Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-9

“Andro Farany” ve Izao Iainantsika Izao?

“Andro Farany” ve Izao Iainantsika Izao?
  • Inona no mitranga amin’izao andro izao, ka efa voalazan’ny Baiboly mialoha?

  • Inona no efa nolazain’ny Baiboly momba ny toetran’ny olona amin’ny “andro farany”?

  • Inona no zavatra tsara hitranga amin’ny “andro farany”, araka ny nolazain’ny Baiboly?

1. Inona no miresaka momba ny hoavy?

EFA nihaino vaovao tamin’ny radio na tele ve ianao, ka lasa saina hoe: ‘Mba hanao ahoana àry no hiafaran’ity fiainana ity?’ Tsy ampoizina ny hiavian’ny loza, ka tsy misy mahalala an’izay havoaky ny ampitso. (Jakoba 4:14) Mahalala ny hoavy anefa i Jehovah. (Isaia 46:10) Nolazainy tao amin’ny Baiboly efa hatramin’ny ela ny zava-dratsy hitranga amin’ny androntsika. Nilaza koa anefa izy fa hisy zavatra faran’izay tsara hitranga tsy ho ela.

2, 3. Inona no nanontanian’ireo mpianatra an’i Jesosy, ary ahoana no navaliny?

2 Nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy Kristy, satria izy io no hanala ny faharatsiana sy hanova ny tany ho paradisa. (Lioka 4:43) Te hahafantatra ny fotoana hahatongavan’izy io ny olona. Nanontany an’i Jesosy, ohatra, ny mpianany hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Matio 24:3) Namaly i Jesosy fa i Jehovah Andriamanitra irery ihany no nahalala hoe rahoviana marina no hifarana ny tontolon’i Satana. (Matio 24:36) Noresahin’i Jesosy kosa anefa izay hitranga eto an-tany, aloha kelin’ny hahatongavan’ilay Fanjakana, izay hitondra fiadanana sy filaminana. Tena tanteraka amin’izao andro izao ny teniny!

3 Hojerentsika ny porofo fa efa ao anatin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” isika izao. Misy ady iray aloha hodinihintsika. Tany an-danitra izy io no nitranga ka tsy nisy olona nahita, nefa tena misy vokany amintsika.

ADY TANY AN-DANITRA

4, 5. a) Inona no nitranga tany an-danitra tamin’i Jesosy vao lasa Mpanjaka? b) Inona no vokatr’io ady io, araka ny Apokalypsy 12:12?

4 Lasa Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy tamin’ny 1914, araka ny nohazavain’ilay toko teo aloha. (Vakio ny Daniela 7:13, 14.) Nanao zavatra izy taoriana kelin’izay. Milaza ny Baiboly fa “nisy ady nipoaka tany an-danitra: I Mikaela [na Jesosy] sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona [Satana Devoly]. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny.” * Resy i Satana sy ireo anjely ratsy na demonia, ary natsipy tetỳ an-tany. Faly ny anjely tsy nivadika tamin’Andriamanitra, satria voaroaka tany an-danitra i Satana sy ny demoniany. Tsy faly kosa ny olona, satria hoy ny Baiboly: ‘Loza ho an’ny tany fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.’—Apokalypsy 12:7, 9, 12.

5 Inona ny vokatr’io ady tany an-danitra io? Tezitra i Satana, ka hitondra loza ho an’ny olona etỳ an-tany. Handinika porofo isika hoe tanteraka amin’izao andro izao izany. Ho ‘fotoana fohy’ ihany anefa ilay izy fa tsy haharitra. Na i Satana aza mahalala an’izany. Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” io fotoana io. (2 Timoty 3:1) Soa ihany fa kely sisa dia tsy havelan’Andriamanitra hanakorontana eto an-tany intsony ny Devoly. Andeha isika handinika ny zava-mitranga sasany amin’izao, izay efa nolazain’ny Baiboly. Manaporofo izy ireny fa andro farany izao, ary kely sisa ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra fitahiana mandrakizay ho an’izay tia an’i Jehovah. Hojerentsika aloha ny lafiny efatra amin’ilay famantarana nolazain’i Jesosy fa hampiavaka ny androntsika.

FIOVANA LEHIBE AMIN’NY ANDRO FARANY

6, 7. Inona no manaporofo fa tanteraka amin’izao ilay tenin’i Jesosy hoe hisy ady sy mosary?

6 “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana.” (Matio 24:7) Olona an-tapitrisany no maty tamin’ny ady, nandritra ny zato taona lasa. Hoy ny mpahay tantara iray: ‘Taorian’ny taona 1900 no nisy vonoan’olona be indrindra hatramin’izay. Nisy ady foana nandritra an’io taonjato io. Fotoana fohy fotsiny no mba nijanona kely ny ady.’ Nilaza ny Fikambanana Mpandinika An’izao Tontolo Izao hoe: “Na atambatra aza ny isan’ny maty tamin’ny ady nanomboka tamin’ny taonjato voalohany ka hatramin’ny 1899, dia mbola avo telo heny noho izany no maty tamin’ny ady [tamin’ny 1900-2000].” Olona 100 tapitrisa mahery no maty noho ny ady, nanomboka tamin’ny 1914. Azo antoka fa tena nalahelo sy nijaly ireo olona an-tapitrisany namoy ny havany tamin’ireny. Tsapantsika tsara mantsy ny alahelo sy fahoriana, rehefa misy havantsika iray maty.

7 “Hisy mosary.” (Matio 24:7) Milaza ny mpikaroka fa nitombo be ny sakafo novokarina nandritra an’ireo 30 taona lasa. Mbola misy ihany anefa ny mosary, satria be dia be ny olona tsy manam-bola hividianana sakafo na tsy manana tany hambolena. Olona an’arivony tapitrisa no tsy mandray afa-tsy karama kely, any amin’ny tany mahantra, ary zara fa mihinana ny ankamaroan’izy ireo. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, fa ankizy dimy tapitrisa mahery isan-taona no maty satria tsy ampy sakafo.

8, 9. Inona no manaporofo fa tanteraka ny tenin’i Jesosy momba ny horohoron-tany sy areti-mandringana?

8 “Hisy horohoron-tany lehibe.” (Lioka 21:11) Milaza ny mpahay siansa fa misy horohoron-tany lehibe 19 eo ho eo isan-taona. Mahavita manimba trano sy mampitresaka tany izy ireny. Misy horohoron-tany mahery lavitra noho izany aza isan-taona, ka ravarava mihitsy izay tanàna andalovany. Voalazan’ny tatitra fa olona roa tapitrisa mahery no matin’ny horohoron-tany, nanomboka tamin’ny 1900. Hoy ny boky iray: “Nandroso ny teknolojia, nefa zara raha nihena ny isan’ny olona matin’ny horohoron-tany.”

9 “Hisy areti-mandringana.” (Lioka 21:11) Mandroso be ny fitsaboana, nefa mampijaly olona foana ny aretina efa nisy hatramin’izay sy ny aretina vaovao. Be dia be izao no voan’ny kansera na tapaka lalan-dra. Milaza ny tatitra iray fa misy aretina 20 efa fantatry ny mpitsabo tsara nefa vao mainka maro ny olona voany, ary misy aza lasa sarotra tsaboina amin’ny fanafody. Aretina vaovao 30 koa, fara fahakeliny, no nipoitra, ary mbola tsy nahitana fanafodiny ny sasany sady mahafaty.

TOETRAN’NY OLONA AMIN’NY ANDRO FARANY

10. Iza amin’ireo toetra ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 no hitanao ankehitriny?

10 Nilaza koa ny Baiboly fa hiova ny toetran’ny olona amin’ny andro farany. Nohazavain’ny apostoly Paoly fa “amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (Vakio ny 2 Timoty 3:1-5.) Nilaza izy hoe ny olona ho:

  • tia tena

  • tia vola

  • tsy mankatò ray aman-dreny

  • tsy mena-mivadika

  • tsy tia ny mpianakaviny

  • tsy mahafehy tena

  • masiaka be

  • tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra

  • jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy

11. Hatao ahoana ny ratsy fanahy, araka ny Salamo 92:7?

11 Azo antoka fa hoatr’izany ny olona manodidina anareo. Hita hatraiza hatraiza mantsy ny olona ratsy toetra. Midika izany fa kely sisa Andriamanitra dia hanao zavatra, satria hoy ny Baiboly: “Rehefa mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary miroborobo ny mpanao ratsy rehetra, dia midika izany fa ho ringana mandrakizay izy ireo.”—Salamo 92:7.

ZAVATRA TSARA HITRANGA

12, 13. Inona ny porofo fa mitombo ny “tena fahalalana” mandritra ny “fotoanan’ny farany”?

12 Feno loza tokoa ny andro farany, araka ny efa nolazain’ny Baiboly. Na betsaka aza anefa ny olana eto an-tany, dia misy zavatra tsara kosa eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah.

13 “Hitombo be ny tena fahalalana”, hoy ny bokin’i Daniela. Mandritra ny “fotoanan’ny farany” izany no hitranga. (Daniela 12:4) Nanomboka tamin’ny 1914 i Jehovah no tena nanampy ny olona te hanompo azy, mba hahalala tsara ny Baiboly. Lasa azon’izy ireo kokoa ny momba ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany, ny sorom-panavotana, ny maty, ary ny fitsanganan’ny maty. Fantatr’izy ireo koa ny fomba fiaina tsara indrindra sy manome voninahitra an’Andriamanitra. Nazava tsara kokoa tamin’izy ireo hoe inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ahoana no hamahany ny olana eto an-tany. Hataon’izy ireo inona izany fahalalana izany? Handinika faminaniana iray tanteraka amin’izao andro farany izao isika, mba hamaliana an’izany.

“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.” —Matio 24:14

14. Aiza avy no itoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ankehitriny, ary iza no mitory azy io?

14 “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity”, hoy i Jesosy Kristy, tao amin’ilay faminaniana momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Vakio ny Matio 24:3, 14.) Efa torina any amin’ny tany 230 mahery sy amin’ny fiteny an-jatony ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Hazavaina amin’ny olona hoe inona ilay Fanjakana, inona no hataony, ary ahoana no hahazoantsika fitahiana. Mazoto mitory an’io vaovao tsara io ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany, avy amin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.” (Apokalypsy 7:9) Ampianarin’izy ireo Baiboly maimaim-poana ny olona an-tapitrisany, izay te hahalala ny marina. Nilaza i Jesosy fa “ho halan’ny olona rehetra” ny tena Kristianina, nefa mahavariana fa tanteraka ilay faminaniana momba ny asa fitoriana.—Lioka 21:17.

INONA NO HATAONAO?

15. a) Mino ve ianao hoe andro farany izao iainantsika izao, ary nahoana? b) Hatao ahoana ny olona manohitra an’i Jehovah rehefa tonga “ny farany”, ary inona kosa no ho azon’izay manaiky ny fitondrany?

15 Tsy miaiky ve ianao hoe andro farany izao, rehefa jerena ireo faminaniana be dia be tanteraka ankehitriny? Azo antoka fa ho tonga “ny farany”, rehefa vita araka izay mahafa-po an’i Jehovah ny fitoriana ny vaovao tsara. (Matio 24:14) “Ny farany”, dia ny fotoana hamaranan’i Jehovah ny zavatra ratsy rehetra eto an-tany. Hampiasa an’i Jesosy sy ny anjeliny mahery izy, mba handringanana an’izay rehetra manohitra azy. (2 Tesalonianina 1:6-9) Tsy ho afaka hamitaka an’ireo firenena intsony i Satana sy ny demoniany. Aorian’izay ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hanome fitahiana be dia be ho an’izay rehetra manaiky ny fitondrany.—Apokalypsy 20:1-3; 21:3-5.

16. Inona no tokony hataonao?

16 Efa hifarana ny tontolon’i Satana, ka mila mieritreritra isika hoe: ‘Inona no tokony hataoko?’ Tokony hianatra foana momba an’i Jehovah sy izay takiny ianao. (Jaona 17:3) Mazotoa mianatra Baiboly. Miaraha mivory foana amin’ny olona miezaka manao ny sitrapon’i Jehovah. (Vakio ny Hebreo 10:24, 25.) Miezaha hahafantatra an’i Jehovah foana ka ianaro ny Teniny, ary ahitsio izay tokony hahitsy amin’ny fiainanao, amin’izay ianao mahazo sitraka aminy.—Jakoba 4:8.

17. Nahoana no tsy hampoizin’ny ankamaroan’ny olona ny fandringanana ny ratsy fanahy?

17 Efa nilaza i Jesosy fa tsy horaharahain’ny ankamaroan’ny olona ny porofo hoe andro farany izao. Horinganina tampoka anefa ny ratsy fanahy. Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina izany, ka tsy hampoizin’ny olona. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:2.) Nampitandrina i Jesosy hoe: “Toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”—Matio 24:37-39.

18. Inona ny tenin’i Jesosy tokony hankatoavintsika?

18 Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. Fa ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany. Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana [sy hahazo sitraka] eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:34-36) Tokony hankatò ny tenin’i Jesosy isika. Ho voavonjy mantsy ny olona ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra sy “ny Zanak’olona”, na i Jesosy Kristy, rehefa horinganina ny tontolon’i Satana. Hiaina mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao faran’izay tsara izy ireo, ary efa kely sisa izy io dia ho tonga!—Jaona 3:16; 2 Petera 3:13.

^ feh. 4 Raha tianao ho fantatra ny antony ilazana fa anaran’i Jesosy Kristy koa ny hoe Mikaela, dia jereo ny Fanazavana Fanampiny, “Iza i Mikaela Arkanjely?