Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ratsy ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

Ratsy ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

Toko 28

Ratsy ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

“Ankizilahy foana no tiako taloha. Niezaka mafy nanala izany tao an-tsaiko aho. Fantatro tsinona fa tsy voajanahary ilay izy.”—Olivier.

“Nifanoroka teo amin’ny vava indray mandeha na indroa izaho sy ilay ankizivavy namako. Mbola tia ankizilahy koa anefa aho, ka nieritreritra hoe: ‘Angamba aho sady tia lehilahy no tia vehivavy.’ ”—Voahirana.

EFA tsy mahamenatra ny ankamaroan’ny olona intsony izao ny miresaka momba ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Mba manandrama ange milaza hoe tsy tianao izany e! Tonga ianao dia hoteniteneniny. Hoy i Ony, 16 taona: ‘Nisy ankizivavy niteny tamiko hoe mpanavakavaka, hono, aho matoa tsy tiako ny ataon’ireny olona ireny!’

Tsy mampaninona ny olona intsony izao izay ataon’ny mpiara-monina aminy. Izany no mahatonga ny tanora maro hanandranandrana hanao firaisana amin’izy samy lehilahy na samy vehivavy. Hoy i Fy, 15 taona: ‘Misy ankizivavy be dia be any am-pianaranay miteny hoe manao firaisana amin’ny ankizivavy. Ny sasany indray sady miray amin’ny vehivavy no miray amin’ny lehilahy. Misy koa te hanandrana fotsiny hoe hoatran’ny ahoana izany sady miray amin’ny vehivavy no miray amin’ny lehilahy izany.’ Izany koa no mitranga any am-pianaran’i Nivo, 18 taona. Hoy izy: “Efa ankizivavy roa izao no nanasa ahy hanao firaisana taminy. Nanoratra tamiko mihitsy ny iray, ary nanontany raha tiako ny hahafantatra hoe hoatran’ny ahoana izany manao firaisana amin’ny ankizivavy izany.”

Tsy menatra miseho vahoaka ny lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy. Mety hanontany àry ianao hoe: ‘Manota tokoa ve izy ireny? Ahoana raha tia ankizilahy aho nefa ankizilahy, na tia ankizivavy nefa ankizivavy? Midika ve izany fa efa lasa lehilahy miray amin’ny lehilahy aho, na vehivavy miray amin’ny vehivavy?’

Ahoana ny hevitr’Andriamanitra?

Olona maro no milaza fa tsy tena ratsy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Misy mpitondra fivavahana mitovy hevitra amin’izany mihitsy aza. Mazava tsara anefa ny lazain’ny Baiboly. Resahina ao fa nataon’i Jehovah Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olona, ary ny lehilahy sy vehivavy mpivady ihany no mahazo manao firaisana. (Genesisy 1:27, 28; 2:24) Tsy mahagaga àry raha milaza ny Baiboly, fa ratsy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy.—Romanina 1:26, 27.

Misy milaza anefa fa efa lany andro ny Tenin’Andriamanitra. Fa nahoana izy ireo no maika hiteny an’izany? Mifanohitra amin’ny heviny angamba izay lazain’ny Baiboly. Tsy ekeny ny voalaza ao satria mifanohitra amin’izay tiany inoana. Diso hevitra anefa ny olona toy izany, ary tery saina! Tsy tokony hitovy toe-tsaina amin’izy ireo isika.

Ahoana anefa raha tia ankizilahy ianao nefa ankizilahy, na tia ankizivavy nefa ankizivavy? Midika avy hatrany ve izany fa efa lasa olona toy izany ianao? Tsia. Fantaro fa ao anatin’ny “fotoana fivelaran’ny fahatanorana” ianao izao. Tena te hanao firaisana ny tanora amin’io fotoana io, na dia tsy fanahy iniany aza. (1 Korintianina 7:36) Mety ho ankizilahy na ankizivavy toa anao no tianao indraindray. Tsy midika anefa izany fa efa lasa lehilahy miray amin’ny lehilahy, na vehivavy miray amin’ny vehivavy ianao. Hihena ilay fanirianao, rehefa ela ny ela. Tsy maintsy miezaka anefa aloha ianao izao mba tsy hanatanteraka azy io. Inona no azonao atao?

Mivavaha. Mitalahoa amin’i Jehovah, toy ny nataon’i Davida. Hoy izy: “Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko. Diniho aho, ka fantaro ny zavatra mampanahy ahy. Ary jereo sao misy lalana mampahory ato anatiko, dia tariho ho amin’ny lalan’ny mandrakizay aho.” (Salamo 139:23, 24) Afaka manome anao ny fiadanana izay “lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra”, i Jehovah. ‘Hiambina ny fonao sy ny sainao’ izany, ary hanome anao “hery fanampiny.” Ho resinao amin’izay ilay fanirianao.—Filipianina 4:6, 7; 2 Korintianina 4:7.

Miezaha foana mieritreritra zavatra tsara. (Filipianina 4:8) Mamakia Baiboly isan’andro. Tadidio fa manana hery hanovana ny sainao sy ny fonao izy io, ka hahatonga anao hanao ny tsara. (Hebreo 4:12) Hoy i Jao: “Tena nisy vokany tsara tamiko ny andinin-teny toy ny 1 Korintianina 6:9, 10 sy ny Efesianina 5:3. Ireo foana no vakiko isaky ny mieritreri-dratsy aho.”

Aza mijery zavatra mampirisika hanao firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. (Kolosianina 3:5) Manaitra ny filan’ny nofo, ohatra, ny boky sy sary vetaveta, na filma sy fandaharana sasany ao amin’ny tele. Tsara mihitsy aza raha tsy mijery boky misy sarin’olona zara raha mitafy ianao, anisan’izany ny mpampiseho lamaody sy mpanao bokona hozatra. Miezaha avy hatrany mieritreritra zavatra tsara, raha vao mitady hieritreri-dratsy ianao. Hoy ny ankizilahy iray: “Isaky ny te hanao firaisana amin’ny lehilahy aho, dia saintsainiko haingana ilay andinin-teny tiako indrindra.”

Mety hisy hilaza fa tsy ilaina ny manaraka ireo torohevitra ireo. Tokony hotanterahinao fotsiny, hono, ny fanirianao, ary hamboarinao ny sainao. Tsy voatery hanao izany anefa ianao, raha ny Baiboly no jerena! Tantaraina ao fa lehilahy niray tamin’ny lehilahy ny Kristianina sasany fahiny, nefa niova. (1 Korintianina 6:9-11) Ho vitanao koa ny handresy ilay fanirianao, na dia mbola tsy notanterahinao aza ilay izy.

Ahoana anefa raha tsy mety afaka ilay fanirianao? Miezaha mba tsy hanatanteraka an’ilay izy! Tsy tian’i Jehovah mantsy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Afaka mifidy ny tsy hanao an’izany àry ny olona iray. Ho vitany izany, ka azony atao tanjona.

Ity misy ohatra: Aoka hatao hoe “mora tezitra” ny olona iray. (Ohabolana 29:22) Nanampatra ny hatezerany foana angamba izy taloha. Nianatra Baiboly anefa izy, ka lasa nahafantatra fa mila mifehy tena. Midika ve izany fa tsy ho tezitra intsony izy? Tsia. Hiezaka mafy kosa izy hifehy ny hatezerany, satria fantany izay lazain’ny Baiboly momba izany.

Izany koa no tokony hataon’ny olona te hanao firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, nefa efa nianatra Baiboly. Mety mbola te hanao an’io firaisana io ihany izy indraindray. Ho vitany anefa ny hifehy tena, raha mitadidy izay lazain’i Jehovah momba izany izy.

Aza manaiky ho resy!

Tena mafy aminao angamba ny miady amin’ilay fanirianao. Hoy, ohatra, ny tovolahy iray: “Efa nataoko izay hanadinoana an’ilay izy. Efa nivavaka tamin’i Jehovah aho. Efa mamaky Baiboly aho. Efa nihaino tsara aho isaky ny misy lahateny miresaka an’ilay izy. Tsy misy vokany anefa izany rehetra izany. Tsy hitako intsony izay hatao.”

Very hevitra toy izany koa ve ianao? Ady mafy tokoa àry ilay ataonao, ary tsy ho mora aminao ny handresy. Tsy maintsy mankatò ny fitsipik’Andriamanitra anefa izay te hampifaly azy. Mila miezaka tsy haloto fitondran-tena koa izy ireo, na dia tena sarotra aza izany. Aza hadinoina fa hitan’Andriamanitra ny ady mafy ataonao. Tadidio koa fa mangoraka ny mpanompony izy. * (1 Jaona 3:19, 20) Hotahiny ianao raha mankatò azy. Mampanantena izy fa ‘hahazo valisoa lehibe’ ianao. (Salamo 19:11) Hanana ny fiainana tsara indrindra ianao dieny izao, na dia mbola eto amin’ity tontolo mikorontana ity aza.

Matokia àry an’Andriamanitra, ary tohero ny fanirian-dratsy. (Galatianina 6:9) Miezaha foana ‘mankahala ny ratsy’ sy ‘mifikitra amin’ny tsara.’ (Romanina 12:9) Ho hitanao fa tsy ho mafy loatra intsony ilay fanirianao. Fa ny tsara indrindra dia ity: Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao ianao.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Inona no azonao atao, raha mieritreritra ankizilahy na ankizivavy foana ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Tokony hiresaka amin’ny anti-panahy ny Kristianina naloto fitondran-tena.—Jakoba 5:14, 15.

ANDININ-TENY

“Diniho aho, ka fantaro ny zavatra mampanahy ahy. Ary jereo sao misy lalana mampahory ato anatiko.”—Salamo 139:23, 24.

SOSO-KEVITRA

Tia lehilahy toa anao ve ianao, satria manana toetra tsy anananao izy? Tia vehivavy toa anao ve ianao, satria matahotra lehilahy? Diniho ny toetran’i Jesosy dia ho hainao ny atao hoe tena lehilahy. (1 Petera 2:21) Hentitra izy nefa nalemy fanahy.

FANTATRAO VE... ?

Marina fa mety hieritreri-dratsy ianao indraindray. Tsy voatery hotanterahinao anefa izany. Afaka mifidy ny tsy hanatanteraka an’ilay izy ianao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no holazaiko raha misy manontany ahy hoe: ‘Nahoana no milaza ny Baiboly fa ratsy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy?’: ․․․․․

Izao no holazaiko raha misy milaza fa hentitra loatra ny didy ao amin’ny Baiboly: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

Nahoana no halan’Andriamanitra ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy?

Inona no azonao atao mba tsy hahatonga anao ho voafitaka, ka hanao an’izany?

Marina fa halanao ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Midika ve anefa izany fa ilay olona mpanao an’izany mihitsy no halanao?

[Teny notsongaina, pejy 236]

Nanimba ny saiko ny hevi-dison’ity tontolo ity, ka vao mainka tsy haiko hoe lehilahy sa vehivavy no tokony hiarahako. Halaviriko izao izay zavatra na olona mitady hampirisika ahy hanao firaisana amin’ny vehivavy.’’—Soa

[Sary, pejy 233]

Tsy maintsy mifidy ny tanora rehetra na hanaraka ny toe-tsaina maharikoriko eto amin’ity tontolo ity momba ny firaisana, na hanaraka ny fitsipika momba ny fitondran-tena, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra