Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 14

Manaova ny Marina Amin’ny Zava-drehetra

Manaova ny Marina Amin’ny Zava-drehetra

‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’​—HEBREO 13:18.

1, 2. Nahoana no faly i Jehovah mahita antsika miezaka hanao ny marina? Hazavao amin’ny ohatra.

NIRAHIN’NY mamany hividy labozia ny ankizy iray atao hoe Tsiry. Nisainy ny famerim-bola rehefa tafaverina izy, izay vao nomeny an’ny mamany. Niato tampoka anefa izy, ary taitra be. Nihoatra mantsy ilay famerim-bola. Nalahelo be izy, nefa nohazavain-dreniny taminy fa afaka miverina any amin’ilay mpivarotra izy mba hamerina ny vola nihoatra ary hiala tsiny. Faly ny renin’i Tsiry sady mirehareha. Nahoana?

2 Mahafaly ny ray aman-dreny ny mahita hoe zava-dehibe amin’ny zanany ny manao ny marina. Faly koa ilay Raintsika any an-danitra, rehefa mahita antsika mihamatotra ka miezaka mafy hanao ny marina. “Andriamanitry ny fahamarinana” mantsy izy. (Salamo 31:5) Tiantsika ny hampifaly azy sy ho tiany foana. “Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra” àry isika, toy ny apostoly Paoly. (Hebreo 13:18) Misy lafiny efatra anefa ahitana hoe tena sarotra indraindray ny manao an’izany. Hodinihintsika hoe inona avy izany, ary horesahintsika ny sasany amin’ny valisoa ho azo raha manao ny marina isika.

AMIN’NY TENANTSIKA

3-5. a) Ahoana no ampitandreman’ny Baiboly antsika mba tsy hamita-tena? b) Inona no hanampy antsika hamantatra ny tena toetrantsika?

3 Tsy lavorary isika ka mora mamita-tena. Sarotra àry ny miezaka hanao ny marina amin’ny tenantsika. Hijery ohatra manazava an’izany isika: Nihevitra ny Kristianina tany Laodikia hoe nanan-karena izy ireo. ‘Nahantra sy jamba ary nitanjaka’ teo amin’ny lafiny ara-panahy anefa no fahitan’i Jesosy azy. Mampalahelo tokoa izany! (Apokalypsy 3:17) Vao mainka anefa ratsy ilay izy satria diso hevitra izy ireo.

4 Tadidinao koa angamba ny tenin’i Jakoba mpianatra hoe: “Raha misy olona mihevi-tena ho mpivavaka nefa tsy manisy lamboridy ny lelany, fa mbola mamitaka ny fony ihany izy, dia zava-poana ny fivavahana arahin’izany olona izany.” (Jakoba 1:26) Mamitaka ny fontsika àry isika raha mihevitra fa eken’i Jehovah foana ny fanompoantsika, na dia tsy mitandrina an’izay lazaintsika aza isika. Ho zava-poana ny fanompoantsika an’i Jehovah sady ho very maina mihitsy. Ahoana no hisorohana an’izany?

5 Ampitovin’i Jakoba amin’ny fitaratra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Asainy mijery tsara ny lalàna tonga lafatra isika, ary manitsy an’izay tokony hahitsy. (Vakio ny Jakoba 1:23-25.) Afaka manampy antsika hamantatra ny tena toetrantsika sy hahita izay tokony hohatsaraintsika ny Baiboly. (Fitomaniana 3:40; Hagay 1:5) Afaka mivavaka amin’i Jehovah koa isika mba handinihany antsika, ka hanampiany antsika hahita sy hanitsy izay fahalemena lehibe mety hananantsika. (Salamo 139:23, 24) Mety tsy ho tsikaritsika akory hoe efa mamita-tena isika. Mila manahaka ny fomba fihevitr’i Jehovah an’izany fahalemena izany anefa isika. Hoy mantsy ny Ohabolana 3:32: “Maharikoriko an’i Jehovah ny olona fetsifetsy, fa ny olo-mahitsy kosa no manana fifandraisana akaiky aminy.” Afaka manampy antsika hanahaka ny fomba fiheviny sy hahita ny tenantsika toy ny ahitany antsika ilay Raintsika any an-danitra. Tadidio fa nilaza i Paoly hoe: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’ Tsy afaka ny ho lavorary isika ankehitriny, nefa tena maniry hanao ny marina sady miezaka mafy hanao izany.

AO AN-TOKANTRANO

Misakana antsika tsy hanao ratsy ny fitiavana ny marina

6. Nahoana ny mpivady no tokony hifampilaza ny marina? Inona no loza ho voasoroka amin’izany?

6 Tokony hampiavaka ny fianakaviana kristianina ny fanaovana ny marina. Tsy tokony hifanafina na inona na inona àry ny mpivady, fa hifampilaza ny marina. Tsy tokony hisy Kristianina manambady nefa mbola miadaladala amin’olon-kafa, na mangalatra mifandray amin’olon-kafa amin’ny Internet, na koa mihaino na mijery na mamaky zavatra vetaveta. Fanao maloto mantsy ireo sady mandratra fo. Efa nisy Kristianina nanao an’ireo zava-dratsy ireo, ary nanafina an’izany tamin’ny vadiny. Tsy manao ny marina ny olona toy izany. Mariho izao tenin’i Davida mpanjaka tsy nivadika izao: “Tsy miara-mipetraka amin’ny olona tsy marina aho, ary tsy mifanerasera amin’ireo manafina ny tena maha izy azy.” (Salamo 26:4) Fadio àry ny manao zavatra mety hahatonga anao halaim-panahy hanafina ny tena maha ianao anao, amin’ny vadinao.

7, 8. Inona no ohatra azo ampiasaina mba hampianarana ny ankizy hoe zava-dehibe ny manao ny marina?

7 Tsara raha mampiasa ohatra avy ao amin’ny Baiboly ny ray aman-dreny, rehefa mampianatra ny zanany hoe tena ilaina ny manao ny marina. Azo ampiasaina, ohatra, ny tantaran’i Akana. Nangalatra izy sady nanafina ny nataony. Teo koa i Gehazy. Nandainga izy mba hahazoam-bola. Nangalatra sy nandainga koa i Jodasy satria te hanisy ratsy an’i Jesosy.—Josoa 6:17-19; 7:11-25; 2 Mpanjaka 5:14-16, 20-27; Matio 26:14, 15; Jaona 12:6.

8 Misy kosa olona fakan-tahaka, ohatra hoe i Jakoba. Nampirisika ny zanany izy mba hamerina ny vola hitan’izy ireo tao anaty entany. Nihevitra mantsy izy hoe angamba fahadisoana ilay izy. Teo koa i Jefta sy ny zanany vavy. Nanefa ny voadin-drainy izy, na dia tena mafy taminy aza izany. I Jesosy indray kosa tsy natahotra nilaza tamin’ny vahoaka lozabe hoe izy ilay notadiavin’izy ireo. Te hanatanteraka faminaniana sy hiaro ny mpianany mantsy izy. (Genesisy 43:12; Mpitsara 11:30-40; Jaona 18:3-11) Ohatra vitsivitsy fotsiny ireo, nefa ahitan’ny ray aman-dreny hevitra tena tsara, mba hanampiana ny zanany ho tia manao ny marina sy hihevitra izany ho zava-dehibe.

9. Inona no tsy tokony hataon’ny ray aman-dreny? Nahoana izy no tena tokony ho modely?

9 Manana andraikitra lehibe àry ny ray aman-dreny. Hoy i Paoly: “Ianao izay mampianatra ny sasany io, mba mampianatra ny tenanao ve ianao? Ianao izay mitory hoe: ‘Aza mangalatra’, mangalatra ihany ve ianao?” (Romanina 2:21) Misy olona mampianatra ny zanany hanao ny marina, nefa ny tenany aza tsy manao. Manjary tsy hitan’ny ankizy izay hatao. Mety hangalangalatra, ohatra, ny ray na ny reny any am-piasana, ary hanamarin-tena hoe: “Efa ampoizin’ny lehibenay ange hoe hisy haka ireny e!” Na mety handainga izy ary hilaza hoe: “Lainga kely tsy misy dikany iny!” Rehefa halatra anefa dia halatra, na kely na be ilay nangalarina. Rehefa lainga koa dia lainga, na momba ny inona na momba ny inona, ary na lainga kely na lainga be. * (Vakio ny Lioka 16:10.) Tsy azo fitahina ny ankizy. Mety tsy hanao ny marina izy rehefa lehibe, raha hitany hoe mody miseho ho marina fotsiny ny ray aman-dreniny. (Efesianina 6:4) Raha ny ray aman-dreniny mihitsy anefa no modely, dia mety ho lasa mpanao ny marina koa izy rehefa lehibe, ka hanome voninahitra an’i Jehovah eto amin’ity tontolo tsy manao ny marina ity.—Ohabolana 22:6.

EO ANIVON’NY FIANGONANA

10. Inona no tokony hotandremantsika foana rehefa miresaka amin’ny mpiara-manompo isika?

10 Tena afaka miezaka manao ny marina isika rehefa mifanerasera amin’ny Kristianina hafa. Hitantsika tao amin’ny Toko faha-12 fa fanomezana ny fahafahana miteny, ka mila mitandrina isika mba hampiasa azy io amin’ny fomba tsara, indrindra rehefa miaraka amin’ny mpiray finoana. Mora mivadika ho fifosana na fanendrikendrehana mihitsy mantsy ny resadresaka. Mety ho anisan’ny mampiely lainga isika, raha mitantara zavatra tsy azo antoka hoe marina, ka tsara kokoa ny mifehy ny vavantsika. (Ohabolana 10:19) Na marina aza anefa ilay zavatra fantatsika, dia tsy voatery holazaina. Mety ho tsy tokony hidirantsika, ohatra, ilay izy, na tsy ho tsara fanahy isika raha milaza an’ilay izy. (1 Tesalonianina 4:11) Misy indray olona mivantambantam-piteny, satria hoe milaza ny marina, hono, izy. Tokony ho teny mahafinaritra sy feno hatsaram-panahy foana anefa no holazaintsika.—Vakio ny Kolosianina 4:6.

11, 12. a) Inona no manampy trotraka ny fahadisoan’ny olona sasany? b) Inona no laingan’i Satana momba ny fahotana lehibe, ary inona no hanampy antsika tsy hino izany? d) Ahoana no hampisehoantsika fa milaza ny marina amin’ny fandaminan’i Jehovah isika?

11 Tena ilaina ny milaza ny marina amin’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana. Misy olona manao fahotana lehibe ary vao mainka manampy trotraka an’ilay izy, satria manafina ny fahotany ary mandainga amin’ny anti-panahy rehefa anontaniana. Mihatsaravelatsihy mihitsy aza izy ireny, ka mody manompo an’i Jehovah nefa koa zatra manao fahotana lehibe. Saronany lainga ny fiainany manontolo. (Salamo 12:2) Misy koa milaza ny marina ihany, fa ny tena zava-dehibe tsy resahiny. (Asan’ny Apostoly 5:1-11) Manao toy izany ny olona matetika, satria mino ny laingan’i Satana.—Jereo ilay efajoro hoe “ Laingan’i Satana Momba ny Fahotana Lehibe.”

12 Zava-dehibe koa ny milaza ny marina amin’ny fandaminan’i Jehovah, rehefa mameno taratasy. Mila mitandrina, ohatra, isika rehefa mameno tatitra momba ny fanompoana mba tsy hanova ny tena vitantsika. Toy izany koa rehefa mameno fangatahana hahazo tombontsoam-panompoana: Tsy tokony handainga mihitsy isika rehefa milaza ny toe-pahasalamantsika na zavatra hafa momba antsika.—Vakio ny Ohabolana 6:16-19.

13. Ahoana no hanaovana ny marina raha mampiasa Kristianina isika, na isika no miasa aminy?

13 Manao ny marina amin’ny mpiray finoana koa isika, amin’ny raharaham-barotra sy ny asa. Mila mitandrina anefa isika mba tsy hiresaka momba izany any amin’ny Efitrano Fanjakana na rehefa manompo, satria tsy tokony hafangaro amin’ny fivavahana izany. Mila mitandrina koa isika mba hanao ny marina amin’izay Kristianina miasa ao amintsika: Tokony homena ara-potoana ny karama nifanarahana sy izay tombontsoa takin’ny lalàna. (1 Timoty 5:18; Jakoba 5:1-4) Raha isika indray no miasa amin’ny rahalahy na anabavy, dia ataontsika tsara ny asa mifanentana amin’ny karamantsika. (2 Tesalonianina 3:10) Tsy hoe satria mpiara-manompo ilay mpampiasa dia hanantena isika hoe hiangarany, ka tsy maintsy homeny fotoana tsy iasana, na tombontsoa hafa tsy omeny ny mpiasa hafa.—Efesianina 6:5-8.

14. Inona no fepetra tokony horaisin’ny Kristianina miombona raharaham-barotra, ary nahoana?

14 Ahoana raha misy Kristianina miombona raharaham-barotra na mifampisambo-bola? Izao no toro lalana lehibe sy mahasoa omen’ny Baiboly: Ataovy an-tsoratra ny zava-drehetra! Rehefa nividy tany, ohatra, i Jeremia, dia nasainy natao an-tsoratra sy natao dika mitovy ary nasiana vavolombelona ny fifanarahana. Nampirimina tsara ilay taratasy mba ho azo jerena any aoriana. (Jeremia 32:9-12; jereo koa ny Genesisy 23:16-20.) Soraty tsara àry ny tsipiriany rehetra, rehefa mifampiraharaha amin’ny mpiray finoana ianao. Makà vavolombelona ary asio sonia ilay taratasy. Tsy midika akory izany hoe tsy matoky azy ianao. Ilaina kosa izany mba hisorohana ny tsy fahazoan-dresaka, sy ny fahadisoam-panantenana, ary indrindra fa ny tsy fitovian-kevitra. Mety hampisara-bazana mantsy izany. Mila tadidin’ny Kristianina fa tsy tokony havela hanimba ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana ny raharaham-barotra. *1 Korintianina 6:1-8.

ETO AMIN’ITY TONTOLO ITY

15. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanaon’ny mpivarotra tsy manao ny marina? Ahoana kosa no ataon’ny Kristianina?

15 Tsy eo anivon’ny fiangonana ihany isika no tokony hanao ny marina. Hoy i Paoly: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’ (Hebreo 13:18) Tena tian’ilay Mpamorona hanao ny marina isika rehefa mitady vola. Ao amin’ny bokin’ny Ohabolana fotsiny, dia imbetsaka no asongadina fa mizana marina no tokony hampiasaina. (Ohabolana 11:1; 20:10, 23) Nampiasa mizana sy vatomizana ny olona fahiny rehefa nividy na nivarotra. Nolanjaina mantsy ny zavatra novidina sy ny vola nividianana azy. Tsy nanao ny marina ny mpivarotra sasany, satria nampiasa vatomizana roa karazana sy mizana tsy marina, mba hamitahana sy hanambakana. * Halan’i Jehovah izany! Mifady ny fanao rehetra toy izany isika, mba ho tiany foana.

16, 17. Ahoana no ataon’ny olona tsy manao ny marina eto amin’ity tontolo ity? Tapa-kevitra ny hanao inona kosa ny tena Kristianina?

16 I Satana no mpitondra an’ity tontolo ity, ka tsy mahagaga raha be dia be ny olona tsy manao ny marina. Isika koa aza mety halaim-panahy hanao toy izany isan’andro. Fanaon’ny olona, ohatra, ny mandainga na manitatra rehefa mameno taratasy fangatahana asa. Misy milaza ho manana diplaoma na traikefa tsy ananany akory. Matetika ny olona no manome valin-teny diso, rehefa mameno taratasy momba ny fifindra-monina, na hetra, na fiantohana sy ny toy izany, mba hahazoany izay tadiaviny. Betsaka ny mpianatra mifraody rehefa fanadinana. Maka tahaka an’izay hitany ao amin’ny Internet ny olona sasany rehefa asaina mamorona lahatsoratra na manao fikarohana, ary ataony toy ny hoe izy no nanoratra azy. Matetika koa ny olona no manao kolikoly rehefa mifampiraharaha amin’ny olona manana fahefana, mba hahazoany izay tadiaviny. Tsy mahagaga izany, satria maro no ‘tia tena sy tia vola ary tsy tia ny tsara’, eto amin’ity tontolo ity.—2 Timoty 3:1-5.

17 Tapa-kevitra ny tsy hanao an’izany ny tena Kristianina. Sarotra anefa izany indraindray, satria toa metimety ny fiainan’ny olona tsy manao ny marina, ary misy aza tafita mihitsy. (Salamo 73:1-8) Ny Kristianina kosa mety ho sahirana be satria te hanao ny marina “amin’ny zava-drehetra.” Tsy voa mafy ve isika raha izany? Tsy izany mihitsy! Nahoana? Inona avy no valisoa azon’izay manao ny marina?

VALISOA AZON’IZAY MANAO NY MARINA

18. Nahoana no tena sarobidy ny hoe malaza ho manao ny marina?

18 Tsy misy zava-tsarobidy noho ny hoe malaza ho manao ny marina sy mendri-pitokisana. Ny olona rehetra mihitsy no afaka manana laza tsara toy izany! Tsy miankina amin’ny fahaizana izany, na ny harena, na ny hatsaran-tarehy, na ny saranga, na ny zavatra hafa tsy azonao anoarana. Vitsy mpanana anefa io laza tsara io. (Mika 7:2) Mety hisy haneso anao àry noho ianao manao ny marina. Hisy kosa anefa hankasitraka an’izany, ka hanjary hatoky sy hanaja anao. Betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah nahita fa nahasoa azy ny fanaovana ny marina. Tsy nesorina tamin’ny asany, ohatra, izy ireny rehefa voaroaka ny mpiasa tsy nanao ny marina. Nisy koa nahita asa satria mpiasa manao ny marina no tena tadiavin’ny mpampiasa.—Jereo ilay efajoro hoe “ Manao ny Marina Foana ve Aho?

19. Hanao ahoana ny feon’ny fieritreretantsika sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, raha manao ny marina foana isika?

19 Mety tsy hitranga aminao ireo, nefa hahazo valisoa tsara kokoa noho izany ianao raha manao ny marina. Tsy henjehin’ny eritreritrao, ohatra, ianao. Hoy i Paoly: ‘Matoky izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara.’ (Hebreo 13:18) Tsy maintsy ho voamarik’ilay Raintsika be fitiavana koa ny lazanao. Tiany mantsy ny olona manao ny marina. (Vakio ny Salamo 15:1, 2; Ohabolana 22:1.) Ho tiany foana àry ianao raha manao ny marina. Misy valisoa lehibe noho izany ve? Hodinihintsika izao ny zavatra iray mifandray amin’izany: Ny fiheveran’i Jehovah ny asa.

^ feh. 9 Mety hanangana komitim-pitsarana ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana raha misy Kristianina zatra mandainga an-kitsirano, sady hita hoe manao izany mba hanisiana ratsy ny hafa.

^ feh. 14 Jereo ny Fanazavana Fanampiny hoe “Fandaminana Olana Mifandray Amin’ny Vola”, momba izay tokony hatao rehefa misy olana momba ny raharaham-barotra.

^ feh. 15 Vatomizana hafa no nampiasainy rehefa nividy ary hafa rehefa nivarotra. Nahazo tombony foana àry izy na nividy na nivarotra. Angamba koa nataony lava kokoa na navesatra kokoa ny tahony ilany tamin’ny mizana mba hanambakana ny mpividy.