Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Tsy Mana-namana Aho?

Inona no Hataoko fa Tsy Mana-namana Aho?

Toko 9

Inona no Hataoko fa Tsy Mana-namana Aho?

Tsara ny andro, nefa ianao tsy mba misy hatao. Ny ankizy rehetra kosa lasa nandehandeha. Hadinony indray ny niantso anao! Malahelo be ianao fa tsy mba misy manasa. Vao mainka ianao kivy avy eo, satria lasa mieritreritra hoe: ‘Fa maninona no tsy te hiaraka amiko ny olona? Sao dia mba misy toetrako tsy tiany àry?’

EFA nitranga matetika taminao angamba izany. Sarotra be aminao ny mifandray amin’olona. Toy ny hoe misy hantsana be manasaraka anao aminy. Menamenatra ianao, ka mila tsy hahateny na tsy mahita holazaina isaky ny mba manandrana miresaka. Nahoana no sarotra be toy izany na ny miresaka fotsiny aza?

Raha misy hantsana manasaraka anao amin’olona, dia mila tetezana ianao mba hankanesana eny. Toy izany koa fa mila mitady vahaolana ianao, raha te hana-namana.

Olana voalohany: Manambany tena loatra. Misy tokoa tanora manambany tena foana. Mieritreritra izy ireo fa tsy misy mpitia, ary tsy mba mahita resaka mahafinaritra atao. Izany koa ve no tsapanao? Vao mainka ho sarotra aminao ny hahazo namana, raha manambany tena toy izany ianao.

Vahaolana: Mifantoha amin’ny toetra tsaranao sy ny fahaizanao. (2 Korintianina 11:6) Mieritrereta hoe: ‘Inona avy no zavatra tena haiko sy ny toetra tsarako?’ Soraty eto ny sasany amin’izany.

․․․․․

Marina fa manao fahadisoana ianao, ary tsara ny hahatsapanao izany. (1 Korintianina 10:12) Manana toetra tsara be dia be koa anefa ianao. Mifantoha àry amin’izany. Hatoky tena ianao amin’izay, ka tsy hanambany tena loatra.

Olana faharoa: Saro-kenatra. Mba te hiresaka ianao, nefa rehefa afaka manao izany dia tsy hitanao indray izay holazaina. Nitaraina toy izao i Erica, 19 taona: “Saro-kenatra be aho. Mila tsy ho vitako ny manatona olona any am-pivoriana. Mitsiriritra erỳ aho mahita ny hafa mahavita izany!” Ary ianao? Saro-kenatra koa ve ianao? Mety hihevitra àry ianao fa olana tsy azo resena mihitsy izany.

Vahaolana: Miezaha manatona ny hafa. Tsy voatery hiresaka be ianao. Olona iray aloha no iresaho. Hoy i Nary: “Anontanio fotsiny ny fahasalamany na ny asany, dia ho fantatrao bebe kokoa izy.”

Miresaha koa amin’ny olon-dehibe, ankoatra ny olona mitovy taona aminao. Milaza ny Baiboly fa mpinamana tsy nifankafoy i Rota sy Naomy, Davida sy Jonatana, ary Timoty sy Paoly. Nifanalavitra be anefa ny taonan’izy ireo. (Rota 1:16, 17; 1 Samoela 18:1; 1 Korintianina 4:17) Tadidio koa fa tsy voatery ho ianao foana no hiresaka, fa mba manan-kolazaina koa ny olon-kafa. Raha saro-kenatra àry ianao, dia aza matahotra hoe tsy maintsy hiteny foana. Ny namana mahay mihaino rahateo no tian’ny olona.

Soraty eto ny anaran’ny olon-dehibe roa tianao ho fantatra bebe kokoa.

․․․․․

Nahoana raha manatona ny iray amin’izy ireo, ary miresaka? Tsy hanirery loatra ianao, raha miezaka mifandray amin’ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.”—1 Petera 2:17.

Olana fahatelo: Ratsy toetra. Tia manevateva, manesoeso, na manambany, ny olona miseho ho mahay ny zava-drehetra. Misy koa tia miady hevitra fotsiny, ary manery ny hafa hanaiky ny heviny. Miseho ho “marina loatra” ny olona toy izany, ka omeny tsiny avy hatrany izay tsy mitovy hevitra aminy. (Mpitoriteny 7:16) Azo inoana fa tsy ho tianao mihitsy ny hinamana amin’ny olona toy izany! Sao dia mba ianao kosa anefa no manana ireo toetra ratsy ireo, ka izany no mahatonga anao tsy hahazo namana? Hoy ny Baiboly: “Be resaka loatra ny olona adala”, ary “ny teny maro tsy ilaozan’ota.”—Mpitoriteny 10:14; Ohabolana 10:19.

Vahaolana: Aza toherina foana izay lazain’ny olona. (1 Petera 3:8) Avelao izy hiteny, na tsy mitovy hevitra aminy aza ianao. Tadiavo izay hevitra itovianareo, ary izany no resaho. Raha tsy maintsy manohitra ny heviny kosa ianao, dia miezaha halemy fanahy sy hahay handanjalanja.

Tianao ve raha tsara fanahy ny olona, rehefa miresaka aminao? Miezaha koa àry ho toy izany aminy. Hoy ny Baiboly: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy foana tsy misy fimenomenonana sy adihevitra.” (Filipianina 2:14) Hihatakatahan’ny olona ianao, raha tia mifamaly na mananihany tsy amin’ny antony, na tia manambany na manome tsiny. Ho tian’izy ireo kosa ianao, raha ‘teny mahafinaritra foana no lazainao.’—Kolosianina 4:6.

Aza terena izy

Nahita fomba hahazoana namana angamba ianao izao, rehefa avy nandinika ireo vahaolana eo aloha ireo. Tokony hijery ny zava-misy anefa ianao. Aza manantena hoe ho tia anao daholo ny olona. Nilaza i Jesosy hoe hisy hankahala, na dia ireo manao ny tsara aza. (Jaona 15:19) Aza terena àry ny olona raha efa hita fa tsy te ho namanao. Ho lany andro fotsiny mantsy ianao.

Na izany aza, dia miezaha hanana toetra mahafinaritra. Aza mampandefitra ny fitsipiky ny Baiboly anefa, satria fotsiny hoe te ho tian’ny olona. Niezaka nampifaly an’Andriamanitra, ohatra, i Samoela, ilay mpanompony fahiny. Inona no vokany? “Vao mainka nahatehotia teo imason’i Jehovah sy teo imason’ny olona” izy. (1 Samoela 2:26) Ho toy izany koa ianao, raha miezaka kely fotsiny!

JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 8, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay DVD hoe “Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana?” Misy amin’ny fiteny 40 mahery izy io

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Mpinamana be ianao sy ny ankizy iray, nefa tampoka teo dia lasa tsy tiany maizina ianao. Inona no azonao atao?

ANDININ-TENY

“Izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.”—Ohabolana 11:25.

SOSO-KEVITRA

Mitadiava fomba hanohizan-dresaka. Raha misy manontany anao, ohatra, hoe nahafinaritra ve ny faran’ny herinandro, dia aza miteny fotsiny hoe eny. Hazavao hoe nahoana ilay izy no nahafinaritra anao. Anontanio izy avy eo hoe inona no nataony tamin’ny faran’ny herinandro.

FANTATRAO VE... ?

Milaza ny Baiboly fa toa saro-kenatra ry Mosesy sy Jeremia ary Timoty.—Eksodosy 3:11, 13; 4:1, 10; Jeremia 1:6-8; 1 Timoty 4:12; 2 Timoty 1:6-8.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no tena mahatonga ahy tsy hahazo namana: ․․․․․

Izao no hataoko mba hahazoana namana: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no misy Kristianina tsy mana-namana?

● Inona no hanampy anao tsy hanambany tena loatra, fa hifantoka amin’ny toetra tsaranao sy ny fahaizanao?

● Inona no holazainao amin’ny zandrinao, raha malahelo izy satria tsy mana-namana?

[Teny notsongaina, pejy 88]

Nisy rahavavy iray te hinamana tamiko, fa tsy noraharahaiko. Nanaiky ho namany ihany anefa aho tamin’ny farany. Menatra be aho tamin’ny nataoko! Hay izy mahafinaritra be, na dia zokiko 25 taona aza. Lasa mpinamana be izahay!’’—Mialy

[Sary, pejy 87]

Toy ny hoe manisy tetezana eo amin’ilay hantsana ianao, raha mitady vahaolana mba hahazoana namana