Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-3

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?
  • Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona?

  • Iza no nanohitra an’Andriamanitra, ary tamin’ny fomba ahoana?

  • Hanao ahoana ny fiainana eto an-tany amin’ny hoavy?

1. Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany?

TENA tsara ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany. Tiany ho feno olona sambatra sy salama tsara eto. Milaza ny Baiboly fa ‘nanamboatra zaridaina tao Edena i Jehovah Andriamanitra’, ka ‘nampaniriny tao ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso sady mahate hihinana.’ Namorona an’i Adama sy Eva, lehilahy sy vehivavy voalohany, izy avy eo, ary napetrany tao amin’io zaridaina tsara tarehy io izy ireo. Hoy izy tamin’izy ireo: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Genesisy 1:28; 2:8, 9, 15) Ny fikasan’Andriamanitra àry dia hoe hiteraka ny olombelona ka hanitatra an’ilay paradisa eran-tany, ary hikarakara ny biby.

2. a) Ahoana no ahafantarantsika fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany? b) Iza no lazain’ny Baiboly fa hiaina mandrakizay?

2 Ho tanteraka tokoa ve ilay fikasan’i Jehovah hoe hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona? Hoy izy: ‘Efa nolazaiko izany ka hataoko.’ (Isaia 46:9-11; 55:11) Tsy maintsy hotanterahin’Andriamanitra àry izay kasainy. Nilaza izy fa “tsy hoe tsy misy antony ny namoronany” ny tany, fa “nataony honenana.” (Isaia 45:18) Olona manao ahoana anefa no tian’Andriamanitra hiaina eto an-tany? Ary hafiriana izy ireo no tiany hipetraka eto? Hoy ny Baiboly: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4.

3. Manao ahoana ny fiainana eto an-tany amin’izao, ary inona ny fanontaniana mila eritreretintsika?

3 Hitantsika anefa fa mbola tsy tanteraka izany. Mbola misy olona marary sy maty mantsy izao, ary misy aza miady sy mifamono ho faty mihitsy. Tsy izao mihitsy anefa ny zavatra nokasain’Andriamanitra, tamin’ny voalohany. Nahoana àry no tsy tanteraka ny fikasany? Tsy hahita ny valin’izany ao amin’ny boky nosoratan’olombelona isika, satria tany an-danitra ilay olana no nanomboka.

LASA NANANA FAHAVALO ANDRIAMANITRA

4, 5. a) Iza ilay nampiasa bibilava mba hiresahana tamin’i Eva? b) Nahoana no mety ho lasa mpangalatra ny olona iray, na dia tsara toetra sy nanao ny marina aza?

4 Milaza ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly fa nisy nanohitra Andriamanitra tao amin’ny zaridainan’i Edena. Antsoina hoe “menarana” izy io, na dia tsy biby aza. Lazain’ny boky farany ao amin’ny Baiboly fa izy “ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” Atao hoe “menarana tany am-boalohany” koa izy. (Genesisy 3:1; Apokalypsy 12:9) Anjely mahery sy tsy hita maso no niresaka tamin’i Eva, raha ny marina, fa mody nataony hoatran’ny hoe miteny ilay menarana. Azo antoka fa efa teo io zavaboary io, rehefa namorona ny tany sy ny olona Andriamanitra.—Joba 38:4, 7.

5 Fantatsika fa lavorary daholo ny zavatra noforonin’i Jehovah. Iza àry no nanao ny “Devoly”, na “Satana”? Raha tsorina, dia nivadika ho Devoly ny iray tamin’ny zanak’Andriamanitra tany an-danitra. Ahoana no nahatonga an’izany? Mety ho lasa mpangalatra ny olona iray, na dia tsara toetra sy nanao ny marina aza. Nahoana? Satria mety hanana fanirian-dratsy izy. Vao mainka hihamafy io faniriany io, raha eritreretiny foana. Mety hotanterahiny mihitsy ilay izy amin’ny farany, rehefa tojo fakam-panahy izy.—Vakio ny Jakoba 1:13-15.

6. Ahoana no nahatonga ny iray tamin’ny zanak’Andriamanitra ho lasa Satana Devoly?

6 Izany no nitranga tamin’i Satana Devoly. Azo inoana fa henony ilay tenin’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva hoe miteraha ary mamenoa ny tany. (Genesisy 1:27, 28) Mety ho nieritreritra àry izy hoe: ‘Raha mba izaho izao no ivavahan’ny olona, fa tsy Andriamanitra an!’ Nitombo tao am-pony izany fanirian-dratsy izany, ka notanterahiny. Namitaka an’i Eva izy sady nilaza lainga momba an’Andriamanitra. (Vakio ny Genesisy 3:1-5.) Izany no nahatonga azy ho lasa “Devoly”, izany hoe “Mpanendrikendrika”, ary koa “Satana”, izany hoe “Mpanohitra.”

7. a) Nahoana i Adama sy Eva no maty? b) Nahoana ny taranak’i Adama rehetra no mihantitra sy maty?

7 Lasa tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva, satria voafitak’i Satana Devoly. (Genesisy 2:17; 3:6) Maty izy ireo tamin’ny farany. Izay no efa nolazain’Andriamanitra fa hitranga raha tsy mankatò izy. (Genesisy 3:17-19) Tsy lavorary intsony i Adama rehefa nanota, ka nandova ota daholo koa ny taranany. (Vakio ny Romanina 5:12.) Azo oharina amin’ny lasitra fanaova-mofo izany. Raha pempo ilay lasitra, dia pempo daholo koa ny mofo amboarina amin’ilay izy, sa tsy izany? Hoatr’izany koa ny olona rehetra, satria nandova ota avy tamin’i Adama. Izany no mahatonga antsika taranany hihantitra sy ho faty.—Romanina 3:23.

8, 9. a) Inona ny fiampangana nataon’i Satana? b) Nahoana Andriamanitra no tsy tonga dia namono an’i Adama sy Eva ary Satana?

8 Nitaona ny hafa hikomy i Satana, raha ny marina, rehefa nampirisika an’i Adama sy Eva tsy hankatò an’Andriamanitra. Nokianiny ny fomba fitondran’i Jehovah. Te hilaza izy hoe: ‘Tsy mahay mitondra Andriamanitra, fa mandainga. Misy zavatra tsara tokony ho an’ny olony nefa tsy omeny azy ireo. Tsy mila an’Andriamanitra hitondra azy ny olombelona. Ry zareo ihany dia efa mahay manavaka an’izay tsara sy ratsy. Ho sambatra kokoa ry zareo raha izaho no mitondra azy.’ Nanevateva sy niampanga an’Andriamanitra i Satana. Ahoana àry no nandaminan’Andriamanitra an’izany? Misy milaza fa tokony ho novonoiny ho faty fotsiny i Adama sy Eva ary Satana. Ho nanaporofo ve anefa izany fa diso ny fiampangan’i Satana? Ho voaporofo ve hoe ny fitondran’Andriamanitra no tsara?

9 Tena manao ny rariny Andriamanitra, ka tsy tonga dia namono an’ireo mpikomy. Navelany handeha ny fotoana, mba hanaporofoana tsara hoe mpandainga i Satana Devoly, ary diso ny fiampangany. Navelan’Andriamanitra hanangana fitondrana aloha ny olombelona, ka i Satana no filohan’izy ireo. Hohazavaina ao amin’ny Toko faha-11 hoe nahoana i Jehovah no nanao an’izany, ary nahoana izy no miandry ela, fa tsy tonga dia nandamina an’ilay olana. Tokony hieritreritra anefa isika hoe: Rariny ve raha ny tenin’i Satana no ninoan’i Adama sy Eva, nefa izy aza mbola tsy nanao soa ho azy ireo mihitsy? Rariny ve raha nino izy ireo hoe mpandainga ratsy fanahy i Jehovah, nefa izy no nanome ny zava-drehetra ho azy mivady? Inona no ho nataonao, raha ianao no teo amin’ny toeran’izy ireo?

10. Ahoana no anaporofoanao fa miandany amin’i Jehovah ianao ary diso ny fiampangan’i Satana?

10 Mila eritreretina ireo fanontaniana ireo, satria miatrika zavatra mitovy amin’ireo isika tsirairay. Tena afaka miandany amin’i Jehovah ianao, ka manaporofo hoe diso ny fiampangan’i Satana. Asehonao fa mpandainga i Satana, raha manaiky an’i Jehovah ho Mpitondra ianao. (Salamo 73:28; vakio ny Ohabolana 27:11.) Mampalahelo fa vitsy amin’ireo olona an’arivony tapitrisa eran-tany no manao an’izany. Izao àry no fanontaniana lehibe mipetraka: Milaza tokoa ve ny Baiboly fa i Satana no mitondra an’izao tontolo izao?

IZA NO MITONDRA AN’IZAO TONTOLO IZAO?

I Satana ve dia hanome an’i Jesosy an’ireo fanjakana rehetra teto an-tany, raha tsy an’azy akory izany?

11, 12. a) Hazavao fa i Satana no mpitondra an’izao tontolo izao, raha jerena ny fakam-panahy nahazo an’i Jesosy. b) Inona koa no manaporofo fa i Satana no mpitondra an’izao tontolo izao?

11 Tsy nisalasala mihitsy i Jesosy hoe i Satana no mpitondra an’izao tontolo izao. Nisy fotoana i Satana nanao fahagagana mba hampisehoana taminy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” Nilaza tamin’i Jesosy izy avy eo hoe: “Homeko anao ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.” (Matio 4:8, 9; Lioka 4:5, 6) Eritrereto àry izao: Tena fakam-panahy ho an’i Jesosy ve izany, raha tsy i Satana akory no mpitondra an’ireo fanjakana ireo? Tsy nanda koa i Jesosy hoe an’i Satana ireo fanjakana rehetra ireo. Tsy maintsy ho nanda mantsy izy, raha tsy nanana fahefana tamin’ireo i Satana.

12 Marina fa i Jehovah no Andriamanitra Mahery Indrindra sy Mpamorona an’izao rehetra izao. (Apokalypsy 4:11) Tsy miresaka mihitsy anefa ny Baiboly hoe i Jehovah Andriamanitra na i Jesosy Kristy no mpitondra an’ity tontolo ity. Nilaza mazava kosa i Jesosy fa i Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 12:31; 14:30; 16:11) Antsoin’ny Baiboly hoe “andriamanitr’ity tontolo ity” koa i Satana Devoly. (2 Korintianina 4:3, 4) Hoy ny apostoly Jaona, momba an’i Satana: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’—1 Jaona 5:19.

HOFOANANA NY TONTOLON’I SATANA

13. Nahoana isika no mila tontolo vaovao?

13 Vao mainka miharatsy foana izao tontolo izao isan-taona. Maro ny tafika miady, ny mpanao politika manao ny tsy marina, ny mpitondra fivavahana mihatsaravelatsihy, ary ny mpanao heloka bevava. Tsy ho avotra intsony ity tontolo ity. Milaza ny Baiboly fa efa kely sisa dia handringana an’ity tontolo ity Andriamanitra, amin’ilay ady atao hoe Hara-magedona. Hisy tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana aorian’izay.—Apokalypsy 16:14-16.

14. Iza no nofidin’Andriamanitra ho Mpitondra ny Fanjakany, ary inona no efa nolazain’ny Baiboly momba an’izany?

14 Nifidy an’i Jesosy Kristy i Jehovah, mba ho Mpitondra an’ilay Fanjakany any an-danitra. Efa ela ny Baiboly no nilaza hoe: ‘Misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no homena antsika, ary ho eo an-tsorony ny fahefan’andriana. Ny anarany dia hatao hoe Andrianan’ny Fiadanana. Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany izany ary tsy hisy farany koa ny fiadanana.’ (Isaia 9:6, 7) Nampianarin’i Jesosy hivavaka momba an’io Fanjakana io ny mpanara-dia azy, hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Hianarantsika any aoriana fa kely sisa dia hanafoana ny fitondrana rehetra eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hisolo azy ireo. (Vakio ny Daniela 2:44.) Hanova ny tany ho paradisa io Fanjakana io aorian’izay.

KELY SISA DIA HISY TONTOLO VAOVAO!

15. Inona no atao hoe “tany vaovao”?

15 Milaza ny Baiboly fa ‘misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika’, araka ny fampanantenan’Andriamanitra. (2 Petera 3:13; Isaia 65:17) Ny olona miaina eto an-tany indraindray no antsoina hoe “tany” ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 11:1) Ilay hoe “tany vaovao” hitoeran’ny fahamarinana àry dia ny vahoaka ankasitrahan’Andriamanitra.

16. Inona ny fanomezana faran’izay tsara homen’Andriamanitra ny olona ankasitrahany, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana an’izany?

16 Nampanantena i Jesosy fa ‘hiaina mandrakizay’ ny olona ankasitrahan’Andriamanitra. (Marka 10:30) Fanomezana faran’izay tsara avy amin’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay. Jereo ao amin’ny Jaona 3:16 sy ny Jaona 17:3 hoe inona no nolazain’i Jesosy fa tsy maintsy ataontsika raha te hahazo an’izany isika. Be dia be ny fitahiana ho azon’ireo olona hiaina ao amin’ilay paradisa eto an-tany. Andeha hodinihintsika izany.

17, 18. Ahoana no ahazoantsika antoka fa hiadana ny olona eran-tany ary tsy hatahotra intsony?

17 Tsy hisy intsony ny olona ratsy, ady, heloka bevava, ary herisetra. ‘Tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany.’ (Salamo 37:10, 11) Hiadana ny olona satria ‘hampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany’ Andriamanitra. (Salamo 46:9; Isaia 2:4) “Hiroborobo ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana raha mbola misy koa ny volana”, izany hoe mandrakizay.—Salamo 72:7.

18 Tsy hisy zavatra hampatahotra intsony. Tsy nisy zavatra nampatahotra an’ireo Israelita mihitsy fahiny, rehefa nankatò an’Andriamanitra izy ireo. (Levitikosy 25:18, 19) Hoatr’izany koa any amin’ny Paradisa, ka tena hahafinaritra ny fiainana.—Vakio ny Isaia 32:18; Mika 4:4.

19. Ahoana no ahafantarantsika fa hisy sakafo tondraka ao amin’ny tontolo vaovao?

19 Tsy hisy mosary. Hoy ny mpanao salamo: “Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.” (Salamo 72:16) Hotahin’i Jehovah ny olo-marina ka ‘hahavokatra ny tany.’—Salamo 67:6.

20. Ahoana no ahazoantsika antoka fa ho lasa paradisa ny tany manontolo?

20 Ho lasa paradisa ny tany manontolo. Ho feno trano sy zaridaina mahafinaritra ity tany nosimban’ny olona mpanota ity. (Vakio ny Isaia 65:21-24; Apokalypsy 11:18) Hovolena ny tany, ka ho tsara tarehy sy hahavokatra toy ny zaridainan’i Edena izy manontolo, rehefa ela ny ela. ‘Hanokatra ny tanany’ foana Andriamanitra, ka ‘hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.’—Salamo 145:16.

21. Inona no porofo fa tsy hasiaka intsony ny biby?

21 Tsy hasiaka intsony ny biby. Hiaraka hisakafo ny bibidia sy ny biby fiompy. Na ny zazakely aza tsy hatahotra an’ireny biby masiaka hitantsika amin’izao ireny. (Vakio ny Isaia 11:6-9; 65:25) Ny olona koa tsy hampijaly biby intsony.

22. Hatao ahoana ny aretina?

22 Hofoanana ny aretina. Hanasitrana olona be lavitra noho ny tamin’izy teto an-tany i Jesosy, satria izy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. (Matio 9:35; Marka 1:40-42; Jaona 5:5-9) Tsy hisy olona hilaza intsony amin’izay hoe: Marary aho.—Isaia 33:24; 35:5, 6.

23. Nahoana no tena hahafaly antsika ny fitsanganan’ny maty?

23 Hatsangana ny havantsika efa maty, ary hiaina mandrakizay. Hovelomina indray ny olona maty rehetra ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Hisy tokoa ny “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15; vakio ny Jaona 5:28, 29.

24. Ahoana no fahitanao an’izany hoe hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany izany?

24 Tena ho sambatra tokoa ny olona mianatra momba an’i Jehovah, ilay Mpamorona Be Voninahitra, sy mifidy ny hanompo azy! Ilay Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy no tian’i Jesosy horesahina rehefa nampanantena an’ilay jiolahy teo akaikiny izy hoe: “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43) Tena mila mianatra momba an’i Jesosy àry isika, satria tsy hahazo an’ireo fitahiana ireo isika raha tsy noho izy.