Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Maninona àry Aho no Marary Be toy Izao?

Fa Maninona àry Aho no Marary Be toy Izao?

Toko 8

Fa Maninona àry Aho no Marary Be toy Izao?

“Mieritreritra ianao hoe mafy be, satria mbola tanora. Rehefa marary be tampoka anefa ianao, dia tonga saina hoe hay tsy marina akory izany. Hoatran’ny hoe lasa antitra vetivety teo ianao.”—Jason.

VOAN’NY aretin’i Crohn i Jason, tamin’izy 18 taona. Aretin-tsinay mampijaly be izy io, ary mandreraka tsikelikely. Manana aretina mitaiza koa angamba ianao na kilemaina. Mety ho mafy be aminao ny manao zavatra tsotra kely toy ny miakanjo, misakafo, na mandeha mianatra.

Mety hahatsiaro ho toy ny hoe migadra ianao, satria tsy afaka manao zavatra firy. Mety hahatsiaro ho manirery koa ianao. Mieritreritra mihitsy aza angamba ianao hoe nanao zavatra nampahatezitra an’Andriamanitra, na mitsapa anao izy. Hoy anefa ny Baiboly: ‘Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.’ (Jakoba 1:13) Anisan’ny fiainana fotsiny ny aretina, ary ‘mety ho azon-tsampona isika rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.’—Mpitoriteny 9:11.

Soa ihany i Jehovah Andriamanitra fa mampanantena tontolo vaovao, ary “tsy hisy mponina [ao] hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ” (Isaia 33:24) Na ny maty aza hatsangana, ka ho afaka hiaina ao amin’io tontolo vaovao io. (Jaona 5:28, 29) Inona anefa no azonao atao mandra-pahatongan’izany?

Miezaha ho falifaly. Hoy ny Baiboly: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana.” (Ohabolana 17:22) Mety hisy hihevitra fa tsy tokony hifalifaly na hihomehy ny olona marary be. Tsy dia ho kivy anefa ianao ary ho maminao kokoa ny miaina, raha manao na mihaino vazivazy tsara ianao, ary miaraka amin’ny namana mahafinaritra. Eritrereto àry izay azonao atao mba hahatonga anao ho faly kokoa. Tadidio fa anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fifaliana. (Galatianina 5:22) Afaka manampy anao ho faly ny fanahiny, ka ho zakanao ny aretinao.—Salamo 41:3.

Miezaha hanana tanjona mora tratrarina. Hoy ny Baiboly: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Raha mahay mandanjalanja ianao, dia tsy hitandrina be loatra, nefa koa tsy hoe tsy hivaky loha. Manaova fanatanjahan-tena araka ny antonony, ohatra, raha tsy mafy loatra aminao izany. Ho salama kokoa ianao amin’izay. Izany no mahatonga ny hopitaly sasany hampanao fanatanjahan-tena ny tanora marary. Matetika no sitrana haingana sady tsy mora kivy, ny marary manao fanatanjahan-tena araka ny antonony. Diniho tsara àry ny mahazo anao, ary miezaha hanana tanjona mora tratrarina.

Miezaha mizaka ny ataon’ny olona. Ahoana raha misy milaza zavatra mahasosotra momba ny aretinao? Hoy ny Baiboly: “Aza raisina am-po daholo ny teny rehetra lazain’ny olona.” (Mpitoriteny 7:21) Odio tsy re fotsiny àry ilay izy, raha azo atao. Na manaova zavatra mialoha. Ahoana izany? Mety ho sadaikatra, ohatra, ny olona mahita anao eo ambony seza misy kodiarana. Ataovy àry izay tsy hahasadaikatra azy. Afaka milaza ianao hoe: “Gaga angamba ianareo hoe maninona aho no mampiasa seza misy kodiarana. Tianareo ho fantatra ve ny antony?”

Aza kivy. Nivavaka tamin’Andriamanitra i Jesosy, ary niantehitra taminy rehefa nijaly mafy. Ny fitahiana niandry azy no nifantohany, fa tsy ny fanaintainany. (Hebreo 12:2) Niana-javatra maro avy tamin’ny fahoriany koa izy. (Hebreo 4:15, 16; 5:7-9) Nanaiky hampiana sy hampaherezina izy. (Lioka 22:43) Nitady izay hahasoa ny olona izy, fa tsy nifantoka tamin’ny fijaliany.—Lioka 23:39-43; Jaona 19:26, 27.

‘Miahy anao’ i Jehovah

Tadidio fa misy vidiny amin’Andriamanitra ianao, na inona na inona aretinao. Sarobidy aminy mantsy ny olona miezaka mampifaly azy. (Lioka 12:7) Tena ‘miahy anao’ izy, ary faly mampiasa anao mba hanompo azy, na dia marary aza ianao, na kilemaina.—1 Petera 5:7.

Aza avela hanakana anao tsy hanao izay zavatra tianao hatao sy izay tokony hataonao àry, ny tahotra na ny fisalasalana. Miantehera foana amin’i Jehovah Andriamanitra. Fantany izay mahazo anao sy izay ilainao. Afaka manome anao “hery fanampiny” koa izy, mba hahafahanao hiaritra. (2 Korintianina 4:7) Mety hanana toe-tsaina tsara toa an’i Timothy ianao, rehefa mandeha ny fotoana. Lasa rera-dava izy tamin’izy 17 taona, ary izany no aretiny. Hoy izy: “Rehefa jerena ny 1 Korintianina 10:13, dia hita fa tsy hamela antsika hiaritra zava-tsarotra mihoatra noho izay zakantsika i Jehovah. Ataoko ao an-tsaina àry hoe: ‘Matoa ny Mpamorona mamela ahy hiaritra ny aretiko, dia fantany fa zakako ilay izy, ka izaho indray ve no tsy hino an’izany?’ ”

Ahoana kosa raha olom-pantatrao no marary?

Ahoana raha olom-pantatrao no marary na kilemaina? Ahoana no azonao anampiana azy? “Miaraha ory” aminy, ary “manàna fangorahana.” (1 Petera 3:8) Miezaha hahatakatra izay mahazo azy. Eritrereto hoe ianao mihitsy no voan’io aretina io, ka alao sary an-tsaina izay tsapany. Diniho, ohatra, ny manjo an’i Nina. Vao teraka izy dia efa voan’ny aretin’ny hazondamosina. Hoy izy: “Kely ny vatako, ary mampiasa seza misy kodiarana aho, ka hoatran’ny miresaka amin’ny ankizikely ny olona rehefa miresaka amiko. Malahelo aho rehefa atao an’izany. Misy kosa miezaka mipetraka rehefa hiresaka amiko, amin’izay mifanatrika izahay. Izany no tena tiako!”

Ho hitanao fa mitovitovy aminao ihany ireny olona ireny, raha tsy mifantoka loatra amin’ny aretiny na ny kilemany ianao. Tadidio koa fa izay lazainao dia ho toy ny “fanomezana ara-panahy” ho azy! Handray soa koa ianao, satria hisy “fifampaherezana” eo aminareo.—Romanina 1:11, 12.

JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 13, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

ANDININ-TENY

“Amin’izay fotoana izay dia ... tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:23, 24.

SOSO-KEVITRA

Miezaha hamantatra zavatra betsaka araka izay azo atao momba ny aretinao. Tsy hatahotra firy ianao amin’izay. Anontanio tsara amin’ny dokotera izay tsy mazava aminao.

FANTATRAO VE... ?

Tsy hoe nosazin’Andriamanitra akory ianao, raha marary na kilemaina. Vokatry ny tsy fahalavorariana nolovantsika rehetra tamin’i Adama kosa izany.—Romanina 5:12.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba ho be fanantenana foana aho, na dia marary na kilemaina aza: ․․․․․

Ity misy tanjona mora amiko ny manatratra azy, ka azoko iezahana: ․․․․․

Izao no hataoko, raha misy olona milaza amiko zavatra mahasosotra momba ny aretiko: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

Ahoana no hampiasanao an’ity toko ity, mba hanampiana olona kilemaina na manana aretina mitaiza?

Raha manana aretina mitaiza ianao, inona no zavatra mampahery azonao saintsainina, mba hahazakanao izany?

Inona no porofo fa tsy hoe tsy tian’Andriamanitra ny olona iray matoa mijaly?

[Efajoro/Sary, pejy 75]

DUSTIN, 22 taona

‘‘Nitomany be teo amin’ny mamanay aho, tamin’izaho nahare hoe tsy maintsy hampiasa seza misy kodiarana. Vao valo taona aho tamin’izay.

Lasa nalemy mantsy aho. Mila olona foana aho isaky ny hiakanjo sy handro ary hisakafo. Tsy vitako na ny manainga ny tanako aza. Tiako anefa ny fiainako, satria be atao aho sady betsaka ny zavatra mahafaly ahy. Mandeha mitory foana aho. Mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana koa aho. Tsy tsapako akory hoe mafy be ny fiainako. Misy atao foana mantsy ny mpanompon’i Jehovah, ary manana fanantenana. Ny tontolo vaovao no tena antenaiko, satria hahavita ‘hianika tendrombohitra toy ny serfa’ aho any.’’—Isaia 35:6.

[Efajoro/Sary, pejy 75]

TOMOKO, 21 taona

‘‘Vao efa-taona aho tamin’izaho notenenin’ny dokotera hoe tsy maintsy mitsindrona ‘insuline’, mandra-pahafatiko.

Sarotra amin’ny olona voan’ny diabeta ny mitandrina, mba tsy hiovaova ny habetsahan’ny siramamy ao amin’ny rany. Amin’ilay izaho te hisakafo iny mihitsy matetika no tsy mahazo mihinana. Ary rehefa tsy te hihinana indray aho, vao tsy maintsy misakafo. Efa tsindrona 25 000 eo ho eo izao no natao tamiko, ka feno holatra ny tanako sy ny feko. Nanampy ahy hizaka ny aretiko anefa ny ray aman-dreniko. Falifaly sy be fanantenana foana ry zareo. Nataony izay hitiavako ny fanompoana an’Andriamanitra. Nanampy ahy foana i Jehovah. Lasa mpisava lalana aho nony hitako hoe salamalama. Te hankasitraka azy mantsy aho.’’

[Efajoro/Sary, pejy 76]

JAMES, 18 taona

‘‘Kilemaina aho, ka sadaikatra ny olona rehefa tafaraka amiko.

Fohy kely aho tsinona nefa tsy hoe fohy fotsiny, fa tena sampona mihitsy. Ny bikako no tena jeren’ny olona, ka iezahako aseho foana fa tsy zazakely be feo aho akory. Tsy kivy aho na dia sampona aza. Ny toetra tsarako kosa no tena ifantohako. Tiako ny fiainako. Mianatra Baiboly aho sady mivavaka amin’i Jehovah mba hanampy ahy. Mampahery ahy foana ny fianakaviako. Tsy andriko izay hanafoanan’Andriamanitra ny aretina rehetra. Mandra-pahatongan’izany, dia miezaka aho mizaka ny kilemako, nefa tsy ataoko mibahana ato an-tsaiko ilay izy.’’

[Efajoro/Sary, pejy 76]

DANITRIA, 16 taona

‘‘Nanaintaina be ny tanako indray mandeha, nefa vera nisy rano fotsiny no noraisiko. Fantatro tamin’izay fa narary aho.

Voan’ny aretin-kozatra aho. Mampijaly sy mahasorena be izy io. Mba te hitovy amin’ny namako aho, nefa lasa sarotra amiko ny manao ny zavatra fanaoko taloha. Mila tsy hahita tory mihitsy aza aho! Manampy ahy anefa i Jehovah, ka afaka manao zavatra ihany aho. Nahavita nanao mpisava lalana mpanampy mihitsy aza aho. Mafy ilay izy, nefa nataoko ihany. Miezaka mamita tsara an’izay ataoko aho. Tsy maintsy mifehy tena anefa aho. Soa ihany fa tenenin’ny mamanay aho isaky ny mitady hanao zavatra tafahoatra!’’

[Efajoro/Sary, pejy 77]

ELYSIA, 20 taona

‘‘Nahay be mihitsy aho taloha. Na ny mamaky fehezanteny tsotra aza anefa izao, dia efa sarotra be amiko, ka kivy aho indraindray.

Rera-dava aho ary izany no aretiko. Mila tsy ho vitako ny zavatra tsotra fanaoko. Tsy afa-miarina eo am-pandriana mihitsy aza aho matetika. Tsy mieritreritra be momba ny aretiko anefa aho. Mamaky Baiboly isan’andro aho, na dia kely fotsiny aza no vitako, ary na dia tsy maintsy olon-kafa aza no mamaky izany amiko. Isaorako betsaka ny fianakaviako. Nolavin’ny dadanay mihitsy aza indray mandeha ny andraikitra nomena azy tany amin’ny fivoriambe, satria te hanampy ahy hanatrika izy. Tsy nitaraina mihitsy izy. Ny mikarakara anay, hono, no andraikitra sarobidy indrindra aminy.’’

[Efajoro/Sary, pejy 77]

KATSUTOSHI, 20 taona

‘‘Mikiakiaka tampoka aho sady mifanintona be. Miparitaka etsy sy eroa na vaky mihitsy aza izay zavatra sendra ahy.

Vao dimy taona aho dia efa voan’ny androbe. Impito be izao ilay izy no mihetsika isam-bolana. Tsy maintsy mihinam-panafody isan’andro aho, ka mora reraka. Miezaka mieritreritra ny olon-kafa anefa aho, fa tsy ny tenako ihany. Misy tanora roa mpisava lalana tena mampahery ahy, ao amin’ny fiangonanay. Nahavita nanompo bebe kokoa aho, rehefa vita ny fianarako. Tsy maintsy vonona hiatrika ny aretiko aho isan’andro. Mahakivy ahy izany indraindray, ka miezaka maka aina aho. Ny ampitson’iny ihany aho dia efa falifaly indray.’’

[Efajoro/Sary, pejy 78]

MATTHEW, 19 taona

‘‘Tsy dia hajain’ny ankizy ianao rehefa hitany hoe tsy mitovy aminy.

Mba te hanao spaoro aho nefa tsy afaka. Malemy aho mantsy, satria misy tsy mety ao amin’ny atidohako. Na ny mandeha aza mila tsy ho vitako. Tsy mieritreritra be loatra an’izay tsy ho vitako anefa aho. Miezaka mafy manao izay zavatra mba vitako kosa aho, ohatra hoe mamaky boky. Tiako ny mankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy misy manavakavaka tsinona any. Faly koa aho satria ny toetrako no itiavan’i Jehovah ahy. Tsy mieritreritra ny tenako ho kilemaina mihitsy aho, fa olona manana aretina tsy fahita firy fotsiny.’’

[Efajoro/Sary, pejy 78]

MIKI, 25 taona

‘‘Nahavita nanao spaoro foana aho taloha. Hoatran’ny hoe lasa antitra tampoka anefa aho, nony nihalehibe.

Misy lavaka ny foko, ary efa hatrany am-bohoka ilay izy. Efa lehibe aho vao tena hita ilay aretina. Nodidiana aho, enin-taona lasa izay, nefa mbola mora reraka sy marary andoha lava hatramin’izao. Miezaka àry aho hanana tanjona mora tratrarina, sy tsy mitaky fotoana be. Manao mpisava lalana, ohatra, aho ka fitoriana an-taratasy sy an-telefaonina no tena ataoko. Nanampy ahy hanana toetra mbola tsy nananako taloha koa ny aretiko. Anisan’izany ny fahari-po sy fanetren-tena.’’

[Sary, pejy 74]

Mety hahatsiaro ho toy ny hoe migadra ianao, rehefa manana aretina mitaiza. Mampanantena anefa ny Baiboly fa mbola ho afaka ianao