Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

1914: Taona Miavaka ao Amin’ny Faminanian’ny Baiboly

1914: Taona Miavaka ao Amin’ny Faminanian’ny Baiboly

EFA ho 40 taona talohan’ny 1914 ny mpianatra ny Baiboly no nilaza tamin’ny olona hoe hisy zavatra hiavaka amin’io taona io. Inona izany, ary inona ny porofo fa miavaka tokoa ny taona 1914?

Hoy i Jesosy ao amin’ny Lioka 21:24: “Hohitsahin’ny hafa firenena i Jerosalema mandra-pahatapitry ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena [“andron’ny jentilisa”, Fandikan-teny Protestanta].” Renivohitry ny firenena jiosy i Jerosalema, ary foiben’ny fitondran’ireo mpanjaka taranak’i Davida Mpanjaka. (Salamo 48:1, 2) Niavaka izy ireo, satria nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”, izany hoe solontenany. (1 Tantara 29:23) Teny nilazana ny fitondran’i Jehovah àry ny hoe Jerosalema.

Oviana ny fitondran’Andriamanitra no ‘nohitsahin’ny hafa firenena’, ary tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny taona 607 T.K., rehefa resin’ny Babylonianina i Jerosalema. Lasa tsy nisy mpanjaka intsony teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”, ary nitsahatra tsy nitondra ny taranak’i Davida. (2 Mpanjaka 25:1-26) Hitohy mandrakizay ve izany? Tsia, satria hoy i Ezekiela momba an’i Zedekia, ilay mpanjaka farany tao Jerosalema: ‘Esory ny fehilohan’ny mpanjaka, ary tsoahy ny satroboninahitra. Izany koa aza dia tsy ho lasan’iza na iza, mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany. Dia homeko azy izany.’ (Ezekiela 21:26, 27) I Kristy Jesosy “ilay manan-jo ara-dalàna” ho eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida. (Lioka 1:32, 33) Tapitra àry ilay fotoana ‘nanitsahan’ny hafa firenena’ an’i Jerosalema rehefa lasa Mpanjaka i Jesosy.

Oviana izany no nitranga? Nasehon’i Jesosy fa hanjaka mandritra ny fotoana voafetra ny hafa firenena. Manampy antsika hamantatra ny halavan’io fotoana io ny Daniela Toko faha-4. Voatantara ao fa nanonofy momba ny hoavy i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Nahita hazo goavana iray notapahina izy. Tsy afaka naniry ny fotony, satria nasiana fehy vy sy varahina. Hoy ny anjely iray: “Aoka ho fe-potoana fito no holanina aminy.”—Daniela 4:10-16.

Indraindray dia fitondrana no tiana holazaina amin’ny hoe hazo ao amin’ny Baiboly. (Ezekiela 17:22-24; 31:2-5) Ny fanapahana an’ilay hazo tao amin’ilay nofy àry, dia midika fa haato ny fitondran’Andriamanitra, izany hoe tsy hisy mpanjaka hisolo tena azy intsony any Jerosalema. Asehon’ilay fahitana koa anefa fa tsy haharitra afa-tsy “fe-potoana fito” ny ‘fanitsahana an’i Jerosalema.’ Hafiriana izany?

Milaza ny Apokalypsy 12:6, 14 fa maharitra “enimpolo sy roanjato sy arivo andro” ny fe-potoana telo sy tapany. Indroa hoatr’izay ny faharetan’ny “fe-potoana fito”, izany hoe 2520 andro. Mbola ‘nanitsaka’ ny fitondran’Andriamanitra foana anefa ny hafa firenena, 2520 andro taorian’ny naharesy an’i Jerosalema. Midika izany fa ela kokoa noho izany ilay fe-potoana fito. Raha ‘soloana taona iray ny andro iray’, araka ny Nomery 14:34 sy ny Ezekiela 4:6, dia maharitra 2 520 taona ny “fe-potoana fito.”

Nanomboka tamin’ny Oktobra 607 T.K. ireo 2 520 taona ireo. Resin’ny Babylonianina i Jerosalema tamin’izay, ary nesorina tamin’ny seza fiandrianana ilay mpanjaka taranak’i Davida. Nifarana tamin’ny Oktobra 1914 ilay fotoana. Tamin’izay no tapitra ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, ary nataon’Andriamanitra Mpanjaka any an-danitra i Jesosy Kristy. *Salamo 2:1-6; Daniela 7:13, 14.

Efa nilaza i Jesosy fa hisy loza eran-tany mandritra ny ‘fanatrehany’, izany hoe rehefa lasa Mpanjaka any an-danitra izy. Anisan’izany ny ady, mosary, horohoron-tany, ary areti-mandringana. (Matio 24:3-8; Lioka 21:11) Tanteraka tokoa izany, ary voaporofo fa naorina tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914, sady nanomboka ny “andro farany.”—2 Timoty 3:1-5.

^ feh. 4 Manomboka amin’ny Oktobra taona 607 T.K. ka hatramin’ny 1 Oktobra taona 1 T.K. dia misy 606 taona. Tsymisy ny taona 0. Noho izany, dia misy 1 914 taona manomboka amin’ny 1 Oktobra taona 1 T.K. ka hatramin’ny Oktobra 1914 A.K. Rehefa ampiana 606 taona ny 1 914 taona, dia manome 2 520 taona. Manazava ny naharesen’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. ny boky Fandalinana ny Soratra Masina, ao amin’ilay hoe “Fanisan-taona”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.