Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-18

Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa

Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa
  • Ahoana no fomba anaovana batisa ny Kristianina?

  • Inona avy no tokony hataonao vao azo atao batisa ianao?

  • Inona no tokony hataon’ny olona manokan-tena ho an’Andriamanitra?

  • Misy heviny manokana ny batisa. Inona izany?

1. Nahoana ilay tandapa etiopianina no nangataka hatao batisa?

“IO MISY rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”, hoy ny tandapa etiopianina iray tamin’ny taonjato voalohany. Nisy Kristianina atao hoe Filipo nanaporofo taminy fa i Jesosy no Mesia nampanantenaina. Nanohina ny fon’ilay Etiopianina ny zavatra nianarany tao amin’ny Soratra Masina, ka te hanao zavatra izy. Te hatao batisa izy!—Asan’ny Apostoly 8:26-36.

2. Nahoana ianao no tokony hieritreritra lalina momba ny batisa?

2 Rehefa avy nianatra tsara an’ireo toko teo aloha niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia mety hieritreritra hoe: ‘Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?’ Lasa fantatrao izao ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe hisy fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. (Lioka 23:43; Apokalypsy 21:3, 4) Nianaranao koa hoe manao ahoana ny olona rehefa maty, ary fantatrao fa mbola hitsangana izy ireny. (Mpitoriteny 9:5; Jaona 5:28, 29) Efa mivory miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah angamba ianao, ary mahita hoe ahoana ny fomba anarahany ny fivavahana marina. (Jaona 13:35) Ny tena zava-dehibe dia hoe mety ho efa manomboka mifandray amin’i Jehovah Andriamanitra ianao.

3. a) Inona ny didy nomen’i Jesosy ny mpianany? b) Ahoana no tokony hanaovana ny batisa?

3 Ahoana no ampisehoanao fa te hanompo an’Andriamanitra ianao? Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Mandehana ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa.’ (Matio 28:19) I Jesosy mihitsy no nanome modely tamin’izany, ka natao batisa tao anaty rano. Tsy nofafazana rano izy, na natete teo amin’ny lohany fotsiny ny rano. (Matio 3:16) Ny teny hoe “manao batisa” dia avy amin’ny teny grika midika hoe “mandroboka.” Aroboka na asitrika tanteraka ao anaty rano àry ny Kristianina, rehefa atao batisa.

4. Fomba ampisehoana inona ny batisa anaty rano?

4 Mila atao batisa ao anaty rano izay rehetra te hifandray amin’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa atao batisa ianao, dia asehonao amin’ny besinimaro fa te hanompo an’Andriamanitra ianao, ary mahafinaritra anao ny manao ny sitrapony. (Salamo 40:7, 8) Misy dingana maromaro tsy maintsy ataonao anefa, vao azo atao batisa ianao.

ILAINA NY FAHALALANA SY NY FINOANA

5. a) Inona ny dingana voalohany tokony hataonao vao azo atao batisa ianao? b) Nahoana no zava-dehibe ny fivoriana kristianina?

5 Efa nataonao ny dingana voalohany. Nahoana? Satria efa mianatra hahalala an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ianao, angamba mianatra tsy tapaka ny Baiboly. (Vakio ny Jaona 17:3.) Mbola betsaka anefa ny zavatra azo ianarana. Tokony ho ‘feno fahalalana marina tsara’ ny sitrapon’Andriamanitra mantsy ny Kristianina. (Kolosianina 1:9) Tena hanampy anao amin’izany ny fivoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Zava-dehibe ny manatrika azy ireny. (Hebreo 10:24, 25) Hahalala tsara an’i Jehovah ianao rehefa mivory tsy tapaka.

Tsy maintsy mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny olona iray, vao azo atao batisa

6. Inona no tsy maintsy fantatrao, fara fahakeliny, vao azo atao batisa ianao?

6 Tsy voatery ho hainao daholo ny ao amin’ny Baiboly, vao azo atao batisa ianao. Efa nahalala zavatra sasany ilay tandapa etiopianina, nefa mbola nila nampiana hahatakatra andinin-teny sasany tao amin’ny Soratra Masina. (Asan’ny Apostoly 8:30, 31) Mbola tokony hianatra zavatra betsaka koa ianao. Mila mianatra momba an’Andriamanitra foana ianao raha ny marina. (Mpitoriteny 3:11) Mila mahafantatra sy manaiky ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly anefa ianao, fara fahakeliny, vao azo atao batisa. (Hebreo 5:12) Anisan’izany ny marina momba ny maty, ny anaran’Andriamanitra, ary ny Fanjakany.

7. Rehefa mianatra Baiboly ianao, dia inona no tokony ho vokany?

7 Tsy ampy anefa ny manana fahalalana, satria “raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” (Hebreo 11:6) Milaza ny Baiboly fa rehefa nandre ny hafatra notorin’ny Kristianina ny olona sasany tany Korinto, dia ‘tonga mpino, ka natao batisa.’ (Asan’ny Apostoly 18:8) Raha mianatra Baiboly koa ianao, dia hino tanteraka fa Tenin’Andriamanitra izy io. Hanampy anao hino ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra izy io, sady hino fa afaka mamonjy anao ny soron’i Jesosy.—Josoa 23:14; Asan’ny Apostoly 4:12; 2 Timoty 3:16, 17.

MIRESAKA NY FAHAMARINANA

8. Inona no hahatonga anao haniry hiresaka ny zavatra nianaranao?

8 Lasa tianao horesahina amin’olona ny zavatra nianaranao, rehefa mitombo ny finoanao. (Jeremia 20:9) Satrinao foana hiresaka momba an’Andriamanitra sy ny fikasany.—Vakio ny 2 Korintianina 4:13.

Lasa te hiresaka ny zavatra inoanao amin’ny olona ianao, raha manam-pinoana

9, 10. a) Iza aloha no azonao iresahana ny fahamarinana ara-baiboly? b) Inona no tokony hataonao, raha te hitory miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao?

9 Iza no azonao iresahana ny fahamarinana voalohany? Ny havanao, ny namanao, ny mpifanila trano aminao, na ny mpiara-miasa aminao. Mahaiza mandanjalanja anefa rehefa manao an’izany. Mety ho te hitory miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, rehefa mandeha ny fotoana. Tonga dia resaho ilay mampianatra Baiboly anao rehefa vonona ianao. Raha hita fa mety hahafeno fepetra ho mpitory ianao, dia hisy anti-panahy roa hiresaka aminao sy ilay mpampianatra anao.

10 Hifankahalala tsara amin’ireo anti-panahy sasany miandry ny andian’ondrin’Andriamanitra ianao amin’izay. (Asan’ny Apostoly 20:28; 1 Petera 5:2, 3) Raha hitan’izy ireo fa mahatakatra sy mino ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ianao, manaraka ny toro lalan’Andriamanitra, ary maniry ho Vavolombelon’i Jehovah, dia hilaza aminao izy ireo fa afaka mitory ianao. Ho lasa mpitory tsy vita batisa ianao amin’izay.

11. Inona no mila ataon’ny olona sasany, vao afaka ny ho mpitory tsy vita batisa izy?

11 Mety hila hanova ny fomba fiainanao sy ny fahazaranao sasany anefa ianao, vao azo ekena ho mpitory. Anisan’izany ny fahazaran-dratsy mety ho nafeninao tamin’ny hafa. Raha te ho mpitory tsy vita batisa ianao, dia tokony hiala amin’ny fahotana lehibe aloha, ka tsy maloto fitondran-tena intsony, na mamo, na mampiasa zava-mahadomelina, sy ny toy izany.—Vakio ny 1 Korintianina 6:9, 10; Galatianina 5:19-21.

MIBEBAKA SY MIOVA

12. Nahoana no ilaina ny mibebaka?

12 Misy zavatra hafa koa tsy maintsy ataonao, vao azo atao batisa ianao. Hoy ny apostoly Petera: “Mibebaha, ka miverena hamonoana ny fahotanareo.” (Asan’ny Apostoly 3:19) Ny hoe mibebaka dia midika hoe tena manenina mafy noho ny zavatra natao. Tokony hibebaka ny olona naloto fitondran-tena. Mila mibebaka koa anefa ny olona iray, na dia azo lazaina ho tsara fitondran-tena ihany aza. Mpanota daholo mantsy ny olona rehetra, ka mila famelana avy amin’Andriamanitra. (Romanina 3:23; 5:12) Tsy nahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ianao talohan’ny nianaranao Baiboly, ka tsy nifanaraka tamin’ny sitrapony ny fiainanao. Tena ilaina àry ny mibebaka.

13. Inona no atao hoe miova?

13 Tsy maintsy ‘miverina’, izany hoe miova ny olona rehefa avy nibebaka. Tsy ampy ny manenina, fa tsy maintsy manova ny fomba fiainanao ianao, ary tapa-kevitra ny hanao ny tsara manomboka izao. Tsy maintsy mibebaka sy miova ianao, alohan’ny hanaovana batisa anao.

MANOKAN-TENA

14. Inona ny dingana lehibe tsy maintsy ataonao, alohan’ny batisa?

14 Misy dingana lehibe tsy maintsy atao koa, alohan’ny batisa. Tsy maintsy manokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra ianao.

Efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny vavaka ve ianao?

15, 16. Inona ny dikan’ny hoe manokan-tena ho an’Andriamanitra, ary inona no mahatonga ny olona hanao an’izany?

15 Ny hoe manokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra dia midika hoe manao vavaka vokatry ny fo, ka mampanantena fa izy irery no hotompoinao mandrakizay. (Deoteronomia 6:15) Inona no mahatonga ny olona hanao izany? Eritrereto hoe misy lehilahy manomboka miaraka amin’ny vehivavy iray. Vao mainka tiany ilay vehivavy, rehefa fantany ny toetra tsarany sy ny momba azy. Ara-dalàna àry raha mangataka azy ho vady ilay lehilahy. Tsy maintsy hitombo ny andraikiny rehefa hivady izy ireo, nefa vonona hanao an’io dingana lehibe io izy satria tia azy.

16 Rehefa mahalala tsara an’i Jehovah sy tia azy koa ianao, dia lasa te hanompo azy amin’ny fo manontolo. Vonona hamoy ny zava-drehetra ho azy mihitsy ianao. Tsy maintsy ‘mandà ny tenany’ izay rehetra te ho mpianatr’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. (Marka 8:34) Mandà tena isika, rehefa tsy mamela ny faniriantsika sy ny tanjontsika hisakana antsika tsy hankatò tanteraka an’Andriamanitra. Ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra àry no tena tokony ho tanjonao eo amin’ny fiainana, izay ianao vao azo atao batisa.—Vakio ny 1 Petera 4:2.

AZA MATAHOTRA

17. Nahoana ny sasany no misalasala hanokan-tena ho an’Andriamanitra?

17 Misy misalasala hanokan-tena ho an’i Jehovah, satria matahotra hanao an’io dingana lehibe io. Mety hatahotra izy ireo sao hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra, raha lasa Kristianina vita fanokanan-tena. Aleony àry tsy manokan-tena ho an’i Jehovah sao tsy hahavita hiaina mifanaraka amin’izany akory, ka handiso fanantenana azy.

18. Inona no hahatonga anao hanokan-tena ho an’i Jehovah?

18 Rehefa mianatra ho tia an’i Jehovah ianao, dia te hanokan-tena ho azy, sy hanao izay fara herinao mba hiainana mifanaraka amin’izany. (Mpitoriteny 5:4) Azo antoka fa te ‘handeha mendrika an’i Jehovah ianao mba hankasitrahany tanteraka’, rehefa avy nanokan-tena ho azy. (Kolosianina 1:10) Tia azy ianao, ka tsy hieritreritra hoe sarotra loatra ny hanao ny sitrapony. Hiaiky hoatran’ny apostoly Jaona ianao hoe: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”—1 Jaona 5:3.

19. Nahoana ianao no tsy tokony hatahotra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah?

19 Tsy voatery ho lavorary ianao, vao afaka manokan-tena ho an’Andriamanitra. Fantatr’i Jehovah mantsy hoe hatraiza ny mety ho vitanao, ary tsy mitaky zavatra tsy ho vitanao mihitsy izy. (Salamo 103:14) Hampiany ianao satria tiany tsy hivadika aminy. (Vakio ny Isaia 41:10.) Matokia fa “hataony mandeha tsara ny fiainanao”, raha matoky azy amin’ny fo manontolo ianao.—Ohabolana 3:5, 6.

ASEHOY AMIN’NY ALALAN’NY BATISA FA NANOKAN-TENA IANAO

20. Nahoana no tokony hampahafantarinao amin’ny olona hoe nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao?

20 Saintsaino tsara izay nianaranao tato. Hanampy anao hanokan-tena ho an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka izany. Tsy maintsy manao “fanambarana ampahibemaso” koa izay rehetra tia an’Andriamanitra. (Romanina 10:10) Ahoana no anaovanao an’izany?

Rehefa atao batisa ianao dia toy ny hoe maty, na tapitra hatreo ny fomba fiainanao taloha, ary velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’izay ianao

21, 22. Ahoana no anaovanao “fanambarana ampahibemaso” ny finoanao?

21 Resaho amin’ny anti-panahy mpandrindra eo anivon’ny fiangonanareo fa maniry hatao batisa ianao. Hisy anti-panahy vitsivitsy avy eo hiara-mandinika fanontaniana maromaro aminao, momba ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Raha eken’izy ireo fa mahafeno fepetra ianao, dia hilaza aminao izy fa azo atao batisa ianao amin’ny fivoriambe manaraka. * Matetika no misy lahateny manazava ny dikan’ny batisa amin’ireny fivoriambe ireny. Asain’ilay mpandahateny mamaly fanontaniana tsotra anankiroa ireo atao batisa, mba hanaovan’izy ireo “fanambarana ampahibemaso” ny finoany.

22 Ny batisa no mampahafantatra amin’ny besinimaro fa nanokan-tena ho an’Andriamanitra ianao, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Aroboka tanteraka ao anaty rano ny olona atao batisa, mba ho hitan’ny rehetra fa efa nanokan-tena ho an’i Jehovah izy.

NY DIKAN’NY BATISANAO

23. Inona ny dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina”?

23 Nilaza i Jesosy fa hatao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina” ny mpianany. (Matio 28:19) Midika izany fa manaiky ny fahefan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy izay hatao batisa. (Salamo 83:18; Matio 28:18) Ekeny koa ny asan’ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny hery ampiasainy.—Galatianina 5:22, 23; 2 Petera 1:21.

24, 25. a) Inona no tena hevitry ny batisa? b) Inona ny fanontaniana tokony hovaliana?

24 Misy heviny be anefa ny batisa, fa tsy fandrobohana anaty rano fotsiny. Rehefa asitrika ao anaty rano ianao, dia hoatran’ny hoe maty, na hoe tapitra hatreo ny fomba fiainanao taloha. Rehefa avoaka avy ao kosa ianao, dia midika izany fa velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’izay. Tadidio koa fa natokanao ho an’i Jehovah Andriamanitra ny tenanao, fa tsy hoe ho an’olona, na fikambanana, na asa, na tanjona iray. Rehefa manokan-tena sy atao batisa ianao, dia lasa tena akaiky ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.—Salamo 25:14.

25 Tsy hoe tonga dia voavonjy anefa ny olona iray rehefa vita batisa. Hoy ny apostoly Paoly: “Miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena.” (Filipianina 2:12) Vao fiandohana fotsiny ny batisa. Ahoana àry no hahatonga anao hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra? Hodinihina ao amin’ny toko farany izany.