Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fitiavana

Ny Fitiavana

Fizarana 1

Ny Fitiavana

Mahita ankizilahy sy ankizivavy mifampitantana ianao any am-pianarana, ary mandehandeha eny rehetra eny ry zareo. Inona no tsapanao?

□ Tsy taitra

□ Mialona kely

□ Mialona be mihitsy

Mijery fety miaraka amin’ny namanao ianao. Miaraka amin’ny sipany daholo ry zareo, afa-tsy ianao! Inona no tsapanao?

□ Tsy taitra

□ Menamenatra

□ Mialona be mihitsy

Nilaza taminao ny ankizy iray namanao be fa misy olona miaraka aminy. Inona no tsapanao?

□ Faly

□ Mialona kely

□ Sosotra

Tsy misy toerana tsy ahitanao azy na any am-pianarana, na eny amin’ny arabe, na eny an-tsena. Inona izany? Ankizy mampiaraka. Mafy aminao ny mahita azy ireo, ka te hampiaraka koa ianao. Efa afaka manao an’izany ve anefa ianao? Raha eny, ahoana no hahitanao olona mety aminao? Ary inona no azonareo atao mba hadio fitondran-tena foana ianareo mandritra ny fiarahanareo? Ho hitanao ao amin’ny Toko 1-5 ny valin’izany.

[Sary, pejy 12, 13]