Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-11

Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?

Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?
  • Andriamanitra ve no mahatonga ny fijaliana?

  • Inona ny adihevitra nipoitra tany amin’ny zaridainan’i Edena?

  • Vitan’Andriamanitra ve ny hanonitra ny fijalian’ny olona? Ahoana no hataony?

1, 2. Inona no mampijaly ny olona, ary inona no fanontaniana apetraky ny olona maro noho izany?

VEHIVAVY sy ankizy an’arivony no maty tamin’ny ady nahatsiravina tany amin’ny tany iray. Niara-nalevina tao amin’ny lavaka voahodidina lakroa izy ireo. Nisy soratra teo amin’ny lakroa tsirairay hoe: “Fa nahoana?” Matetika no manontany an’izany ny olona mijaly. Malahelo be mantsy izy ireo rehefa misy ady, heloka bevava, aretina, na loza nahafaty ny havany tsy manan-tsiny, na nandrava ny tranony, na nampahory azy. Tiany ho fantatra hoe nahoana izy no iharan’izany.

2 Nahoana i Jehovah Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy? Raha izy no mahery indrindra sady be fitiavana sy hendry ary manao ny rariny, nahoana no feno fankahalana sy tsy rariny eto an-tany? Efa nieritreritra an’izany ve ianao?

3, 4. a) Hazavao fa tsy diso isika raha manontany hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana. b) Inona no tsapan’Andriamanitra rehefa mahita ny faharatsiana sy ny fijaliana?

3 Diso ve isika raha manontany hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy? Misy mihevitra fa tsy ampy finoana na tsy manaja an’Andriamanitra izy, raha manontany an’izany. Resahin’ny Baiboly anefa, fa nisy olona nanam-pinoana sy natahotra an’Andriamanitra koa nametraka fanontaniana hoatr’izany. Nanontany an’i Jehovah, ohatra, i Habakoka mpaminany hoe: “Nahoana no ataonao mahita zava-dratsy aho, ary jerenao fotsiny ny faharatsiana? Nahoana no misy fandrobana sy herisetra eo anoloako, ary nahoana no misy fifamaliana sy fifandirana?”—Habakoka 1:3.

Hamarana ny fijaliana rehetra i Jehovah

4 Tezitra tamin’io mpaminany io ve i Jehovah, noho izy nanontany an’izany? Tsia. Nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly aza ilay izy. Nohazavainy tsara tamin’i Habakoka koa ny zavatra hataony, ary nampiany izy mba hanam-pinoana kokoa. Izany koa no tian’i Jehovah hatao ho anao. Tadidio fa ‘miahy anao izy’, hoy ny 1 Petera 5:7. Azo antoka fa tsy tianao ny mahita ny faharatsiana sy ny fijaliana. Andriamanitra anefa mbola mankahala an’izany lavitra noho ianao. (Isaia 55:8, 9) Nahoana àry no be dia be ny fijaliana?

NAHOANA NO BE DIA BE NY FIJALIANA?

5. Inona indraindray no lazaina fa mahatonga ny olona hijaly, nefa inona no ampianarin’ny Baiboly?

5 Mpivavaka maro no manontany ny mpitondra fivavahana ao aminy hoe nahoana no be dia be ny fijaliana. Matetika izy ireo no mamaly hoe izany no sitrapon’Andriamanitra, ary izy no mandahatra ny zava-drehetra, anisan’izany ny loza. Tsy takatry ny saina, hono, ny zavatra ataon’Andriamanitra. Rehefa misy maty, na ankizy aza, dia lazainy fa nalain’Andriamanitra mba hiaraka aminy any an-danitra. Efa fantatrao anefa fa tsy Andriamanitra mihitsy no mahatonga ny faharatsiana. Hoy ny Baiboly: “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny!”—Joba 34:10.

6. Nahoana ny olona maro no manome tsiny an’Andriamanitra noho ny fijaliana eran-tany?

6 Nahoana àry ny olona no manome tsiny an’Andriamanitra noho ny fijaliana rehetra eran-tany? Satria mieritreritra izy ireo hoe izy no Andriamanitra Mahery Indrindra, ary izy no mitondra an’izao tontolo izao. Efa hitantsika anefa fa i Satana Devoly no tena mitondra an’ity tontolo ity. Tsotra io fahamarinana ao amin’ny Baiboly io nefa zava-dehibe.

7, 8. a) Ahoana no ahitana fa manahaka an’ilay mpitondra azy ity tontolo ity? b) Inona ny antony faharoa sy fahatelo mahatonga ny fijaliana, ary nahoana?

7 Hoy ny Baiboly: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ (1 Jaona 5:19) Tsy marina ve izany, hoy ianao? Manahaka an’ilay anjely “mamitaka ny tany rehetra misy mponina” ity tontolo ity. (Apokalypsy 12:9) Feno fankahalana i Satana, sady mpamitaka sy ratsy fanahy. Feno fankahalana sy fitaka ary habibiana koa àry ilay tontolo eo ambany fahefany. Izany no antony voalohany mahatonga ny fijaliana ho be dia be.

8 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-3 ny antony faharoa, hoe lasa tsy lavorary sy mpanota ny olona taorian’ilay fikomiana tany Edena. Miady fahefana ny olona, ka izany no mampisy ady sy fampahoriana ary fijaliana. (Mpitoriteny 4:1; 8:9) ‘Mety ho azon-tsampona amin’ny fotoana tsy ampoizina’ koa isika rehetra, ary izay no antony fahatelo. (Vakio ny Mpitoriteny 9:11.) Tsy mitondra na miaro an’izao tontolo izao i Jehovah, ka mety hijaly ny olona raha sendra eny amin’ny toerana itrangan’ny loza.

9. Nahoana isika no matoky fa misy antony matoa i Jehovah mbola mamela ny fijaliana hisy?

9 Mampahery ny mahalala fa tsy Andriamanitra no mahatonga ny fijaliana. Tsy izy no mampisy ny ady, heloka bevava, fampahoriana, ary na dia ny loza hafa toy ny rivo-doza na ny horohoron-tany aza. Nahoana anefa i Jehovah no mamela an’izany rehetra izany hitranga? Vitany mantsy ny mampitsahatra an’izany, satria izy no Mahery Indrindra. Maninona àry izy no mbola tsy manao an’izany? Andriamanitra fitiavana izy, ka tsy maintsy misy antony matoa izy mbola miandry.—1 Jaona 4:8.

NISY ADIHEVITRA BE NIPOITRA

10. Inona ilay adihevitra napoitran’i Satana, ary ahoana no nanaovany an’izany?

10 Nahoana tokoa Andriamanitra no mbola mamela ny fijaliana hisy? Hojerentsika aloha izay nitranga tamin’ny vao nanomboka nisy ny fijaliana. Lasa nisy adihevitra be nipoitra, rehefa nitarika an’i Adama sy Eva tsy hankatò an’i Jehovah i Satana. Tsy niady hevitra momba ny herin’i Jehovah i Satana, satria fantany hoe i Jehovah no mahery indrindra. Ny adihevitra napoitrany kosa dia hoe manana zo hitondra ve i Jehovah. Niampanga an’i Jehovah ho tsy mahay mitondra izy, rehefa nilaza fa mpandainga Andriamanitra, sady misy zavatra tsara tsy omeny ny vahoakany. (Vakio ny Genesisy 3:2-5.) Te hilaza i Satana fa ho tsara kokoa ny fiainan’ny olona, raha tsy i Jehovah Andriamanitra no mitondra azy ireo. Nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra izy.

11. Nahoana no tsy tonga dia noringanin’i Jehovah i Adama sy Eva ary Satana?

11 Nivadika tamin’i Jehovah i Adama sy Eva. Toy ny nilaza izy ireo hoe: ‘Izahay tsy mila an’i Jehovah ho Mpitondra anay. Izahay ihany dia efa mahavita manapa-kevitra hoe izao no tsara na izao no ratsy.’ Ahoana no nandaminan’i Jehovah an’izany? Ahoana no hanaporofoany amin’ny anjely sy ny olona rehetra fa izy no tena mahay mitondra, ary diso ireo mpanohitra azy? Mety hisy hilaza fa tokony ho naringan’i Jehovah fotsiny izy ireo, dia namorona olon-kafa indray izy. Efa nilaza anefa i Jehovah fa tiany hameno ny tany ny taranak’i Adama sy Eva, ary hipetraka ao amin’ny paradisa. (Genesisy 1:28) Manatanteraka ny fikasany foana i Jehovah. (Isaia 55:10, 11) Raha tonga dia noringanina koa i Adama sy Eva ary Satana, dia tsy voaporofo hoe manana zo hitondra tokoa izy.

12, 13. Nahoana no navelan’i Jehovah hitondra an’izao tontolo izao i Satana, ary nahoana ny olona no navelany hanana ny fanjakany? Hazavao amin’ny ohatra.

12 Eritrereto, ohatra, hoe mampianatra ny mpianany hanao kajy sarotra ny mpampianatra iray. Misy mpianatra mahay be anankiray anefa manohitra ny teniny, ka milaza fa diso ilay zavatra atorony. Te hampiseho izy hoe tsy mahay ilay mpampianatra, ka lazainy fa mahita fomba tsara kokoa hanaovana an’ilay kajy izy. Mieritreritra ny mpianatra sasany fa marina ny azy, ka lasa manohitra an’ilay mpampianatra koa izy ireo. Inona no tokony hataon’ilay mpampianatra? Inona no ho vokany amin’ny mpianatra hafa, raha roahiny daholo ireo mpianatra manohitra azy? Mety hino ny tenin’ilay mpiara-mianatra aminy ry zareo ka hilaza fa ny azy no marina. Mety tsy hanaja an’ilay mpampianatra intsony koa ry zareo, satria heveriny fa matahotra ilay mpampianatra sao ho hita hoe diso. Inona kosa no ho vokany raha avelany hanao an’ilay kajy ilay mpianatra manohitra azy?

Mahay kokoa noho ilay mpampianatra ve ilay mpianatra?

13 Toy izany koa no nataon’i Jehovah. Tsy naringany avy hatrany i Adama sy Eva ary Satana, satria: Voalohany, nisy anjely be dia be koa nahita tsara an’izay nitranga. (Joba 38:7; Daniela 7:10) Mila mahita porofo izy ireo hoe i Jehovah sa Satana no manana ny marina. Faharoa, ny olombelona rehetra ho teraka atỳ aoriana koa mila mahalala hoe iza no manana ny zo hitondra. Inona àry no nataon’i Jehovah? Navelany hitondra ny olombelona i Satana. Navelany hanana ny fanjakany koa ny olona, ka i Satana no mitarika azy ireo.

14. Inona no mahatsara ny hoe navelan’i Jehovah hanana ny fanjakany ny olombelona?

14 Fantatr’ilay mpampianatra fa diso ilay mpianatra sy ny mpanohana azy. Fantany koa anefa fa raha avelany hanaporofo ny heviny izy ireo, dia ny mpianatra rehetra mihitsy no handray soa. Rehefa hita hoe tsy mahomby mantsy izy ireo, dia hiaiky ny mpianatra hafa rehetra fa ilay mpampianatra ihany no tena mahay. Rehefa roahin’ilay mpampianatra koa izy ireo avy eo, dia ho azon’ny mpianatra hafa ny antony. Hoatr’izany koa no nataon’i Jehovah. Fantany fa handray soa ny olona tso-po sy ny anjely tsara rehetra, rehefa mahita fa tsy mahomby i Satana sy ny mpanohana azy ary tsy mahay mitondra ny olombelona. Hiaiky hoatran’i Jeremia izy ireo hoe: “Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.”—Jeremia 10:23.

NAHOANA NO ELA BE HOATR’IZAO?

15, 16. a) Nahoana no avelan’i Jehovah hitohy ela be ny fijaliana? b) Nahoana no tsy sakanany ny heloka bevava?

15 Nahoana anefa no avelan’i Jehovah hitohy ela be hoatr’izao ny fijaliana? Maninona raha sakanany mba tsy hitranga ny zava-dratsy? Misy zavatra roa tsy nataon’ilay mpampianatra mihitsy. Voalohany, tsy nisakana an’ilay mpianatra tsy hanao an’ilay kajy izy. Faharoa, tsy nanampy an’ilay mpianatra hanaporofo ny heviny izy. Misy zavatra roa koa tsy ataon’i Jehovah mihitsy. Voalohany, tsy nisakana an’i Satana sy ny mpanaraka azy izy, fa navelany hanaporofo ny heviny izy ireo. Mila fotoana elaela izany. Efa nanandrana karazana fitondrana be dia be ny olona, nandritra ny an’arivony taona maro. Nisy fandrosoana vitan’izy ireo teo amin’ny siansa sy zavatra hafa, nefa vao mainka mitombo ny tsy rariny, fahantrana, heloka bevava, ary ady. Voaporofo àry hoe tsy mahomby ny fitondran’olombelona.

16 Faharoa, tsy nanampy an’i Satana hitondra an’ity tontolo ity i Jehovah. Raha sakanany, ohatra, ny heloka bevava mahatsiravina, tsy hoatran’ny manohana an’i Satana sy ny mpanaraka azy ve izy? Lasa hieritreritra koa ny olona hoe mahavita mitondra irery ny fiainany ihany izy ireo, ary tsy misy olana be akory. Tsy marina anefa izany fa lainga avy amin’i Satana. Manohana ny mpandainga i Jehovah raha manao an’izany. ‘Tsy mahay mandainga’ anefa izy.—Hebreo 6:18.

17, 18. Hataon’i Jehovah ahoana ny zava-dratsy rehetra vokatry ny fitondran’ny olona sy Satana?

17 Ahoana anefa ireo zava-dratsy rehetra efa nitranga hatramin’izay? Tadidio fa i Jehovah no mahery indrindra, ka vitany ny manonitra an’izay fijaliana rehetra niaretan’ny olona. Na efa nosimban’ny olona aza ny tany, dia haveriny ho paradisa indray. Na be dia be aza ny vokatry ny ota, dia ho afaka amin’izany ireo mino ny sorom-panavotan’i Jesosy. Na tena mampahory aza ny fahafatesana, dia ho foana izany noho ny fitsanganan’ny maty. Hampiasa an’i Jesosy i Jehovah mba “handrava ny asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8) Hotanterahin’i Jehovah amin’ny fotoana mety izany rehetra izany. Soa ihany fa nanam-paharetana izy, ka niandry hatramin’izao. Raha tsy izany mantsy isika tsy afaka nianatra ny fahamarinana sy nanompo azy. (Vakio ny 2 Petera 3:9, 10.) Mbola mitady olona hanompo azy Andriamanitra amin’izao. Ampiany koa izy ireo hiaritra fijaliana, satria feno zava-manahirana eto an-tany.—Jaona 4:23; 1 Korintianina 10:13.

18 Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Hoatr’izay tsy nisy ny fijaliana, raha noforonin’i Jehovah mba hanaiky an’izay lazainy fotsiny i Adama sy Eva, ary nataony tsy afaka mivadika aminy!’ Tadidio fa nisy fanomezana sarobidy nomen’i Jehovah anao. Inona izany?

AMPIASAO TSARA ILAY FANOMEZANA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA

Hanampy anao hiaritra fijaliana Andriamanitra

19. Inona ny fanomezana nomen’i Jehovah antsika, ary nahoana no tokony ho sarobidy amintsika izy io?

19 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-5 fa nomena safidy malalaka ny olona ary tena sarobidy izany. Nanao biby be dia be Andriamanitra, saingy baikoin’ny faniriany voajanahary fotsiny izy ireny, fa tsy mahalala izay tsara sy ratsy. (Ohabolana 30:24) Ho tiantsika ve raha hoatr’izany koa no nanaovan’Andriamanitra antsika? Tsia. Faly kosa isika satria navelany hisafidy an’izay toetra tiantsika, na ny fomba fiainantsika, na ny namantsika. Faly koa isika rehefa tsy voafehifehy loatra, ary izany no tian’Andriamanitra ho fiainantsika.

20, 21. Ahoana no ampiasantsika tsara ny safidy nomena antsika, ary nahoana isika no tokony hanao an’izany?

20 Tian’i Jehovah hanompo azy amin’ny fo isika fa tsy terena. (2 Korintianina 9:7) Inona, ohatra, no tian’ny ray aman-dreny? Misaotra azy amin’ny fo ny zanany, sa misaotra azy satria noterena? Ilaina àry ny mandinika hoe: Ahoana no hampiasanao ny safidy malalaka nomen’i Jehovah anao? Tsy nampiasa tsara ny safidy nomena azy i Adama sy Eva ary Satana, fa nanao zavatra faran’izay ratsy. Nanda an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo. Ary ianao? Inona no hataonao?

21 Afaka mampiasa tsara ny safidy nomena anao ianao, ka manohana ny zon’i Jehovah hitondra, toy ny efa ataon’ny olona an-tapitrisany. Mampifaly an’Andriamanitra izy ireo, satria manaporofo amin’ny zavatra ataony fa mpandainga i Satana ary tena tsy mahomby ny fitondrany. (Ohabolana 27:11) Manao an’izany koa ianao, raha mifidy ny fomba fiaina mety. Hohazavaina ao amin’ny toko manaraka izany.