Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

Inona no Atao hoe “Babylona Lehibe”?

Inona no Atao hoe “Babylona Lehibe”?

MISY teny tsy tokony horaisina ara-bakiteny ao amin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 1:1) Voaresaka ao, ohatra, ny vehivavy iray, izay misy anarana hoe “Babylona Lehibe” eo amin’ny handriny. Mipetraka eo ambonin’ny “vahoaka sy firenena” izy io. (Apokalypsy 17:1, 5, 15) Tsy misy vehivavy mahavita an’izany, ka tsy tokony horaisina ara-bakiteny ilay hoe Babylona Lehibe. Inona àry io mpivaro-tena io?

Milaza ny Apokalypsy 17:18 fa io vehivavy io dia “tanàna lehibe izay mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany.” Ny hoe “tanàna” dia toy ny fikambanana na vondron’olona misy rafitra mifehy azy. “Tanàna lehibe” koa ilay vehivavy antsoina hoe Babylona Lehibe, ary manana fahefana amin’ny “mpanjakan’ny tany.” Tsy maintsy hoe fikambanana manana fahefana eran-tany àry izy io. Manana fahefana eo amin’ny resaka fivavahana izy. Hijery andininy hafa ao amin’ny Apokalypsy isika mba hanaporofoana an’izany.

Mety ho ara-politika na ara-barotra na ara-pivavahana ny fikambanana iray. Tsy fikambanana ara-politika anefa i Babylona Lehibe, satria milaza ny Baiboly fa ‘nijangajanga taminy ireo mpanjakan’ny tany’, izany hoe ny mpitondra ara-politika eto amin’izao tontolo izao. Nahoana izy no lazaina hoe nijangajanga? Satria nanao fifanekena tamin’ireo mpitondra izy, sady nanao izay rehetra azony natao mba hifehezana azy ireo. Izany no iantsoana azy hoe “mpivaro-tena lehibe.”—Apokalypsy 17:1, 2; Jakoba 4:4.

Tsy fikambanana ara-barotra koa i Babylona Lehibe. Rehefa horinganina mantsy izy, dia halahelo azy ny “mpivaro-mandeha tamin’ny tany”, izany hoe ny mpanao raharaham-barotra. Voalaza koa fa hijery azy avy eny “lavidavitra” eny ireo mpanjaka sy mpivarotra. (Apokalypsy 18:3, 9, 10, 15-17) Voaporofo àry fa fikambanana ara-pivavahana i Babylona Lehibe, fa tsy fikambanana ara-politika na ara-barotra.

Nahoana koa i Babylona Lehibe no lazaina fa fikambanana ara-pivavahana? Satria ‘milalao ody’ izy mba hamitahana ny firenena rehetra. (Apokalypsy 18:23) Azo lazaina hoe fivavahana ihany ny karazana filalaovana ody rehetra. Avy amin’ny demonia ny filalaovana ody, ary na ny Baiboly aza milaza fa “fonenan’ny demonia” i Babylona Lehibe. Tsy maintsy hoe fikambanana ara-pivavahana àry i Babylona Lehibe. (Apokalypsy 18:2; Deoteronomia 18:10-12) Voalaza koa fa manohitra mafy ny fivavahana marina izy, ary manenjika ny “mpaminany sy ny olona masina.” (Apokalypsy 18:24) Tena halany ny fivavahana marina, ka enjehiny amin-kabibiana sy vonoiny ho faty mihitsy “ny vavolombelon’i Jesosy.” (Apokalypsy 17:6) Mazava àry fa io vehivavy antsoina hoe Babylona Lehibe io dia ny fivavahan-diso rehetra eran-tany, anisan’izany ny fivavahana rehetra manohitra an’i Jehovah Andriamanitra.