Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-10

Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy

Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy
  • Manampy ny olona ve ny anjely?

  • Mitaona ny olona hanao inona ny anjely ratsy?

  • Tokony hatahotra ny anjely ratsy ve isika?

1. Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anjely?

RAHA te hahalala olona iray isika, dia mila mahafantatra ny fianakaviany. Raha te hahalala an’i Jehovah koa isika, dia mila mahafantatra tsara ny anjely, satria anisan’ny fianakaviany izy ireo. Antsoin’ny Baiboly hoe “zanak’Andriamanitra” ny anjely. (Joba 38:7) Inona àry no andraikitr’izy ireo mba hanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra? Nanao zavatra ho an’ny olona ve izy ireo taloha? Manan-kery eo amin’ny fiainanao ve ny anjely? Raha eny, amin’ny fomba ahoana?

2. Ahoana no nampisy ny anjely, ary firy ny isan’izy ireo?

2 Miresaka imbetsaka momba ny anjely ny Baiboly. Handinika andinin-teny sasany momba an’izany isika, mba hahalalana tsara azy ireo. Ahoana no nampisy ny anjely? Milaza ny Kolosianina 1:16 fa i Jesosy Kristy “no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Noforonin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Zanany lahimatoa àry ny anjely rehetra. Firy ny isan’izy ireo? An-jatony tapitrisa ny anjely, araka ny Baiboly, ary samy mahery izy rehetra.—Salamo 103:20. *

3. Inona no lazain’ny Joba 38:4-7 momba ny anjely?

3 Milaza ny Joba 38:4-7 fa “nihoby avokoa ny zanak’Andriamanitra”, rehefa noforonina ny tany. Efa nisy ela be talohan’ny namoronana ny olona àry ny anjely, talohan’ny namoronana ny tany mihitsy aza. Manana fihetseham-po koa ny anjely, matoa lazain’io andininy io hoe “nanao antsoantsom-pifaliana.” Mariho fa niara-nifaly “avokoa ny zanak’Andriamanitra.” Midika izany fa mbola anisan’ny fianakavian’i Jehovah daholo ny anjely tamin’izany, ary niray saina sy nanompo azy.

MANAMPY SY MIARO NY ANJELY

4. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa liana amin’ny fiainan’ny olona ny anjely?

4 Vao noforonina ny olona, dia efa liana tamin’ny fiainan’izy ireo foana ny anjely, ary tiany ho fantatra hoe ahoana no hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany. (Ohabolana 8:30, 31; 1 Petera 1:11, 12) Hitan’ny anjely anefa fa tsy nanompo an’ilay Mpamorona be fitiavana ny ankamaroan’ny olona, rehefa nandeha ny fotoana. Tena nampalahelo an’ireo anjely tsy mivadika izany. ‘Faly’ be kosa izy ireo rehefa misy olona anankiray miverina manompo an’i Jehovah indray. (Lioka 15:10) Mitady izay hahasoa ny mpanompon’Andriamanitra tokoa ny anjely. Izany no nahatonga an’i Jehovah hampiasa azy ireo matetika, mba hampahery sy hiaro ny mpanompony tsy mivadika etỳ an-tany. (Vakio ny Hebreo 1:7, 14.) Diniho ireto ohatra ireto:

“Naniraka ny anjeliny ny Andriamanitro ka nanakombona ny vavan’ny liona.”—Daniela 6:22

5. Milazà ohatra ao amin’ny Baiboly, izay mampiseho fa tena manampy ny anjely.

5 Nisy anjely roa nanampy an’i Lota sy ny zanany vavy, rehefa noravana i Sodoma sy Gomora, tanàna feno olon-dratsy. Notantanan’ireo anjely ireo hiala tao mihitsy io lehilahy marina io sy ny zanany. (Genesisy 19:15, 16) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela mpaminany, nefa tsy naninon-tsy naninona. Hoy izy: “Naniraka ny anjeliny ny Andriamanitro ka nanakombona ny vavan’ny liona.” (Daniela 6:22) Nafahan’ny anjely iray avy tao am-ponja ny apostoly Petera, tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 12:6-11) Nisy anjely koa nampahery an’i Jesosy, tamin’izy nanomboka nanompo teto an-tany. (Marka 1:13) Nisy anjely iray indray niseho taminy sy “nankahery azy”, taloha kelin’ny nahafatesany. (Lioka 22:43) Azo antoka fa nampahery an’i Jesosy izany, ary tena nilainy tamin’ireo fotoana ireo.

6. a) Miaro ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny inona ny anjely? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

6 Tsy miseho mivantana amin’ny vahoakan’Andriamanitra eto an-tany intsony izao ny anjely. Mbola miaro ny vahoakan’Andriamanitra anefa ireny anjely mahery ireny, na dia tsy hita maso aza, indrindra amin’ny zavatra mety hanimba ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Ny anjelin’i Jehovah dia mitoby manodidina an’izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.” (Salamo 34:7) Mampahery antsika izany, satria misy anjely tena ratsy mitady hanapotika ny fiainantsika. Iza izy ireo, ary ahoana no nampisy azy? Inona no ataony mba hanisiana ratsy antsika? Andao àry aloha hodinihintsika kely ny zava-nitranga tany am-piandohan’ny tantaran’olombelona.

IREO ANJELY FAHAVALONTSIKA

7. Iza avy no voatarik’i Satana hiala tamin’Andriamanitra?

7 Te ho lasa mpitondra ny anjely iray, ka nanohitra an’Andriamanitra, araka ny efa hitantsika. Lasa nantsoina hoe Satana Devoly izy io. (Apokalypsy 12:9) Nahavita nampiala ny ankamaroan’ny olona tamin’Andriamanitra izy nandritra ny 1 600 taona teo ho eo, taorian’ny namitahany an’i Eva. Nisy olona vitsivitsy tsy nivadika anefa, anisan’izany i Abela sy Enoka ary Noa.—Hebreo 11:4, 5, 7.

8. a) Ahoana no nahatonga ny anjely sasany ho demonia? b) Inona no tsy maintsy nataon’ny demonia, mba tsy ho ringana tamin’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa?

8 Nisy anjely hafa koa nivadika tamin’i Jehovah, tamin’ny andron’i Noa. Nilaozan’izy ireo ny andraikiny tany an-danitra, ary nidina tetỳ an-tany izy ka nitafy vatan’olombelona. Nahoana? Hoy ny Genesisy 6:2: “Tsikaritr’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’olombelona. Koa nalain’izy ireo ho vady izay rehetra nofidiny.” Tsy navelan’i Jehovah hanao an’izany foana anefa ireo anjely ireo, ary tsy navelany hitohy koa ny faharatsiana vokatr’izany. Nampisy Safodrano eran-tany izy, ka ringana ny olona ratsy fanahy rehetra. Narovany kosa ny mpanompony tsy nivadika. (Genesisy 7:17, 23) Tsy maintsy niala tamin’ny vatan’olombelona nananany ireo anjely ratsy ireo ary niverina tany an-danitra, ka lasa nantsoina hoe demonia. Nanaraka ny Devoly, izay lasa “lehiben’ny demonia”, izy ireo.—Matio 9:34.

9. a) Natao ahoana ireo demonia rehefa niverina tany an-danitra? b) Inona no hodinihintsika izao?

9 Rehefa niverina tany an-danitra ireo anjely mpikomy, dia tsy neken’Andriamanitra ho fianakaviany intsony, hoatran’i Satana filohany ihany. (2 Petera 2:4) Tsy afaka mitafy vatan’olombelona intsony izy ireo, nefa mbola mitaona ny olona hanao zavatra tena ratsy foana. Manampy an’i Satana ‘hamitaka ny tany rehetra misy mponina’ izy ireo. (Apokalypsy 12:9; 1 Jaona 5:19) Mampiasa tetika maro izy ireo mba hamitahana ny olona. (Vakio ny 2 Korintianina 2:11.) Hodinihintsika ny sasany amin’izany.

NY FOMBA AMITAHAN’NY DEMONIA

10. Ahoana no amitahan’ny demonia ny olona?

10 Mampirisika ny olona hifandray aminy ny demonia, na mivantana izany na amin’ny alalan’ny olon-kafa. Raran’ny Baiboly anefa ny fanao rehetra misy ifandraisany amin’ireny anjely ratsy ireny, sy ny mifampiresaka aminy. (Galatianina 5:19-21) Ireny fanao ireny no jono ampiasain’ny demonia hamitahana antsika. Mampiasa jono maro samihafa ny mpanjono mba hahazoana trondro isan-karazany. Mampiasa fandrika isan-karazany koa àry ny anjely ratsy mba hamitahana ny karazan’olona rehetra.

11. Inona no atao hoe manao sikidy, ary nahoana isika no tsy tokony hanao azy io?

11 Fandrika iray ampiasain’ny demonia ny sikidy. Ny atao hoe manao sikidy dia miezaka hahalala ny hoavy, na zavatra miafina. Ohatra hoe manandro, mampiasa karatra na mamaky soritra amin’ny tanana mba hamantarana ny hoavy, mijery tononandro, ary mitady famantarana na fambara amin’ny nofy. Maro no mieritreritra fa tsy mampaninona ny manao sikidy, nefa milaza ny Baiboly fa miara-miasa ny mpanao sikidy sy ny anjely ratsy. Milaza, ohatra, ny Asan’ny Apostoly 16:16-18 fa nahay naminany ny ankizivavy iray, satria nisy “demonia mpilaza ny hoavy.” Tsy nahay naminany intsony anefa izy rehefa nesorina taminy ilay demonia.

Mampiasa fomba isan-karazany ny demonia mba hamitahana ny olona

12. Nahoana no mampidi-doza ny miresaka amin’ny maty?

12 Mampirisika ny olona hanontany ny maty koa ny demonia, mba hamitahana azy ireo. Matetika no voafitaka ny olona nidonam-pahoriana, satria tsy fantany ny marina momba ny maty. Mety hampita hafatra manokana ny mpisikidy, na haka tahaka ny feon’ilay maty mihitsy. Maro àry no mino hoe mbola velona ny maty. Heveriny fa ho maivana kokoa ny fahoriany, raha miezaka hifandray amin’ilay havany efa maty izy. “Fampiononana” sandoka anefa izany ary mampidi-doza. Afaka maka tahaka ny feon’ilay maty mantsy ny demonia, sady afaka mampita hafatra momba an’ilay maty amin’ny mpisikidy. (1 Samoela 28:3-19) Efa hitantsika koa fa tsy misy intsony ny olona rehefa maty. (Salamo 115:17) Voafitaky ny anjely ratsy àry izay “olona manontany amin’ny maty”, sady manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. (Vakio ny Deoteronomia 18:10, 11; Isaia 8:19) Mila mitandrina ianao mba tsy ho voafandrik’io jono mampidi-doza ataon’ny demonia io.

13. Afaka tamin’ny inona ny olona maro natahotra ny demonia?

13 Tsy hoe mamitaka fotsiny ny anjely ratsy, fa mampitahotra ihany koa. Tezitra be i Satana sy ny demoniany satria fantany fa “fohy ny fotoana ananany”, ka kely sisa dia tsy ho afaka hanao na inona na inona intsony izy ireo. (Apokalypsy 12:12, 17) Olona an’arivony no natahotra fanahy ratsy foana taloha, nefa afaka tamin’izany. Nahoana? Inona no azo atao raha te hiala amin’ny herin’ny maizina?

FOMBA ANOHERANA NY ANJELY RATSY

14. Hoatran’ny Kristianina tany Efesosy, inona no tokony hatao mba tsy hifandraisana intsony amin’ny demonia?

14 Atoron’ny Baiboly hoe ahoana no hanoherana ny anjely ratsy sy tsy hifandraisana aminy intsony. Diniho ny nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, tany Efesosy. Nifandray tamin’ny anjely ratsy izy ireo tamin’ny mbola tsy Kristianina. Ahoana no nialany tamin’izany? Hoy ny Baiboly: “Maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra.” (Asan’ny Apostoly 19:19) Nandoro ny bokiny momba ny mazia izy ireo, ka ohatra tsara ho an’izay te hanohitra ny anjely ratsy. Raha te hanompo an’i Jehovah ny olona iray, dia tokony hopotehiny daholo ny zava-drehetra misy ifandraisany amin’ny demonia. Anisan’izany ny boky, gazety, sary, na mozika mampirisika ny olona hifandray amin’ny demonia na mampiseho hoe mahafinaritra ny manao an’izany. Anisan’izany koa ny ody na tapa-kazo na zavatra hafa atao fiaro.—1 Korintianina 10:21.

15. Mila manao inona isika raha te hanohitra ny fanahy ratsy?

15 Nanoratra ho an’ireo Kristianina tany Efesosy ny apostoly Paoly, taona vitsivitsy taorian’ny nandoroan’izy ireo ny bokiny momba ny mazia. Hoy izy: ‘Isika mitolona amin’ireo fanahy ratsy.’ (Efesianina 6:12) Midika izany fa mbola nitady hanafika an’ireo Kristianina ireo foana ny demonia. Nila nanao inona àry izy ireo? Hoy i Paoly: “Ambonin’izany rehetra izany, dia raiso ny ampinga lehibe, dia ny finoana, izay hahafahanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy [Satana].” (Efesianina 6:16) Ho vitantsika kokoa ny hanohitra an’ireo anjely ratsy, raha manatanjaka ny finoantsika isika.—Matio 17:20.

16. Ahoana no anatanjahantsika ny finoantsika?

16 Ahoana no anatanjahantsika ny finoantsika? Mila mianatra Baiboly isika. Mafy ny manda, raha matanjaka tsara ny fototra. Ho mafy orina koa ny finoantsika raha tsara fototra. Ny fahalalana marina tsara ny Tenin’Andriamanitra no fototry ny finoantsika. Hihamatanjaka ny finoantsika, raha mamaky sy mianatra Baiboly isan’andro isika. Toy ny manda mafy izany finoana izany, ka hiaro antsika amin’ny fanahy ratsy.—1 Jaona 5:5.

17. Inona no tokony hataontsika mba hanoherana ny fanahy ratsy?

17 Nila nanao inona koa ireo Kristianina tany Efesosy? Nila fiarovana fanampiny izy ireo, satria nanjakan’ny demonia ny tanànany. Hoy i Paoly tamin’izy ireo: “Mivavaha foana na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, eo ambany fitarihan’ny fanahy, sady manaova vavaka sy fitalahoana amin’ny endriny rehetra.” (Efesianina 6:18) Anjakan’ny demonia koa ny tontolo misy antsika, ka mila mivavaka mafy isika mba harovan’i Jehovah amin’ny fanahy ratsy. Tokony hanonona ny anaran’i Jehovah isika rehefa mivavaka. (Vakio ny Ohabolana 18:10.) Mila mangataka aminy foana àry isika, mba ‘hanafahany antsika amin’ilay ratsy’, dia i Satana Devoly. (Matio 6:13) Hamaly antsika i Jehovah raha mivavaka amin’ny fo isika.—Salamo 145:19.

18, 19. a) Nahoana no azo antoka fa handresy isika amin’ilay ady ataontsika amin’ny anjely ratsy? b) Inona no hovaliana ao amin’ny toko manaraka?

18 Te hanisy ratsy antsika foana ny anjely ratsy. Tsy misy atahorantsika azy ireo anefa, raha manohitra ny Devoly isika sady manatona an’Andriamanitra sy manao ny sitrapony. (Vakio ny Jakoba 4:7, 8.) Voafetra ihany ny herin’ny anjely ratsy. Nosazina izy ireo tamin’ny andron’i Noa, ary horinganina tanteraka amin’ny hoavy. (Joda 6) Tadidio koa fa miaro antsika ny anjely maherin’i Jehovah. (2 Mpanjaka 6:15-17) Tian’izy ireo hanohitra ny anjely ratsy isika, ka toy ny hoe ampirisihiny mihitsy mba tsy hanaiky ho resy. Miezaha foana àry hiandany amin’i Jehovah sy ny fianakaviany, dia ny anjely tsy mivadika. Aza mifandray amin’ny fanahy ratsy mihitsy, na kely aza, fa araho foana ny torohevitry ny Baiboly! (1 Petera 5:6, 7; 2 Petera 2:9) Azo antoka amin’izay fa handresy isika amin’ilay ady ataontsika amin’ny anjely ratsy.

19 Nahoana anefa no mbola avelan’Andriamanitra hisy ny anjely ratsy sy ireo zavatra ratsy mampijaly ny olona? Hovaliana ao amin’ny toko manaraka izany.

^ feh. 2 Milaza ny Apokalypsy 5:11 fa “niisa alinalina sy arivoarivo” ny anjely tsy mivadika, izany hoe “iray alina ampitomboina iray alina.” (Jereo ny Daniela 7:10.) An-jatony tapitrisa àry ny isan’ny anjely.