Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Mamo Lava ny Dadanay?

Inona no Hataoko fa Mamo Lava ny Dadanay?

Toko 23

Inona no Hataoko fa Mamo Lava ny Dadanay?

“Niteny dadanay, indray mandeha, hoe handeha hanamboatra aotomobilina. Tsy nody mihitsy anefa izy mandra-paharivan’ny andro. Niantso azy tamin’ny telefaonina mamanay, fa tsy nisy nandray. Lasa saina be mamanay avy eo. Nisolo akanjo izy, ary niteny hoe: ‘Andeha hijery an’i Dada aho.’

“Niverina izy afaka kelikelin’iny, nefa tsy niaraka tamin’ny dadanay. ‘F’angaha izy tsy nanamboatra aotomobilina indray?’, hoy aho taminy. ‘An an an’, hoy izy.

“Tonga dia haiko hoe nanao ny hadalany indray dadanay. Nandeha nifoka rongony hoatran’ny fanaony izy. Vao tonga tao an-trano izy, dia natahotra be izahay sy mamanay. Tsy noraharahaiko mihitsy izy ny ampitson’iny. Manenina anefa aho izao tamin’ny nataoko.”—Kanto, 14 taona.

TANORA an-tapitrisany no mitebiteby isan’andro, satria mamon-drongony na mamon-toaka foana ny rainy. * Izany koa ve no iainanao? Azo inoana fa menatra ianao, na kivy, na tezitra mihitsy aza.

Hoatran’ny hoe tsara fanahy be, ohatra, ny dadan’i Nadia, rehefa eny imasom-bahoaka. Mpisotro toaka be anefa izy, saingy nafeniny tamin’ny olona izany. Nanompa sy namono ny vady aman-janany izy tao an-trano. Sady tezitra i Nadia no nilaza hoe: “Misy miteny aminay foana hoe sambatra, hono, izahay, satria tsara fanahy be dadanay.” *

Mpisotro toaka na mpifoka rongony ve ny dadanao? Ahoana no hahazakanao an’izany?

Fantaro ny antony

Tsara ho fantatrao aloha hoe nahoana izy no lasa mpisotro toaka na mpifoka rongony. Hoy ny Ohabolana 1:5: “Ny mahira-tsaina no mahazo tari-dalana tsara.” Tokony ho fantatrao àry hoe nahoana ny olona sasany no lasa mpisotro toaka na mpifoka rongony.

Tsy ny olona misotro toaka be tsindraindray no atao hoe mpisotro toaka, fa izay zatra misotro be kosa, ary tsy mety afaka amin’izany. Tia toaka loatra izy, ka tsy mieritreritra afa-tsy izany. Tsy mahafehy tena izy, raha vao manomboka misotro. Manimba ny asany sy ny fahasalamany ary ny fiainana ao an-tokantranony, ny fisotroany toaka.

Misy karazan’olona mora lasa mpisotro toaka. Ny hafa kosa kivy, ka te hamono eritreritra. Maro amin’izy ireny, ohatra, no mihevi-tena ho tsy misy ilana azy. (Ohabolana 14:13) Ny sasany indray zanaka mpisotro toaka, ka aleony koa misotro mba hanadinoany ny fijaliany tamin’ny mbola kely. Mety ho ireo antony ireo koa no mahatonga ny olona ho lasa mpifoka rongony.

Vao mainka anefa hijaly ny olona iray, raha misotro toaka be na mifoka rongony. Tsy hiasa tsara intsony ny sainy, ary ho mora entim-po izy. Mila fanampiana be àry ny dadanao, raha te ho afaka tanteraka amin’ny toaka na rongony. Tokony hanatona dokotera izy.

Aza manantena loatra hoe hikarakara tsara anao izy

Marina fa tsy hoe hiova izy, rehefa fantatrao ny antony hisotroany toaka na hifohany rongony. Mety hahatonga anao hangoraka kokoa azy anefa izany.

Ity misy ohatra: Aoka hatao hoe tapaka ny tongotry ny dadanao. Hanantena ve ianao hoe ho afaka hiara-milalao baolina ianareo? Ary ahoana raha fantatrao hoe ny hadalany no nahatonga azy ho tapa-tongotra? Azo inoana fa ho tezitra be aminy ianao. Mbola tsy ho afaka hiara-milalao aminao foana anefa izy, raha tsy sitrana. Raha takatrao izany, dia tsy hanantena loatra ianao hoe ho afaka hanao izay tianao rehetra izy.

Toy ny hoe tapa-tongotra koa ny dadanao, raha mpisotro toaka na mpifoka rongony. Tsy miasa tsara mantsy ny sainy, ary tsy dia afaka maneho fitiavana aminao izy. Marina fa ny hadalany no nahatonga izany, ka rariny raha tezitra aminy ianao. Mbola tsy ho afaka hikarakara anao anefa izy, raha tsy rehefa afaka amin’ny toaka na rongony. Ataovy toy ny hoe tapa-tongotra àry izy, ka tsy afaka manao zavatra firy. Raha mitadidy izany ianao, dia tsy hanantena loatra hoe hikarakara tsara anao izy.

Inona no azonao atao?

Tokony ho fantatrao fa tsy maintsy mizaka ny vokatry ny ataony ianao, mandra-piovany. Inona anefa no azonao atao?

Aza manome tsiny ny tenanao. Izy irery ihany no diso, fa tsy ianao. Hoy ny Galatianina 6:5: ‘Samy hitondra ny entany avy ny tsirairay.’ Tsy anjaranao àry ny mitsabo azy. Aza mieritreritra koa hoe tsy maintsy miaro azy ianao, mba tsy hizakany ny vokatry ny nataony. Aza mandainga amin’ny mpampiasa azy, ohatra, na mibata azy hiala eo am-baravarana, raha tsy mahatsiaro tena eo izy.

Ampirisiho izy hitsabo tena. Mety tsy hanaiky anefa izy hoe tena mila tsaboina. Tsara àry raha miresaka aminy ny olon-dehibe ao aminareo, rehefa tsy mamo sy vonona hiresaka izy. Azo resahina aminy ny vokatry ny ataony eo aminareo mianakavy, ary atoro azy izay tokony hataony.

Tsara koa izy raha asaina manoratra ny valin’ireto fanontaniana ireto: Inona no hitranga amiko sy amin’ny vady aman-janako, raha mbola misotro toaka na mifoka rongony foana aho? Inona kosa no hitranga raha tsy manao an’izany intsony aho? Inona no tokony hataoko mba ho afaka amin’izao fahazaran-dratsiko izao aho?

Mandosira raha mitady hisy ady ao an-trano. Hoy ny Ohabolana 17:14: “Mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.” Raha misy fifamaliana ao an-trano, dia aza miditra amin’ilay izy. Mety hahita loza mantsy ianao. Mandehana any amin’ny efitra hafa, na any amin’ny namanao, raha azo atao. Mila miantso vonjy ianao, raha mitady hamono anareo ilay dadanao.

Tadidio foana fa rariny raha tezitra ianao. Manome tsiny ny tenany ny tanora sasany, satria tezitra amin’ilay dadany. Rariny anefa raha tezitra ianao, indrindra raha tsy afaka maneho fitiavana aminao na mampahery anao, araka izay ilainao, izy. Marina fa mandidy anao hanaja ny ray aman-dreninao ny Baiboly. (Efesianina 6:2, 3) Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy mankasitraka izay ataony ianao. (Romanina 12:9) Ny dikan’ny hoe ‘manaja’ dia mankatò, toy ny hoe mankatò ny polisy na ny mpitsara. Tsy hoe ratsy toetra koa ianao, raha maharikoriko anao ny ataon’ny dadanao. Tena maharikoriko mihitsy ny olona mamo!—Ohabolana 23:29-35.

Miaraha amin’ny olona mampahery. Rehefa mikorontana foana ny fiainana ao an-trano, dia lasa tsy hainao intsony hoe ahoana no tena tokony ho fiainan’ny fianakaviana. Tena mila minamana amin’ny olona tsara fanahy sy tia an’i Jehovah àry ianao. Afaka mampahery sy manampy anao ny mpiara-manompo, sady afaka manamaivana ny fahorianao indraindray. (Ohabolana 17:17) Mila miaraka amin’ny fianakaviana kristianina fakan-tahaka koa ianao.

Mitadiava olona hanampy anao. Tsara raha Kristianina matotra sy azo atokisana ilay izy, ka azonao ilazana izay ao am-ponao. Tena hampahery anao izany. Vonona hanampy anao foana koa ny anti-panahy, isaky ny mila azy ireo ianao. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Toy ny fierena amin’ny rivotra, sy fialofana amin’ny oram-baratra izy ireo, sady toy ny rano mikoriana any amin’ny tany karakaina, ary toy ny aloky ny vatolampy lehibe any amin’ny tany ngazana.’ (Isaia 32:2) Aza matahotra na menatra hiresaka aminy àry, raha mila fampaherezana sy torohevitra ianao.

Iza amin’ireo soso-kevitra ireo no tianao hampiharina voalohany? ․․․․․

Marina fa mety tsy ho afaka hanova ny fiainanareo ao an-trano ianao. Misy zavatra azonao atao anefa, mba hahazakanao izany. Aza mitady hanova ny dadanao. Eritrereto kosa ny tenanao. ‘Miezaha mafy foana mba hahazoanao famonjena’, hoy ny apostoly Paoly. (Filipianina 2:12) Tsy ho kivy be ianao amin’izay. Mety ho tonga saina koa ny dadanao, ka hitsabo tena.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Miady lava ve ny ray aman-dreninao? Azo inoana fa mampalahelo be anao izany. Inona no azonao atao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Mahakasika ny vehivavy koa ity lahatsoratra ity.

^ feh. 7 Tokony hitady olona hanampy anao ianao, raha mampijaly anao ilay dadanao. Miresaha amin’ny olon-dehibe atokisanao. Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia miresaha amin’ny anti-panahy na Kristianina matotra hafa.

ANDININ-TENY

“Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina.”—Ohabolana 19:11.

SOSO-KEVITRA

Aza mankahala ny rainao na ny reninao. Ilay zava-dratsy ataony no ankahalao.—Ohabolana 8:13; Joda 23.

FANTATRAO VE... ?

Midika fotsiny hoe mankatò an’izay manana fahefana ny hoe ‘manaja’, ao amin’ny Baiboly. (Efesianina 6:1, 2) Ny hoe manaja ray aman-dreny àry dia tsy midika hoe tsy maintsy mankasitraka izay ataony.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko, raha manompa na mamono ahy ny raiko na ny reniko: ․․․․․

Izao no hataoko mba hampirisihana azy hitsabo tena: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

Maninona ny olona sasany no lasa mpisotro toaka na mpifoka rongony?

Nahoana ianao no tsy diso, raha lasa mpisotro toaka na mpifoka rongony ny rainao na ny reninao?

Inona no azonao atao, na dia tsy afaka manova ny fiainanareo aza ianao?

[Teny notsongaina, pejy 192]

Fantatro fa mety mbola hanala baraka ahy ny ray aman-dreniko, indray andro any. Fantatro koa anefa fa homen’i Jehovah hery hiaretana izany aho, raha miantehitra aminy.’’—Marc

[Efajoro, pejy 198]

Ahoana raha tsy manompo an’i Jehovah intsony ny dadanay na mamanay?

Inona no azonao atao, raha tsy mankatò intsony ny fitsipiky ny Baiboly ny rainao na ny reninao, na milaza mihitsy fa tsy te ho Vavolombelon’i Jehovah intsony?

Tadidio fa tsy hanome tsiny anao mihitsy i Jehovah, noho izay nataon’ny rainao na ny reninao. Hoy mantsy ny Baiboly: “Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay avy.”—Romanina 14:12.

Aza mitsiriritra ny tanora manana fiainana milamina kokoa. (Galatianina 5:26) Rehefa nandao ny tokantranony, ohatra, ny lehilahy iray, dia hoy ny zanany lahy: “Aleonay tsy mieritreritra be momba ny fijalianay. Hitanay mantsy hoe tsara kokoa ny mitady fomba hahazakana an’ilay izy.”

Hajao foana izy, na dia ratsy toetra aza. Ankatoavy ny teniny, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny fitsipik’Andriamanitra. Tsy milaza mantsy i Jehovah hoe ny ray aman-dreny Vavolombelona ihany no tokony hohajaina. (Efesianina 6:1-3) Hajao sy ankatoavy àry izy ireo, na dia manao ratsy aza. Ho hita amin’izany fa tia an’i Jehovah ianao.—1 Jaona 5:3.

Miaraha foana amin’ny fiangonana kristianina. Misy olona be dia be afaka mampahery anao any. Handray anao ho toy ny fianakaviany izy ireo. (Marka 10:30) Tsy nanompo an’i Jehovah intsony, ohatra, ny rain’i Tahiry. Natahotra i Tahiry sao hihatakatahan’ny mpiara-manompo izy mianakavy. Diso hevitra anefa izy. Hoy izy: “Tsy nisy nihatakataka taminay mihitsy. Izany no nahitako hoe tena tia anay ny mpiara-manompo.”

[Sary, pejy 194]

Ataovy toy ny hoe tapa-tongotra izy, ka tsy afaka manao zavatra firy. Raha mitadidy izany ianao, dia tsy hanantena loatra hoe hikarakara tsara anao izy