Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

Ialao Ilay Fahazaran-dratsy

Ialao Ilay Fahazaran-dratsy

Misy olona zatra milalao ny filahiany na ny fivaviany. Safosafoiny na diloriny izy io, ka mahatratra ny fara tampony amin’ny fahafinaretan’ny nofo izy. Fahazarana tsy tian’Andriamanitra izany, ary mahatonga ny olona tsy hihevitra afa-tsy izay hahafa-po ny tenany. Mandoto ny saina koa io fahazaran-dratsy io. Mety hanjary hihevitra ny hafa ho toy ny fitaovana fanaovana firaisana fotsiny ny olona zatra manao azy io. Tsy mihevitra ny firaisana ho fanehoam-pitiavana eo amin’ny olon-droa izy, fa hoe zavatra atao raha vao te hahazo fahafinaretana vetivety sy fahafaham-po. Mihelina fotsiny anefa izany fahafaham-po izany. Tsy mamono ny fanirian-dratsy ao amin’ny rantsambatany ny olona manana an’io fahazarana io, fa vao mainka manaitra an’izany. Anisan’izany fanirian-dratsy izany ny “fijangajangana, fahalotoana, [ary ny] filan’ny nofo” tsy ara-dalàna.—Kolosianina 3:5.

Hoy ny apostoly Paoly: ‘Ry malala, aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.’ (2 Korintianina 7:1) Aza kivy raha sarotra be aminao ny manaraka an’izany. “Vonona hamela heloka” sy hanampy foana mantsy i Jehovah. (Salamo 86:5; Lioka 11:9-13) Efa tsara aloha raha manameloka anao ny fonao, ary miezaka hiala amin’ilay fahazaran-dratsy ianao, na dia tsy mahomby aza indraindray. Tadidio koa fa ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.’ (1 Jaona 3:20) Tsy ny fahotantsika ihany no hitan’i Jehovah, fa ny maha isika antsika mihitsy. Mangoraka antsika àry izy rehefa mitalaho ny famindram-pony isika. Miezaha àry hanetry tena ary mivavaha foana aminy, toy ny ankizy manatona an-drainy rehefa misy manahirana azy. Hanampy anao hanana feon’ny fieritreretana madio i Jehovah. (Salamo 51:1-12, 17; Isaia 1:18) Mila manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataonao koa ianao. Miezaha mafy, ohatra, mba tsy hihaino na hijery na hamaky zavatra vetaveta, ary tsy hiaraka amin’ny naman-dratsy. *

Raha tsy mety resinao ilay fahazaran-dratsy, dia miresaha amin’ny rainao na reninao kristianina, na namana matotra sy be fitiavana. *Ohabolana 1:8, 9; 1 Tesalonianina 5:14; Titosy 2:3-5.

^ feh. 2 Fianakaviana maro no mametraka ny ordinatera eo amin’ny toerana talaky maso, mba ho voara-maso ny fampiasana azy. Misy koa mividy programan’ordinatera misakana ny zavatra ratsy. Tsy misy tena azo antoka anefa ireny programa ireny. Tadidio koa fa azo atao ny mijery Internet amin’ny finday sy fitaovana entin-tanana hafa.

^ feh. 1 Misy soso-kevitra azo ampiharina ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hialako Amin’io Fahazarana Io?”, ao amin’ny Mifohaza! Novambra 2006 sy ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany, pejy 178-182.