Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-8

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
  • Inona no lazain’ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra?

  • Inona no hataon’io Fanjakana io?

  • Rahoviana ilay Fanjakana no hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany?

1. Inona ilay vavaka malaza hodinihintsika?

SAIKA ny olona eran-tany no mahay an’ilay vavaka hoe Rainay Izay any An-danitra na ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Vavaka modely nataon’i Jesosy Kristy izy io, ary tena misy dikany. Handinika an’ireo zavatra telo voalohany ao amin’io vavaka io isika. Hanampy antsika hahalala tsara an’izay lazain’ny Baiboly izany.

2. Inona ny zavatra telo nasain’i Jesosy nangatahin’ny mpianany?

2 Izao no nasain’i Jesosy nolazaina tao amin’ilay vavaka: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:9-13) Inona ny dikan’ireo zavatra telo ireo?

3. Inona no mila fantatsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra?

3 Efa nianatra zavatra betsaka momba ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah isika. Efa nodinihintsika koa ny sitrapony, anisan’izany ny zavatra efa nataony sy mbola hataony ho an’ny olona. Inona àry no tian’i Jesosy holazaina rehefa nasainy nivavaka isika hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”? Inona ny Fanjakan’Andriamanitra? Nahoana no lazaina hoe rehefa tonga izy io, dia hohamasinina ny anaran’Andriamanitra ary hatao ny sitrapony?

INONA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?

4. Inona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary iza no Mpanjakan’izy io?

4 Izy io dia fitondram-panjakana natsangan’i Jehovah Andriamanitra, ary Mpanjaka nofidiny no mitantana azy. Iza io Mpanjaka io? I Jesosy Kristy. Ambony noho ny mpitondra olombelona rehetra izy, ary antsoina hoe “Mpanjakan’izay manjaka sy Tompon’ny tompo.” (1 Timoty 6:15) Tsara lavitra ny zavatra vitany mihoatra noho izay vitan’ny mpitondra olombelona, na iza izany na iza, na izay mahay indrindra aza.

5. Avy aiza ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny vahoakany, ary aiza ny faritra hanjakany?

5 Avy aiza ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny vahoakany? Fantatsika fa natsangana ho any an-danitra i Jesosy, rehefa avy novonoina teo amin’ny hazo fijaliana. (Asan’ny Apostoly 2:33) Any an-danitra àry no misy an’ilay Fanjakan’Andriamanitra. Izany no iantsoan’ny Baiboly azy io hoe ‘fanjakana any an-danitra.’ (2 Timoty 4:18) Hanjaka amin’ny tany manontolo anefa izy io.—Vakio ny Apokalypsy 11:15.

6, 7. Nahoana no Mpanjaka tena miavaka i Jesosy?

6 Mpanjaka tena miavaka i Jesosy. Tsy ho faty mihitsy mantsy izy. Raha ampitahaina amin’ny mpitondra olombelona izy, hoy ny Baiboly, dia “izy irery ihany no tsy mety maty, ary mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina.” (1 Timoty 6:16) Midika izany fa haharitra ny zavatra tsara rehetra hataony, ary tena hanao zavatra mahagaga sy mahasoa antsika izy.

7 Izao, ohatra, no nolazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy: “Hitoetra eo aminy ny fanahin’i Jehovah, dia fanahy manome fahendrena sy fahiratan-tsaina sy torohevitra sy hery sy fahalalana, ary tahotra an’i Jehovah. Hahafaly azy ny fahatahorana an’i Jehovah. Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy, na hananatra araka izay ren’ny sofiny, fa araka ny rariny no hitsarany ny mahantra, ary araka ny hitsiny no hananarany ny olona ho tombontsoan’ny mpandefitra eto an-tany.” (Isaia 11:2-4) Midika izany fa hanao ny marina sy hangoraka i Jesosy, rehefa hanjaka etỳ an-tany. Tsy mahafinaritra ve raha izany no mpitondra antsika?

8. Iza no hiara-manjaka amin’i Jesosy?

8 Tsy hanjaka irery i Jesosy, fa hisy olon-kafa hiara-manjaka aminy. Nilaza tamin’i Timoty, ohatra, ny apostoly Paoly hoe: “Raha miaritra foana isika, dia ho mpanjaka hiara-mitondra aminy.” (2 Timoty 2:12) Hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra tokoa ry Paoly sy Timoty, ary ny olon-kafa tsy mivadika izay nofidin’Andriamanitra. Firy ny isan’izy ireo?

9. Firy no hiara-manjaka amin’i Jesosy, ary oviana Andriamanitra no nanomboka nifidy azy ireo?

9 Efa hitantsika fa nahazo fahitana ny apostoly Jaona hoe: “Ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona [toerana ambony nomena azy any an-danitra], ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy, nanana ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra teo amin’ny handrin’izy ireo.” Iza ireo 144 000 ireo? Hoy ihany i Jaona: “Izy ireo no nanaraka foana ny Zanak’ondry na taiza na taiza nalehany. Novidina avy teo amin’ny olombelona izy ireo ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 14:1, 4) Nanara-dia an’i Jesosy Kristy foana izy ireo, ary nofidina manokana hiara-manjaka aminy any an-danitra. “Ho mpanjaka hitondra ny tany” hiaraka amin’i Jesosy izy ireo, rehefa hatsangana amin’ny maty ho any an-danitra. (Apokalypsy 5:10) Efa tamin’ny andron’ny apostoly no nanomboka nifidy Kristianina tsy nivadika Andriamanitra, mba hamenoana an’ilay isa 144 000.

10. Hazavao fa tena tia antsika Andriamanitra matoa nifidy an’i Jesosy sy ireo 144 000 mba ho mpanjakantsika.

10 Hita hoe tena tia ny olombelona Andriamanitra, rehefa nifidy an’i Jesosy sy ireo 144 000 mba ho mpanjakantsika. Efa olombelona mantsy i Jesosy, ary fantany ny hoe mijaly. Nilaza i Paoly fa “tsy mba mpisoronabe tsy mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika” i Jesosy, fa “efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota.” (Hebreo 4:15; 5:8) Efa niaritra fijaliana ihany koa ireo hiara-manjaka aminy. Tsy lavorary izy ireo ka niady mafy mba tsy ho resin’ny fakam-panahy. Efa tratran’ny aretina isan-karazany koa izy ireo, ary azo antoka fa ho fantany tsara ny olana mahazo ny olombelona.

INONA NO HATAON’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?

11. Nahoana ny mpianatr’i Jesosy no nasainy nangataka mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra any an-danitra?

11 Tsy ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no nasain’i Jesosy nangatahin’ny mpianany, fa ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ‘etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra’ koa. Any an-danitra Andriamanitra, ary efa manao ny sitrapony foana ny anjely tsy mivadika. Nianarantsika tao amin’ny Toko faha-3 anefa fa nisy anjely anankiray tsy nanao ny sitrapony intsony, fa nitaona an’i Adama sy Eva hanota. I Satana Devoly io anjely ratsy io, ary mbola hianatra momba azy isika any amin’ny Toko faha-10. Nisy anjely hafa atao hoe demonia koa nanaraka an’i Satana. Navela hijanona kelikely tany an-danitra aloha izy ireo. Tsy hoe nanao ny sitrapon’Andriamanitra daholo àry ny tany an-danitra tamin’izay. Niova anefa izany rehefa nanomboka nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Niady tamin’i Satana mantsy i Jesosy Kristy, raha vao lasa Mpanjaka.—Vakio ny Apokalypsy 12:7-9.

12. Inona ny zava-nitranga roa tena niavaka resahin’ny Apokalypsy 12:10?

12 Izao no nitranga: “Nahare feo mafy tany an-danitra aho, nanao hoe: ‘Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny, satria natsipy ilay mpiampanga ny rahalahintsika [Satana], dia ilay miampanga azy ireo andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika!’” (Apokalypsy 12:10) Nisy zava-nitranga roa tena niavaka resahiny eo. Voalohany, nanomboka nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka i Jesosy Kristy no Mpanjaka. Faharoa, noroahina avy any an-danitra i Satana, ary natsipy tetỳ an-tany.

13. Inona ny vokany rehefa noroahina avy any an-danitra i Satana?

13 Inona ny vokatr’ireo zava-nitranga roa ireo? Hoy ny Apokalypsy 12:12: “Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy!” Faly tokoa ny any an-danitra, satria tsy any intsony i Satana sy ny demoniany. Anjely tsy mivadika amin’i Jehovah daholo izao no any, ary milamina sy miray saina tsara. Efa atao any an-danitra àry ny sitrapon’Andriamanitra.

Lasa feno loza ny tany, rehefa noroahina avy any an-danitra i Satana sy ny demoniany. Hifarana tsy ho ela anefa izany

14. Inona no nitranga rehefa nazera tetỳ an-tany i Satana?

14 Nanao ahoana kosa ny tetỳ an-tany? Hoy ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:12) Tezitra i Satana satria noroahina avy any an-danitra, sady fohy ny fotoana ananany. Ataony àry izay hisian’ny “loza” na fahoriana etỳ an-tany. Mbola hianarantsika ao amin’ny toko manaraka izany. Ahoana àry no hanatanterahan’ilay Fanjakana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany?

15. Inona ny sitrapon’Andriamanitra momba ny tany?

15 Tadidinao ve ny sitrapon’Andriamanitra momba ny tany? Nanazava izany ny Toko faha-3. Hita tamin’izay nataon’Andriamanitra tany Edena fa tiany ho paradisa ny tany, ary ho feno olo-marina tsy ho faty mihitsy. Nitarika an’i Adama sy Eva hanota i Satana, ka lasa tsy tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy niova anefa ny sitrapony. Mbola tiany “handova ny tany” ihany ny olo-marina, ka “honina eo mandrakizay.” (Salamo 37:29) Ny Fanjakan’Andriamanitra no hanatanteraka an’izany. Amin’ny fomba ahoana?

16, 17. Inona no ianarantsika avy amin’ny Daniela 2:44, momba ny Fanjakan’Andriamanitra?

16 Izao no voalazan’ny Daniela 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” Inona no ianarantsika avy amin’izany, momba ny Fanjakan’Andriamanitra?

17 Voalohany, “amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo” no hatsangana ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe amin’ny fotoana mbola isian’ny fitondran’olombelona. Faharoa, haharitra mandrakizay ilay Fanjakana. Tsy hisy fitondram-panjakana handresy na handimby azy io. Fahatelo, hiady ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanjakana rehetra eto an-tany. Ny Fanjakan’Andriamanitra no handresy, ary izy irery no hitondra ny olombelona. Hiadana ny olona satria io no fitondram-panjakana tsara indrindra hatramin’izay.

18. Inona no iantsoana an’ilay ady hifanaovan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanjakan’olombelona eto an-tany?

18 Betsaka ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’ilay ady hifanaovan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanjakan’olombelona eto an-tany. Hisy anjely ratsy, ohatra, hanely lainga mba hamitahana ny “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina”, rehefa manakaiky ny farany. Nahoana? ‘Mba hanangonana an’ireo mpanjakan’ny tany ireo ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.’ Hangonina any “amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona” izy ireo. (Apokalypsy 16:14, 16) Antsoina hoe Hara-magedona àry ilay ady hifanaovan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanjakan’olombelona.

19, 20. Nahoana no mbola tsy tanteraka etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra?

19 Nahoana no tena ilaina ny ady Hara-magedona? Eritrereto indray ny sitrapon’Andriamanitra momba ny tany. Tiany ho paradisa ny tany, ka ho feno olo-marina sy lavorary ary manompo azy. Nahoana anefa izany no mbola tsy tanteraka? Satria mpanota isika, ka marary sy maty. Efa hitantsika anefa fa afaka ny hiaina mandrakizay isika, satria maty ho antsika i Jesosy. Tadidinao angamba ilay teny ao amin’ny Jaona 3:16 hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

20 Nahoana koa ny sitrapon’Andriamanitra no mbola tsy tanteraka? Satria be dia be ny olona manao ratsy, ka mandainga sy mamitaka ary ratsy fitondran-tena. Tsy te hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, ka ho ringana amin’ny Hara-magedona. (Vakio ny Salamo 37:10.) Mbola tsy atao etỳ an-tany koa ny sitrapon’Andriamanitra, satria tsy mampirisika ny olona hanao an’izany ny fitondram-panjakana. Maro ny fitondrana tsy mahay mitantana sy manao didy jadona ary tsy manao ny marina. Milaza ny Baiboly fa “nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpitoriteny 8:9.

21. Ahoana no hanatanterahan’ilay Fanjakana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany?

21 Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany sisa no hitondra ny olombelona, aorian’ny Hara-magedona. Hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izy io, ary hanao zavatra tsara be dia be. Hogadraina, ohatra, i Satana sy ny demoniany. (Apokalypsy 20:1-3) Hitondra fitahiana ny soron’i Jesosy, ka tsy harary na ho faty intsony ny olona tsy mivadika, fa ho afaka hiaina mandrakizay. (Vakio ny Apokalypsy 22:1-3.) Ho lasa paradisa koa ny tany. Rehefa hanao an’izany àry ilay Fanjakana, dia ho tanteraka etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra ary hohamasinina ny anarany. Midika izany fa hanome voninahitra an’ilay anarana hoe Jehovah daholo ny vahoakan’ilay Fanjakana.

OVIANA NO NANOMBOKA NIASA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?

22. Inona no manaporofo fa tsy tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, na tamin’izy vao niakatra tany an-danitra, no tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

22 Mbola tsy tonga tamin’ny andron’i Jesosy ilay Fanjakana, matoa ny mpianany nasainy nivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” Mbola tsy tonga koa izy io tamin’i Jesosy lasa tany an-danitra. Samy nilaza mantsy i Petera sy Paoly fa rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia tanteraka taminy ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 110:1 hoe: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: ‘Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’” (Asan’ny Apostoly 2:32-35; Hebreo 10:12, 13) Midika izany fa tsy tonga dia nanjaka i Jesosy fa mbola niandry.

Rehefa mitondra ilay Fanjakana, dia hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, tahaka ny any an-danitra

23. a) Oviana no nanomboka nanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Inona no hianarana ao amin’ny toko manaraka?

23 Oviana no tapitra ilay fotoana niandrasan’i Jesosy? Tamin’ny 1914, araka ny kajy nataon’ireo mpianatra Baiboly taorian’ny 1870. Manamarina an’izany ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny 1914. (Manazava an’io daty io ny Fanazavana Fanampiny, “1914: Taona Miavaka ao Amin’ny Faminanian’ny Baiboly.”) Tanteraka ny faminanian’ny Baiboly, ka voaporofo fa lasa Mpanjaka i Kristy tamin’ny 1914, ary nanomboka nanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Efa ao anatin’ilay ‘fotoana fohy’ ananan’i Satana àry isika izao. (Apokalypsy 12:12; Salamo 110:2) Azontsika antoka koa fa tsy ho ela dia hanao zavatra ny Fanjakan’Andriamanitra, mba ho tanteraka etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy vaovao tsara tokoa ve izany? Mino an’izany ve ianao? Ho hitanao ao amin’ny toko manaraka fa izany tokoa no ampianarin’ny Baiboly.