Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Amiko ve Izy?

Mety Amiko ve Izy?

Toko 3

Mety Amiko ve Izy?

Makà fotoana kely, ary fenoy ny banga eto ambany:

Olona manao ahoana no tianao ho vadinao? Iza amin’ireo eo ambany ireo no tena tianao hananany? Mifidiana efatra, ary asio eo akaikiny.

□ Tsara tarehy □ Tena tia an’Andriamanitra

□ Sariaka □ Azo itokisana

□ Be mpitia □ Tsara fitondran-tena

□ Be vazivazy □ Tia manatratra tanjona

Efa nisy olona nahataratara anao ve tamin’ianao mbola ankizy? Jereo indray ny lisitra eo ambony, ary asio × ny lafin-javatra iray tena tianao tamin’ilay olona.

TSY misy ratsy ireo zavatra voatanisa eo ambony ireo, na iray aza. Tsara daholo izy rehetra. Tamin’ianao mbola ankizy anefa, dia toetra na zavatra tsy dia lehibe loatra, toy ireo hita eo ankavia, no tena nahatonga anao ho taratara tamin’olona iray. Sa tsy izany?

Misaina kokoa anefa ianao, rehefa mihalehibe. Olona manana toetra tsara kokoa, toy ireo hita eo ankavanana, no tianao. Lasa voamarikao, ohatra, fa hay tsy azo itokisana ilay ankizivavy mahafatifaty indrindra eo an-tanàna. Hay koa ratsy fitondran-tena ilay ankizilahy be mpitia indrindra any am-pianarana. Toetra tsara kokoa noho ireo eo ankavia, no tena jeren’ny olona mato-tsaina, rehefa hifidy vady izy. Efa tsy ao anatin’ilay antsoina hoe fotoana fivelaran’ny fahatanorana intsony mantsy izy.

Fantaro aloha ny tenanao

Ny tenanao aloha no mila fantarinao tsara, izay ianao vao afaka mandinika hoe iza no mety aminao. Valio ireto mba hahafantaranao bebe kokoa momba anao:

Inona no toetra tsarako? ․․․․․

Inona no toetra ratsiko? ․․․․․

Ahoana no tiako hitondran’ny vadiko ahy? Manao ahoana ny fifandraisako amin’i Jehovah? ․․․․․

Tsy ho mora aminao ny mamantatra ny tenanao, nefa hanampy anao ny fanontaniana toy ireo. Rehefa fantatrao kokoa ny tenanao, dia ho mora kokoa aminao ny hahita olona afaka hanampy anao hanatsara ny toetranao. * Ary ahoana raha mieritreritra ianao hoe efa nahita olona toy izany?

Mety foana ve na iza na iza?

“Mba maniry hiaraka aminao aho.” Efa nisy nilaza an’izany taminao ve? Sosotra angamba ianao, na koa faly be, arakaraka ilay olona. Aoka hatao hoe manaiky ianao. Ahoana no hahalalanao atỳ aoriana, raha io olona io na tsia no mety aminao?

Eritrereto hoe te hividy kiraro ianao. Nankany amin’ny mpivarotra ianao, ary nahita kiraro tianao. Nandramanao ilay izy, kanjo tery loatra. Diso fanantenana tanteraka ianao. Ahoana no hataonao? Mbola hovidinao ihany ve ilay izy? Sa hitady hafa ianao? Aleonao tsy mividy an’ilay kiraro fa mitady hafa. Harary fotsiny ny tongotrao raha manao kiraro tsy antonona anao ianao!

Mitovy amin’izany koa ny fifidianana vady. Maromaro ihany angamba ny olona mahafinaritra anao. Aza mieritreritra anefa hoe mety foana izay fidinao amin’ireo. Olona tena mifanentana aminao sy hanampy anao hanatratra ny tanjonao mantsy no tadiavinao, ka hahafinaritra anao ny miaraka aminy. (Genesisy 2:18; Matio 19:4-6) Efa nahita olona toy izany ve ianao? Ahoana no hahafantaranao raha mety aminao izy na tsia?

Fantaro ny tena toetrany

Diniho amin’ny saina tsy miangatra ilay olona tianao. Mitandrema anefa! Mety hinia tsy hijery afa-tsy ny toetra tsarany mantsy ianao. Aza maika àry, fa miezaha hamantatra ny tena toetrany. Tsy ho mora aminao izany, nefa aza gaga. Eritrereto hoe nahazo vola be ianao, ka te hividy trano na fiara. Inona aloha no hataonao? Ny ivelany fotsiny ve no hojerenao, sa mbola misy zava-dehibe noho izany? Tsy tokony hojerena koa ve ny ao anatiny? Ohatra hoe manao ahoana marina ny maotera?

Mbola zava-dehibe lavitra noho ny mifidy fiara ny mifidy vady. Tsy dia mamantatra ny tena toetran’ilay olona tiany anefa ny tanora maro. Ny zavatra itovian’izy ireo kosa no tonga dia hitany. Miteny, ohatra, izy hoe: ‘Mitovy ny mozika tianay.’ ‘Mitovy ny fialam-boly tianay.’ ‘Mitovy hevitra foana izahay!’ Efa hitantsika anefa fa tsy izany fotsiny no hojeren’ny olona mato-tsaina, satria efa tsy ao anatin’ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana intsony izy. Hiezaka hamantatra ny ‘toetra miafina ao [am-pon’ilay olona]’ tiany kosa izy.—1 Petera 3:4; Efesianina 3:16.

Aza variana mieritreritra ny zavatra itovianareo. Diniho kosa izay mitranga rehefa tsy mitovy hevitra ianareo. Mety ho fantatrao kokoa izy amin’izay. Diniho, ohatra, hoe inona no ataony rehefa mifamaly ianareo. Manizingizina ny heviny ve izy, ka manampatra ny ‘hatezerany’ na ‘manevateva’ anao? (Galatianina 5:19, 20; Kolosianina 3:8) Sa mandefitra kosa izy mba hampijanona ilay fifamaliana, ka vonona hanaiky ny hevitrao, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany?—Jakoba 3:17.

Ity koa misy zavatra hafa mila jerenao: Tereny an-kolaka hanaraka ny sitrapony foana ve ianao? Manjakazaka ve izy, sa saro-piaro? Tsy manaiky ve izy raha tsy mahalala izay rehetra ataonao? Hoy i Harisoa: “Misy mpifankatia miady satria tsy milaza izay toerana rehetra alehany ilay iray. Efa tokony ho tonga saina ianao raha izany no mitranga aminao.”—1 Korintianina 13:4.

Ny toetran’ilay olona sy ny fitondran-tenany no noresahintsika hatreto. Mila mamantatra ny lazany koa anefa ianao. Ahoana no fahitan’ny hafa azy? Tsara raha miresaka amin’ny olona mahafantatra tsara azy ianao, anisan’izany ny Kristianina matotra eo anivon’ny fiangonana. Ho fantatrao amin’izay na “tsara laza” izy na tsia.—Asan’ny Apostoly 16:1, 2.

Soraty eto ny valin’ireo fanontaniana etsy aloha momba ilay olona miaraka aminao. Hahalalanao zavatra betsaka momba azy izany.

Toetra ․․․․․

Fitondran-tena ․․․․․

Laza ․․․․․

Tsara koa raha dinihinao ny efajoro hoe “ Mety Amiko ve iny Lehilahy Iny?” eo amin’ny pejy 39, sy “ Mety Amiko ve iny Vehivavy Iny?” eo amin’ny pejy 40. Hanampy anao ireo hahita raha mety aminao ilay olona na tsia.

Aoka indray hatao hoe efa avy nandinika an’ireo rehetra ireo ianao, ary nahita fa tsy mety aminao ilay olona. Ity àry misy fanontaniana lehibe mety ho tonga ao an-tsainao:

Tokony hisaraka aminy ve aho?

Misy mahatsara azy indraindray ny misaraka. Diniho izay nanjo an’i Fatima. Hoy izy: “Nanontany foana izay nalehako sy izay nataoko ary izay olona niaraka tamiko, ilay ankizilahy niarahako. Tiako izany tamin’ny voalohany. Tafahoatra anefa ny nataony tatỳ aoriana, satria tsy nahazo niaraka tamin’iza na iza afa-tsy izy aho. Hatramin’ny fianakaviako aza nahasaro-piaro azy, indrindra fa dadanay. Nisaraka taminy aho nony farany. Hoatran’ny hoe nisy entana mavesatra be nesorina tamiko!”

Jereo koa ny nanjo an’i Sarah. Tsikariny fa tia manesoeso sy sarotsarotiny ary tsy mahalala fomba i Jaona, ilay ankizilahy niarahany. Hoy i Sarah: “Nifanao fotoana tao an-trano izahay indray mandeha. Tara adiny telo be izao izy! Mamanay no nampandroso azy nefa tsy noarahabainy akory, fa tonga dia hoy izy tamiko: ‘Andao fa tara isika.’ Tsy izy no nolazainy fa tara, fa izahay sy izy. Tokony ho niala tsiny izy, na mba nanazava ny antony nahatara azy. Fa ny tena tsy tantiko dia mamanay tsy nohajainy akory!” Tsy hoe tsy maintsy misaraka anefa ianareo, raha indray mandeha monja ilay olona no nahatezitra anao. (Salamo 130:3) Hitan’i Sarah anefa fa hay efa tsy mahalala fomba mihitsy i Jaona. Tapa-kevitra àry izy fa hisaraka aminy.

Ahoana raha hitanao koa fa tsy ho vady tsara ilay olona miaraka aminao? Aza odiana tsy fantatra izany! Aleo misaraka, na dia tena mafy aza ilay izy. Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” Jereo ireo toetra eo ambanin’ilay hoe “Mitandrema Raha Mahita An’ireto”, eo amin’ny pejy 39 sy 40. Aoka hatao hoe ahitanao iray na maromaro amin’ireo ilay olona. Aleo àry misaraka aminy, fara faharatsiny, mandra-piovany. Marina fa tsy ho mora izany. Natao haharitra anefa ny fanambadiana, ka aleo mijaly vetivety toy izay hanenina mandra-pahafaty!

Ahoana no hilazanao ny fanapahan-kevitrao?

Ahoana no hilazanao aminy fa hisaraka ianareo? Fidio tsara aloha ny toerana sy ny fotoana hiresahanareo. Ahoana izany? Eritrereto hoe ahoana raha ianao no teo amin’ny toerany. (Matio 7:12) Tianao ve raha eo imason’olona ianao no hilazany fa vita hatreo ny aminareo? Mazava ho azy fa tsia. Aleo koa tsy hafatra an-telefaonina na e-mail no alefa, raha tsy hoe misy antony tsy maintsy hanaovanao izany angaha. Mitadiava kosa fotoana sy toerana hahafahanareo hiresaka. Raharaha lehibe mantsy ilay izy.

Inona àry no tokony holazainao? Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly, mba ‘hilaza ny marina’ amin’ny namany avy. (Efesianina 4:25) Aoka àry ianao ho hentitra nefa hahay handanjalanja. Lazao mazava tsara hoe nahoana ianareo no tokony hisaraka, araka ny hevitrao. Tsy voatery hitanisa ny fahadisoany ianao, na koa hototofanao fanakianana izy. Aza miteny hoe: “Ianao tsy...”, na hoe: “Ianao tsy ... mihitsy.” Asongadino kosa izay tsapanao sy izay eritreretinao, ka milazà teny toy ny hoe: “Olona ... no mety amiko”, na “Tokony hisaraka isika, araka ny hevitro, satria...”

Asehoy fa hentitra ianao. Aza mamela azy handresy lahatra anao hiova hevitra. Tadidio fa antony lehibe no nahatonga anao hisaraka aminy. Mitandrema àry raha mitady tetika hampiova hevitra anao izy. Hoy i Lalaina: “Mody nanao nampalahelo be foana ilay ankizilahy, tamin’izaho nisaraka taminy. Tiany hangoraka azy angamba aho. Nalahelo azy tokoa aloha aho e! Fa tsy nataoko nampiova hevitra ahy izany.” Tazòny hatramin’ny farany àry ny teninao. Aoka ny teninao rehefa tsia dia tsia.Jakoba 5:12.

Ahoana no hiatrehana ny hoavy?

Aza gaga raha malahelo be mandritra ny fotoana kelikely ianao, aorian’ilay fisarahana. Mety hitovy amin’izay tsapan’ny mpanao salamo mihitsy aza ny tsapanao. Hoy izy: “Sahiran-tsaina aho ka mitanondrika tanteraka. Ary mandehandeha amin’alahelo foana aho.” (Salamo 38:6) Mety hisy namanao hampirisika anao hiaraka indray amin’ilay olona. Te hanampy anao angamba ry zareo. Mitandrema anefa! Ianao no hizaka ny vokatry ny fanapahan-kevitrao fa tsy ny namanao, na tia anao aza izy ireo. Aza matahotra àry mitazona ny teninao, na dia malahelo aza ianao noho izay nitranga.

Matokia fa ho afaka ny alahelonao, rehefa ela ny ela. Mandra-pahatongan’izany, dia ireto misy zavatra azonao atao, mba hahazakanao ny alahelonao.

Resaho amin’ny olona azo atokisana izay ao am-ponao. * (Ohabolana 15:22) Resaho amin’i Jehovah koa ilay izy. (Salamo 55:22) Manaova zavatra foana. (1 Korintianina 15:58) Aza mitokantokana! (Ohabolana 18:1) Miaraha avy hatrany amin’ny olona maromaro mahay mampahery. Miezaha mafy mieritreritra zavatra tsara foana.—Filipianina 4:8.

Mety hahita olon-kafa indray ianao, any aoriana any. Azo inoana fa hitandrina kokoa ianao amin’izay. Manantena izahay fa io ilay olona mety aminao!

JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 31, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Rehefa miaraka ianareo, ahoana no ataonareo mba hifanehoana fitiavana? Ahoana no hahalalanareo raha mety izany na tsia?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Hanampy anao hamantatra ny tenanao koa ireo fanontaniana ao amin’ny Toko 1, eo ambanin’ilay hoe “Efa vonona hanambady ve ianao?”

^ feh. 45 Ny ray aman-dreninao angamba izany na olon-dehibe hafa, anisan’izany ny anti-panahy. Mety ho efa nanjo azy mihitsy aza izao mahazo anao izao, tamin’izy mbola tanora.

ANDININ-TENY

“Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.”—Ohabolana 20:11.

SOSO-KEVITRA

Miaraha manao zavatra, mba hifankahalalanareo. Ohatra:

● Miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra.

● Miara-mivory sy manompo.

● Miara-manadio na manorina Efitrano Fanjakana.

FANTATRAO VE... ?

Hita tamin’ny fikarohana natao hatramin’izay, fa ny mpivady tsy mitovy finoana no tena misaraka.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko, raha tia olona tsy mitovy finoana amiko aho: ․․․․․

Izao no hataoko, mba hahafantarako ny lazan’ilay olona iarahako: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

Inona avy no toetra tsara anananao, ka fantatrao fa hahasoa ny tokantranonao?

Inona avy no toetra tena tianao hananan’izay ho vadinao?

Inona no mety hitranga, raha manambady olona tsy mitovy finoana aminao ianao?

Ahoana no hahalalanao ny toetra sy ny fitondran-tena ary ny lazan’ilay olona iarahanao?

[Teny notsongaina, pejy 37]

Mitovy amin’ny fomba itondran’ilay olona ny fianakaviany no fomba hitondrany anao koa.’’—Tony

[Efajoro, pejy 34]

“Aza Manaiky Hiray Zioga”

“Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.” Azo inoana fa ekenao hoe tsara io toro lalana ao amin’ny 2 Korintianina 6:14 io. Na izany aza, dia angamba ianao mbola tia olona tsy mpino ihany, izany hoe tsy mitovy finoana aminao. Nahoana? Mahafatifaty anao fotsiny angamba izy. Hoy i Marc: “Hitako foana ilay ankizivavy isaky ny nanao spaoro izahay tany am-pianarana. Tonga izy dia nanatona ahy, ary nampiresaka. Vetivety izahay dia lasa mpinamana.”

Fantatrao tsara ve ny tenanao? Mino ve ianao fa mahasoa ny fitsipika arahinao ao amin’ny fivavahanao? Ary efa mato-tsaina ve ianao, ka tsy manaiky ho jamban’ny fitiavana? Raha izany, dia azo inoana fa fantatrao izay tokony hataonao. Tsy hanatsara ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ilay olona, na mahafatifaty sy mahafinaritra ary tsara fitondran-tena toy inona aza.—Jakoba 4:4.

Marina fa tsy mora ny misaraka amin’ny olona efa notiavinao elaela. Izany no nanjo an’i Karen. Hoy izy: “Nitomany foana aho isan’andro. Tany amin’ilay ankizilahy foana ny saiko, na dia tany am-pivoriana aza. Tiako be izy, ka nieritreritra aho hoe aleoko maty toy izay hisaraka aminy.” Tsy ela anefa dia hitan’i Karen fa marina ny tenin’ny reniny hoe misy vokany ratsy ny fiarahana amin’ny olona tsy Vavolombelona. Hoy i Karen: “Soa ihany aho fa nisaraka taminy. Matoky aho fa hanome izay ilaiko i Jehovah.”

Miaraka amin’ny olona tsy Vavolombelona koa ve ianao, ary mafy aminao ny hisaraka aminy? Matokia fa tsy voatery hiady irery ianao! Miresaha amin’ny ray aman-dreninao. Izany no nataon’i Tovo, tamin’izy taratara tamin’ny ankizivavy iray tany am-pianarany. Hoy izy: “Nangataka torohevitra tamin’ny dada sy mamanay aho, nony farany. Izany no nanampy ahy hanadino azy.” Afaka manampy anao koa ny anti-panahy. Nahoana raha miresaka amin’ny iray amin’izy ireo?—Isaia 32:1, 2.

[Efajoro/Sary, pejy 39]

 Fanampiana Hisaintsaina

Mety Amiko ve iny Lehilahy Iny?

Ireto no tokony hofantarinao voalohany:

□ Ahoana no ampiharany ny fahefana ananany?—Matio 20:25, 26.

□ Inona no tanjony?—1 Timoty 4:15.

□ Miezaka manatratra izany ve izy izao?—1 Korintianina 9:26, 27.

□ Ahoana no itondrany ny fianakaviany?—Eksodosy 20:12.

□ Iza avy no namany?—Ohabolana 13:20.

□ Inona foana no zavatra resahiny?—Lioka 6:45.

□ Tia vola ve izy?—Hebreo 13:5, 6.

□ Inona no fialam-boly tiany?—Salamo 97:10.

□ Ahoana no ampisehoany fa tia an’i Jehovah izy?—1 Jaona 5:3.

Lafin-javatra hafa:

□ Mazoto miasa ve izy?—Ohabolana 6:9-11.

□ Mahay mitsitsy vola ve izy?—Lioka 14:28.

□ Tsara laza ve izy?—Asan’ny Apostoly 16:1, 2.

□ Tia manampy olona ve izy?—Filipianina 2:4.

Mitandrema raha mahita an’ireto:

□ Mora tezitra ve izy?—Ohabolana 22:24.

□ Mitady hitarika anao haloto fitondran-tena ve izy?—Galatianina 5:19.

□ Mamono ve izy na manao teny mandratra?—Efesianina 4:31.

□ Mieritreritra ve izy fa tsy mahafinaritra ny fiaraha-mikorana, raha tsy misy toaka?—Ohabolana 20:1.

□ Saro-piaro sy tia tena ve izy?—1 Korintianina 13:4, 5.

[Efajoro/Sary, pejy 40]

 Fanampiana Hisaintsaina

Mety Amiko ve iny Vehivavy Iny?

Ireto no tokony hofantarinao voalohany:

□ Ahoana no ampisehoany fa manaiky fahefana izy, eo anivon’ny fianakaviany sy ny fiangonana?—Efesianina 5:21, 22.

□ Ahoana no itondrany ny fianakaviany?—Eksodosy 20:12.

□ Iza no namany?—Ohabolana 13:20.

□ Inona foana no zavatra resahiny?—Lioka 6:45.

□ Tia vola ve izy?—1 Jaona 2:15-17.

□ Inona no tanjony?—1 Timoty 4:15.

□ Miezaka manatratra izany ve izy izao?—1 Korintianina 9:26, 27.

□ Inona no fialam-boly tiany?—Salamo 97:10.

□ Ahoana no ampisehoany fa tia an’i Jehovah izy?—1 Jaona 5:3.

Lafin-javatra hafa:

□ Mazoto miasa ve izy?—Ohabolana 31:17, 19, 21, 22, 27.

□ Mahay mitsitsy vola ve izy?—Ohabolana 31:16, 18.

□ Tsara laza ve izy?—Rota 3:11.

□ Tia manampy olona ve izy?—Ohabolana 31:20.

Mitandrema raha mahita an’ireto:

□ Tia ady ve izy?—Ohabolana 21:19.

□ Mitady hitarika anao haloto fitondran-tena ve izy?—Galatianina 5:19.

□ Manao teny mandratra ve izy na mamono?—Efesianina 4:31.

□ Mieritreritra ve izy fa tsy mahafinaritra ny fiaraha-mikorana, raha tsy misy toaka?—Ohabolana 20:1.

□ Saro-piaro sy tia tena ve izy?—1 Korintianina 13:4, 5.

[Sary, pejy 30]

Tsy izay kiraro rehetra hitanao no ho antonona anao. Tsy izay olona rehetra hitanao koa no mety aminao

[Sary, pejy 31]

Raha hividy fiara ianao, ny ivelany fotsiny ve no hojerenao, sa mbola misy zava-dehibe noho izany? Ary ahoana raha hifidy vady?