Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-17

Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka

Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
  • Nahoana isika no tokony hivavaka amin’Andriamanitra?

  • Inona no tsy maintsy ataontsika, mba hohenoiny ny vavaka ataontsika?

  • Ahoana no amaliany ny vavaka ataontsika?

Vonona hihaino ny vavaka ataontsika ilay “Mpanao ny lanitra sy ny tany”

1, 2. Nahoana no tokony horaisintsika ho voninahitra lehibe ny mivavaka, ary nahoana isika no mila mamantatra an’izay lazain’ny Baiboly momba ny vavaka?

TENA kely ny tany, raha oharina amin’izao rehetra izao midadasika. Toy ny rano kely indray mitete avy amin’ny siny ny firenena eran-tany amin’i Jehovah, ilay “Mpanao ny lanitra sy ny tany.” (Salamo 115:15; Isaia 40:15) Hoy anefa ny Baiboly: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana. Hotanterahiny ny fanirian’izay matahotra azy. Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.” (Salamo 145:18, 19) Mba eritrereto ange hoe eo akaikintsika eo ilay Mpamorona mahery indrindra e! Hihaino antsika izy raha “miantso azy araka ny fahamarinana” isika. Voninahitra lehibe izany hoe mivavaka amin’Andriamanitra izany!

2 Tsy maintsy mivavaka amin’i Jehovah araka izay tiany anefa isika, raha tiantsika hohenoiny ny vavaka ataontsika. Mila fantarintsika àry aloha hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny vavaka. Manampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah mantsy ny vavaka.

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIVAVAKA AMIN’I JEHOVAH?

3. Inona ny antony lehibe tokony hivavahantsika amin’i Jehovah?

3 Ny antony lehibe tokony hivavahana amin’i Jehovah, dia satria izy no manasa antsika hanao an’izany. Mampirisika antsika ny Teniny hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) Azo antoka fa zava-dehibe amintsika izany hoe afaka mivavaka amin’ilay Mpitondra an’izao rehetra izao izany.

4. Nahoana isika no lasa akaiky an’i Jehovah, rehefa mivavaka tsy tapaka?

4 Mila mivavaka amin’i Jehovah koa isika, satria lasa akaiky kokoa azy isika rehefa miresaka aminy tsy tapaka. Tsy hoe rehefa misy zavatra ilaina ihany vao mifampiresaka ny tena mpinamana. Mifampiahy izy ireo, ary lasa mifanakaiky kokoa, rehefa tsy misalasala miresaka ny ao am-pony sy ny eritreriny ary izay mampanahy azy. Hoatr’izany ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra. Nianatra zavatra maro avy ao amin’ny Baiboly momba an’i Jehovah sy ny toetrany ary ny fikasany ianao, tato amin’ity boky ity. Lasa fantatrao izao hoe tena misy izy, ary azo atao ny mifandray aminy. Afaka milaza ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao lalina indrindra amin’ilay Rainao any an-danitra ianao, rehefa mivavaka. Ho akaiky kokoa azy ianao amin’izay.—Jakoba 4:8.

INONA NO TSY MAINTSY ATAONTSIKA?

5. Inona no mampiseho fa tsy ny vavaka rehetra no henoin’i Jehovah?

5 Mihaino ny vavaka rehetra ve i Jehovah? Izao no nolazainy tamin’ny Israelita tamin’ny andron’i Isaia, rehefa tsy nankatò izy ireo: “Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino aho, fa feno ran’olona ny tananareo.” (Isaia 1:15) Hita amin’izany fa mety tsy hihaino ny vavaka ataontsika izy raha tsy tiany ny zavatra ataontsika. Misy zavatra takina amintsika àry mba hihainoany sy hamaliany ny vavaka ataontsika.

6. Inona ny zavatra voalohany ilaina atao raha tiantsika hohenoin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, ary ahoana no anaovantsika izany?

6 Voalohany, tsy maintsy maneho finoana isika. (Vakio ny Marka 11:24.) Hoy ny apostoly Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (Hebreo 11:6) Tsy ampy ny miaiky hoe misy izy ary mihaino sy mamaly vavaka. Mila porofoina amin’ny zavatra atao koa ny tena finoana. Tsy maintsy asehontsika amin’ny fomba fiainantsika isan’andro àry, fa manam-pinoana isika.—Jakoba 2:26.

7. (a) Nahoana isika no tokony hanaja an’i Jehovah rehefa mivavaka aminy? b) Ahoana no ampisehoantsika fa manetry tena sy miresaka amin’ny fo isika, rehefa mivavaka?

7 Faharoa, milaza i Jehovah fa tsy maintsy manetry tena sy miresaka aminy amin’ny fo isika, rehefa mivavaka aminy. Rehefa miresaka amin’ny mpanjaka na filoham-pirenena, ohatra, ny olona, dia matetika no manaja be azy satria manana toerana ambony izy ireny. Koa tsy vao mainka ve isika tokony hanetry tena sy hanaja an’i Jehovah rehefa miresaka aminy? (Salamo 138:6) Izy no “Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Genesisy 17:1) Rehefa mivavaka aminy àry isika, dia tokony hasehontsika hoe manetry tena isika sady manaiky fa ambany. Tsy hanao vavaka amim-pahazarana fotsiny koa isika na hanao teny miverimberina foana, raha manetry tena, fa hilaza izay tena ao am-pontsika aminy.—Matio 6:7, 8.

8. Inona ny dikan’ny hoe manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka?

8 Fahatelo, tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika isika, raha tiantsika hihaino antsika i Jehovah. Manantena izy fa hanao ezaka mafy mifanaraka amin’izay angatahintsika isika. Raha mivavaka, ohatra, isika hoe “omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio”, dia tsy maintsy miasa mafy araka izay azontsika atao isika. (Matio 6:11; 2 Tesalonianina 3:10) Raha mivavaka mba handresy fahalemena indray isika, dia tsy maintsy mitandrina sy miala amin’ny toe-javatra mety hampisy fakam-panahy. (Kolosianina 3:5) Mbola misy fanontaniana hafa momba ny vavaka koa mila valiantsika.

VALIM-PANONTANIANA MOMBA NY VAVAKA

9. Iza no tokony hivavahana, ary amin’ny alalan’iza?

9 Iza no tokony hivavahana? Nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy, mba hivavaka amin’ilay ‘Raintsika any an-danitra.’ (Matio 6:9) I Jehovah Andriamanitra irery ihany àry no tokony hivavahantsika. Tian’i Jehovah hekentsika anefa ny andraikitra nomeny an’i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana. Hitantsika tao amin’ny Toko faha-5 fa nirahiny tetỳ an-tany i Jesosy, mba ho vidim-panavotana hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Jaona 3:16; Romanina 5:12) Voatendry ho Mpisoronabe sy Mpitsara izy. (Jaona 5:22; Hebreo 6:20) Izany no mahatonga ny Baiboly handidy antsika, mba hivavaka amin’ny alalan’i Jesosy. Hoy mantsy izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Raha tiantsika hohenoin’Andriamanitra àry ny vavaka ataontsika, dia tsy maintsy mivavaka amin’i Jehovah irery ihany isika, fa amin’ny alalan’ny Zanany.

10. Nahoana no tsy misy fitsipika hoe tokony hatao ahoana ny vatana na ny tanana, rehefa mivavaka?

10 Tokony hatao ahoana ny vatana na ny tanana, rehefa mivavaka? Tsy nametraka fitsipika momba an’izany i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa azo atao ny mipetraka, miondrika, mandohalika, mitsangana, na manao fihetsika hafa. (1 Tantara 17:16; Nehemia 8:6; Daniela 6:10; Marka 11:25) Tsy ny fihetsika mety ho hitan’ny olona no zava-dehibe fa izay ao am-pontsika. Afaka mivavaka anakampo mihitsy aza isika, rehefa manao ny asantsika andavanandro, na rehefa misy loza tsy ampoizina, na aiza izany na aiza. Mihaino an’ireny vavaka ireny i Jehovah, na dia tsy voamariky ny manodidina antsika aza izany.—Nehemia 2:1-6.

11. Inona no mety mampanahy antsika, ka azo resahina amin’ny vavaka?

11 Inona no azo resahina rehefa mivavaka? Hoy ny Baiboly: “Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika [i Jehovah].” (1 Jaona 5:14) Afaka mivavaka amin’Andriamanitra momba ny zavatra rehetra mifanaraka amin’ny sitrapony àry isika. Ary tafiditra amin’izany koa ve ny zavatra mampanahy antsika manokana? Izany mihitsy. Hoatran’ny miresaka amin’ny namana ny miresaka amin’i Jehovah, ka afaka ‘mamboraka ny ao am-pontsika’ isika. (Salamo 62:8) Afaka mangataka ny fanahy masina isika, mba hanampy antsika hanao ny tsara. (Lioka 11:13) Azo atao koa ny mangataka tari-dalana, mba handraisana fanapahan-kevitra tsara sy hahazoana hery hiatrehana olana. (Jakoba 1:5) Tokony hangataka famelan-keloka miorina amin’ny soron’i Kristy isika, rehefa manota. (Efesianina 1:3, 7) Tsy izay ilaintsika ihany anefa no tokony horesahintsika. Tokony hivavaka ho an’olon-kafa koa isika, anisan’izany ny mpianakavintsika sy ny mpiray finoana amintsika.—Asan’ny Apostoly 12:5; Kolosianina 4:12.

12. Ahoana no ampisehoantsika fa izay mahakasika an’ilay Raintsika any an-danitra no ataontsika loha laharana amin’ny vavaka?

12 Izay mahakasika an’i Jehovah Andriamanitra anefa no tokony ho loha laharana ao amin’ny vavaka ataontsika. Tokony hidera sy hisaotra azy isika, noho ny soa rehetra ataony. (1 Tantara 29:10-13) Nampianarin’i Jesosy tao amin’ny vavaka modely fa tokony hivavaka isika mba hohamasinina ny anaran’Andriamanitra. (Vakio ny Matio 6:9-13.) Nasainy nangataka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanaovana ny sitrapony etỳ an-tany koa isika. Rehefa avy niresaka an’ireo zava-dehibe momba an’i Jehovah ireo i Jesosy, vao niresaka an’izay ilain’ny tsirairay. Raha ny momba an’i Jehovah no ataontsika loha laharana amin’ny vavaka, dia hita fa tsy ny tenantsika ihany no eritreretintsika.

13. Vavaka lava sa fohy no tian’i Jehovah, araka ny Baiboly?

13 Tokony hanao ahoana ny halavan’ny vavaka? Tsy faritan’ny Baiboly ny halavan’ny vavaka, na atao samirery ilay izy na miaraka amin’olona. Mety ho fohy ilay izy raha vavaka alohan’ny sakafo, ary mety ho lava raha vavaka manokana amborahantsika amin’i Jehovah ny ao am-pontsika. (1 Samoela 1:12, 15) Nomelohin’i Jesosy anefa ny olona nihatsaravelatsihy, sy nanao vavaka lava be mba hisehosehoana fotsiny. (Lioka 20:46, 47) Tsy tian’i Jehovah ny vavaka hoatr’izany. Mila manao vavaka amin’ny fo isika. Miankina amin’ny zava-misy sy izay ilaintsika àry ny halavan’ny vavaka eken’i Jehovah.

Afaka mihaino ny vavaka ataonao foana Andriamanitra

14. Inona ny dikan’ny hoe “mivavaha foana”, ary nahoana izany no mampahery?

14 Isaky ny inona isika no tokony hivavaka? Hoy ny Baiboly: “Mivavaha foana”, “mahareta amin’ny vavaka”, ary “aza mitsahatra mivavaka.” (Matio 26:41; Romanina 12:12; 1 Tesalonianina 5:17) Tsy midika anefa izany hoe tokony hivavaka amin’i Jehovah tontolo andro isika. Asain’ny Baiboly mivavaka tsy tapaka kosa isika, ka hisaotra azy foana noho ny soa ataony, ary hitady tari-dalana na fampiononana na hery avy aminy. Tena mampahery ny mahalala fa tsy feran’i Jehovah ny halavan’ny vavaka ataontsika, na hoe isaky ny inona isika vao mahazo mivavaka. Raha tena mankasitraka ny tombontsoa hivavaka isika, dia hahita antony maro be hivavahana amin’ilay Raintsika any an-danitra.

15. Nahoana isika no tokony hanao “Amena” amin’ny faran’ny vavaka ataontsika samirery na ataon’olon-kafa?

15 Nahoana isika no tokony hiteny hoe “Amena” amin’ny faran’ny vavaka? Ny hoe “amena” dia midika hoe “ho tanteraka anie izany” na “izany tokoa anie.” Hita ao amin’ny Soratra Masina fa mety ny miteny hoe “Amena”, amin’ny faran’ny vavaka atao samirery na miaraka amin’ny olona. (1 Tantara 16:36; Salamo 41:13) Rehefa manao “Amena” isika amin’ny faran’ny vavaka ataontsika, dia manamafy fa tena vokatry ny fontsika ilay vavaka. Rehefa miteny hoe “Amena” anakampo na amin’ny feo avo isika amin’ny faran’ny vavaka ataon’olon-kafa, dia mampiseho fa manaiky an’izay nolazainy isika.—1 Korintianina 14:16.

AHOANA NO AMALIAN’ANDRIAMANITRA NY VAVAKA ATAONTSIKA?

16. Inona no azontsika atokisana rehefa mivavaka isika?

16 Tena mamaly vavaka i Jehovah. Afaka matoky tanteraka isika fa mamaly ny vavaka vokatry ny fo ataon’ny olona an-tapitrisany ilay “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) Mety ho samihafa ny fomba hamalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika.

17. Inona no manaporofo fa mampiasa ny anjeliny sy ny mpanompony eto an-tany Andriamanitra, mba hamaliana ny vavaka ataontsika?

17 Mampiasa ny anjeliny sy ny mpanompony eto an-tany i Jehovah, mba hamaliana vavaka. (Hebreo 1:13, 14) Maro, ohatra, no nilaza fa nisy mpanompon’i Jehovah nitsidika azy, raha vao avy nivavaka izy hoe mba te hahazo izay lazain’ny Baiboly. Izany no porofo fa mitarika ny fitoriana ilay Fanjakana ny anjely. (Apokalypsy 14:6) Mety hataon’i Jehovah izay hanampian’ny Kristianina iray antsika, amin’ilay fotoana tena ilantsika an’izany indrindra.—Ohabolana 12:25; Jakoba 2:16.

Mba hamaliana ny vavaka ataontsika, dia mety hisy Kristianina hataon’i Jehovah manampy antsika

18. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny fanahiny masina sy ny Teniny, mba hamaliana ny vavaky ny mpanompony?

18 Mampiasa ny fanahiny masina sy ny Teniny koa i Jehovah Andriamanitra, mba hamaliana ny vavaky ny mpanompony. Mety hanome antsika tari-dalana na hery amin’ny alalan’ny fanahy masina izy, rehefa mangataka aminy isika mba hampiany hiatrika fitsapana. (2 Korintianina 4:7) Rehefa mivavaka mba hahazo tari-dalana isika, dia matetika no hitantsika ao amin’ny Baiboly izany. Mampiasa azy io i Jehovah mba hanampiana antsika handray fanapahan-kevitra tsara. Rehefa mianatra samirery na mamaky boky ara-baiboly hoatran’ity boky ity isika, dia mety hahita andinin-teny tena ilaintsika. Mety handre hevitra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly isika any am-pivoriana, na hiresaka amintsika ny anti-panahy iray be fiahiana.—Galatianina 6:1.

19. Inona no tokony hotadidintsika, raha hoatran’ny hoe tsy mahazo valim-bavaka isika?

19 Tsy hoe tsy mamaly vavaka i Jehovah, raha hoatran’ny tsy valiany avy hatrany ilay izy. Tsy maintsy tadidintsika kosa fa araka ny sitrapony sy amin’ny fotoana mety aminy no amaliany vavaka. Mahafantatra izay ilaintsika sy ny fomba anomezana an’izany, mihoatra lavitra noho ny tenantsika izy. Matetika izy no mamela antsika ‘hangataka sy hitady ary handondòna foana.’ (Lioka 11:5-10) Raha maharitra hoatr’izany isika rehefa mivavaka, dia ho hitany fa tena irintsika mafy ilay zavatra angatahintsika sady manam-pinoana isika. Mety tsy ho hitantsika mivantana koa anefa ny fomba amalian’i Jehovah vavaka. Raha mivavaka momba ny fitsapana mahazo antsika, ohatra, isika dia mety tsy hanala an’izany izy, fa hanome antsika hery hiaretana an’ilay izy.—Vakio ny Filipianina 4:13.

20. Nahoana isika no tokony hivavaka tsy tapaka?

20 Mampahery tokoa hoe akaiky an’izay rehetra mivavaka aminy araka ny sitrapony i Jehovah. (Vakio ny Salamo 145:18.) Voninahitra lehibe ny mivavaka, ka tokony hanao an’izany tsy tapaka isika. Ho faly isika amin’izay, satria ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay Mpihaino vavaka.