Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela

Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela

VELONA 500 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesosy i Daniela mpaminany. Nisy zavatra nolazain’i Jehovah taminy anefa ahalalana hoe oviana i Jesosy no voahosotra na voatendry ho Mesia, na Kristy. Hoy i Jehovah taminy: “Aoka ho fantatrao sy ho azonao tsara fa manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy, mandra-pahatongan’ny Mesia Mpitarika, dia hisy fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro.”—Daniela 9:25.

Mila fantarintsika aloha hoe oviana no ‘nivoaka ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy’, vao ho fantatsika ny daty hahatongavan’ny Mesia. Nilaza i Nehemia, mpanoratra Baiboly, fa “tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Artaksersesy Mpanjaka” no nivoaka ilay didy hanamboarana ny mandan’i Jerosalema. (Nehemia 2:1, 5-8) Araka ny mpahay tantara, dia tamin’ny taona 474 T.K. no nanomboka nanjaka i Artaksersesy. Ny taona 455 T.K. àry no taona faharoapolo nanjakany. Io taona 455 T.K. io no daty iaingana, mba hamantarana ny fotoana hahatongavan’ny Mesia.

Nolazain’i Daniela ny faharetan’ny fotoana manomboka eo amin’ilay taona iaingana, ka mandra-pahatongan’ny “Mesia Mpitarika.” Nilaza izy fa haharitra “fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro” ilay izy, izany hoe 69 herinandro raha atambatra. Maharitra hafiriana izany? Tsy herinandro misy fito andro no tiana holazaina amin’io, rehefa jerena ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro, fa herinandron-taona, izany hoe fito taona ny herinandro tsirairay. Efa nahazatra ny Jiosy taloha ny herinandron-taona. Nitandrina ny taona sabata, ohatra, izy ireo isaky ny fito taona. (Eksodosy 23:10, 11) Misy 7 taona avy àry ny tsirairay amin’ireo herinandro 69 ireo, izany hoe 483 taona amin’ny fitambarany (69 x 7).

Manao kajy sisa isika. Raha manisa 483 taona avy eo amin’ny taona 455 T.K. isika, dia ho tonga amin’ny taona 29 A.K. (Aorian’i Kristy). Tamin’io taona io mihitsy i Jesosy no natao batisa ka lasa Mesia. * (Lioka 3:1, 2, 21, 22) Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ilay faminanian’ny Baiboly. Tsy hitanao hoe mahavariana ve izany?

^ feh. 2 Raha manisa avy eo amin’ny taona 455 T.K. isika, ka hatramin’ny taona 1 T.K., dia mahita 454 taona. Misy herintaona eo anelanelan’ny taona 1 T.K. ka hatramin’ny taona 1 A.K. (tsy misy taona 0), ary 28 taona eo anelanelan’ny taona 1 sy taona 29. Raha ampifanampiana ny 454 sy 1 ary 28, dia manome 483 taona. ‘Novonoina’ i Jesosy tamin’ny taona 33, tao anatin’ny herinandron-taona faha-70. (Daniela 9:24, 26) Jereo ny Toko faha-11 amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.