Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ratsy ve ny Manao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

Ratsy ve ny Manao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

Toko 5

Ratsy ve ny Manao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

“Tena te hanandrana hanao firaisana aho.”—Meva.

“Hoatran’ny hoe ankizy hafahafa aho, satria mbola tsy nanao firaisana mihitsy.”—Hery.

“MBOLA tsy nanao firaisana mihitsy ve ianao?” Mety ho menatra ianao raha misy manontany an’izany! Heverin’ny olona ho hafahafa mantsy ny ankizy mbola tsy nanao firaisana. Tsy mahagaga raha maro be ny tanora tsy ampy 20 taona akory, dia efa manao an’izany!

Mafy ny faniriana, ny ankizy koa manery

Mandidy antsika ‘hifady ny fijangajangana’ ny Baiboly. Fantatrao tsara izany, raha Kristianina ianao. (1 Tesalonianina 4:3) Mety mbola ho sarotra aminao ihany anefa ny mifehy ny fanirianao hanao firaisana. Hoy i Hasina: “Tsy haiko fa mieritreritra ho azy momba ny firaisana aho indraindray.” Aza matahotra fa voajanahary izany.

Mahasorena anefa ny hoe esoin’ny ankizy sy ampijaliny, satria mbola tsy nanao firaisana! Ahoana, ohatra, raha misy milaza aminao fa tsy tena lehilahy na tsy tena vehivavy ianao raha tsy efa nanao firaisana? Hoy i Patricia: “Ataon’ny ankizy izay hinoanao hoe mahafinaritra sady anisan’ny fiainana ny manao firaisana. Hafahafa ianao aminy, raha tsy manao firaisana amin’ity olona rehetra ity.”

Misy zavatra mety tsy horesahin’ny namanao mihitsy anefa. Hoy, ohatra, i Mirana, izay nanao firaisana tamin’ilay ankizilahy niarahany: “Menatra be aho, taorian’ilay izy. Lasa halako ny tenako sy ilay ankizilahy.” Mateti-pitranga izany, tsy araka ny eritreretin’ny tanora maro. Mazàna no miteraka alahelo sy vokany mahatsiravina hafa, ny firaisana alohan’ny fanambadiana!

Hoy anefa ny tanora iray atao hoe Sandy: “Nahoana àry Andriamanitra no nampisy faniriana hanao firaisana ao amin’ny tanora, nefa tsy avelany hanao an’izany izy ireo raha tsy efa manambady?” Tsara io fanontaniana io. Diniho anefa izao:

Ny faniriana hanao firaisana ihany ve no faniriana ao anatinao? Tsia. Nasian’i Jehovah Andriamanitra faniriana sy fihetseham-po maro be ao anatinao.

Tsy maintsy tanterahinao foana ve izay faniriana ao aminao? Tsia, satria nataon’Andriamanitra hahay hifehy tena koa ianao.

Inona àry no dikan’izany? Mety tsy ho afaka hanakana ny faniriana sasany tsy hipoitra ianao, nefa afaka mifehy tena mba tsy hanatanteraka an’izany. Raha manao firaisana foana ianao, isaky ny te hanao izany, dia toy ny olona mikasi-tanana ny hafa isaky ny tezitra. Sady ratsy izany no hadalana!

Tsy nirin’Andriamanitra mihitsy ny hampiasantsika amin’ny fomba ratsy ny filahiana sy ny fivaviana. Tokony ‘hahay hifehy tena, amin’ny fahamasinana sy ny haja ny tsirairay’, hoy ny Baiboly. (1 Tesalonianina 4:4) “Misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana.” Misy fotoana koa àry hanatanterahana ny faniriana hanao firaisana, ary misy fotoana hifehezana izany. (Mpitoriteny 3:1-8) Matokia fa ho vitanao ny hifehy tena!

Ahoana anefa raha misy olona tsy mino hoe mbola tsy nanao firaisana ianao, ka mananihany hoe: “Dia tena mbola tsy nanao an’izany tokoa ve ianao?” Aza menatra. Raha te hanambany anao fotsiny izy, dia lazao hoe: “Ie! Mbola tsy nanao firaisana aho, ary tsy mahamenatra ahy izany!” Na koa hoe: “Fiainako izany, ka aleo tsy hidiranao.” * (Ohabolana 26:4; Kolosianina 4:6) Misy kosa olona mba te hahazo fanazavana. Azonao atao amin’izay ny manazava ny fitsipiky ny Baiboly arahinao.

Angamba ianao mahita fomba hafa hamaliana an’ilay hoe: “Dia tena mbola tsy nanao firaisana tokoa ve ianao?” Soraty eto izany, raha misy.

․․․․․

Fanomezana sarobidy

Inona no tsapan’Andriamanitra rehefa misy manao firaisana alohan’ny fanambadiana? Eritrereto hoe nividy fanomezana ho an’ny namanao ianao. May hahita azy io anefa izy, ka nosokafany ilay izy nefa mbola tsy nomenao azy akory! Tsy halahelo ve ianao? Eritrereto àry izay tsapan’Andriamanitra raha manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao. Fanomezana avy aminy ny firaisana, ka rehefa manambady ianao vao tiany hankafy azy io.—Genesisy 1:28.

Inona àry no tokony hataonao raha maniry hanao firaisana ianao? Mianara mifehy tena. Vitanao izany! Mivavaha amin’i Jehovah. Afaka manampy anao hahay hifehy tena kokoa ny fanahiny. (Galatianina 5:22, 23) Tadidio fa “tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho an’izay mandeha tsy misy tsiny” izy. (Salamo 84:11) Hoy i Ismaël: “Rehefa mitady hieritreritra aho hoe hoatran’ny tsara ny manao firaisana alohan’ny fanambadiana, dia saintsainiko ny voka-dratsiny eo amin’ny fifandraisako amin’i Jehovah. Hitako avy eo fa tsy misy hatakaloko an’io fifandraisana io, na fahotana mahafinaritra toy inona aza.”

Tsy olona hafahafa ianao, raha mbola tsy nanao firaisana. Tsy mendrika sy mahamenatra ary mampidi-doza kosa ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Aza mino ny hevi-dison’ity tontolo ity àry. Adala mantsy, hono, izay mankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Raha tsy manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao, dia ho salama sy hilamin-tsaina, ary indrindra hifandray tsara amin’Andriamanitra.

JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 24, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Tsara homarihina fa rehefa nanontanian’i Heroda i Jesosy, dia naleony tsy namaly. (Lioka 23:8, 9) Aleo koa manao toy izany indraindray rehefa misy mametraka fanontaniana manafintohina.

ANDININ-TENY

‘Raha misy tapa-kevitra ao am-pony ny hitoetra ho virjiny, dia tsara ny ataony.’—1 Korintianina 7:37.

SOSO-KEVITRA

Aza minamana amin’ny olona tsy tena mankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena, na dia mpiray finoana aminao aza izy.

FANTATRAO VE... ?

Mety ho sarotra amin’ny olona zatra nanao firaisana talohan’ny fanambadiana ny hiova, rehefa manambady izy. Matetika kosa no tsy mivadika amin’ny vadiny ny olona zatra nankatò ny fitsipik’Andriamanitra, tamin’izy mbola mpitovo.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba tsy hanaovako firaisana mihitsy, raha tsy efa manambady aho: ․․․․․

Izao no hataoko raha mbola mitady hampirisika ahy hanao firaisana ny namako: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

Nahoana no misy maneso ny olona mbola tsy nanao firaisana mihitsy?

Nahoana no sarotra ny mitandrina mba tsy hanao firaisana alohan’ny fanambadiana?

Inona avy no soa ho azonao, raha tsy manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao?

Ahoana no hanazavanao an’ireo soa ireo amin’ny zandrinao?

[Teny notsongaina, pejy 51]

Mitadidy foana aho hoe ‘tsy manana lova ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, na ny mpijangajanga na ny olona mpanaraka fanao maloto.’ Izany no manampy ahy ho tapa-kevitra tsy haloto fitondran-tena.’’ (Efesianina 5:5)—Diary

[Efajoro, pejy 49]

Fanampiana Hisaintsaina

Inona no Tena Mitranga avy Eo?

Matetika no afenin’ny namanao sy ny mpamoaka filma na boky be mpitia, ny voka-dratsin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Diniho ireto toe-javatra ireto. Inona no tena mitranga amin’ireo tanora ireo, rehefa avy manao firaisana izy?

● Faly erỳ ny mpiara-mianatra aminao iray milaza hoe efa nanao firaisana tamin’ny ankizivavy be dia be. Mahafinaritra, hono, ilay izy, sady tsy nisy vokany ratsy. Inona anefa no tena nitranga taminy sy tamin’ireo ankizivavy ireo avy eo? ․․․․․

● Manao firaisana ny tanora roa tsy mpivady, amin’ny faran’ny filma iray, mba hampisehoana fa mifankatia izy ireo. Inona no hitranga avy eo, raha tsy filma ilay izy, fa tena nisy? ․․․․․

● Manasa anao hanao firaisana aminy ny ankizilahy iray tsara tarehy. Milaza izy fa tsy hotenitenenina amin’olona ilay izy. Aoka hatao hoe nanaiky ianao, ary manafina ny nataonareo. Inona no tena hitranga avy eo? ․․․․․

[Sary, pejy 54]

Raha manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao, dia toy ny hoe manokatra fanomezana mbola tsy nomena anao akory