Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-19

Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra

Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra
  • Inona ny dikan’ny hoe tia an’Andriamanitra?

  • Inona no azontsika atao mba hitoetra ao amin’ny fitiavany isika?

  • Inona ny valisoa homen’i Jehovah an’izay mitoetra ao amin’ny fitiavany?

Toy ny ao anaty tafio-drivotra isika, ka ataonao fialofana ve i Jehovah?

1, 2. Aiza no ahitantsika toerana azo ialofana ankehitriny?

ERITRERETO hoe misy tafio-drivotra be nefa ianao mbola eny an-dalana. Mihamaizina ny lanitra. Mitselatra ny andro. Mirefotra ny kotroka, ary mivatravatra ny orana. Mandeha haingana ianao, sady miherikerika mitady toerana azo ialofana. Io fa misy fialofana eo amoron-dalana. Tianao ilay izy satria mafy sady maina tsara, ka faly erỳ ianao!

2 Hoatran’ny ao anaty tafio-drivotra koa isika ankehitriny. Miharatsy foana mantsy ny zava-misy eran-tany. Misy toerana azo ialofana anefa. Aiza? Hoy ny Baiboly: “Fialofako ianao, ary fiarovana mafy ho ahy, sady Andriamanitro izay hatokisako.” (Salamo 91:2) Tena maharo antsika amin’ny loza ara-panahy io fialofana io.

3. Inona no tokony hataontsika mba ho fialofantsika tokoa i Jehovah?

3 Mba diniho ange izany e! Azontsika atao fialofana tsara i Jehovah, ilay Mpamorona sy Mpanjakan’izao rehetra izao. Afaka miaro antsika foana izy, satria mahery lavitra noho izay rehetra mety hampijaly antsika. Na misy zava-dratsy mahazo antsika aza, dia hainy ny manonitra an’izany. Inona àry no tokony hataontsika mba ho fialofantsika tokoa i Jehovah? Mila matoky azy isika. Hoy koa ny Joda 21: “Mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.” Mila mitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra àry isika, ka hifandray am-po aminy foana. Ahoana no ahafahantsika mifandray tsara amin’Andriamanitra?

EKEO HOE TIA ANAO ANDRIAMANITRA

4, 5. Inona ny zavatra sasany nataon’i Jehovah noho ny fitiavany antsika?

4 Hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra isika, raha mankasitraka an’izay nataony noho ny fitiavany antsika. Eritrereto, ohatra, ny fampianaran’ny Baiboly hitanao tato amin’ity boky ity. Namorona ny tany koa izy mba hipetrahantsika. Nasiany sakafo, rano, faritra tsara tarehy, biby mahavariana, ary zavatra maro mahafinaritra eto. Nampanoratra ny Baiboly koa izy, ary nampahafantariny antsika ao ny anarany sy ny toetrany. Tsy vitan’izay fa nirahiny ho etỳ an-tany ny Zanany tena tiany, ary navelany hijaly sy ho faty ho antsika. (Jaona 3:16) Lasa afaka manantena hoavy faran’izay tsara isika noho izany.

5 Nisy zavatra hafa koa nataon’i Jehovah, ary miankina amin’izy io ny hoavintsika. Nanangana fanjakana any an-danitra izy, dia ny Fanjakan’ny Mesia. Kely sisa izy io dia hanafoana ny fijaliana sy hanova ny tany ho paradisa, ka ho afaka hiadana sy ho sambatra mandrakizay isika. (Salamo 37:29) Mandra-pahatongan’izany, dia omen’Andriamanitra tari-dalana isika, mba hananantsika fomba fiaina faran’izay tsara. Avelany hivavaka aminy koa isika, ka afaka miresaka aminy foana. Vao santionany amin’ny zavatra nataon’i Jehovah ireo. Hita amin’ireo hoe tia antsika tsirairay sy ny olona rehetra izy.

6. Inona no havalinao ny fitiavan’i Jehovah?

6 Tena mila mieritreritra àry ianao hoe: Inona no havaliko ny fitiavan’i Jehovah? Betsaka no milaza hoe: “Tokony ho tia an’i Jehovah koa aho.” Hoatr’izany koa ve no tsapanao? Nilaza i Jesosy fa izao no didy lehibe indrindra: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Matio 22:37) Azo antoka fa be dia be ny antony itiavanao an’i Jehovah Andriamanitra. Raha mahatsapa anefa ianao fa tia azy, midika ve izany hoe tena tia azy amin’ny fonao sy ny tenanao ary ny sainao manontolo ianao?

7. Fihetseham-po fotsiny ve ny fitiavana an’Andriamanitra? Hazavao.

7 Tsy fihetseham-po fotsiny ny fitiavana an’Andriamanitra, raha jerena ny Baiboly. Mila mahatsapa ianao hoe tia an’i Jehovah, nefa tsy ampy izany. Ity misy ohatra: Mila voana paoma ianao raha te hamboly paoma. Ahoana anefa raha te hihinana paoma ianao? Ho afa-po ve ianao raha ny voany fotsiny no omena anao? Hoatr’izany koa fa misy zavatra hafa mila ataonao, ankoatra ny hoe mahatsapa fa tia an’i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Ny tena fitiavana an’Andriamanitra àry dia hita amin’ny vokatra tsara entiny. Tsy maintsy aseho amin’ny atao izy io.—Vakio ny Matio 7:16-20.

8, 9. Ahoana no ampisehoantsika fa tia an’Andriamanitra isika, sady mankasitraka an’izay ataony?

8 Hita hoe tia an’Andriamanitra isika raha manaraka ny didiny sy ny toro lalany. Tsy sarotra loatra izany. Tsy mavesatra ny lalàny, fa natao hanampiana antsika hanana fiainana tsara sy mahasambatra. (Isaia 48:17, 18) Rehefa manaraka ny tari-dalan’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, isika dia hita hoe tena mankasitraka an’izay rehetra ataony ho antsika. Mampalahelo fa tena vitsy no manao an’izany amin’izao. Tsy irintsika ny tsy hahay hankasitraka hoatran’ny olona sasany tamin’ny andron’i Jesosy. Nanasitrana boka folo izy, nefa iray ihany no niverina nisaotra azy. (Lioka 17:12-17) Azo antoka fa te hitovy amin’ilay lehilahy nahay nankasitraka isika, fa tsy te hitovy amin’ireo sivy tsy nahalala nisaotra!

9 Inona àry ny didin’i Jehovah tokony hankatoavintsika? Efa nisy nodinihintsika tato amin’ity boky ity, fa hiverenantsika kely ny sasany. Hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra isika raha mitandrina ny didiny.

MANATÒNA AN’I JEHOVAH FOANA

10. Hazavao hoe nahoana ianao no mila mianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra foana.

10 Raha te ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao, dia mila mianatra momba azy foana, fa tsy mijanona mihitsy. Eritrereto hoe mitanina afo eny an-tokotany ianao, amin’ny alina mangatsiaka be. Havelanao hihena ve ilay afo, dia ho faty? Azo antoka fa hampianao kitay ilay izy, mba hiredareda foana. Mety hiankina amin’izany mihitsy aza ny ainao. Hoatran’ny kitay mampirehitra ny afo koa ny “fahalalana an’Andriamanitra”, ka mampiredareda foana ny fitiavantsika an’i Jehovah.—Ohabolana 2:1-5.

Toy ny afo ny fitiavanao an’i Jehovah, ka ataovy izay hampiredareda azy foana

11. Inona ny vokatry ny fampianaran’i Jesosy teo amin’ny mpianany?

11 Tian’i Jesosy hiredareda foana tao am-pon’ny mpianany ny fitiavana an’i Jehovah sy ny Teniny. Mbola nampianatra azy ireo àry izy, na taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty aza. Nohazavainy tamin’ny mpianany roa lahy, ohatra, ny faminaniana sasany tao amin’ny Soratra Hebreo, izay tanteraka taminy. Inona ny vokany? Hoy izy roa lahy tatỳ aoriana: “Tsy toy ny nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin’izy niresaka tamintsika teny an-dalana, ka nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?”—Lioka 24:32.

12, 13. a) Manao ahoana ny fitiavan’ny ankamaroan’ny olona an’Andriamanitra sy ny Baiboly? b) Inona no azonao atao mba tsy hihamangatsiaka ny fitiavanao?

12 Azo antoka fa faly be ianao, tamin’ianao vao nahalala an’izay tena ampianarin’ny Baiboly. Nafana fo erỳ angamba ianao tamin’izay, sady tena tia an’Andriamanitra. Olona maro no hoatr’izany. Tokony hataonao anefa izay hahatonga ny fitiavanao an’i Jehovah hiredareda foana, sady vao mainka hitombo. Azo inoana fa tsy te hanahaka an’ity tontolo ity ianao. Hoy i Jesosy: “Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro.” (Matio 24:12) Inona àry no azonao atao mba tsy hihamangatsiaka ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?

13 Mianara foana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. (Jaona 17:3) Saintsaino tsara izay nianaranao tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary eritrereto hoe: ‘Inona no ianarako momba an’i Jehovah Andriamanitra avy amin’izany? Inona ny antony hafa hitako eto, ka mahatonga ahy ho tia azy amin’ny foko sy ny saiko ary ny tenako manontolo?’ (Vakio ny 1 Timoty 4:15.) Hiredareda foana ny fitiavanao an’i Jehovah, raha misaintsaina hoatr’izany ianao.

14. Nahoana no ilaina ny vavaka, raha tsy tiantsika hihena ny fitiavantsika an’i Jehovah?

14 Hiredareda foana koa ny fitiavantsika an’i Jehovah, raha mivavaka tsy tapaka isika. (1 Tesalonianina 5:17) Efa hitantsika fa fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny vavaka. Lasa mpinamana be ny olona, rehefa mifampiresaka foana fa tsy mifampihafahafa. Hoatr’izany koa fa hifandray be amin’i Jehovah foana isika raha mivavaka tsy tapaka. Tsy tokony ho fahazarana fotsiny anefa ny vavaka, ka teny mitovy foana no averimberina. Tokony hataontsika vokatry ny fo ilay izy ary misy heviny. Tokony hiresaka amin’i Jehovah hoatran’ny ankizy miresaka amin’ny rainy tena tiany isika. Hiresaka aminy amim-panajana isika, nefa tokony hitsotra sy hamboraka an’izay ao am-pontsika. (Salamo 62:8) Tena ilaina àry ny mianatra samirery sy mivavaka amin’ny fo, satria anisan’ny fanompoana an’Andriamanitra izany sady manampy antsika hitoetra ao amin’ny fitiavany.

TENA MAHAFALY NY MANOMPO AN’I JEHOVAH

15, 16. Nahoana no voninahitra sy harena ho antsika ny mitory momba an’ilay Fanjakana?

15 Misy lafiny hafa koa ny fanompoantsika, ankoatra ny hoe mianatra samirery sy mivavaka. Tsy inona izany fa ny miresaka ny zavatra inoantsika amin’ny olona. Efa niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny olona ve ianao? Voninahitra ho anao tokoa izany. (Lioka 1:74) Mandray anjara amin’ilay asa lehibe nasaina nataon’ny tena Kristianina rehetra isika, rehefa miresaka ny zavatra nianarantsika momba an’i Jehovah Andriamanitra. Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra io asa io.—Vakio ny Matio 24:14; 28:19, 20.

16 Sarobidy tamin’ny apostoly Paoly ny fanompoany, ka nantsoiny hoe harena. (2 Korintianina 4:7) Tsy misy asa tsara noho ny miresaka momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany. Izy no Tompo tsara indrindra, ary handray soa faran’izay betsaka izay manompo azy. Hanampy ny olona tso-po hanatona an’ilay Raintsika any an-danitra sy hahazo fiainana mandrakizay ianao, raha manao an’io asa io. Tsy misy asa mahafa-po noho izany! Vao mainka ianao hanam-pinoana sy ho tia an’i Jehovah, rehefa miresaka momba azy sy ny Teniny. Tena mankasitraka ny ezaka ataonao amin’izany koa i Jehovah. (Hebreo 6:10) Hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ianao, raha mazoto manao an’io asa io.—Vakio ny 1 Korintianina 15:58.

17. Nahoana no maika ny asa fitoriana ankehitriny?

17 Tokony hotadidintsika fa asa maika ny fitoriana. Hoy ny Baiboly: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany.” (2 Timoty 4:2) Nahoana no maika io asa io ankehitriny? Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Akaiky ny andro lehiben’i Jehovah. Efa akaiky izy io, sady manatona haingana dia haingana.” (Zefania 1:14) Efa kely tokoa sisa dia handringana an’ity tontolo ity i Jehovah. Tena mila mampitandrina ny olona àry isika. Tokony ho fantany fa izao izy ireo no mila misafidy an’i Jehovah ho Mpanjaka. “Tsy ho tara” mantsy ny farany!—Habakoka 2:3.

18. Nahoana isika no tokony hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny tena Kristianina?

18 Tian’i Jehovah hanompo azy miaraka amin’ny tena Kristianina isika. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.’ (Hebreo 10:24, 25) Afaka midera sy manompo an’ilay Andriamanitra tiantsika isika, rehefa miara-mivory amin’ny mpiray finoana amintsika. Mifampahery koa isika amin’izay.

19. Inona no azontsika atao mba hifankatia kokoa ny fiangonana kristianina?

19 Vao mainka hifankatia sy ho lasa mpinamana be isika mpanompon’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana, rehefa miaraka foana. Tokony hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny hafa isika, hoatran’ny ataon’i Jehovah amintsika. Aza manantena hoe ho tonga lafatra ny mpiray finoana aminao. Tadidio fa tsy mitovy ny fandrosoana vitan’ny tsirairay eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary manao fahadisoana daholo isika. (Vakio ny Kolosianina 3:13.) Ataovy namana ny olona tena tia an’i Jehovah, dia ho tia azy sy handroso foana ianao. Hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ianao, raha manompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo rahalahinao sy anabavinao kristianina. Inona ny valisoa omen’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika, ka mitoetra ao amin’ny fitiavany?

MIEZAHA HAHAZO NY “TENA FIAINANA”

20, 21. Inona no atao hoe “tena fiainana”, ary nahoana izany no tena hahafinaritra?

20 Fiainana no valisoa omen’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika. Fiainana hoatran’ny ahoana anefa? Tena miaina ve ny fahitanao anao izao? Azo antoka fa hilaza ianao hoe: ‘Ie, mazava ho azy. Tena miaina aho satria izaho ange mifoka rivotra sy misakafo ary misotro rano e!’ Rehefa mahatsiaro ho sambatra aza isika dia miteny hoe: “Izany ka tena fiainana!” Milaza anefa ny Baiboly fa tsy tena fiainana izao iainantsika izao.

Hahazo an’ilay “tena fiainana” irin’i Jehovah ho anao ve ianao?

21 Mampirisika antsika “hifikitra mafy amin’ny tena fiainana” ny Tenin’Andriamanitra. (1 Timoty 6:19) Hita amin’izany fa mbola amin’ny hoavy isika vao ho afaka hahazo an’ilay “tena fiainana.” Rehefa lavorary isika vao azo lazaina hoe tena miaina, satria ho araka ny nikasan’Andriamanitra azy tamin’ny voalohany ny fiainantsika. Ho salama tsara sy hiadana ary ho sambatra isika ao amin’ny Paradisa, ka ho afaka hankafy an’ilay “tena fiainana”, izany hoe ny fiainana mandrakizay. (1 Timoty 6:12) Tena hahafinaritra izany!

22. Ahoana no ahafahantsika ‘mifikitra mafy amin’ny tena fiainana’?

22 Ahoana anefa no ahafahantsika ‘mifikitra mafy amin’ny tena fiainana’? Tamin’i Paoly nilaza an’io, dia nampirisika ny Kristianina koa izy mba “hanao soa, sy hanan-karena amin’ny asa tsara.” (1 Timoty 6:18) Ilaintsika àry ny mampihatra an’izay nianarantsika tao amin’ny Baiboly. Tambin’ny soa ataontsika ve izany ilay “tena fiainana”? Tsia, satria noho ny “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” avy amin’Andriamanitra no hahazoantsika azy io. (Romanina 5:15) Mahafaly an’i Jehovah anefa ny mamaly soa ny mpanompony tsy mivadika. Tiany hahazo ny “tena fiainana” ianao. Afaka mahazo an’izany daholo izay mitoetra ao amin’ny fitiavany. Ho sambatra sy hiadana ary hiaina mandrakizay izy ireo amin’izany.

23. Nahoana isika no tena mila mitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra?

23 Tokony hieritreritra isika tsirairay isan’andro hoe: ‘Mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ve ny fomba anompoako an’Andriamanitra?’ Raha eny ny valin’io, dia mety ny ataontsika. Afaka matoky isika fa ho fialofana ho antsika i Jehovah. Hiaro ny mpanompony tsy mivadika izy amin’izao andro farany izao. Hamonjy antsika koa izy ka hitarika antsika ho ao amin’ilay tontolo vaovao faran’izay tsara sy efa tena akaiky. Ho faly isika amin’izay sady tsy hanenina, satria nanao safidy tsara nandritra ny andro farany. Manaova àry safidy tsara dieny izao. Hankafy mandrakizay an’ilay “tena fiainana” ianao amin’izay, izany hoe ilay fiainana noeritreretin’i Jehovah Andriamanitra homena antsika.