Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

Inona no Atao hoe Andro Fitsarana?

Inona no Atao hoe Andro Fitsarana?

INONA no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe Andro Fitsarana ianao? Maro no mihevitra fa hoentina hotsaraina tsirairay eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny olona an’arivony tapitrisa, amin’io andro io. Ny sasany, hono, hahazo valisoa ka hiaina any an-danitra, fa ny sasany hampijalijalina mandrakizay any amin’ny afobe. Hafa tanteraka anefa no lazain’ny Baiboly momba ny Andro Fitsarana. Fotoana mahafinaritra no resahina ao fa tsy mampahatahotra. Haverina amin’ny laoniny mantsy ny zava-drehetra amin’izay.

Hoy ny apostoly Jaona momba ny Andro Fitsarana, ao amin’ny Apokalypsy 20:11, 12: “Nahita seza fiandrianana fotsy lehibe aho, ary hitako ilay nipetraka teo amboniny. Nandositra tsy ho eo anatrehany ny tany sy ny lanitra, ary tsy nisy toerana ho azy ireo. Ary hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina. Fa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana. Ary ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo.” Iza ilay Mpitsara resahiny eo?

I Jehovah Andriamanitra no Mpitsara fara tampony. Nanendry olon-kafa mba hitsara anefa izy. Nilaza ny apostoly Paoly, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:31, fa “efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana ny tany onenana” Andriamanitra, mba “hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny.” I Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty io notendreny ho Mpitsara io. (Jaona 5:22) Rahoviana àry no hanomboka ny Andro Fitsarana, ary haharitra hafiriana izy io?

Asehon’ny Apokalypsy fa hanomboka aorian’ny ady Hara-magedona ny Andro Fitsarana, rehefa rava ny tontolon’i Satana. * (Apokalypsy 16:14, 16; 19:19–20:3) Hogadraina arivo taona ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demoniany aorian’ny Hara-magedona. Ho mpitsara sy ‘hiara-manjaka amin’i Kristy arivo taona’ any an-danitra ireo 144 000 mpiara-mandova aminy, mandritra an’izany fotoana izany. (Apokalypsy 14:1-3; 20:1-4; Romanina 8:17) Tsy zavatra maimaika hatao ao anatin’ny 24 ora fotsiny àry ny Andro Fitsarana, fa maharitra arivo taona.

“Hitsara ny velona sy ny maty” i Jesosy Kristy mandritra an’ilay arivo taona. (2 Timoty 4:1) Iza ireo hoe “velona” ireo? Ny “vahoaka be” ho tafavoaka amin’ny Hara-magedona. (Apokalypsy 7:9-17) Nahita ‘ny maty nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana’ koa ny apostoly Jaona. Nampanantena i Jesosy fa ‘handre ny feony izay rehetra any am-pasana, dia hivoaka izy ireo’, izany hoe hatsangana amin’ny maty. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Ahoana no hitsarana ny olona rehetra?

Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ilay fahitana fa “nisy horonam-boky novelarina”, ka “ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo.” (Apokalypsy 20:12) Ny zavatra nataon’ilay olona taloha ve no ao amin’ireo horonam-boky ireo? Tsia, satria tsy izay nataony talohan’ny nahafatesany no hitsarana azy. Milaza mantsy ny Baiboly fa “izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.” (Romanina 6:7) Azo lazaina hoe efa voadio tamin’ny fahotany ny olona hatsangana amin’ny maty. Zavatra hafa takin’Andriamanitra àry no ao amin’ireo horonam-boky ireo. Tsy maintsy mankatò ny didiny ny olona ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona sy ireo hatsangana amin’ny maty, raha te hiaina mandrakizay. Tsy maintsy ankatoavin’izy ireo koa izay zavatra vaovao takin’i Jehovah mandritra ny arivo taona. Izay ataon’ny olona mandritra ny Andro Fitsarana àry no hitsarana azy.

Olona an’arivony tapitrisa no sambany vao hianatra sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra, mandritra ny Andro Fitsarana. Be dia be mihitsy àry no hampianarina amin’izay. “Hianatra fahamarinana ny mponina eto an-tany.” (Isaia 26:9) Tsy ny rehetra anefa no te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy mantsy ny Isaia 26:10: ‘Tsy hianatra fahamarinana ny ratsy fanahy, na dia iantrana aza. Tsy hanao ny rariny izy, na dia ao amin’ny tanin’ny fahitsiana aza. Ary tsy hahita ny fahambonian’i Jehovah izy.’ Haringana tanteraka ireny ratsy fanahy ireny mandritra ny Andro Fitsarana.—Isaia 65:20.

Amin’ny faran’ny Andro Fitsarana vao tena azo lazaina hoe “velona” ny olona sisa tsy maty, satria efa lasa lavorary. (Apokalypsy 20:5) Haverina ho lavorary indray ny olona mandritra ny Andro Fitsarana. (1 Korintianina 15:24-28) Hisy fitsapana farany avy eo. Hovahana kely i Satana, ary havela hamitaka farany ny olombelona. (Apokalypsy 20:3, 7-10) Ho tanteraka amin’ireo mahatohitra an’i Satana ity tenin’ny Baiboly ity: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Salamo 37:29) Ho fitahiana ho an’ny olona tsy mivadika rehetra tokoa ny Andro Fitsarana!

^ feh. 1 Manazava kokoa ny hoe Hara-magedona ny Fandalinana ny Soratra Masina, ao amin’ilay hoe “Andron’i Jehovah” sy “Hara-magedona”, ary ny Toko faha-20 amin’ilay boky hoe Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.