Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

Iza i Mikaela Arkanjely?

Iza i Mikaela Arkanjely?

TSY voaresaka matetika ao amin’ny Baiboly ilay anjely atao hoe Mikaela. Eo am-panaovana zavatra foana anefa izy, rehefa resahina ao. Miady amin’ny anjely ratsy, ohatra, izy ao amin’ny bokin’i Daniela, mifamaly amin’i Satana izy ao amin’ny taratasin’i Joda, ary miady amin’ny Devoly sy ny demoniany izy ao amin’ny Apokalypsy. Ny hoe Mikaela dia midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?” Mety tsara aminy ny anarany, satria miaro ny fitondran’i Jehovah sy miady amin’ny fahavalony izy. Fa iza moa i Mikaela?

Manana anarana maromaro ny olona iray indraindray. Antsoina hoe Israely koa, ohatra, i Jakoba, ary antsoina hoe Simona ny apostoly Petera. (Genesisy 49:1, 2; Matio 10:2) Araka ny Baiboly, dia anarana hafa iantsoana an’i Jesosy Kristy taloha sy taorian’ny niainany tetỳ an-tany, ny hoe Mikaela. Handinika porofo ara-baiboly momba an’izany isika.

Arkanjely. Antsoin’ny Baiboly hoe “arkanjely” i Mikaela. (Joda 9) Midika hoe “filohan’ny anjely” ilay teny hoe “arkanjely.” Milaza tokana foana io teny io ao amin’ny Baiboly. Midika izany fa iray ihany ny arkanjely. Ampifandraisina amin’i Jesosy koa ny anjara asan’ny arkanjely. Hoy ny 1 Tesalonianina 4:16 momba an’i Jesosy Tompo natsangana tamin’ny maty: “Ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely.” Lazaina eo fa feon’arkanjely ny feon’i Jesosy. Hita amin’io andinin-teny io àry fa i Jesosy mihitsy no Mikaela arkanjely.

Mpitari-tafika. Milaza ny Baiboly fa ‘niady tamin’ilay dragona sy ny anjeliny i Mikaela sy ny anjeliny.’ (Apokalypsy 12:7) I Mikaela àry no mitarika ny tafik’anjely tsy mivadika. Milaza koa ny Apokalypsy fa i Jesosy no Mpitarika ny tafik’anjely tsy mivadika. (Apokalypsy 19:14-16) Miresaka momba an’i “Jesosy Tompo” sy “ny anjeliny mahery” koa ny apostoly Paoly. (2 Tesalonianina 1:7) Samy voaresaka ao amin’ny Baiboly àry na i Mikaela sy “ny anjeliny”, na i Jesosy sy “ny anjeliny.” (Matio 13:41; 16:27; 24:31; 1 Petera 3:22) Tsy voalaza ao anefa hoe anankiroa samy hafa ny tafik’anjely tsy mivadika any an-danitra, ka ny iray miaraka amin’i Mikaela, ary ny iray miaraka amin’i Jesosy. I Jesosy Kristy any an-danitra ihany àry i Mikaela. *

^ feh. 1 Raha tianao ho fantatra hoe nahoana ilay Zanak’Andriamanitra no antsoina hoe Mikaela, dia jereo ny boky Fandalinana ny Soratra Masina ao amin’ilay hoe “Mikaela”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.