Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sao dia efa Tafahoatra Izao Ataonay Izao?

Sao dia efa Tafahoatra Izao Ataonay Izao?

Toko 4

Sao dia efa Tafahoatra Izao Ataonay Izao?

Marina sa diso izao:

Tsy tokony hifampikasika mihitsy ny mpifankatia.

□ Marina

□ Diso

Rehefa manao firaisana ihany ny mpifankatia, vao atao hoe mijangajanga.

□ Marina

□ Diso

Tsy tena mifankatia ny olon-droa, raha tsy manao zavatra manaitra ny filan’ny nofo.

□ Marina

□ Diso

AZO inoana fa efa imbetsaka ianao no nieritreritra an’izany, indrindra raha misy olona miaraka aminao. Mety ho sarotra aminareo ny mamantatra hoe inona no fihetsika mety sy tsy mety, rehefa mifaneho fitiavana. Aleo hojerentsika ny valiny omen’ny Tenin’Andriamanitra amin’ireo fehezanteny telo etsy aloha. Ho fantatrareo amin’izay raha efa tafahoatra na tsia ny zavatra ataonareo.

Tsy tokony hifampikasika mihitsy ny mpifankatia.

Diso. Tsy raran’ny Baiboly ny fifanehoam-pitiavana, raha madio sy tsy tafahoatra. Voalaza ao, ohatra, fa nisy tovovavy solemita sy tovolahy mpiandry ondry nifankatia. Nadio fitondran-tena foana izy roa, talohan’ny fanambadiany. Nifaneho fitiavana ihany anefa izy ireo. (Tonon-kiran’i Solomona 1:2; 2:6; 8:5) Misy mpifankatia mihevitra koa ankehitriny, fa mety ny manao an’izany, rehefa tena tapa-kevitra ny hivady. *

Tsy maintsy mitandrina tsara anefa izy ireo. Mety hahatonga azy haloto fitondran-tena mantsy ny mifanoroka na mifamihina na manao fihetsika hafa manaitra ny filan’ny nofo. Tsy hitahita akory dia mety tsy hahafehy tena izy roa, ka ho resin’ny fakam-panahy, na dia tsy mieritreri-dratsy aza amin’ny voalohany.—Kolosianina 3:5.

Rehefa manao firaisana ihany ny mpifankatia, vao atao hoe mijangajanga.

Diso. Maromaro ny hevitr’ilay teny grika nadika hoe “fijangajangana” (pôrneia). Izy io dia firaisana ataon’ny olona tsy mpivady, sy fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny filahiana na ny fivaviana. Tsy izay miray amin’ny olona tsy vadiny ihany àry no mijangajanga, fa izay mikasikasika ny filahiana na fivavian’olon-kafa koa, na manao firaisana amin’ny vava na amin’ny lava-pitombenana.

Tsy ny fijangajangana ihany anefa no raran’ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly: “Miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena baranahiny.” Hoy izy avy eo: “Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.”—Galatianina 5:19-21.

Inona no atao hoe “fahalotoana”? Ny hevitr’izy io amin’ny teny grika dia hoe izay fahalotoana rehetra, na amin’ny teny na amin’ny atao. Efa maloto, ohatra, ny olona iray raha manatsofoka ny tanany ao anaty akanjon’olon-kafa, ka mikasikasika ny vatany, na manala ny akanjon’io olona io, na manafosafo ny faritra mahamenatra amin’ny vatany, toy ny nono. Ny mpivady ihany no mahazo mifanafosafo nono sy mankafy izany, araka ny Baiboly.—Ohabolana 5:18, 19.

Misy indray tanora tsy menatra mandika ny fitsipik’Andriamanitra, ka minia manao an’ireo karazam-pahalotoana voalaza etsy aloha. Misy mihitsy aza mitady olona maro be hanaovana an’ireo, nefa tsy mety afa-po. Izany ilay antsoin’ny apostoly Paoly hoe “fitondran-tena baranahiny.” Ny dikan’izy io amin’ny teny grika dia hoe fanao manafintohina, filibana, tsy fanajana, ary filan’ny nofo tsy voafehy. Mazava ho azy fa tsy tianao ny ho lasa “tsy mahalala menatra intsony”, ka manaram-po amin’ny “fitondran-tena baranahiny hanao izao karazam-pahalotoana rehetra izao, sady tsy mety afa-po fa mbola te hanao foana.”—Efesianina 4:17-19.

Tsy tena mifankatia ny olon-droa, raha tsy manao fihetsika manaitra ny filan’ny nofo.

Diso. Misy mihevitra fa mihamafy ny fifankatiavan’ny olon-droa, raha manao fihetsika manaitra ny filan’ny nofo izy ireo. Diso izany. Lasa tsy mifanaja sy tsy mifampatoky kosa izy ireo. Diniho izay nitranga tamin’i Lala. Hoy izy: “Tonga tao aminay ilay ankizilahy niaraka tamiko, tamin’ny mamanay tsy tao. Mody hoe hijery tele izy. Notazoniny fotsiny aloha ny tanako. Tampoka teo anefa, dia nosafosafoiny daholo ny vatako. Tsy sahy nanohitra azy aho, sao tezitra izy dia handeha.”

Ahoana ny hevitrao? Tena tia an’i Lala ve io ankizilahy io, sa te hanao izay hahafa-po ny filan’ny nofony fotsiny? Tena tia anao ve ny olona mitady hitarika anao haloto fitondran-tena?

Mandika ny lalàn’Andriamanitra ny ankizilahy iray, raha manery ny ankizivavy iarahany tsy hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly, sy hanao zavatra tsy eken’ny eritreriny. Tsy tena tia an’ilay ankizivavy koa izy. Tsy manana hazondamosina ny ankizivavy manaiky hanaovan’ny ankizilahy izay tiany. Efa azo lazaina hoe nanao “fahalotoana” koa izy, na nijangajanga mihitsy aza. *1 Korintianina 6:9, 10.

Mifanaraha tsara dieny mialoha

Raha misy olona iarahanao àry, inona no azonareo atao mba tsy hanaovanareo fihetsika tsy mendrika? Mifanaraha tsara dieny mialoha hoe inona ihany no fihetsika azo atao. Hoy ny Ohabolana 13:10: ‘Hendry izay mila hevitra amin’ny hafa.’ Eritrereto izao: Efa mirehitra be ve ny tranonao, vao hiezaka hamono ny afo ianao? Aza andrasana ho efa mafy be àry ny filan’ny nofo, vao mifanaraka hoe inona no fihetsika azo atao na tsia.

Marina fa sarotra na mahamenatra mihitsy aza ny miresaka an’izany, indrindra raha vao manomboka miaraka ianareo. Tsy hahita olana lehibe anefa ianareo, raha mametraka fepetra mialoha. Toy ny hoe miezaka mamono afo ianareo, dieny mbola tsy mitatra be ilay izy. Mety haharitra koa ny fifandraisanareo, raha zatra mifampiresaka mivantana ianareo. Ary hahafinaritra anareo ny manao firaisana rehefa lasa mpivady ianareo, satria ianareo efa samy niezaka nifehy tena sy nanam-paharetana ary nitady izay hahasoa ny hafa.—1 Korintianina 7:3, 4.

Tsy mora ny mankatò ny fitsipik’Andriamanitra. Matokia anefa fa mahasoa anareo izany. Milaza mantsy i Jehovah ao amin’ny Isaia 48:17 fa izy ‘Ilay mampianatra anareo mba hahitanareo soa, Ilay mampandeha anareo amin’ny lalana tokony halehanareo.’ Izay tena hahasoa anareo no tadiavin’i Jehovah!

JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 24, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Tsy olona hafahafa ny tanora tsy manao firaisana alohan’ny fanambadiana. Hendry kosa izy ireo. Nahoana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Manafintohina ny olona any amin’ny tany sasany, ny mahita mpifankatia mifaneho fitiavana eny imasom-bahoaka. Tsy maintsy mitandrina àry ny Kristianina mba tsy hanafintohina olona.—2 Korintianina 6:3.

^ feh. 25 Mety ho ilay ankizivavy koa anefa no hampirisika an’ilay ankizilahy hanao izany.

ANDININ-TENY

“Ny fitiavana ... tsy manao izay tsy mahamendrika.”—1 Korintianina 13:4, 5.

SOSO-KEVITRA

Miaraha amin’ny olona iray hafa na maromaro, rehefa miaraka ianareo. Aza mijanona irery ao amin’ny toerana na trano na fiara tsy misy olona. Mety hahalatsaka amin’ny fakam-panahy izany.

FANTATRAO VE... ?

Mila miresaka momba ny firaisana ianareo, raha efa mpifamofo. Efa lasa fahalotoana anefa ilay resaka, raha natao hanairana ny filan’ny nofo fotsiny. Marina foana izany na dia atao amin’ny alalan’ny hafatra na antso an-telefaonina aza ilay izy.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba tsy halaim-panahy haloto fitondran-tena aho: ․․․․․

Izao no hataoko, raha mitady hanery ahy haloto fitondran-tena ilay olona iarahako: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

Avelanao hikasikasika anao araka izay tiany ve ny ankizilahy na ankizivavy iray? Sa inona ihany no avelanao hataony?

Inona no maha samy hafa ny fijangajangana sy ny fahalotoana ary ny fitondran-tena baranahiny?

[Teny notsongaina, pejy 46]

Namaky lahatsoratra ara-baiboly momba ny fitondran-tena izahay sy ny fofombadiko. Faly izahay satria nanampy anay hanana feon’ny fieritreretana madio foana izany.’’—Finaritra

[Efajoro, pejy 44]

Ahoana Raha efa Tafahoatra ny Nataonay?

Ahoana raha efa nanao fihetsika tsy mendrika ianareo? Aza mieritreritra hoe ho vitanareo irery ny handamina ilay olana. Nitsotra toy izao ny ankizivavy iray: “Nivavaka foana aho hoe: ‘Ampio izahay tsy hamerina intsony.’ Indraindray ihany anefa izahay vao nahafehy tena.” Miresaha àry amin’ny ray aman-dreninareo. Manome izao torohevitra tsara izao koa ny Baiboly: ‘Antsoy ny anti-panahin’ny fiangonana.’ (Jakoba 5:14) Afaka manoro hevitra sy mananatra anareo mantsy izy ireny, mba hifandraisanareo tsara indray amin’Andriamanitra.

[Sary, pejy 47]

Avelanao hirehitra be ve ny tranonao vao hiezaka hamono ny afo ianao? Aza andrasana ho efa mafy be àry ny filan’ny nofo, vao mifanaraka hoe inona no fihetsika azo atao na tsia