Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

Ahoana no Atao Rehefa Misy Voaroaka?

Ahoana no Atao Rehefa Misy Voaroaka?

Malahelo be isika rehefa misy havana na namana nanota nefa tsy nibebaka, ka voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana. Manome tari-dalana momba izany ny Baiboly, ary hita hoe tena tia an’Andriamanitra sy tsy mivadika isika raha manaraka azy ireny. * Ireto misy fanontaniana momba izany.

Ahoana no atao rehefa misy voaroaka? Hoy ny Baiboly: ‘[Aza mifanerasera] intsony amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mpimamo, na mpanao an-keriny, ary [aza] miara-mihinana aminy akory.’ (1 Korintianina 5:11) Izao koa no voalaza momba ny olona “tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy”: “Aza mampiantrano azy mihitsy na miarahaba azy akory. Miombona amin’ny ratsy ataony mantsy izay miarahaba azy.” (2 Jaona 9-11) Tsy mifanerasera amin’ny voaroaka àry isika, na miresaka aminy momba ny fivavahana. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1982, pejy 23: ‘Mety ho dingana voalohany hahatonga antsika hifampiresaka na hinamana amin’ny olona iray ny fiarahabana hoe “manahoana.” Tiantsika ve ny hanao an’izany dingana voalohany izany amin’ny olona voaroaka?’

Tsy tokony hifandray aminy mihitsy ve isika? Izany tokoa! Nahoana? Voalohany, porofointsika amin’izany fa tsy mivadika amin’Andriamanitra sy ny Teniny isika. Mankatò azy foana isika, na mora ny manao izany na tena sarotra. Tia azy isika ka mankatò ny didiny rehetra. Fantatsika mantsy fa manao ny rariny sy be fitiavana izy, ary mahasoa antsika ny lalàny. (Isaia 48:17; 1 Jaona 5:3) Faharoa, miaro antsika sy ny fiangonana izany. Voaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ary tsy voatarika hanao ratsy isika. Miaro ny fiangonana mba ho tsara laza foana koa izany. (1 Korintianina 5:6, 7) Fahatelo, na ilay voaroaka aza mety handray soa, raha manaraka tsara ny toro lalan’ny Baiboly isika. Marina fa tsy nisy vokany taminy ny fanampian’ny anti-panahy matoa izy voaroaka. Mety hanohina ny fony anefa ny fanohanantsika ny fanapahan-kevitry ny komitim-pitsarana. Mety ho “tonga saina” izy rehefa tsy afaka mifandray amin’ireo olona tena tiany. Mety ho takany fa tena ratsy ny nataony, ka hiezaka hiverina amin’i Jehovah izy.—Lioka 15:17.

Ahoana raha misy havanao voaroaka? Mety ho tena sarotra ny tsy hivadika amin’izay, satria mifandray am-po be ny mpihavana. Ahoana àry no hatao amin’ilay voaroaka? Tsy ho voaresaka ato ny toe-javatra rehetra, ka roa ihany no hodinihintsika.

Ahoana raha mpianakavy ao an-trano ilay voaroaka? Tsy hoe rehefa voaroaka izy dia tapaka ny fatoram-pianakaviana. Tsy voatery hiova àry ny zavatra fanaon’ny fianakaviana sy ny fifandraisan’izy ireo andavanandro. Azo lazaina hoe tsy te hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fianakaviany intsony anefa ilay voaroaka. Tsy hamela azy handray anjara amin’izany àry ireo mpianakavy tsy mivadika. Tsy handray anjara, ohatra, izy raha manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana izy ireo ka manatrika eo izy. Mbola andraikitry ny ray aman-dreniny anefa ny manabe sy mananatra azy raha tsy ampy taona izy. Mety hampianatra Baiboly an’io zanany io àry ny ray aman-dreny be fitiavana. *Ohabolana 6:20-22; 29:17.

Ahoana kosa raha havana tsy miray trano aminao no voaroaka? Mety hisy toe-javatra maningana ka voatery mifandray aminy ihany ianao, mba hikarakarana raharaha sasany momba ny fianakaviana. Tokony hoferana ho kely araka izay azo atao anefa ilay fifandraisana. Raha manana havana voaroaka ny Kristianina tsy mivadika ary tsy miray trano ry zareo, dia tsy hitady hirika hifaneraserana amin’ilay voaroaka izy ireo. Manaraka ny fitsipiky ny Soratra Masina kosa izy ireo, satria tsy te hivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Tena hahasoa an’ilay nanota izany, ary mety hanampy azy handray soa avy amin’ilay famaizana. *Hebreo 12:11.

^ feh. 1 Mihatra amin’ny olona niala an-tsitrapo tsy ho anisan’ny fiangonana koa ny toro lalan’ny Baiboly momba ny voaroaka.

^ feh. 2 Raha tianao ny hahalala misimisy kokoa momba ny zanaka tsy ampy taona voaroaka ary mbola ao an-trano, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2007, pejy 20, sy ny 1 Oktobra 2001, pejy 16-17.

^ feh. 3 Raha tianao ny hahalala misimisy kokoa hoe ahoana no atao rehefa misy havana voaroaka, dia jereo ny torohevitra ara-baiboly ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra 2002, pejy 3-4.