Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

Ny Marina Momba ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina

Ny Marina Momba ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina

MILAZA ny olona mino ny Andriamanitra telo izay iray, fa Andriamanitra iray ihany ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Mitovy daholo, hono, izy telo ireo, samy mahery indrindra, ary samy tsy nanam-piandohana. Araka io fampianarana io, dia Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, ary Andriamanitra ny Fanahy Masina, nefa iray ihany Andriamanitra.

Mihevitra ny olona mino an’io fampianarana io fa mampianatra an’izany ny Baiboly. Miaiky anefa ny ankamaroany fa tsy hainy ny manazava azy io. Tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy, raha ny marina, ilay teny hoe “Andriamanitra telo izay iray.” Ary misy hevitra manohana azy io ve ao? Mba hamaliana an’izany, dia hojerentsika aloha ny andinin-teny entin’ny olona hanaporofoana fa telo izay iray Andriamanitra.

“NY TENY DIA ANDRIAMANITRA”

Hoy ny Jaona 1:1: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.” (Fandikan-teny Protestanta) Nasehon’ny apostoly Jaona mazava tsara ao amin’io toko io ihany, fa i Jesosy ilay “Teny.” (Jaona 1:14) Koa satria antsoina hoe Andriamanitra ny Teny, dia misy mihevitra fa Andriamanitra iray ihany ny Zanaka sy ny Ray.

Tadidio fa nosoratana tamin’ny teny grika aloha ny bokin’i Jaona, vao nadika tamin’ny teny hafa. Mpandika teny maro anefa no tsy nampiasa an’ilay teny hoe “ny Teny dia Andriamanitra.” Nahoana? Satria nahay ny teny grika nanoratana ny Baiboly izy ireo, ka nanatsoaka hevitra fa tokony ho nadika tamin’ny fomba hafa ilay hoe “ny Teny dia Andriamanitra.” Ahoana no tokony handikana azy? Ireto misy ohatra vitsivitsy avy amin’ny fandikan-teny anglisy: “Toa an’Andriamanitra ny Logos [Teny].” (Fandikan-teny Vaovaon’ny Baiboly) “Ny Teny dia andriamanitra.” (Testamenta VaovaoDikan-teny Nohatsaraina) “Niaraka tamin’Andriamanitra ny Teny, sady nitovy karazana taminy.” (Ny Testamenta Vaovaon’ny Mpandika Teny) Raha jerena ireo, dia tsy Andriamanitra ny Teny. * Antsoina hoe “andriamanitra” (“a” sora-madinika) kosa izy, noho ny toerana ambony ananany eo amin’ny zavaboarin’i Jehovah. Midika hoe “mahery” ilay teny hoe “andriamanitra” eto.

MITADIAVA FANAZAVANA FANAMPINY

Tsy hain’ny ankamaroan’ny olona ny teny grika nanoratana ny Baiboly. Ahoana àry no ahafantarana izay tena tian’ny apostoly Jaona holazaina? Eritrereto, ohatra, hoe manazava lesona ny mpampianatra iray. Tsy mitovy anefa ny fahazoan’ny mpianany an’ilay fanazavana. Ahoana àry no ahafantaran’izy ireo ny tena marina? Afaka mangataka fanazavana fanampiny amin’ilay mpampianatra izy ireo. Hazava kokoa aminy ilay lesona amin’izay. Afaka mitady fanazavana fanampiny ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona koa ianao, raha te hahalala tsara ny hevitry ny Jaona 1:1. Raha fantatrao tsara mantsy ny toerana tanan’i Jesosy, dia ho hainao ny tena marina.

Hoy, ohatra, ny Jaona 1:18: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra [Mahery indrindra] na oviana na oviana.” Nisy nahita anefa i Jesosy, ilay Zanaka, satria hoy i Jaona: “Ny Teny [Jesosy] dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny.” (Jaona 1:14, Prot.) Ahoana àry no ilazana fa iray ihany ilay Andriamanitra Mahery Indrindra sy ny Zanaka? Nilaza koa i Jaona fa “tao amin’Andriamanitra” ny Teny, na “niaraka tamin’Andriamanitra”, araka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ahoana anefa no ahafahan’ny olona iray miaraka amin’ny olon-kafa, nefa izy ihany io olona iarahany io? Navahan’i Jesosy tsara izy sy ilay Rainy any an-danitra, ao amin’ny Jaona 17:3. Nantsoiny hoe “ilay hany tena Andriamanitra” ny Rainy. Mbola manampy antsika hahatakatra ny Jaona 1:1 ny fanazavana fanampiny ao amin’ny Jaona 20:31, hoe: ‘Nosoratana ireo mba hinoanareo fa i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra.’ Tsy antsoina hoe Andriamanitra i Jesosy eo, fa Zanak’Andriamanitra. Azo lazaina hoe “andriamanitra” i Jesosy na ny Teny, satria manana toerana ambony izy, fa tsy hoe izy akory ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

HAMARINO NY FANAZAVANA AZONAO

Eritrereto indray ilay ohatra teo. Ahoana raha mbola misy mpianatra misalasala, na dia efa nahazo fanazavana fanampiny aza? Inona no azon’izy ireo atao? Afaka mangataka fanazavana amin’ny mpampianatra hafa indray izy ireo. Raha mitovy ny fanazavan’ireo mpampianatra anankiroa ireo, dia mety tsy hisalasala intsony ny ankamaroan’ny mpianatra. Azonao atao koa àry ny mitady fanazavana fanampiny any amin’ny olon-kafa nanoratra ny Baiboly, raha tsy azonao antoka izay tena tian’i Jaona holazaina momba ny fifandraisan’i Jesosy sy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Jereo, ohatra, ny zavatra nosoratan’i Matio. Namerina an’ireto tenin’i Jesosy ireto izy, rehefa niresaka ny faran’ity tontolo ity: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:36) Nahoana ireo teny ireo no manamarina fa tsy i Jesosy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra?

Tokony hitovy ny zavatra fantatr’i Jesosy sy ny Rainy, raha izy ihany ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Nilaza anefa i Jesosy teo fa misy zavatra fantatry ny Rainy nefa tsy fantany. Tsy mitovy àry ny Zanaka sy ny Ray. Mety hisy indray hiteny hoe: ‘Ka sady Andriamanitra ange i Jesosy no olona e! Olona izy teo.’ Na atao hoe marina aza izany, dia ahoana indray ny amin’ny fanahy masina? Raha mitovy amin’ilay Andriamanitra Ray izy io, nahoana i Jesosy tamin’io no tsy niteny hoe ny fanahy masina koa mahafantatra ny zavatra fantatry ny Ray?

Mbola hahay andinin-teny hafa manaporofo an’izany ianao, raha mianatra Baiboly foana. Vao mainka ho fantatrao ny tena marina momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina.—Salamo 90:2; Asan’ny Apostoly 7:55; Kolosianina 1:15.

^ feh. 3 Manazava tsara ny Jaona 1:1 Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2008, pejy 24-25, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.