Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 8

Tian’Andriamanitra ny Olona Madio

Tian’Andriamanitra ny Olona Madio

“Ny olona madio no hisehoanao ho madio.”​—SALAMO 18:26.

1-3. a) Nahoana no ataon’ny reny madio tsara ny zanany? b) Nahoana no tian’i Jehovah hadio ny mpanompony, ary nahoana isika no miezaka hadio foana?

MANOMANA an-janany handeha hivoaka ny reny iray. Nampandroiny ilay zaza ary nampanaoviny akanjo madio sy milamina. Fantany fa tena tokony hadio foana ilay zaza mba ho salama. Ho afa-baraka koa izy mivady raha maloto ny zanany.

2 Tian’i Jehovah Raintsika hadio koa isika mpanompony. Hoy ny Teniny: “Ny olona madio no hisehoanao ho madio.” * (Salamo 18:26) Tia antsika izy ary fantany fa tena mahasoa antsika ny hoe madio. Tiany hanome voninahitra azy koa isika satria Vavolombelony. Tsy hanala baraka azy àry isika raha madio sy tsara fitondran-tena, fa hanome voninahitra azy sy ny anarany masina.—Ezekiela 36:22; vakio ny 1 Petera 2:12.

3 Miezaka hadio foana isika satria tian’Andriamanitra ny olona madio. Irintsika hanome voninahitra azy koa ny fomba fiainantsika satria tiantsika izy. Maniry ho tian’Andriamanitra foana koa isika. Hodinihintsika àry hoe nahoana isika no tokony hadio foana, inona no atao hoe madio, ary ahoana no hatao mba hadio foana eo amin’ny fiainana andavanandro. Ho hitantsika amin’izany izay mila hatsaraintsika.

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HADIO FOANA?

4, 5. a) Inona no antony iray tokony hahatonga antsika hiezaka mba hadio foana? b) Ahoana no ahitana fa madio i Jehovah, rehefa jerena ny zavaboary?

4 I Jehovah mihitsy no manome modely. Mampirisika antsika ‘hanahaka azy’ àry ny Teniny. (Efesianina 5:1) Madio sy masina amin’ny lafiny rehetra i Jehovah Andriamanitsika. Izay no antony lehibe indrindra tokony hahatonga antsika hiezaka mba hadio foana.—Vakio ny Levitikosy 11:44, 45.

5 Hita eo amin’ny zavaboarin’i Jehovah ny toetrany, anisan’izany ny fahadiovana. (Romanina 1:20) Namorona tany madio, ohatra, izy mba honenan’ny olona. Nataony miara-miasa tsara ny zavaboary sy ny tontolo iainana, mba hadio foana ny rivotra sy ny rano. Manova ny fako ho zavatra tsy mitera-doza ny zavamananaina bitika atao hoe mikraoba. Na ny mpahay siansa aza nampiasa azy ireny mba hanadiovana ranomasina rakotra solitany, na hanesorana loto nataon’ny olona tia vola sy tia tena. Zava-dehibe amin’ilay “Mpanao ny tany” àry ny fahadiovana, ary tokony ho zava-dehibe amintsika koa.—Jeremia 10:12.

6, 7. Inona no mampiseho fa tokony hadio ny mpanompon’i Jehovah, raha jerena ny Lalàn’i Mosesy?

6 Tokony hadio foana koa isika, satria mitaky an’ izany i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao. Hita tao amin’ny Lalàna fa mifandray akaiky foana ny fahadiovana sy ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy maintsy nandro, ohatra, ny mpisoronabe rehefa Andro Fandrakofam-pahotana, ary tsy indray mandeha fotsiny fa indroa. (Levitikosy 16:4, 23, 24) Tsy maintsy nisasa tanana sy tongotra ny mpisorona alohan’ny hanolorana sorona ho an’i Jehovah. (Eksodosy 30:17-21; 2 Tantara 4:6) Milaza antony 70 eo ho eo mahatonga ny olona haloto ny Lalàna. Tsy afaka nandray anjara tamin’ny fanompoana ny Israelita raha mbola naloto. Nety ho novonoina ho faty mihitsy aza izy. (Levitikosy 15:31) ‘Naringana tsy ho eo amin’ny fiangonana’ izay tsy nety nanaraka ny toromarika momba ny fidiovana, anisan’izany ny hoe mandro sy manasa akanjo.—Nomery 19:17-20.

7 Marina fa tsy fehezin’ny Lalàn’i Mosesy isika. Ahafantarantsika ny fomba fihevitr’Andriamanitra anefa izy io. Asongadin’izy io fa tsy maintsy madio ny mpanompony. Tsy miova i Jehovah, ka midika izany fa rehefa “madio sady tsy misy loto” ihany ny fivavahantsika vao ekeny. (Malakia 3:6; Jakoba 1:27) Tokony ho fantatsika àry hoe inona no tiany hataontsika mba hadio foana isika.

NY HOE MADIO EO IMASON’ANDRIAMANITRA

8. Inona no atao hoe madio eo imason’i Jehovah?

8 Tsy hoe manana vatana madio fotsiny no atao hoe madio eo imason’Andriamanitra. Ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika mihitsy no tokony hadio, anisan’izany ny fivavahantsika, ny fitondran-tenantsika, ny saintsika, ny vatantsika, ary ny fananantsika. Hodinihintsika tsirairay ireo.

9, 10. Inona no atao hoe manaraka fivavahana madio, ary inona no tsy ataon’ny tena Kristianina?

9 Fivavahana madio. Tsy mampifangaro ny fivavahana marina amin’ny diso ny hoe manaraka fivavahana madio. Tsy maintsy nankatò an’izao tenin’i Jehovah izao, ohatra, ny Israelita, rehefa niala tany Babylona: ‘Mivoaha avy ao, ary aza mikasika an’izay maloto! Aoka hadio ianareo.’ (Isaia 52:11) Hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana amin’i Jehovah no tena antony nodian’ny Israelita tany Jerosalema. Tokony hadio àry izany fivavahana izany, izany hoe tsy tokony ho voaloton’ny fampianarana na ny fombafomban’ny fivavahana babylonianina, izay nanala baraka an’Andriamanitra.

10 Tena Kristianina isika ka tokony hitandrina mba tsy ho voaloton’ny fivavahan-diso. (Vakio ny 1 Korintianina 10:21.) Hita hatraiza hatraiza mantsy ny herin’izy io. Mampianatra, ohatra, ny fivavahan-diso hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. (Mpitoriteny 9:5, 6, 10) Misy fomban-drazana sy fanao mifandray amin’izany any amin’ny tany maro. Tsy manao fombafomba mifandray amin’ny fivavahan-diso àry ny tena Kristianina. * Tsy hanaiky isika raha misy manery antsika handika ny fitsipika lazain’ny Baiboly fa tokony harahina ao amin’ny fivavahana madio.—Asan’ny Apostoly 5:29.

11. Inona no atao hoe madio fitondran-tena? Nahoana no tena tokony hadio fitondran-tena foana isika?

11 Fitondran-tena madio. Tsy manao ny fanao ratsy rehetra ampiasana ny filahiana na ny fivaviana ny hoe madio fitondran-tena. (Vakio ny Efesianina 5:5.) Tena tsy tokony hanao izany isika. Horesahin’ny toko manaraka fa tsy maintsy ‘mandositra ny fijangajangana’ isika, mba ho tian’Andriamanitra foana. ‘Tsy handova ny fanjakany’ mantsy ny mpijangajanga tsy mibebaka. (1 Korintianina 6:9, 10, 18) ‘Maloto sy maharikoriko’ an’Andriamanitra izy ireny. Ny ‘fahafatesana faharoa no anjarany’, raha tsy miezaka hadio fitondran-tena izy.—Apokalypsy 21:8.

12, 13. Inona no ifandraisan’ny eritreritry ny olona sy ny ataony? Ahoana no hananana saina madio foana?

12 Saina madio. Izay eritreretin’ny olona no ataony. Azo antoka àry fa hanao ratsy isika, na ho ela na ho haingana, raha zava-dratsy no avelantsika ho ao am-po sy ao an-tsaintsika. (Matio 5:28; 15:18-20) Hadio fitondran-tena foana kosa isika raha mieritreritra zavatra madio foana. (Vakio ny Filipianina 4:8.) Ahoana àry no hananana saina madio foana? Tsy tokony hanao fialam-boly mety hahatonga antsika hieritreritra zavatra maloto isika. * Ho feno zavatra tsara koa ny saintsika raha mianatra Baiboly tsy tapaka isika.—Salamo 19:8, 9.

13 Tena ilaina àry ny manaraka fivavahana madio sy manana fitondran-tena sy saina madio, raha tiantsika ny ho tian’Andriamanitra foana. Mbola horesahina bebe kokoa ireo, fa hodinihintsika izao ny fahadiovana eo amin’ny fiainana andavanandro.

EO AMIN’NY FIAINANA ANDAVANANDRO

14. Safidin’ny tsirairay fotsiny ve ny fahadiovana? Hazavao.

14 Tokony hadio ny vatantsika sy ny tranontsika ary ny tokotanintsika. Safidin’ny tsirairay ve anefa izany ka tsy tokony hidiran’ny hafa? Tsy tokony hieritreritra toy izany ny mpanompon’i Jehovah. Nianarantsika fa tena tian’i Jehovah hadio isika, satria mahasoa antsika izany sady manome voninahitra azy. Raha maloto sy manao akanjo misavoritaka foana, ohatra, ny zaza iray, fa tsy toy ilay zaza terỳ aloha, tsy hanontany tena ve ianao hoe mba iza koa no ray aman-dreniny? Tsy irintsika hanala baraka an’ilay Raintsika, na hahatonga ny olona tsy hihaino ny fitoriantsika, ny fomba fitafintsika sy ny fomba fiainantsika. Mampirisika antsika hanahaka an’i Paoly ny Baiboly. Hoy i Paoly: “Tsy manao izay hahatafintohina olona mihitsy izahay, mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoanay. Fa mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay amin’ny lafiny rehetra.” (2 Korintianina 6:3, 4) Ahoana àry no hatao mba hadio foana?

15, 16. Inona no atao hoe zatra madio, ary tokony hanao ahoana ny akanjontsika?

15 Ny vatana sy ny akanjo. Tsy mitovy ny kolontsain’ny olona sy ny fari-piainany. Misy rano sy savony anefa mazàna any amin’ny tany rehetra, ka afaka mandro matetika isika sy ny zanatsika, amin’izay madio. Tsara raha zatra madio isika, izany hoe misasa tanana amin’ny savony alohan’ny hisakafo na handray sakafo, na rehefa avy tany an-kabine, na avy nanasa na nanolo zaza. Misoroka aretina ny fanasana tanana amin’ny savony, sady tena mamonjy aina. Misakana ny mikraoba tsy hiparitaka izany, ka miaro ny olona amin’ny aretim-pivalanana. Azo atao koa ny mandevina ny maloto toy ny nataon’ny Israelita, raha tsy misy kabine.—Deoteronomia 23:12, 13.

16 Mila sasana matetika koa ny akanjo mba hadio sy ho mendrika. Tsy voatery ho lafo be na ho ara-damaody ilay izy, fa tokony hadio sy hilamina ary ho maotina. (Vakio ny 1 Timoty 2:9, 10.) Tiantsika ‘handravaka ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika’ ny fomba fitafintsika, na aiza isika na aiza.—Titosy 2:10.

17. Nahoana no tokony hadio sy ho mendrika ny trano sy ny tokotany ary ny fananantsika?

17 Ny trano sy ny tokotany. Tokony hadio sy ho mendrika araka izay azo atao ny tranontsika, na dia tsotsotra aza. Ary ahoana raha mitondra fiara na bisikileta isika rehefa mivory sy manompo? Tokony hiezaka isika hanadio azy ireny foana araka izay azo atao, na ny anatiny na ny ivelany. Tadidio fa fitoriana vita ho azy ny trano sy tokotany ary fananana madio. Isika koa aza mampianatra hoe Andriamanitra madio i Jehovah, ‘handringana izay manimba ny tany’ izy, ary tsy ho ela ny Fanjakany dia hanova ny tany ho paradisa. (Apokalypsy 11:18; Lioka 23:43) Tiantsika ho hitan’ny olona amin’ny tranontsika sy ny fananantsika fa efa miezaka mba hadio isika dieny izao, satria ilaina ao amin’ny tontolo vaovao izany.

Tokony hadio isika sy ny fananantsika

18. Ahoana no ampisehoantsika fa manaja ny Efitrano Fanjakana isika?

18 Ny toeram-pivavahana. Tia an’i Jehovah isika ka manaja ny toerana anompoantsika azy, izany hoe ny Efitrano Fanjakana. Tiantsika ho hitan’ireo olona sambany vao mivory fa toerana madio no ivoriantsika. Mila diovina sy kojakojaina tsy tapaka àry izy io, mba ho tsara sy hanintona foana. Manaja ny Efitrano Fanjakana isika, raha manao izay azontsika atao mba hahatonga azy io hadio foana sy tsy ho simba. Faly isika manolo-tena hanadio sy ‘hanatsara ary hanamboatra izay simba’ amin’ny toeram-pivavahantsika. (2 Tantara 34:10) Toy izany koa no ataontsika amin’ny Efitrano Fivoriambe na toerana hafa anaovana fivoriambe.

FADIO NY FANAO MANDOTO NY TENA

19. Inona no tsy tokony hataontsika raha te hadio foana isika? Ahoana no hanampian’ny Baiboly antsika amin’izany?

19 Mandoto ny tenantsika ny mifoka sigara, misotro toaka be loatra, na mampiasa zava-mahadomelina na fanafody mahadomelina tsy avy any amin’ny dokotera. Tokony hifady an’ireny àry isika raha te hadio foana. Tsy resahin’ny Baiboly daholo ny fanao maloto sy maharikoriko miely ankehitriny. Misy toro lalana anefa ao, ka izy ireny no manampy antsika hahalala ny fiheveran’i Jehovah an’ireny fanao ireny. Rehefa fantatsika ny fomba fiheviny, dia lasa manao izay ankasitrahany isika satria tia azy. Andao àry isika handinika toro lalana dimy.

20, 21. Inona no fanao tsy tian’i Jehovah hataontsika, ary inona no antony tena lehibe tokony hanarahantsika izany?

20 “Koa satria nahazo izany fampanantenana izany isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintianina 7:1) Tsy tian’i Jehovah hanao zavatra mandoto ny vatantsika sy manimba ny toe-tsaintsika isika. Raha misy fanao efa fantatrao àry hoe mahavoa ny saina na mankarary, dia aza manaiky handevozin’izany.

21 Resahin’ny Baiboly ny antony tena lehibe tokony ‘hanadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto.’ Milaza ilay 2 Korintianina 7:1 fa ‘nahazo fampanantenana isika.’ Fampanantenana inona? Nampanantena i Jehovah hoe: ‘Handray anareo aho, ary ho rainareo.’ (2 Korintianina 6:17, 18) Eritrereto ange izany e! Ho toy ny ray i Jehovah ka hiahy sy hiaro anao ary ho tia anao. Tsy hanao izany anefa izy raha mandoto “ny nofo sy ny saina” ianao. Tsy hifandray akaiky aminao intsony izy raha manao zavatra maharikoriko ianao. Adala àry ianao raha foinao izany fifandraisana sarobidy izany!

22-25. Inona avy no toro lalan’ny Baiboly manampy antsika hifady ny fanao maloto?

22 “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Matio 22:37) Nilaza i Jesosy fa io no didy lehibe indrindra. (Matio 22:38) Mendrika ny hotiavintsika amin’ny fo sy tena ary saina manontolo i Jehovah. Raha tia azy toy izany isika, dia tokony hifady ny fanao mety hanafohy ny androntsika, na hanadonto ny fahaiza-misaina nomeny antsika.

23 “[I Jehovah] no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:24, 25) Fanomezan’Andriamanitra ny aina. Tiantsika izy ka tokony hohajaintsika ilay fanomezany. Hifady an’izay fanao rehetra manimba fahasalamana àry isika, satria tena tsy manaja ny aina izay manao izany.—Salamo 36:9.

24 “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) Tsy izay andevozin’ny fanao maloto ihany matetika no mizaka ny vokany, fa ny manodidina koa. Mety hanimba ny fahasalaman’ny olona tsy mifoka, ohatra, ny setro-tsigara. Mandika an’ilay didin’i Jehovah mba ho tia ny namana àry ny olona mampidi-doza ny hafa. Hita koa fa mandainga izy raha milaza ho tia an’Andriamanitra.—1 Jaona 4:20, 21.

25 “Ampahatsiahivo hatrany izy ireo mba hanaiky sy hankatò ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra.” (Titosy 3:1) Voararan’ny lalàna any amin’ny tany maro ny manana na mampiasa zava-mahadomelina toy ny rongony. Tena Kristianina isika ka tsy manana na mampiasa zava-mahadomelina tsy ara-dalàna.—Romanina 13:1.

26. a) Inona no tokony hataontsika mba ho tian’Andriamanitra foana? b) Nahoana no izany no fomba fiaina tsara indrindra?

26 Mila madio amin’ny lafiny rehetra àry isika, fa tsy amin’ny lafiny sasany fotsiny, raha te ho tian’Andriamanitra foana. Mety ho sarotra ny hoe miala amin’ny fanao maloto sy tsy manao an’ilay izy intsony. Azo atao tsara anefa izany. * Izany no fomba fiaina tsara indrindra, satria mahasoa antsika foana ny fampianaran’i Jehovah. (Vakio ny Isaia 48:17.) Hanome voninahitra an’ilay Andriamanitra tiantsika koa isika, raha madio foana. Ho tiany foana isika amin’izay! Tsy mahafaly ve ny mahafantatra an’izany?

^ feh. 2 Manondro vatana madio indraindray ny teny hebreo nadika hoe “madio.” Matetika anefa izy io no midika hoe fitondran-tena na fivavahana madio.

^ feh. 26 Jereo ilay efajoro hoe “ Miezaka Mafy Hanao ny Tsara ve Aho?”, sy ilay hoe “ Hain’Andriamanitra ny Zava-drehetra.”

^ feh. 67 Novana ny anarana.