Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

Ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra sy ny Dikany

Ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra sy ny Dikany

AHOANA no nandikana ny Salamo 83:18 ao amin’ny Baibolinao? Izao no nandikana azy io ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” Hoatr’izany koa ny ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa. Maro anefa ny mpandika teny nanala an’ilay anarana hoe Jehovah, ka nosoloany hoe “Tompo” na “Andriamanitra” ilay anarana. Inona no tena tokony ho eo amin’io andinin-teny io? Anaram-boninahitra sa ilay anarana hoe Jehovah?

Ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo

Anarana miavaka tsara no hita ao amin’io andinin-teny io, tamin’ny teny hebreo tamin’ny voalohany. Io fiteny io no nanoratana ny ampahany be indrindra amin’ny Baiboly. Izao no fanoratana an’ilay anarana amin’ny teny hebreo: יהוה (YHWH). “Jehovah” matetika no andikana azy io amin’ny teny malagasy. Tsy andinin-teny iray fotsiny no ahitana an’io anarana io. Miverina im-7000 eo ho eo izy io ao amin’ny Soratra Hebreo.

Tena zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra, rehefa jerena ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy Kristy. Vao manomboka ilay izy dia hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Nivavaka koa i Jesosy tatỳ aoriana hoe: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” Namaly azy avy any an-danitra Andriamanitra hoe: “Efa nanome voninahitra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.” (Jaona 12:28) Midika izany fa tena zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra. Nahoana àry no nesorin’ny mpandika teny sasany tao amin’ny Baiboliny io anarana io, ary nosoloany anaram-boninahitra?

Antony roa angamba no nahatonga an’izany. Voalohany, maro no milaza fa tsy tokony hampiasaina io anarany io, satria tsy fantatra ny tena fanononana azy tamin’ny voalohany. Tsy nisy zanatsoratra ny teny hebreo fahiny, ka tsy misy mahalala hoe ahoana marina no nanononan’ny olona taloha an’ilay hoe YHWH. Tsy tokony hampiasaina ve izany ny anaran’Andriamanitra? Mitovy amin’izany koa anefa ilay anarana hoe Jesosy. Mety hoe Yeshoà na Yehôshoà no nanononan’ny olona fahiny azy io, nefa tsy azo antoka hoe tena izay no izy. Samy manana ny fanononany ny hoe Jesosy ny olona eran-tany, arakaraka ny fiteniny. Tsy misalasala mampiasa an’io anarana io izy ireo, na dia tsy fantany aza ny tena fanononana azy tamin’ny voalohany. Mety ho hafa be koa ny fanononan’ny olona ny anaranao, raha mankany an-tany hafa ianao. Tsy mitombina àry ilay hoe tsy tokony hampiasaina ny anaran’Andriamanitra, satria hoe tsy fantatra tsara ny fanononan’ny olona fahiny azy io.

Ny lovantsofina narahin’ny Jiosy hatry ny ela no antony faharoa nahatonga ny mpandika teny sasany hanala ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly. Maro amin’izy ireo no mino fa tsy tokony hotononina mihitsy ny anaran’Andriamanitra. Nahoana? Satria izy ireo diso fandray an’ilay lalàna ao amin’ny Baiboly hoe: “Aza manao tsinontsinona ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao, fa tsy havelan’i Jehovah ho afa-maina izay manao tsinontsinona ny anarany.”—Eksodosy 20:7.

Tsy mety àry ny maniratsira ny anaran’Andriamanitra. Midika ve izany fa tsy azo ampiasaina amim-panajana izy io? Tsy izany mihitsy. Lehilahy tsy nivadika daholo no nanoratra ny Soratra Hebreo (na ilay lazain’ny olona hoe Testamenta Taloha). Nanaraka tsara ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita fahiny izy ireo, nefa matetika no nampiasa ny anaran’Andriamanitra. Imbetsaka, ohatra, izy ireo no nanao an’io anarana io tao amin’ny Salamo, ary nohirain’ny mpivavaka maro ireny salamo ireny. I Jehovah Andriamanitra mihitsy aza no nanasa ny mpanompony hiantso ny anarany, ary nankatò an’izany ireo tsy nivadika. (Joela 2:32; Asan’ny Apostoly 2:21) Tsy tokony hisalasala hampiasa ny anaran’Andriamanitra amim-panajana koa ny Kristianina ankehitriny, hoatran’ny nataon’i Jesosy.—Jaona 17:26.

Nanao fahadisoana be ny mpandika Baiboly, rehefa nanolo ny anaran’Andriamanitra tamin’ny anaram-boninahitra. Lasa hoatran’ny hoe lavitra antsika Andriamanitra, noho ny nataon’izy ireo, sady hoatran’ny hoe tsy manana ny maha izy azy. Ny Baiboly anefa milaza fa tokony ‘hifandray akaiky aminy’ ny olona. (Salamo 25:14) Eritrereto ny namanao akaiky. Ianareo ve dia ho lasa mpinamana be raha tsy fantatrao akory ny anarany? Tsy ho afaka hifandray akaiky amin’Andriamanitra koa ny olona, raha afenina aminy ilay anarana hoe Jehovah. Rehefa tsy mampiasa ny anarany koa izy ireo, dia tsy fantany fa misy heviny tsara be izy io. Fa inona ny dikan’io anarany io?

Andriamanitra mihitsy no nanazava ny dikan’ny anarany tamin’i Mosesy mpanompony. Nanontany momba ny anaran’Andriamanitra i Mosesy tamin’izay, ka hoy i Jehovah: “Hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko.” (Eksodosy 3:14) Izao no nandikana azy io ao amin’ny fandikan-tenin’i Rotherham: “Ho tonga izay rehetra mahafinaritra ahy aho.” Midika izany fa afaka miovaova araka izay tiany i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany. Azony ampiasaina sy ovana amin’izay rehetra ilany azy koa ny zavaboariny, mba ho tanteraka izay kasainy.

Inona no hataonao ho an’ny namanao raha afaka ny ho tonga izay rehetra tianao ianao? Raha marary mafy ny namanao, dia afaka ny ho tonga dokotera mahay ianao, ary hanasitrana azy. Raha misy namanao sahirana ara-bola indray, dia afaka ny ho tonga mpanankarena ianao ary hanavotra azy. Tsy afaka ny ho tonga izay rehetra tianao anefa ianao, ary hoatr’izany daholo isika. Ho gaga ianao rehefa mianatra ny Baiboly, satria ho hitanao fa tonga izay rehetra ilaina i Jehovah, mba hanatanterahana ny fampanantenany. Faly koa izy mampiasa ny heriny mba hanampiana ny olona tia azy. (2 Tantara 16:9) Tsy mahalala an’ireo toetra tsaran’i Jehovah ireo ny olona tsy mahafantatra ny anarany.

Tokony ho hita ao amin’ny Baiboly àry ilay anarana hoe Jehovah. Mila mahafantatra ny dikan’io anarana io sy mampiasa azy io matetika isika, rehefa manompo azy. Tena hanampy antsika izany mba hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. *

^ feh. 3 Manazava tsara ny anaran’Andriamanitra sy ny dikany ary ny antony tokony hampiasana azy io ilay bokikely hoe Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo koa ny bokikely Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra, Fizarana 1.