Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 1

“Izao no Fitiavana An’Andriamanitra”

“Izao no Fitiavana An’Andriamanitra”

“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”—1 JAONA 5:3.

1, 2. Nahoana ianao no tia an’i Jehovah Andriamanitra?

TIA an’i Jehovah Andriamanitra ve ianao? Raha efa nanokan-tena ho azy ianao, dia azo antoka fa hamaly avy hatrany hoe tena tianao izy. Rariny izany, satria valin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika ny fitiavantsika azy. Hoy mantsy ny 1 Jaona 4:19: “Isika kosa tia, satria izy no tia antsika voalohany.”

2 I Jehovah no nanao zavatra voalohany mba hampisehoana fa tia antsika izy. Nanome an’ity tany tsara tarehy ity izy mba hipetrahantsika. Mikarakara izay ilaintsika koa izy. (Matio 5:43-48) Manampy antsika mba hifandray tsara aminy koa aza izy. Nomeny antsika ny Teniny, izany hoe ny Baiboly. Manasa antsika hivavaka aminy koa izy, sady manome toky fa hihaino ary hanome ny fanahy masina mba hanampy antsika. (Salamo 65:2; Lioka 11:13) Naniraka an’ilay Zanany tiany indrindra mihitsy aza izy, mba hanafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Tsy hitanao amin’izany ve hoe tena tia antsika i Jehovah?—Vakio ny Jaona 3:16; Romanina 5:8.

3. a) Inona no dikan’ny hoe “mitoera” ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra? b) Inona no fanontaniana lehibe mila eritreretintsika, ary aiza no misy ny valiny?

3 Tian’i Jehovah hitondra soa ho antsika mandrakizay ny fitiavany. Miankina tanteraka amintsika anefa izany. Mampirisika antsika ny Teniny hoe: ‘Mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, sady mitsinjo ny fiainana mandrakizay.’ (Joda 21) Ilay hoe “mitoera”, dia midika fa mila manao zavatra isika mba ho tian’Andriamanitra foana. Misy zavatra tokony hataontsika ho setrin’ny fitiavany. Tena ilaina àry ny mieritreritra hoe: ‘Ahoana no hampisehoako fa tia an’Andriamanitra aho?’ Mamaly izany ny 1 Jaona 5:3, hoe: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” Mila mandinika tsara ny dikan’izany isika, satria tiantsika haseho amin’Andriamanitra hoe tena tiantsika izy.

“IZAO NO FITIAVANA AN’ANDRIAMANITRA”

4, 5. Oviana no nanomboka nitsiry tao am-ponao ny fitiavana an’Andriamanitra? Tantarao.

4 Niresaka momba ny fitiavantsika an’Andriamanitra ny apostoly Jaona eo. Tadidinao ve hoe oviana no nanomboka nitsiry tao am-ponao izany fitiavana an’Andriamanitra izany?

Hankatò an’i Jehovah foana ianao rehefa avy nanokan-tena ho azy sy natao batisa, satria tianao izy

5 Eritrereto kely ange e! Nanomboka nino an’i Jehovah ianao tamin’ianao vao nianatra ny marina momba azy sy ny fikasany. Nianaranao koa fa na dia mpanota sy tafasaraka tamin’Andriamanitra aza ianao hatramin’ny vao teraka, dia nirahiny i Kristy mba hahafahanao hiaina mandrakizay sy ho lasa lavorary indray toa an’i Adama. (Matio 20:28; Romanina 5:12, 18) Takatrao fa nanao sorona lehibe i Jehovah rehefa naniraka an’io Zanany tena tiany io, mba ho faty ho anao. Nanohina ny fonao izany fitiavana lehibe nasehon’Andriamanitra izany, ka lasa tianao izy.—Vakio ny 1 Jaona 4:9, 10.

6. Ahoana no hampisehoana ny tena fitiavana? Inona no nataonao noho ianao tia an’Andriamanitra?

6 Vao fiandohan’ny tena fitiavana an’i Jehovah anefa izany. Tsy ao am-po fotsiny mantsy ny fitiavana. Tsy ampy koa ny milaza hoe: “Tia an’i Jehovah aho.” Toy ny finoana ny tena fitiavana, ka porofoina sy aharihary amin’ny atao. (Jakoba 2:26) Raha tia olona iray ianao, dia asehonao azy izany ka manao zavatra mahafaly azy ianao. Nanjary te hanao izay hampifaly an’i Jehovah, Rainao any an-danitra, àry ianao rehefa namaka tsara tao am-ponao ny fitiavana azy. Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ve ianao? Tena tia an’i Jehovah sy mifikitra aminy ianao, ka nandray an’io fanapahan-kevitra lehibe indrindra io. Nanokan-tena ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony ianao, ary nampiseho izany rehefa natao batisa. (Vakio ny Romanina 14:7, 8.) Nilaza zavatra hafa hanampy anao hanefa an’io voady lehibe io koa i Jaona.

‘MITANDRINA NY DIDINY ISIKA’

7. Inona no sasany amin’ny didin’Andriamanitra? Inona no dikan’ny hoe mitandrina ny didiny?

7 Nilaza i Jaona fa ‘mitandrina ny didin’Andriamanitra isika’, raha tia azy. Inona avy ny didiny? Nanome didy mazava tsara izy ao amin’ny Teniny. Rarany, ohatra, ny manao mamo, mijangajanga, manompo sampy, mangalatra, ary mandainga. (1 Korintianina 5:11; 6:18; 10:14; Efesianina 4:28; Kolosianina 3:9) Mitandrina ny didin’Andriamanitra àry isika, raha mankatò an’ireo fitsipika mazava tsara omen’ny Baiboly momba ny fitondran-tena.

8, 9. Ahoana no hahalalana izay mampifaly an’i Jehovah, rehefa tsy manome lalàna mazava ny Baiboly? Manomeza ohatra.

8 Tsy ampy anefa ny mankatò ny didy omen’i Jehovah, raha te hampifaly azy isika. Tsy manao lalàna momba ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika andavanandro izy, satria tsy te hangeja antsika. Noho izany, dia mety tsy hahita didy mazava momba ny zava-drehetra mitranga eo amin’ny fiainantsika isan’andro isika, ao amin’ny Baiboly. Ahoana àry no hahalalana hoe inona no mampifaly an’i Jehovah? Misy fomba amantarana mazava tsara an’izany ao amin’ny Baiboly. Fantatsika izay tian’i Jehovah sy halany rehefa mianatra azy io isika. (Vakio ny Salamo 97:10; Ohabolana 6:16-19) Manjary takatsika hoe toe-tsaina sy fanao inona avy no ankasitrahany. Ho haintsika kokoa ny hampifanaraka ny fanapahan-kevitsika sy ny zavatra ataontsika amin’ny fomba fihevitr’i Jehovah, raha miezaka isika hahalala tsara kokoa ny toetrany sy ny fomba fiheviny. Azo atao àry matetika ny mamantatra “izay sitrapon’i Jehovah”, na dia tsy misy lalàna mazava momba ilay toe-javatra atrehintsika aza ao amin’ny Baiboly.—Efesianina 5:17.

9 Mety ve, ohatra, ny mijery filma na fandaharana amin’ny tele, raha misy herisetra na fitondran-tena ratsy ilay izy? Tsy misy lalàna mandrara mivantana an’izany ao amin’ny Baiboly. Tena mila an’izany ve anefa isika? Efa fantatsika ny fiheveran’i Jehovah azy ireny. Mazava tsara ny voalazan’ny Teniny hoe: “Tena halany ny olona tia herisetra.” (Salamo 11:5) Hoy koa ny Hebreo 13:4: “Homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga.” Afaka mamantatra tsara ny sitrapon’i Jehovah isika, rehefa misaintsaina an’izany. Tsy hijery fandaharana mampiseho fanao halan’Andriamanitra àry isika rehefa miala voly. Fantatsika mantsy fa faly i Jehovah rehefa tsy mijery zava-dratsy isika, na dia fialam-boly tsy mampaninona aza ilay izy amin’ity tontolo ity. *

10, 11. Nahoana isika no mifidy ny hankatò an’i Jehovah? Ahoana no fomba tokony hankatoavantsika azy?

10 Inona no tena antony itandremantsika ny didin’Andriamanitra? Nahoana isika no maniry hanaraka ny fomba fiheviny eo amin’ny fiainantsika isan’andro? Tsy hoe mba tsy ho voasazy fotsiny, na hoe mba hisorohana ny zava-dratsy mahazo an’izay tsy miraharaha ny sitrapon’Andriamanitra. (Galatianina 6:7) Mankatò an’i Jehovah kosa isika, satria izany no fomba tsara indrindra anaporofoana fa tia azy isika. Te hahazo sitraka aminy isika, toy ny ankizy iray maniry mafy hahazo sitraka amin-drainy. (Salamo 5:12) I Jehovah no Raintsika ary tia azy isika. Tsy misy mahafaly sy mahafa-po antsika noho ny mahafantatra fa “ankasitrahan’i Jehovah” ny fomba fiainantsika.—Ohabolana 12:2.

11 Tsy mankatò tsy sazoka àry isika. * Tsy mifidifidy izay didy hankatoavintsika isika, ka hoe mankatò rehefa mety amintsika ilay izy, na tsy sarotra loatra, na tsy manahirana mihitsy. ‘Mankatò amin’ny fo’ kosa isika. (Romanina 6:17) Hoy ny mpanao salamo: “Ho mamin’ny foko ny didinao, izay efa tiako rahateo.” (Salamo 119:47) Toa azy koa isika satria tena tiantsika ny mankatò an’i Jehovah. Miaiky isika fa mendrika ny hankatoavina tanteraka tsy misy fepetra izy. Izy rahateo mitaky an’izany. (Deoteronomia 12:32) Nankatò an’i Jehovah nandritra ny taona maro i Noa, lehilahy tsy nivadika, mba hanaporofoana ny fitiavany azy. Hoy ny Baiboly: “Nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy i Noa. Izany indrindra no nataony.” (Genesisy 6:22) Tiantsika raha toy izany koa no holazain’i Jehovah momba antsika.

12. Inona no tena mampifaly ny fon’i Jehovah?

12 Inona no tsapan’i Jehovah rehefa mankatò an-tsitrapo isika? Milaza ny Teniny fa ‘mampifaly ny fony’ izany. (Ohabolana 27:11) Faly tokoa ve ny fon’ilay Tompo Fara Tampony rehefa mankatò azy isika? Izany mihitsy, ary ara-dalàna raha faly izy! Mamela antsika hanao izay tiantsika hatao mantsy i Jehovah. Midika izany fa afaka misafidy isika hoe hankatò azy sa tsia. (Deoteronomia 30:15, 16, 19, 20) Tena mampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra àry isika, raha mifidy an-tsitrapo ny hankatò azy noho ny fo feno fitiavana. (Ohabolana 11:20) Izany koa no fomba fiaina tsara indrindra!

‘TSY MAVESATRA NY DIDINY’

13, 14. Nahoana no azo lazaina fa ‘tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra’? Hazavao amin’ny ohatra.

13 Tena mampahery ilay tenin’i Jaona hoe: ‘Tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra.’ * (1 Jaona 5:3) Toy izao no ilazana azy ao amin’ny Baiboly Fandikan-teny Anglisy Vaovao: “Tsy mampahory antsika ny didiny.” Tsy tafahoatra na mampijaly ny lalàn’i Jehovah. Tsy mitaky zavatra tsy ho vitan’ny olombelona tsy lavorary izy.

14 Eritrereto, ohatra, hoe misy namanao hifindra trano. Mangataka anao izy mba hanampy azy hitaona entana. Be dia be ny entana mila taterina. Maivana ny sasany ka na olona iray aza mahazaka azy tsara. Misy anefa mavesatra ka olona roa vao mahazaka azy. Efa nofantenan’ilay namanao izay entana tiany hoentinao. Izy ve anefa dia hangataka anao hibata entana efa fantany hoe mavesatra loatra aminao? Tsia. Tsy havelany hibata an’izany irery ianao sao maratra. Tsara fanahy sy be fitiavana toy izany koa i Jehovah, ka tsy hangataka antsika hankatò didy sarotra loatra amintsika. (Deoteronomia 30:11-14) Tsy hasainy hitondra enta-mavesatra toy izany mihitsy isika. Hain’i Jehovah hoe inona no tsy ho vitantsika, satria “fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.”—Salamo 103:14.

15. Nahoana isika no afaka matoky fa tena natao hahasoa antsika ny didin’i Jehovah?

15 Tsy mavesatra mihitsy ny didin’i Jehovah, fa tena natao hahasoa antsika. (Vakio ny Isaia 48:17.) Afaka nilaza tamin’ny Israelita àry i Mosesy hoe: “Nandidy antsika hanaraka ireo fitsipika rehetra ireo i Jehovah, sady nandidy ny hatahorana an’i Jehovah Andriamanitsika, mba hahitantsika soa mandrakariva, ka ho velona isika toy ny amin’izao andro izao.” (Deoteronomia 6:24) Afaka matoky koa isika fa mitady izay tena hahasoa antsika mandrakizay i Jehovah matoa manome lalàna. Tsy hitondra fahavoazana ho antsika mihitsy ny didiny! Manana fahendrena tsy hita fetra mantsy izy, ka fantany izay tena hahasoa antsika. (Romanina 11:33) Milaza koa ny 1 Jaona 4:8 fa “Andriamanitra dia fitiavana.” Vokatry ny fitiavana izay rehetra lazainy sy ataony, ary toy izany koa ny didy rehetra omeny ny mpanompony.

16. Nahoana isika no afaka mankatò foana, na dia tsy lavorary sy miaina eto amin’ity tontolo ratsy ity aza?

16 Tsy midika izany hoe mora ny mankatò an’Andriamanitra. Maloto fitondran-tena sy “eo ambany fahefan’ilay ratsy” ity tontolo ity, ka tsy maintsy miady mafy isika mba tsy ho voataonany. (1 Jaona 5:19) Tsy lavorary koa isika, ka mila miezaka mafy mba tsy handika ny lalàn’Andriamanitra. (Romanina 7:21-25) Handresy anefa isika raha tia an’Andriamanitra. Tahin’i Jehovah ny olona te hankatò azy noho ny fitiavana. Omeny ny fanahiny masina “izay mankatò azy amin’ny maha mpitondra azy.” (Asan’ny Apostoly 5:32) Mahatonga antsika hanana toetra tena tsara io fanahy io, ary manampy antsika hankatò foana ireo toetra ireo.—Galatianina 5:22, 23.

17, 18. a) Inona no horesahina ato amin’ity boky ity, ary inona no tokony hotadidintsika rehefa mandinika izany? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?

17 Horesahina ato amin’ity boky ity ny toro lalan’i Jehovah, sy ny fitsipiny momba ny fitondran-tena, ary ny fomba maro hamantarana ny sitrapony. Misy zava-dehibe maromaro mila tadidintsika, rehefa mandinika izany isika. Tokony hotsaroantsika fa tsy manery antsika hankatò ny lalàny sy ny toro lalany i Jehovah. Tiany hankatò an-tsitrapo kosa isika. Tadidio fa handray soa dieny izao isika sady hiaina mandrakizay, raha manaraka ny fomba fiaina tian’i Jehovah hananantsika. Tadidio koa fa ny fankatoavana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo no fomba tsara indrindra anaporofoantsika fa tena tia azy isika.

18 Tia antsika i Jehovah ka nanome antsika feon’ny fieritreretana, mba hahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy. Mila ampiofanintsika anefa izy io, mba hahatonga azy ho mpitari-dalana azo itokisana. Izany no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka.

^ feh. 9 Jereo ny Toko 6 fa hanampy anao hahay hifidy fialam-boly.

^ feh. 11 Na ny demonia aza mankatò tsy sazoka. Nandidy azy ireny hivoaka avy tao amin’ny olona sasany i Jesosy, ka voatery nanaiky ny fahefany izy ireo ary nankatò, saingy tsy an-tsitrapo.—Marka 1:27; 5:7-13.

^ feh. 13 “Enta-mavesatra” no nandikan’i Matio an’ilay teny grika nadikan’i Jaona hoe “mavesatra.” (Matio 23:4) Ny lalàna feno tsipiriany sy ny fomban-drazana no tiany hambara tamin’izany. Noteren’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo hanaraka azy ireny mantsy ny vahoaka.