Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 11

‘Aoka ho Mendri-kaja ny Fanambadiana’

‘Aoka ho Mendri-kaja ny Fanambadiana’

“Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao.”—OHABOLANA 5:18.

1, 2. Inona no hodinihintsika, ary nahoana?

MANAMBADY ve ianao? Mahatsiaro ho sambatra am-panambadiana ve ianao, sa misy olana lehibe ao an-tokantranonao? Lasa tsy mifandray am-po intsony ve ianareo mivady? Miaritra fotsiny ve ianao, fa tsy tena mankafy ny fiarahanareo? Raha izany no izy, dia malahelo angamba ianao fa lasa tsy dia mifankatia intsony ianareo roa. Azo antoka anefa fa irinao hanome voninahitra an’ilay Andriamanitra tianao ny fanambadianao, satria Kristianina ianao. Mety hampiady saina anao sy hankarary ny fonao àry ny zava-misy ao an-tokantranonao. Aza mieritreritra mihitsy anefa hoe tsy misy azo atao intsony!

2 Nisy mantsy mpivady kristianina niaritra fotsiny fa tsy tena nifandray am-po taloha. Mifankatia tsara anefa izy izao satria nahita fomba hanatsarana ny fifandraisany. Afaka ny hanana tokantrano sambatra koa ianao. Hodinihintsika izao izay azonao atao.

MIEZAHA HIFANDRAY AKAIKY KOKOA AMIN’ANDRIAMANITRA SY AMIN’NY VADINAO

3, 4. Hifankatia kokoa ny mpivady, raha miezaka mifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra. Hazavao amin’ny ohatra.

3 Hifandray akaiky kokoa ianareo mivady, raha miezaka mifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra. Eritrereto hoe misy lehilahy sy vehivavy eo am-pototry ny tendrombohitra iray, fa ny iray eo avaratra ary ny iray eo atsimo. Manomboka mianika azy io izy ireo. Misy elanelany be manasaraka azy ireo amin’ny voalohany. Mihamihena anefa ilay elanelana, rehefa mihamanakaiky ny tendron’ilay tendrombohitra izy ireo. Azonao ve ny hevitra mampahery ampitaina amin’io ohatra io?

4 Azo oharina amin’ny ezaka ataon’ny olona mianika tendrombohitra, ny ezaka ataonareo mivady mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Toy ny hoe efa samy miezaka mafy mianika an’ilay tendrombohitra ianareo, satria tia an’i Jehovah. Toy ny hoe mianika an’ilay tendrombohitra avy eo amin’ny andaniny samy hafa anefa ianareo, raha lasa tsy nifandray akaiky intsony. Mety hisy elanelany be eo aminareo amin’ny voalohany, fa hifanatona kosa ianareo arakaraka ny hiakaranareo. Hifandray akaiky kokoa àry ianareo, arakaraka ny hiezahanareo hifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra. Izany no tena vahaolana. Ahoana no hanaovana an’izany?

Mifankatia kokoa ny mpivady raha mampihatra izay lazain’ny Baiboly

5. a) Inona no azonao atao mba hifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah sy amin’ny vadinao? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanambadiana?

5 Toy ny hoe miakatra an’ilay tendrombohitra ianareo mivady, rehefa mampihatra ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra momba ny fanambadiana, ary tena ilaina izany. (Salamo 25:4; Isaia 48:17, 18) Anisan’izany ilay torohevitra nomen’ny apostoly Paoly hoe: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana.” (Hebreo 13:4) Sarobidy ny zavatra mendri-kaja, ka midika izany fa sarobidy amin’i Jehovah ny fanambadiana.

HIHEVITRA NY FANAMBADIANA HO MENDRI-KAJA IANAO RAHA TENA TIA AN’I JEHOVAH

6. Nahoana no azo lazaina fa tsy zavatra efa misy no noresahin’i Paoly? Nahoana izany no tokony hotadidina?

6 Mpanompon’Andriamanitra ianareo mivady, ka efa mahafantatra fa sarobidy ny fanambadiana, ary masina mihitsy aza. I Jehovah no namorona azy io. (Vakio ny Matio 19:4-6.) Na fantatrareo aza anefa hoe mendri-kaja ny fanambadiana, dia mety tsy ho ampy izany mba handrisika anareo hifankatia sy hifanaja, raha efa misy olana ao an-tokantranonareo. Inona àry no mety hanampy anareo hanao izany? Mariho fa tsy nilaza i Paoly hoe: ‘Mendri-kaja ny fanambadiana.’ Nilaza kosa izy hoe: ‘Aoka ho mendri-kaja ny fanambadiana.’ Tsy hoe miresaka zavatra efa misy fotsiny izy, fa mampirisika antsika hanao zavatra. * Raha mitadidy an’izany ianao, dia mety ho vao mainka te hanaja ny vadinao indray toy ny nataonao taloha. Nahoana?

7. a) Inona no didy ao amin’ny Baiboly efa ankatoavintsika, ary nahoana? b) Inona no vokany rehefa mankatò isika?

7 Diniho kely izao: Ahoana tokoa moa no fiheveranao ny didy hafa ao amin’ny Baiboly, toy ny hoe mila manao mpianatra sy mivory? (Matio 28:19; Hebreo 10:24, 25) Tsy mora ny manao an’ireo indraindray. Tsy mandray tsara angamba ny olona itorianao, ary mety ho mafy be aminao ny mandeha mivory rehefa vizana avy miasa ianao. Mbola mitory sy mivory foana anefa ianao. Tsy misy mahasakana anao, na i Satana aza! Fa nahoana? Satria tena tia an’i Jehovah ianao ka mankatò ny didiny. (1 Jaona 5:3) Inona no vokany? Manjary milamin-tsaina sy faly be ianao satria fantatrao fa manao ny sitrapon’Andriamanitra ianao rehefa mitory sy mivory. Vao mainka mahazo hery ianao amin’izay. (Nehemia 8:10) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

8, 9. a) Inona no handrisika ny mpivady hanao izay hahatonga ny fanambadiany ho mendri-kaja, ary nahoana? b) Inona ireo hevitra roa hodinihintsika?

8 Tena tia an’Andriamanitra ianao matoa mankatò ny didiny hitory sy hivory, na eo aza ny sakana. Io fitiavana io ihany àry no handrisika anao hankatò an’ilay fampirisihana hoe: ‘Aoka ho mendri-kaja ny fanambadiana.’ (Hebreo 13:4; Salamo 18:29; Mpitoriteny 5:4) Omen’Andriamanitra fitahiana be dia be ianao rehefa miezaka mitory sy mivory. Ho hitany koa àry ny ezaka ataonao mba hahatonga ny fanambadianao ho mendri-kaja, ka hotahiny ianao.—1 Tesalonianina 1:3; Hebreo 6:10.

9 Ahoana àry no hahatonga ny fanambadianao ho mendri-kaja? Misy zavatra tsy tokony hatao satria mety hanimba tokantrano, fa misy kosa tena ilaina hatao mba hanatsarana ny fifandraisanareo mivady.

FITENY SY FANAO TSY MAHAMENDRI-KAJA NY FANAMBADIANA

10, 11. a) Inona no fanao tsy mahamendri-kaja ny fanambadiana? b) Inona no fanontaniana tokony hiarahan’ny mpivady midinika?

10 Hoy ny anabavy iray, efa elaela izay: “Mivavaka amin’i Jehovah aho mba hahavita hiaritra.” Hiaritra inona? Nilaza izy hoe: “Manao teny mamelively ahy ny vadiko. Tsy misy farany intsony ny hoe: ‘Mankaleo ahy mihitsy ianao ity!’, na hoe ‘Vehivavy tsisy ilana azy!’ Marina fa tsy hita hoe mangana ny tenako. Mamela holatra ato am-poko anefa ireny teny maharary ireny.” Olana lehibe tokoa io noresahin’ilay anabavy io, dia ny fanevatevana.

11 Mampalahelo tokoa rehefa ny mpivady kristianina no mifanao teny maharary, satria miteraka ratram-po tsy mora sitranina izany. Tsy mendri-kaja mihitsy ny fanambadiana andrenesana teny toy izany. Manao ahoana àry ny tokantranonao? Ho fantatrao izany raha manetry tena ianao, ka manontany ny vadinao hoe: “Manao teny maharary ve aho rehefa miresaka aminao?” Tsy maintsy vonona hiova ianao, raha milaza izy fa matetika no mankarary ny fony ny zavatra lazainao.—Galatianina 5:15; vakio ny Efesianina 4:31.

12. Inona no mety hahatonga ny fanompoan’ny olona iray ho zava-poana amin’Andriamanitra?

12 Tadidio tsara fa misy vokany eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah ny fomba fiteninao amin’ny vadinao. Hoy mantsy ny Baiboly: “Raha misy olona mihevi-tena ho mpivavaka nefa tsy manisy lamboridy ny lelany, fa mbola mamitaka ny fony ihany izy, dia zava-poana ny fivavahana arahin’izany olona izany.” (Jakoba 1:26) Tena misy ifandraisany àry ny teny lazainao sy ny fanompoanao an’Andriamanitra. Tsy milaza ny Baiboly hoe rehefa mitonona ho mpivavaka ny olona, dia tsy mampaninona izay mitranga ao an-tokantranony. Raharaha lehibe izany, ka aza mamita-tena mihitsy! (Vakio ny 1 Petera 3:7.) Mahatonga ny fanambadianao ho tsy mendri-kaja ianao, raha minia manao teny maharary amin’ny vadinao. Mety ho zava-poana amin’Andriamanitra ny fanompoanao azy amin’izay, na dia be zotom-po sy mahay miantsoroka andraikitra eo anivon’ny fiangonana aza ianao.

13. Inona no mety hataon’ny olona efa manambady, ka hankarary ny fon’ny vadiny?

13 Ilaina koa ny mitandrina amin’ny zavatra hafa mety hiteraka ratram-po, na dia tsy mivantana aza. Diniho ireto ohatra ireto: Reny iray tokan-tena, mitelefaonina matetika ny rahalahy iray manambady mba haka torohevitra, ary miresaka ela be izy ireo. Na rahalahy iray mpitovo, mandany fotoana be isan-kerinandro hiarahana manompo amin’ny anabavy iray efa manambady. Mety tsy hieritreritra ny hanao ratsy ireo olona manambady ireo. Inona anefa no tsapan’ny vadiny? Hoy ny anabavy iray: “Tena malahelo aho mahita hoe mandany fotoana be hiarahana amin’ny rahavavy iray eo anivon’ny fiangonana ny vadiko, sady mikarakara be azy. Lasa hoatran’ny tsisy dikany aho.”

14. a) Inona no adidin’ny olona manambady, araka ny Genesisy 2:24? b) Inona no mila dinihintsika?

14 Tsy mahagaga raha malahelo io anabavy io sy ny olona toa azy. Tsy manaraka an’ity fitsipika lehibe nomen’Andriamanitra ity mantsy ny vadiny: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny.” (Genesisy 2:24) Marina fa mbola manaja ny ray aman-dreniny ny olona manambady. Ny vadiny anefa no adidiny voalohany indrindra eo anatrehan’Andriamanitra. Ny vadiny koa no mbola andraikiny voalohany indrindra, na dia tena tiany aza ny mpiray finoana aminy. Mampisy disadisa eo amin’izy sy ny vadiny àry ny Kristianina, raha mandany fotoana be loatra hiarahana amin’ny mpiara-manompo na mifankazatra be loatra amin’izy ireny, indrindra amin’ny vehivavy raha rahalahy izy, ary amin’ny lehilahy raha anabavy izy. Sao dia izany no anton’ny olana ao an-tokantranonao? Mila dinihinao àry hoe: ‘Omeko ny fitiavana sy ny fotoana ary ny fikarakarana tokony ho azy ve ny vadiko?’

15. Araka ny Matio 5:28, nahoana no tsy tokony hiahy be loatra ny olona tsy vadiny ny Kristianina manambady?

15 Tsy hendry sady misangy loza mihitsy ireo rahalahy manambady, raha miahy be loatra ny vehivavy tsy vadiny. Toy izany koa ireo anabavy manambady raha manao toy izany amin’ny lehilahy tsy vadiny. Mampalahelo fa lasa raiki-pitia tamin’ny olona nifankazatra be loatra taminy ny Kristianina sasany efa manambady. (Matio 5:28) Nitarika azy ireo hanao ratsy izany, ka vao mainka lasa tsy mendri-kaja ny fanambadiany. Mariho izay nolazain’i Paoly momba izany.

“AOKA TSY HO VOALOTO  NY FANDRIANAN’NY MPIVADY”

16. Inona no didy nomen’i Paoly momba ny fanambadiana?

16 Vao avy nampirisika ny olona hanana fanambadiana mendri-kaja i Paoly, dia nampitandrina hoe: “Aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.” (Hebreo 13:4) Ny firaisana no tiany holazaina amin’ny hoe “fandrianan’ny mpivady.” Rehefa ny mpivady ihany no manao firaisana, vao lazaina hoe ‘tsy voaloto’ izy io. Mankatò an’izao tenin’Andriamanitra izao àry ny Kristianina: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao.”—Ohabolana 5:18.

17. a) Nahoana ny Kristianina no tsy manaraka ny fiheveran’ity tontolo ity ny fanitsakitsaham-bady? b) Ahoana no hanahafantsika an’i Joba?

17 Tena manao tsinontsinona ny lalàn’Andriamanitra izay manao firaisana amin’ny olona tsy vadiny. Marina fa maro no mihevitra hoe tsy maninona ny manitsakitsa-bady. Tsy tokony havelan’ny tena Kristianina hamolavola azy anefa ny fiheveran’ny olona. Fantatr’izy ireo mantsy fa tsy olona no hitsara azy fa Andriamanitra. Izy no ‘hanameloka ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.’ (Hebreo 10:31; 12:29) Ny fomba fihevitr’i Jehovah àry no arahin’izy ireo. (Vakio ny Romanina 12:9.) Tadidio ilay tenin’i Joba hoe: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho.” (Joba 31:1) Mifehy ny masony tokoa ny tena Kristianina mba tsy haniry hanao firaisana amin’olona tsy vadiny. Mety hitarika azy hanitsakitsa-bady mantsy na izay fotsiny aza.—Jereo ny Fanazavana Fanampiny hoe “Azo Atao ve ny Misaraka na Misintaka?

18. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanitsakitsaham-bady? b) Inona no itovizan’ny mpanitsakitsa-bady sy ny mpanompo sampy?

18 Ahoana tokoa moa no fiheveran’i Jehovah ny fanitsakitsaham-bady? Hitantsika ao amin’ny Lalàn’i Mosesy izany. Samy voaheloka ho faty na ny mpanitsakitsa-bady na ny mpanompo sampy, teo amin’ny Israely. (Levitikosy 20:2, 10) Hitanao ve ny mampitovy an’ireo? Nandika ny fifanekena nataony tamin’i Jehovah ny Israelita, raha nanompo sampy. Nandika ny fifanekena nataony tamin’ny vadiny koa ny Israelita, raha nanitsakitsaka azy. Samy nivadika izy ireo. (Eksodosy 19:5, 6; Deoteronomia 5:9; vakio ny Malakia 2:14.) Samy meloka àry izy ireo eo anatrehan’i Jehovah, ilay Andriamanitra mendri-pitokisana sy tsy mivadika.—Salamo 33:4.

19. Inona no hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hoe tsy hanitsakitsa-bady? Nahoana?

19 Marina fa tsy fehezin’ny Lalàn’i Mosesy isika. Vao mainka ho tapa-kevitra ny tsy hanitsakitsa-bady anefa isika, raha mitadidy fa fahotana lehibe izany teo amin’ny Israely fahiny. Nahoana? Misy fampitahana kely ity: Ho sahinao ve ny hiditra any am-piangonana dia handohalika sy hivavaka eo amin’ny sary vongana? Azo antoka fa hilaza ianao hoe ‘Sanatria!’ Tsy hanao an’izany mihitsy ianao na tambazana vola be aza. Rikoriko tokoa ny tena Kristianina na dia rehefa mieritreritra fotsiny aza hoe hanompo sampy ka hivadika amin’i Jehovah. Tokony haharikoriko azy koa àry na dia ny mieritreritra fotsiny hoe hanitsakitsa-bady ka hivadika amin’i Jehovah sy ny vadiny. Tokony ho hoatr’izany foana no fiheverantsika ny hoe manitsakitsa-bady, na inona na inona zavatra mety hitarika antsika hanao izany. (Salamo 51:1, 4; Kolosianina 3:5) Tsy tiantsika mihitsy ny hanao zavatra hampifaly an’i Satana, nefa hanala baraka an’i Jehovah sy hahatonga ny fanambadiana ho tsy mendri-kaja.

INONA NO HAMPIFANKATIA KOKOA ANAREO?

20. Lasa nanao ahoana ny fifandraisan’ny mpivady sasany? Hazavao amin’ny ohatra.

20 Inona kosa no tokony hataonao raha tianao ny hanaja ny vadinao toy ny nataonao taloha? Azo oharina amin’ny trano ny fanambadiana, ka ny teny mamy sy ny fifanehoana hatsaram-panahy ary ny fifanomezam-boninahitra no haingon-trano mandravaka azy. Mahafinaritra sy mahatamana ny trano misy haingony tsara tarehy. Toy izany ny fanambadianao, raha mifandray am-po tsara ianareo mivady. Toy ny hoe miala tsikelikely kosa ireo haingon-trano ireo, raha mihamihena ny fifankatiavanareo. Ho toy ny trano babangoana tsy misy haingony ny fanambadianao, amin’ny farany. Azo inoana anefa fa hiezaka hanatsara ny fifandraisanareo ianao, satria te hankatò an’ilay didin’Andriamanitra hoe: ‘Aoka ho mendri-kaja ny fanambadiana.’ Moa ve tsy mendrika ny hamboarina tokoa ny zavatra sarobidy sy mendri-kaja raha simba? Inona àry no azo atao? Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Fahendrena no ilaina mba hanorenana ny trano, ary fahaiza-manavaka no ilaina mba hahamafy orina azy. Fahalalana no hahatonga ny efitrano anatiny ho feno ny zava-tsarobidy lafo vidy sy mahafinaritra rehetra.” (Ohabolana 24:3, 4) Ahoana no hampiharana an’izany ao an-tokantrano?

21. Inona no azon’ny mpivady atao mba hampifankatia azy kokoa? (Jereo koa ilay efajoro hoe “ Ahoana no Hanatsarako ny Fifandraisanay?”)

21 Anisan’ny zava-tsarobidy ao amin’ny tokantrano sambatra ny tena fitiavana sy ny tahotra an’Andriamanitra ary ny finoana matanjaka. (Ohabolana 15:16, 17; 1 Petera 1:7) Toetra mampifandray tsara ny mpivady ireo. Voamarikao tao amin’ilay Ohabolana 24:3, 4 ve hoe inona no nahatonga an’ireo efitrano ho feno zava-tsarobidy? Ny “fahalalana.” Manova toe-tsaina tokoa ny fahalalana ny Baiboly rehefa ampiharina izay lazainy ao. Afaka mandrisika ny mpivady mba hiezaka hifankatia kokoa izany. (Romanina 12:2; Filipianina 1:9) Isaky ny miara-mandinika andinin-teny na lahatsoratra momba ny fanambadiana àry ianareo mivady, dia toy ny hoe mandinika haingon-trano tsara tarehy mety hanatsara ny tranonareo. Mety ho teny vakina isan’andro izany, na Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! Rehefa mampihatra ny torohevitra hitanareo ao ianareo satria tianareo i Jehovah, dia toy ny hoe mametraka an’ilay haingon-trano ao amin’ireo efitra ao an-tranonareo. Mety hifankatia be toy ny taloha indray ianareo, ka ho toy ilay trano mahafinaritra sy mahatamana ny fanambadianareo.

22. Nahoana no ho faly ianao, raha manao ny anjaranao mba hampifankatia kokoa anareo mivady?

22 Marina fa mila fotoana sy ezaka be ny famerenana an’ireo haingon-trano ireo eo amin’ny toerany avy. Tena ho faly anefa ianao raha manao ny anjaranao. Fantatrao mantsy fa mankatò an’izao lazain’ny Baiboly izao ianao: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romanina 12:10; Salamo 147:11) Ny zava-dehibe indrindra, dia ho tian’Andriamanitra foana ianareo, satria miezaka mafy mba hahatonga ny fanambadianareo ho mendri-kaja.

^ feh. 6 Anisan’ny fampirisihana maromaro nomen’i Paoly io torohevitra io, rehefa jerena ny teny manodidina.—Hebreo 13:1-5.