. Hoy ny Apokalypsy 4:11: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” Tsy ho nisy ny zava-drehetra raha tsy noforonin’i Jehovah. Izy no nanao ny anjely, ny kintana eny amin’ny lanitra, ny voankazo eny ambony hazo, ny trondro ao anaty ranomasina sy renirano, ary ny zavatra hafa rehetra.

AFAKA MIFANDRAY AKAIKY AMIN’I JEHOVAH VE IANAO?

18. Nahoana ny olona sasany no mieritreritra hoe tsy ho afaka hifandray akaiky amin’Andriamanitra mihitsy, nefa inona no lazain’ny Baiboly?

18 Tsy tena sahy mifandray amin’i Jehovah ny olona sasany, rehefa mahalala ny toetrany. Mieritreritra izy ireo hoe ambony loatra Andriamanitra, ka tsy ho afaka hifandray aminy mihitsy izy ireo sady tsy hisy dikany aminy akory aza. Tsy izany mihitsy anefa no lazain’ny Baiboly. Lazainy kosa fa ‘raha ny marina, dia tsy lavitra antsika tsirairay’ i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 17:27) Mampirisika antsika aza ny Baiboly hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.

19. a) Ahoana no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra, ary inona ny soa ho azontsika amin’izany? b) Inona ny toetran’Andriamanitra tianao indrindra?

19 Ahoana àry no ahafahanao manatona an’Andriamanitra? Tohizo aloha izao efa ataonao izao, ka mianara foana momba azy. Hoy mantsy i Jesosy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Hahazo “fiainana mandrakizay” ianao, raha mianatra momba an’i Jehovah sy Jesosy. Efa hitantsika fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:16) Manana toetra tsara hafa be dia be koa anefa izy. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy” izy, “tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana.” (Eksodosy 34:6) “Tsara toetra sy vonona hamela heloka” izy. (Salamo 86:5) Manam-paharetana i Jehovah. (2 Petera 3:9) Tsy mivadika izy. (Apokalypsy 15:4) Raha mamaky Baiboly foana ianao, dia ho hitanao hoe ahoana no nampisehoan’i Jehovah an’ireo toetra ireo sy ny toetrany hafa.

20-22. a) Tsy afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra ve ianao satria tsy hita maso izy? Hazavao. b) Mety hampirisika anao hanao inona ny olona sasany, nefa inona no tokony hataonao?

20 Marina fa tsy afaka mahita an’Andriamanitra ianao, satria Fanahy izy. (Jaona 1:18; 4:24; 1 Timoty 1:17) Raha mianatra momba azy ao amin’ny Baiboly foana anefa ianao, dia hiaiky hoe tena misy izy. “Hahita ny hatsaran’i Jehovah” ianao, araka ny tenin’ny mpanao salamo. (Salamo 27:4; Romanina 1:20) Arakaraka ny ianaranao momba an’i Jehovah no hahatonga anao hiaiky hoe tena misy izy. Vao mainka ho tia azy ianao amin’izay, sady hifandray tsara aminy.

Tia ny zanany ny ray tsara fanahy. Tena tia antsika koa ilay Raintsika any an-danitra

21 Ho tsapanao tsikelikely fa tena Ray tokoa i Jehovah. (Matio 6:9) Tiany toy ny zanany isika, ka tsy hoe nataony ho velona fotsiny, fa tena tiany ho sambatra koa. (Salamo 36:9) Ankoatra izay, dia milaza ny Baiboly fa afaka ny ho naman’i Jehovah ny olombelona. (Jakoba 2:23) Mba eritrereto ange hoe ianao lasa naman’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao e!

22 Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hisy olona hampirisika anao tsy hianatra Baiboly intsony. Te hiaro anao angamba izy, satria matahotra sao hivadi-pinoana ianao. Aza avela hisy hanakana anao tsy hifandray amin’Andriamanitra anefa, satria izy no namana tsara indrindra.

23, 24. a) Nahoana ianao no tokony hanontany foana rehefa mianatra? b) Inona no hodinihina ao amin’ny toko manaraka?

23 Mety tsy hazava aminao ny zavatra sasany, amin’ny voalohany. Aza menatra manontany anefa. Nilaza i Jesosy fa mila manetry tena hoatran’ny ankizikely isika. (Matio 18:2-4) Ary fantatsika fa be fanontaniana ny ankizy. Tian’Andriamanitra hahita ny valin’ny fanontanianao ianao. Ao amin’ny Baiboly aza deraina mihitsy ny olona nazoto nianatra momba an’Andriamanitra. Nandinika tsara ny Soratra Masina izy ireo, mba ho azony antoka hoe marina ny zavatra nianarany.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:11.

24 Mila mianatra Baiboly isika raha tena te hahalala an’i Jehovah. Tsy mitovy amin’ny boky rehetra izy io. Nahoana? Hodinihina ao amin’ny toko manaraka izany.

^ feh. 15 Manazava kokoa ny dikan’ny anaran’Andriamanitra sy ny fomba fanononana azy ny Fanazavana Fanampiny, “Ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra sy ny Dikany.”