Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-14

Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?

Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?
  • Inona ny andraikitry ny lehilahy manambady?

  • Inona ny andraikitry ny vehivavy manambady?

  • Inona no takina amin’ny ray aman-dreny?

  • Inona no tokony hataon’ny ankizy?

1. Inona no tena mahasambatra ny fianakaviana?

TIAN’I Jehovah Andriamanitra ho sambatra ny fianakavianao. Misy tari-dalana ho an’ny mpianakavy tsirairay, ao amin’ny Teniny. Ho sambatra ny fianakaviana raha samy manao ny andraikitra nampanaovin’Andriamanitra azy ny rehetra, sady manaraka tsara ny toroheviny. Hoy i Jesosy: ‘Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany no sambatra!’—Lioka 11:28.

2. Inona no tsy maintsy ekentsika, raha tiantsika ho sambatra ny fianakaviantsika?

2 Raha tena tiantsika ho sambatra ny fianakaviantsika, dia tokony hiaiky aloha isika hoe i Jehovah no namorona ny fianakaviana. Nantsoin’i Jesosy hoe ‘Raintsika’ izy. (Matio 6:9) Ilay Raintsika any an-danitra no nampisy ny fianakaviana rehetra, ary fantany tsara izay hahasambatra azy ireo. (Efesianina 3:14, 15) Inona àry ny andraikitry ny mpianakavy tsirairay, araka ny Baiboly?

ANDRIAMANITRA NO NAMORONA NY FIANAKAVIANA

3. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny niandohan’ny fianakaviana, ary ahoana no ahalalantsika fa marina izany?

3 Namorona an’i Adama sy Eva i Jehovah, ary nataony lasa mpivady izy ireo. Ireo no olombelona voalohany noforoniny. Nataony tao amin’ny paradisa tsara tarehy teto an-tany, na zaridainan’i Edena, izy mivady ary nasainy niteraka. Hoy i Jehovah: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Genesisy 1:26-28; 2:18, 21-24) Tsy angano fotsiny izany. I Jesosy mihitsy no nanamafy fa marina ny nolazain’ny Genesisy hoe Andriamanitra no namorona ny fianakaviana. (Matio 19:4, 5) Be dia be ny olana mahazo antsika, ary tsy araka ny nikasan’Andriamanitra azy ny fiainana amin’izao. Hojerentsika anefa fa mbola afaka ny ho sambatra ny fianakaviana.

4. a) Inona no azon’ny tsirairay atao mba hahasambatra ny fianakaviana? b) Nahoana no tena ilaina ny mianatra momba ny fiainan’i Jesosy?

4 Ho sambatra ny fianakaviana, raha samy manahaka an’Andriamanitra ny mpianakavy tsirairay, ka maneho fitiavana toa azy. (Efesianina 5:1, 2) Ahoana no anahafantsika azy, nefa izy tsy hita maso? Afaka mianatra momba an’i Jehovah isika, satria nalefany tetỳ an-tany ny Zanany lahitokana. (Jaona 1:14, 18) Nanahaka tanteraka an’ilay Rainy any an-danitra i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany. Hoatran’ny hoe niaraka tamin’i Jehovah sy naheno azy mihitsy àry ny olona, rehefa nahita an’i Jesosy sy nihaino azy. (Jaona 14:9) Afaka manao izay hahasambatra ny fianakaviany ny tsirairay, rehefa mianatra ny fomba nanehoan’i Jesosy fitiavana sy manahaka azy.

MODELY HO AN’NY LEHILAHY MANAMBADY

5, 6. a) Nahoana no modely tsara ho an’ny lehilahy i Jesosy? b) Inona no tsy maintsy ataon’ny mpivady raha tiany ho voavela ny helony?

5 Milaza ny Baiboly fa tokony ho tia ny vadiny hoatran’ny nitiavan’i Jesosy ny mpianany ny lehilahy. Izao no lazainy ao: ‘Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy. Toy izany no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny tahaka ny tenany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy, tahaka ny ataon’i Kristy amin’ny fiangonana.’Efesianina 5:23, 25-29.

6 Modely ho an’ny lehilahy manambady i Jesosy, satria tena tiany ny fiangonana, na ny mpianany. “Tiany hatramin’ny farany ireo”, ka foiny ho azy ireo ny ainy, na dia tsy lavorary aza izy ireo. (Jaona 13:1; 15:13) Izao koa no asain’ny Baiboly ataon’ny lehilahy: “Tiavo foana ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Kolosianina 3:19) Inona no hanampy ny lehilahy hanaraka an’izany, indrindra rehefa misy tsy mety ataon’ny vadiny? Tokony hotadidiny hoe izy koa mba manao diso, ary misy zavatra tsy maintsy ataony raha tiany havelan’Andriamanitra ny helony. Inona izany? Tsy maintsy mamela ny helok’izay nanota taminy izy, ka anisan’izany ny vadiny. Tokony hanao an’izany koa anefa ny vehivavy. (Vakio ny Matio 6:12, 14, 15.) Tsy maintsy vonona hifamela heloka àry ny mpivady, raha tiany ho sambatra ny tokantranony.

7. Inona no mampiseho fa nihevitra izay hahasoa ny mpianany i Jesosy, ary ahoana no azon’ny lehilahy manambady anahafana azy?

7 Tokony ho fantatry ny lehilahy manambady koa fa nihevitra izay hahasoa ny mpianany foana i Jesosy. Tsy nitaky mihoatra an’izay mety ho vitan’izy ireo izy. Fantany koa izay nilain’izy ireo. Hoy, ohatra, izy rehefa reraka ny mpianany: “Andao hitokana any amin’ny toerana mangina, dia mialà sasatra kely.” (Marka 6:30-32) Mendrika ny homena tambitamby sy fiahiana toy izany koa ny vehivavy. Milaza ny Baiboly fa “fanaka malemy kokoa” izy ireny, ka tena tokony “hanome voninahitra azy” ny vadiny. Nahoana? Satria samy manana an’ilay “fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana”, izy mivady. (1 Petera 3:7) Tsy noho izy lehilahy na vehivavy no itiavan’Andriamanitra ny olona iray, fa noho izy tsy mivadika, ary tokony hitadidy an’izany ny lehilahy.—Salamo 101:6.

8. a) Nahoana no lazaina fa izay lehilahy “tia ny vadiny dia tia ny tenany”? b) Koa satria “nofo iray ihany” ny mpivady, inona no tsy tokony hataon’izy ireo?

8 Milaza ny Baiboly fa ny lehilahy “tia ny vadiny dia tia ny tenany.” “Tsy roa intsony” mantsy izy sy ny vadiny fa “nofo iray ihany”, araka ny tenin’i Jesosy. (Matio 19:6) Tsy tokony hanao firaisana amin’ny olon-kafa ankoatra ny vadiny àry izy ireo. (Ohabolana 5:15-21; Hebreo 13:4) Ho vitany izany raha samy tsy tia tena izy ireo fa miezaka manome fahafaham-po ny vadiny. (1 Korintianina 7:3-5) Milaza koa ny Baiboly fa “tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy.” Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy, ary hitadidy fa mbola hampamoahin’i Jesosy Kristy filohany izy.—Efesianina 5:29; 1 Korintianina 11:3.

9. Inona ny toetran’i Jesosy resahin’ny Filipianina 1:8, ary nahoana ny lehilahy no tokony haneho an’izany toetra izany amin’ny vadiny?

9 Niresaka momba ny ‘fitiavan’i Kristy Jesosy’ ny apostoly Paoly. (Filipianina 1:8) Tena tia sy miahy ny olona i Jesosy, ary izany no anisan’ny nahafinaritra ny vehivavy taminy. (Jaona 20:1, 11-13, 16) Fitiavana sy fiahiana koa no tena tadiavin’ny vehivavy amin’ny vadiny.

MODELY HO AN’NY VEHIVAVY

10. Nahoana i Jesosy no modely tsara ho an’ny vehivavy?

10 Olona maromaro no ao anatin’ny fianakaviana, ka tokony hisy iray mitarika na filoha. Na i Jesosy aza mantsy nanana Filoha, ary nanaiky azy io izy. ‘Andriamanitra no lohan’i Kristy’, mitovy amin’ilay hoe “ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Korintianina 11:3) Modely tsara i Jesosy satria nankatò foana an’Andriamanitra Filohany. Samy manana filoha tsy maintsy ekena daholo isika.

11. Inona no tokony hataon’ny vehivavy, ary inona no mety ho vokatr’izany?

11 Tsy lavorary ny loham-pianakaviana ka tsy voatery hoe mety foana ny ataony. Inona àry no tokony hataon’ny vehivavy? Tsy tokony hanambany ny vadiny izy, na hitady haka ny toeran’ny loham-pianakaviana. Tokony hotadidin’ny vehivavy fa tena sarobidy amin’Andriamanitra ny toetra tony sy malemy paika. (1 Petera 3:4) Ho mora kokoa aminy ny hanaiky ny vadiny raha manana an’ireo toetra ireo izy, na dia rehefa misy olana aza. Hoy koa ny Baiboly: ‘Aoka ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’ (Efesianina 5:33) Ahoana anefa raha tsy manaiky an’i Kristy ho Filohany ilay lehilahy? Mampirisika ny vehivavy ny Baiboly hoe: “Maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.”—1 Petera 3:1, 2.

12. Nahoana no tsy diso ny vehivavy raha mba milaza ny heviny amim-panajana?

12 Ahoana raha tsy mitovy hevitra amin’ny vadiny ny vehivavy? Tsy hoe tsy manaja ny vadiny izy raha milaza ny heviny, sady mahay mandanjalanja rehefa manao an’izany. Azony atao izany, na mitovy finoana aminy ny vadiny na tsia. Mety ho marina mantsy ny azy, ary mety hahasoa ny fianakaviana manontolo. Nisy fotoana, ohatra, nisy olana tao an-tokantranon’i Abrahama, ary nanome vahaolana i Saraha vadiny. Tsy neken’i Abrahama ilay izy, ka hoy Andriamanitra: “Henoy ny teniny.” (Vakio ny Genesisy 21:9-12.) Ny lehilahy foana anefa no tompon’ny fanapahan-kevitra farany, ka tokony hanaiky sy hanohana an’izany ny vehivavy, raha mbola tsy mifanipaka amin’ny lalàn’Andriamanitra ilay izy.—Asan’ny Apostoly 5:29; Efesianina 5:24.

Inona ny modely navelan’i Saraha ho an’ny vehivavy manambady?

13. a) Inona no tokony hataon’ny vehivavy, araka ny Titosy 2:4, 5? b)  Azo atao ve ny misintaka kely na misara-panambadiana, raha ny Baiboly no jerena?

13 Be dia be no azon’ny vehivavy atao mba hahasoa ny fianakaviany. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa tokony “ho tia vady aman-janaka” ny vehivavy, “hisaina tsara, hadio fitondran-tena, hazoto hikarakara tokantrano, hanao izay tsara, hanaiky ny vadiny.” (Titosy 2:4, 5) Ho tia sy hanaja azy foana ny vady aman-janany, raha manao an’izany izy. (Vakio ny Ohabolana 31:10, 28.) Samy tsy lavorary ny mpivady, ka mety hisy olana be hahatonga azy ireo hisara-toerana vetivety na hisara-panambadiana mihitsy. Afaka mifampisintaka kely ny mpivady, raha ny Baiboly no jerena, saingy rehefa misy antony tena lehibe vao tokony hanao an’izany izy ireo. Voalaza ao mantsy fa “tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny vehivavy” ary “tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny lehilahy.” (1 Korintianina 7:10, 11) Ny fijangajangana ihany no antony ahafahana misara-panambadiana, araka ny lazain’ny Soratra Masina.—Matio 19:9.

MODELY HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

14. Inona no porofo fa tia ankizy i Jesosy, ary inona no ilain’ny ankizy amin’ny ray aman-dreny?

14 Modely ho an’ny ray aman-dreny koa i Jesosy, satria tena tia ankizy. Rehefa nosakanan’ny mpianany tsy hanatona azy, ohatra, ny ankizy, dia hoy izy: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza mitady hisakana azy.” Milaza ny Baiboly fa “nitrotro an’ireo zaza izy ka nitso-drano azy, sady nametra-tanana taminy.” (Marka 10:13-16) Na i Jesosy aza nanokana fotoana hiarahana tamin’ny ankizy, ka tsy tokony hanao an’izany koa ve ny ray aman-dreny? Tsy ny ambinambin’ny fotoananao fotsiny no ilain’ny zanakao. Manokàna fotoana be dia be hiarahana aminy sy hampianarana azy, satria izany no asain’i Jehovah ataon’ny ray aman-dreny.—Vakio ny Deoteronomia 6:4-9.

15. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny iarovana ny zanany?

15 Tena mila arovan’ny ray aman-dreny ny zanany, satria mihamaro izao ny olon-dratsy, anisan’izany ny mpametaveta ankizy. I Jesosy koa aza niaro ny mpianany, izay nantsoiny hoe “zanako malalako.” Rehefa tonga hisambotra sy hamono azy ny olona, dia narovany ny mpianany ka afaka nandositra. (Jaona 13:33; 18:7-9) Mila mailo koa ianao satria mitady hanimba ny zanakao ny Devoly. Tokony hampitandrina azy ireo ianao. * (1 Petera 5:8) Arovy izy, ary ampio mba hifandray akaiky amin’i Jehovah sy ho tsara fitondran-tena. Izao mihitsy izy ireo no tena mila an’izany.

Tena tia ankizy i Jesosy. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’izany?

16. Inona no azon’ny ray aman-dreny tahafina tamin’ny fomba nanitsian’i Jesosy ny mpianany?

16 Ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nifamaly ny mpianany hoe iza no lehibe indrindra. Tsy tezitra anefa i Jesosy, fa mbola nananatra azy ireo moramora sady nanome modely harahiny. (Lioka 22:24-27; Jaona 13:3-8) Ahoana no azonao anahafana azy rehefa manitsy ny zanakao ianao? Marina fa mila anarina ny ankizy, nefa ataovy “araka ny antonony” izany, fa aza tezitra loatra. Eritrereto tsara izay holazainao, fa aza manao teny manindrona “toy ny fanindron’ny sabatra.” (Jeremia 30:11; Ohabolana 12:18) Tokony ho tsapan’ny zanakao rehefa mandeha ny fotoana, fa tena nahasoa azy ny fananaranao.—Efesianina 6:4; Hebreo 12:9-11.

MODELY HO AN’NY ANKIZY

17. Inona ny modely navelan’i Jesosy ho an’ny ankizy?

17 Afaka manahaka an’i Jesosy koa ny ankizy. Nasehon’i Jesosy tamin’izay nataony fa ilaina ny mankatò ray aman-dreny. “Araka izay nampianarin’ny Ray ahy”, hoy izy, ‘no lazaiko.’ Hoy koa izy: “Manao izay sitrany foana aho.” (Jaona 8:28, 29) Nankatò an’ilay Rainy any an-danitra i Jesosy, ary mandidy ny ankizy hankatò ray aman-dreny ny Baiboly. (Vakio ny Efesianina 6:1-3.) Lavorary i Jesosy nefa nankatò an’i Josefa sy Maria, ray aman-dreniny tsy lavorary. Azo antoka fa nahasambatra ny fianakaviany izany.—Lioka 2:4, 5, 51, 52.

18. Nahoana i Jesosy no nankatò foana an’ilay Rainy any an-danitra, ary iza no faly rehefa mankatò ray aman-dreny ny ankizy?

18 Rankizy, miezaha hanahaka kokoa an’i Jesosy, dia ho faly ny ray aman-dreninareo. Mety ho sarotra amin’ny tanora indraindray ny hankatò ray aman-dreny, nefa izany no takin’Andriamanitra aminy. (Ohabolana 1:8; 6:20) Nankatò ny Rainy any an-danitra foana i Jesosy, na dia tamin’ny sarotra aza. Nisy fotoana, ohatra, mafy be taminy ny nanao ny sitrapon’Andriamanitra, ka hoy izy: “Esory amiko ity kaopy ity [na ilay zavatra notakina taminy].” Nankatò ihany anefa i Jesosy, satria fantany fa ny Rainy no mahalala izay tena mahasoa azy. (Lioka 22:42) Raha mianatra mankatò ny ankizy, dia ho faly ny ray aman-dreniny sy ilay Rainy any an-danitra. *Ohabolana 23:22-25.

Inona no tokony hoeritreretin’ny tanora rehefa misy mitaona azy hanao ratsy?

19. a) Inona no ataon’i Satana mba hakana fanahy ny ankizy? b) Inona no tsapan’ny ray aman-dreny raha maditra ny zanany?

19 Naka fanahy an’i Jesosy ny Devoly, ka azo antoka fa haka fanahy ny ankizy koa. (Matio 4:1-10) Mety hoe ny naman’ireny ankizy ireny ihany no hampirisihiny hitaona azy ireo hanao ratsy, ka ho sarotra ny hanohitra an’izany. Tena tsy tokony hifanerasera amin’ny naman-dratsy àry ny ankizy. (1 Korintianina 15:33) Zatra niaraka tamin’ny olona tsy nanompo an’i Jehovah i Dina, zanakavavin’i Jakoba, ka ratsy be ny vokany. (Genesisy 34:1, 2) Eritrereto koa ange ny alahelon’ny ray aman-dreny raha lasa ratsy fitondran-tena ny zanany e!—Ohabolana 17:21, 25.

NY TENA MAHASAMBATRA NY FIANAKAVIANA

20. Inona no tsy maintsy ataon’ny tsirairay mba hahasambatra ny fianakaviana?

20 Mora kokoa ny miatrika ny olana ao an-tokantrano, rehefa arahina ny torohevitry ny Baiboly. Izany no tena mahasambatra ny fianakaviana. Ry lehilahy, tiavo ny vadinao, ary ataovy hoatran’ny nitondran’i Jesosy ny fiangonana ny fomba itondranao azy. Ry vehivavy, ekeo ny vadinao satria izy no loham-pianakaviana, ary araho ny ohatr’ilay vehivavy tsara resahin’ny Ohabolana 31:10-31. Ry ray aman-dreny, ampiofano ny zanakareo. (Ohabolana 22:6) Ry ray, ‘mahaiza mitondra ny ankohonanareo.’ (1 Timoty 3:4, 5; 5:8) Ary ankatoavy, rankizy, ny ray aman-dreninareo. (Kolosianina 3:20) Samy tsy lavorary ny mpianakavy, ka manao diso daholo. Miezaha àry hanetry tena, ka mahaiza miala tsiny.

21. Hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy, ary ahoana no hahasambatra ny fianakaviantsika dieny izao?

21 Misy torohevitra be dia be mahasoa ny fianakaviana tokoa ao amin’ny Baiboly. Lazainy ao koa fa ho lasa paradisa ny tany amin’ny hoavy, ka ho sambatra sy hanompo an’i Jehovah daholo ny olona. (Apokalypsy 21:3, 4) Tena hahafinaritra izany! Na izao aza anefa dia efa afaka ny ho sambatra ny fianakaviantsika, raha manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

^ feh. 15 Hanampy anao hiaro ny zanakao ny toko 32 amin’ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 18 Rehefa mitaky zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ihany ny ray aman-dreny, vao tsy tokony hankatò ny ankizy.—Asan’ny Apostoly 5:29.