Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

Jesosy Kristy: Ilay Mesia Nampanantenaina

Jesosy Kristy: Ilay Mesia Nampanantenaina

MBA hamantarantsika hoe iza ilay Mesia, dia nisy mpaminany maro nasain’i Jehovah Andriamanitra nanoratra zavatra momba an’io Mpamonjy io, ohatra hoe ny nahaterahany sy ny fanompoany ary ny nahafatesany. Tanteraka tamin’i Jesosy Kristy daholo ireny faminaniana ireny, ary mahavariana fa marina sady amin’ny an-tsipiriany. Handinika faminaniana vitsivitsy momba ny nahaterahan’ny Mesia sy ny fahazazany isika, mba hahitana an’izany.

Nilaza i Isaia mpaminany fa ho avy amin’ny taranak’i Davida Mpanjaka ny Mesia. (Isaia 9:7) Tena avy tamin’ny taranak’i Davida tokoa no niavian’i Jesosy.—Matio 1:1, 6-17.

Nilaza koa i Mika mpaminany fa ho lasa mpitondra io zaza io, ary ho teraka any “Betlehema Efrata.” (Mika 5:2) Nisy tanàna roa atao hoe Betlehema tany Israely, tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. Ny iray tany akaikin’i Nazareta tany avaratra, ary ny iray tsy lavitra an’i Jerosalema, any Joda. Nantsoina hoe Efrata ilay Betlehema tany akaikin’i Jerosalema, taloha. Tao i Jesosy no teraka, mifanaraka tsara amin’ilay faminaniana.—Matio 2:1.

Nilaza koa ny faminaniana iray fa hantsoina “hiala avy tany Ejipta” ny Zanak’Andriamanitra. Nentina tany Ejipta i Jesosy tamin’izy mbola kely. Nentina niala avy tany izy taorian’ny nahafatesan’i Heroda, ka tanteraka ilay faminaniana.—Hosea 11:1; Matio 2:15.

Misy tsipiriany momba ny Mesia ao amin’ireo andinin-teny ao amin’ilay tabilao ao amin’ny pejy faha-200, eo ambanin’ilay hoe “ Faminaniana.” Ampitahao amin’ireo andinin-teny eo ambanin’ilay hoe “Fahatanterahany” izy ireo. Hino kokoa ny Tenin’Andriamanitra ianao amin’izay.

Vakio ireo andinin-teny ireo, ary tadidio fa efa an-jatony taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy no nosoratana ny faminaniana sasany. Hoy i Jesosy: “Tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo.” (Lioka 24:44) Azonao hamarinina ao amin’ny Baibolinao fa tena tanteraka tamin’ny an-tsipiriany izany.