Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Mahantra Izahay?

Inona no Hataoko fa Mahantra Izahay?

Toko 20

Inona no Hataoko fa Mahantra Izahay?

Tanora any Eoropa Atsinanana i Gregory. Kivy be izy, satria tsy mahavidy ny akanjo na ny fitaovana elektronika ananan’ny tanora any Eoropa Andrefana. Handeha hifindra any Aotrisy àry izy. Mahantra ve i Gregory?

□ Eny □ Tsia

Any amin’ny tanàna kely iray, any amin’ny faritra atsimon’i Afrika kosa, no misy an’i Loyiso. Trano bongo no mba ipetrahan’izy mianakavy. Te hitovy amin’ny tanora ao amin’ny tanàn-dehibe iray eo akaiky izy. Tsy mba mahantra toa azy, hono, izy ireo, satria misy jiro sy rano ny tranony. Mahantra ve i Loyiso?

□ Eny □ Tsia

HITA àry fa samy manana ny fahazoany ny atao hoe “mahantra” ny olona. Mieritreritra angamba i Gregory hoe mahantra be izy. Manankarena anefa izy raha oharina amin’i Loyiso. Fantaro àry fa mbola misy mahantra lavitra noho ianao any ho any, na mahantra toy inona aza ianao. Mety mbola ho kivy ihany anefa ianao, raha tsy mba manao akanjo tsara rehefa mandeha mianatra, na tsy manana ny zavatra tena ilaina, toy ny rano amin’ny paompy.

Mahatsiaro ho ambany sy tsy misy ilana azy ny ankizy mahantra sasany. Misotro toaka na mifoka rongony àry izy ireo, mba hanadinoana ny fahoriany. Vao mainka misy vokany ratsy anefa izany. Hitan’ny mpisotro toaka fa ‘manaikitra tahaka ny menarana [ny toaka], ary mamoaka poizina tahaka ny bibilava.’ (Ohabolana 23:32) Hoy i Maria, avy amin’ny fianakaviana mahantra atsy Afrika Atsimo, momba izany: “Vao mainka hijaly ianao, raha mitady hamono eritreritra.”

Marina fa mety tsy hisotro toaka ianao na hifoka rongony. Na izany aza, dia kivy angamba ianao satria toa tsy hihatsara mihitsy ny fiainanao. Toy ny hoe voafatotry ny rojo vy ianao. Inona no hanampy anao? Ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Toy ny lakile mahavaha rojo vy izy ireny, satria manampy anao tsy ho kivy ary hanana toe-tsaina tsara. Andeha isika hijery torohevitra vitsivitsy.

Diniho ny zavatra tsara efa anananao

Eritrereto ny zavatra anananao, fa aza mieritreritra an’izay tsy anananao. Sarobidy noho ny vola, ohatra, ny trano sy ny fianakaviana be fitiavana! Hoy ny Baiboly: “Aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana, toy izay mihinana omby mifahy ao anatin’ny fifankahalana.” (Ohabolana 15:17) Manana zava-tsarobidy tsy ananan’ny olona maro koa ny tanora kristianina, dia ny fampaherezana avy amin’ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.”—1 Petera 2:17.

Azonao atao koa ny miezaka mianina na mifaly amin’izay anananao. Marina fa mety ho tsotsotra ny tranonareo na tsizarizary mihitsy aza. Mety ho efa tonta na rovitra na mitampintampina ny akanjonao. Mba tianao hiovaova koa angamba ny sakafonareo. Kanefa, mila manana akanjo lamaody be na trano tsara tarehy ve ianao vao ho tian’Andriamanitra? Mila sakafo matsiro koa ve ianao vao ho velona sy ho salama? Tsia. Efa mba nahantra toa anao koa ny apostoly Paoly, na dia nanan-javatra betsaka ihany aza indraindray. (Filipianina 4:12) Inona no nianarany avy tamin’izany? Hoy izy: “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.”—1 Timoty 6:8.

Nahantra ny ray aman-drenin’i Eldred, lehilahy iray atsy Afrika Atsimo. Hoy izy: “Notadidinay ankizy fotsiny hoe tsy dia nanam-bola ny ray aman-dreninay, ka tsy voatery hahazo izay tianay foana izahay.” Tsaroany fa notampenan’ny reniny fotsiny ny pataloa fitondrany mianatra, isaky ny rovitra, fa tsy nahazo vaovao mihitsy izy! Hoy izy: “Nihomehezan’ny ankizy aho, nefa tsy nampaninona ahy izany. Nadio sy mbola azo nanaovana tsinona ny akanjonay, ary izay no zava-dehibe.”

Ataovy izay hahatsapanao hoe ilaina ianao

Nipetraka tamin’ny trano tsizarizary tany akaikin’i Johannesburg, any Afrika Atsimo, i James sy ny reniny ary ny anabaviny. Vao 11 taona izy tamin’izany. Nahantra be ry zareo. Mbola nanana zava-tsarobidy anefa i James, dia ny fotoanany sy ny heriny. Faly izy nampiasa izany hanampiana olona. Nirotsaka an-tsitrapo àry izy isaky ny faran’ny herinandro, mba hanampy ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana, hanorina Efitrano Fanjakana. Variana tamin’io asa io izy, ka tsy nankaleo azy ny fiainany. Faly koa izy satria nahavita zavatra tsara, ary lasa nahatsapa hoe nilaina. Hoy izy: “Faly be aho isaky ny avy miasa!”

Anisan’ny asa soa azonao atao koa ny mitory ny vaovao tsara isan-trano. (Matio 24:14) Manao izany tsy tapaka ny tanora Vavolombelon’i Jehovah. Inona no vokany? Lasa mahatsapa hoe ilaina kokoa izy ireo. Ny olona itoriany kosa lasa manantena fa ho sambatra amin’ny hoavy. Marina fa tsy mahazo vola ireny tanora ireny amin’io asa io. Tadidio anefa ilay hafatr’i Jesosy ho an’ny fiangonan’i Smyrna fahiny. Tena nahantra izy ireo nefa nahafoy tena ho an’Andriamanitra, ka hoy i Jesosy: “Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, nefa manankarena ianao.” Nasehon’izy ireo tamin’ny zavatra nataony, fa nino ny ra nalatsak’i Jesosy izy. Lasa nanankarena be àry izy ireo tatỳ aoriana, satria nahazo satroboninahitra, dia ny fiainana mandrakizay.—Apokalypsy 2:9, 10.

Miezaha ho be fanantenana

Afaka ny ho naman’i Jehovah ianao, na mahantra na manankarena. Hoy ny Baiboly: “Mihaona ny manankarena sy ny mahantra. Ary i Jehovah no Mpanao azy roa tonta.” (Ohabolana 22:2) Tanora Vavolombelona an’arivony no nahavita nizaka ny fahantrany, rehefa nahafantatra an’izany. Hitan’izy ireo fa tsy ny olona manankarena no tena sambatra, fa izay minamana amin’i Jehovah Andriamanitra. Ary eken’i Jehovah ho namany izay rehetra te hanompo azy. Mampanantena koa izy fa hisy tontolo vaovao, ka tsy hisy mahantra intsony ao.—2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.

Ampiasao tsara izay anananao, mandra-pahatongan’izany. Miezaha ho be fanantenana. Manangòna harena any an-danitra. (Matio 6:19-21) Ataovy ao an-tsaina hoe ho vitanao ny hizaka ny fahantrana, na dia mafy aza izany!

ANDININ-TENY

“Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”—Lioka 12:15.

SOSO-KEVITRA

Aza miloka na mifoka sigara na misotro toaka. Raha misy manao an’ireo ny olona ao aminareo, dia aza manahaka azy. Ho modely ho azy ireo ianao amin’izay.

FANTATRAO VE... ?

Raha mankatò ny toro lalan’ny Baiboly ianao, dia hahay hianina na hifaly amin’izay anananao, na dia mahantra aza.—Filipianina 4:12, 13; 1 Timoty 6:8; Hebreo 13:5.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Ireto ny zavatra tsara efa ananako: ․․․․․

Hampiasaiko hanampiana olona ireo, ka izao no hataoko: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no tsy mitovy ny fahazoan’ny olona ny hoe “mahantra”?

● Nahoana no tsy tsara ny misotro toaka na mifoka rongony, mba hanadinoana ny fahantrana?

● Inona no zavatra azonao atao mba tsy ho kivy ianao, na dia mahantra aza?

[Teny notsongaina, pejy 168]

Marina fa nieritreritra aho hoe hahantra mandrakizay. Hitako anefa fa tsy vahaolana ny mangalatra na miaraka amin’ny andian-jiolahy. Nanao an’izany ny ankizy nitovy taona tamiko, ka lasa mitango lalitra fotsiny ny sasany, ary tsy afaka amin’ny toaka sy rongony intsony. Ny hafa kosa migadra.’’—Rindra

[Efajoro/Sary, pejy 164]

Fanampiana hisaintsaina

Tokony ho any andafy ve aho?

Misy tanora te hifindra any andafy, mba hitady vola hivelomana na hanampiana ny fianakaviany. Ny hafa indray mifindra any satria te hianatra teny vahiny, na hanohy fianarana, na mba hialana amin’ny fahasahiranana ao an-trano. Misy kosa tanora kristianina mifindra any amin’ny tany ilana mpitory. Tsy mora anefa izany hoe hifindra any andafy izany, ka tokony hieritreritra tsara ianao vao manapa-kevitra. Raha mikasa ho any àry ianao, dia vakio sy saintsaino aloha ireto andinin-teny ireto. Soraty amin’ny taratasy ny valin’ireo fanontaniana eo alohany. Mivavaha avy eo mba hahaizanao hanapa-kevitra.

□ Inona no takin’ny manam-pahefana amin’izay te hifindra any?—Romanina 13:1.

□ Ohatrinona ny vola hilaiko?—Lioka 14:28.

□ Efa mazoto miasa ve aho izao, ka azo inoana fa hahavita hamelon-tena rehefa tonga any?—Ohabolana 13:4.

□ Inona no torohevitra nomen’ny olona matotra efa nipetraka tany?—Ohabolana 1:5.

□ Efa nanontany ny hevitry ny ray aman-dreniko ve aho?—Ohabolana 23:22.

□ Fa maninona moa aho no te hifindra any?—Galatianina 6:7, 8.

□ Raha hiara-mipetraka amin’olona aho, hampirisika ahy hanompo an’i Jehovah foana ve izy?—Ohabolana 13:20.

□ Inona no loza sy fakam-panahy mety hahazo ahy any?—Ohabolana 5:3, 4; 27:12; 1 Timoty 6:9, 10.

□ Tena hahasoa ahy tokoa ve ny hifindra any?—Ohabolana 14:15.

[Sary, pejy 167]

Toy ny lakile mahavaha rojo vy ny torohevitra ao amin’ny Baiboly, satria manampy anao tsy ho kivy na dia mahantra aza