Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hahazoako Vola Kely?

Ahoana no Hahazoako Vola Kely?

Toko 18

Ahoana no Hahazoako Vola Kely?

 

“Tia mividividy zavatra aho.”—Lorie.

“Misy zavatra tsara be mba tiako ho azo, nefa tsy manam-bola dada sy mamanay.”—Mirado.

IZANY koa angamba no mahatonga anao te hahazo vola kely. Na mila vola ianao mba hanampiana ny fianakavianao. Marina fa mety tsy hitaky vola aminao mba handoavana izay lany ao an-trano ny ray aman-dreninao, na dia sahirana aza. Mety hihena anefa ny vola tsy maintsy tadiaviny, raha ianao ihany no mividy ny akanjonao na ny zavatra hafa ilainao.

Na ahoana na ahoana, dia samy mila vola, na ianao na ny fianakavianao, raha te hahazo zavatra. Marina fa nampanantena i Jesosy hoe hampian’Andriamanitra izay ‘mikatsaka ilay Fanjakana’ alohan’ny zava-drehetra. Na izany aza, dia mila miezaka mamelon-tena ny Kristianina. (Matio 6:33; Asan’ny Apostoly 18:1-3; 2 Tesalonianina 3:10) Ahoana àry no hahazoanao vola kely? Inona no azonao atao mba tsy ho variana mitady vola ianao, ka ho lasa tsirambina ny fanompoana an’Andriamanitra?

Fomba hahitana asa

Tena mila mividy zavatra tsy takatry ny volan’ny ray aman-dreninao ve ianao? Tsara raha mitady asa ianao mba hahazoanao vola ampy hividianana izany. Miresaha aloha amin’ny ray aman-dreninao. Mety ho faly izy ireo handre hoe te hiasa ianao. Aoka hatao hoe manaiky izy, ary efa ampy taona mba hiasa ianao. Ireto àry misy soso-kevitra efatra hanampy anao:

Lazao amin’ny olona fa mitady asa ianao. Ohatra hoe amin’ny mpiray tanàna sy mpampianatra ary ny havana. Raha menatra ny hilaza izany mivantana ianao, dia anontanio fotsiny izay asa nataon’izy ireo tamin’izy nitovy taona taminao. Hahalala olona mety handray mpiasa ianao, raha maro no mahafantatra fa mitady asa ianao.

Hararaoty raha vao misy orinasa na olona mitady mpiasa. Manorata any amin’izay rehetra mitady mpiasa, ka nanao filazana tao amin’ny gazety na Internet na nametaka afisy. “Hoatran’izany no nahitako asa”, hoy i David. “Nijery tao amin’ny gazety aho, dia nalefako fax tany amin’ilay orinasa ny taratasy momba ny zavatra haiko. Nantsoiko ry zareo avy eo.” Raha mbola tsy mahita asa ihany ianao, dia mankanesa any amin’izay olona mety hitady mpiasa, ka mahaiza miresaka aminy mba hanekeny fa ilainy ilay asa hainao.

Manaova taratasy momba ny zavatra hainao ary zarao izany. Soraty ao koa ny adiresy na ny nomeraon-telefaoninao sy ny asa efa nataonao. Tsy hitanao ve izay mba zavatra hainao? Mieritrereta kely àry. Efa niambina ny zandrinao ve ianao tamin’ny ray aman-dreninao tsy tao an-trano? Sa niambina zanak’olon-kafa? Midika izany fa azo anankinana andraikitra ianao. Efa nanjaitra niaraka tamin’ny mamanao ve ianao? Mety hidika izany fa mahay manjaitra ianao. Mahay mampiasa ordinatera ve ianao? Nahavita namorona fitaovana ve ianao tany am-pianarana, ka nahazo naoty tsara? Anisan’ny fahaizana tadiavin’ny mpampiasa ireo, ka soraty ao amin’ilay taratasy. Atero any amin’ny orinasa maromaro izy io. Iangavio koa ny namanao sy ny havanao, mba hizara azy io amin’izay olona fantany fa mitady mpiasa.

Manaova asa tena. Eritrereto ny eny an-tanànanareo. Inona no asa madinidinika mbola tsy misy mpanao? Afaka manontany ny mpiray tanàna, ohatra, ianao, sao mitady olona hokaramaina izy, mba hanasa lamba, hantsaka, na hanatitra mpianatra. Mahay mandrandrana ve ianao? Nahoana raha manontany sao misy olona te hirandrana? Misy koa asa tsy dia tian’ny olona, toy ny manadio trano na manary fako. Tsy tokony hahamenatra ny Kristianina ny manao asa vatana. (Efesianina 4:28) Mazava ho azy, fa mila mazoto sy manaja ny asanao ary vonona hikarokaroka ianao, rehefa manao asa tena.

Aza maika hanao ilay asa anefa, raha tsy efa nodinihinao izay vola mety ho laninao amin’izany. Eritrereto koa hoe inona marina no hasaina hataonao. (Lioka 14:28-30) Miresaha aloha amin’ny ray aman-dreninao sy amin’ny olona efa nanao asa mitovitovy amin’ilay tianao hatao. Anontanio any amin’ny manam-pahefana koa sao mila mandoa hetra ianao, na mila taratasy fahazoan-dalana.—Romanina 13:1.

Aza manao zavatra be loatra

Eritrereto hoe mitaingina bisikileta ianao, nefa koa mitondra zavatra be dia be toy ny kitapo, baolina, ary baoritra maromaro feno entana. Inona no hanjo anao? Hianjera ianao ary haratra! Raha manao asa mafy loatra koa ianao, dia hisy vokany ratsy eo aminao izany. Hiharatsy ny naotinao ary harary ianao, raha mampiasa vatana sy saina be loatra, rehefa avy mianatra. Mbola hisy vokany ratsy kokoa noho izany aza ilay izy. Tsy ho vitanao intsony ny hivory sy hianatra Baiboly ary hitory tsy tapaka. Niaiky i Mbola hoe: “Tsy nivory aho indraindray satria vizana avy nianatra sy niasa.”

Aza tia vola àry! Nilaza mantsy i Jesosy hoe izay “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra” ihany no tena sambatra. (Matio 5:3) Hoy koa izy: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Nanaiky an’izany i Maholy, ka niezaka tsy hanao asa mafy loatra. Hoy izy: “Tsy te ho variana mitady vola aho. Fantatro mantsy fa tsy hanompo an’i Jehovah intsony aho, raha tsy manao afa-tsy izany.”

Marina fa voatery miasa mandritra ny ora maro ny tanora any amin’ny tany sasany, mba hanampiana ny fianakaviany. Raha tsy voatery manao an’izany anefa ianao, inona no mbola hiasanao mandritra ny ora maro? Hisy vokany ratsy izany. Milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa efa tafahoatra, raha miasa adiny 20 mahery isan-kerinandro ny tanora, nefa mbola mianatra. Tsy hahasoa azy ireo izany, fa vao mainka aza hanimba azy. Misy manam-pahaizana mampirisika ny tanora tsy hiasa afa-tsy adiny valo na adiny folo isan-kerinandro. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”—Mpitoriteny 4:6.

Tadidio fa mety hahatonga anao hanadino tsikelikely ny fivoriana sy ny fianarana Baiboly ary ny fitoriana, “ny famitahan’ny harena.” (Marka 4:19) Efa miasa àry ve ianao mba hahazoana vola kely? Alamino tsara ny fotoananao mba ho loha laharana hatrany ny fanompoana an’i Jehovah. Mivavaha aminy satria afaka manampy anao hahavita izany izy. Hanampy anao hahay hanapa-kevitra koa izy, mba tsy ho lasa tsirambina ny fanompoanao azy.

JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 21, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Mahay mitsitsy vola ve ianao sa tsy manam-bola foana? Inona no azonao atao mba hitsitsiana vola?

ANDININ-TENY

“Maro ny fanirian’ny kamo, nefa tsy manana na inona na inona izy. Tsy hanan-java-mahory kosa ny mazoto.”—Ohabolana 13:4.

SOSO-KEVITRA

Mandefasa taratasy momba ny zavatra hainao, any amin’ny orinasa maromaro, fa aza miandry azy ireny hitady mpiasa.

FANTATRAO VE... ?

Any amin’ny toerana sasany dia mbola be dia be ny asa ilana olona, nefa tsy anaovan’ny orinasa filazana.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Ho mora kokoa amiko ny hahita asa, raha ․․․․․

Tsy hiasa afa-tsy adiny isan-kerinandro aho. ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ianao no te hitady vola kely?

● Inona no olana hitranga aminao, rehefa miasa ianao?

● Inona no azonao atao mba tsy ho variana hitady vola, ka ho lasa tsirambina ny fanompoana?

[Teny notsongaina, pejy 153]

Tsy ho sambatra mihitsy ianao, raha hoe mahazo zavatra vao faly. Tsy maintsy hisy foana tsinona ny zava-baovao tianao ho azo. Mila mianatra mifaly amin’izay anananao ianao.’’—Hery

[Efajoro, pejy 155]

Ilaina ny vola fa aza tia vola!

Mahasoa ny antsy maranitra, ho an’izay mahay mampiasa azy. Raha olona tsy mitandrina na tsy mahay kosa no mampiasa izany, dia mety haratra mafy izy. Toy ny antsy maranitra ny vola. Hahasoa anao izy io, raha hainao tsara ny mampiasa azy. Mety hidiran-doza kosa ianao, raha tsy mitandrina! Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mianara mampiasa tsara ny vola. Mananatra antsika mba tsy ho tia vola koa ny apostoly Paoly. Misy olona te hanan-karena mantsy, ka lasa tsy miraharaha ny namany sy ny fianakaviany ary Andriamanitra mihitsy aza. ‘Manindrona ny tenany amin-javatra maro mampanaintaina’ izy ireo. (1 Timoty 6:9, 10) Aza tia vola àry na dia ilaina aza izy io!

[Sary, pejy 153]

Ho sahirana ianao raha mitady hanao zavatra be loatra