Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko mba Tsy Hieritreretako Zavatra Vetaveta?

Inona no Hataoko mba Tsy Hieritreretako Zavatra Vetaveta?

Toko 29

Inona no Hataoko mba Tsy Hieritreretako Zavatra Vetaveta?

“MIERITRERITRA ankizivavy foana aho, na tsy misy ankizivavy tazako aza eo”, hoy i Michael. “Adaladala mihitsy aho. Tsy mahavita mifantoka amin’izay ataoko aza aho indraindray!”

Tsy mieritreritra afa-tsy ankizilahy na ankizivavy koa ve ianao matetika? Efa mba avilinao ihany angamba ny sainao, nefa tsy mety mihitsy. “Tsy mahavita mieritreritra zavatra hafa ianao indraindray”, hoy ihany i Michael. “Manalavi-dalana mihitsy aza ianao, satria any no lalan’ilay ankizivavy mahafatifaty anao. Indraindray koa ianao mody mankeo amin’ny mpivarotra, nefa tsy hividy zavatra akory, fa hijery an’ilay ankizivavy tianao fotsiny.”

Tadidio fa tsy ratsy ny faniriana hanao firaisana. Efa nataon’Andriamanitra hifankatia ny lehilahy sy vehivavy, ary afaka manao firaisana izy ireo raha mpivady. Te hanao firaisana mafy anefa matetika, na dia ny olona mbola tsy manambady aza. Izany ve no mitranga aminao? Aza mieritreritra avy hatrany hoe ratsy saina ianao, na tsy ho afaka ny hadio fitondran-tena mihitsy. Afaka ny hadio fitondran-tena ianao, raha tianao! Raha te hahavita izany anefa ianao, dia tsy maintsy mifehy tena mba tsy hieritreritra ankizilahy na ankizivavy loatra. Inona no azonao atao?

Mahaiza mifidy namana. Manao resaka vetaveta ve ny mpiara-mianatra aminao? Mety halaim-panahy hiditra amin’ilay resaka ianao, satria matahotra ny hiavaka. Raha manao izany anefa ianao, dia vao mainka ho sarotra aminao ny tsy hieritreritra ankizilahy na ankizivavy. Inona àry no tokony hataonao? Tokony hiala eo ve ianao? Izay mihitsy! Ary tsy tokony hahamenatra anao izany! Tsy maintsy hahita fomba hialana ianao matetika. Ataovy fotsiny izay tsy hahatonga ny ankizy haneso anao, na hihevitra anao hoe miseho ho masina be.

Aza tia fialam-boly vetaveta. Tsy ratsy daholo akory ny filma sy ny hira. Natao hanairana ny filan’ny nofo anefa ny ankamaroan’izy ireny. Izao no torohevitry ny Baiboly: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintianina 7:1) Aza tia fialam-boly mety hanaitra ny filan’ny nofo àry. *

Ratsy ve ny mikasikasika filahiana na fivaviana?

Misy tanora mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany, mba hampihenana ny faniriany hanao firaisana. Vao mainka anefa izany hisy vokany ratsy be eo aminy. Mampirisika ny Kristianina ny Baiboly hoe: “Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana.” (Kolosianina 3:5) Tsy ‘mamono ny filan’ny nofony’ mihitsy ny tanora, raha mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany. Vao mainka aza izany manaitra ny filan’ny nofony!

Raha zatra mikasikasika filahiana na fivaviana ianao, dia mety ho lasa handevozin’izany. (Titosy 3:3) Inona àry no tokony hataonao? Mitadiava olona azonao iresahana an’ilay izy. Zatra nikasikasika ny filahiany, ohatra, ny Kristianina iray, ary niady mafy an-taonany maro mba tsy hanao an’izany intsony. Hoy izy: “Tahaka izay aho tamin’ny mbola tanora dia efa niezaka nitady olona hiresahana! Nanenina be aho nandritra ny taona maro. Nanimba ny fifandraisako tamin’ny olona izany, ary indrindra tamin’i Jehovah.”

Iza àry no tokony hiresahanao? Tsara raha ny ray aman-dreninao. Afaka manatona Kristianina matotra koa ianao. Azonao atao ny miteny hoe: “Misy zavatra manahiran-tsaina ahy, mba tiako horesahina aminao.”

Niresaka tamin’ny anti-panahy iray, ohatra, i Andry, ary faly izy fa nanao izany. Hoy izy: “Nanganohano ny mason’ilay anti-panahy tamin’izaho niresaka taminy. Rehefa tapitra ny teniko, dia nanome toky ahy izy hoe tia ahy i Jehovah. Nilaza koa izy fa be dia be ny tanora mikasikasika filahiana na fivaviana, fa tsy izaho irery. Nampanantena izy fa hijery ny ezaka vitako, sady hanome ahy fanazavana hafa avy amin’ny boky fianarana Baiboly. Vao avy niresaka izahay, dia tapa-kevitra aho fa hiady mafy mba tsy hikasikasika filahiana intsony. Niezaka foana aho, na dia mbola resy ihany aza indraindray.”

I Mahefa kosa niresaka tamin’ny dadany. Tena tsara fanahy sy nangoraka azy izy. Nitsotra tamin’i Mahefa mihitsy aza izy fa efa nikasikasika filahiana koa tamin’izy mbola tanora, ary saika tsy afaka tamin’izany. Hoy i Mahefa: “Tsy nisy nafeniny tamiko ny nataony, ka tena nampahery ahy izany. Nieritreritra aho hoe: ‘I Dada aza afaka tamin’ilay izy, ka tsy maintsy ho afaka koa aho.’ Tena tsara fanahy tamiko izy, ka tsy tanako intsony ny ranomasoko.”

Zatra mikasikasika filahiana na fivaviana koa ve ianao, ary miady mafy mba ho afaka amin’izany? Misy olona vonona hanampy anao. Aza kivy mihitsy, na resy aza ianao indraindray! Matokia fa mbola afaka ny handresy ianao. *

Ahoana raha mbola mieritreri-dratsy ihany ianao?

Hoy ny apostoly Paoly: “Asiako mafy ny vatako ka andevoziko.” (1 Korintianina 9:27) Mila manao toa an’i Paoly koa ianao, raha misy ankizilahy na ankizivavy mahafinaritra anao, ary lasa mieritreritra zavatra vetaveta ianao. Miezaha mafy hanala izany ao an-tsainao. Ary ahoana raha mbola tsy afaka ihany ilay izy? Manaova fanatanjahan-tena. “Mahasoa kely ihany” mantsy izany, hoy ny Baiboly. (1 Timoty 4:8) Azonao atao, ohatra, ny manao dia maika na fanatanjahan-tena hafa, na dia vetivety fotsiny aza. Mety ho efa ampy izany, mba hanadinoanao an’ilay zava-dratsy eritreretinao.

Aza hadinoina koa fa afaka manampy anao ilay Rainao any an-danitra. Hoy ny tovolahy iray: “Mivavaka mafy aho isaky ny te hanao firaisana.” Aza mieritreritra anefa hoe hataon’Andriamanitra tsy tia ankizilahy na ankizivavy intsony ianao. Hanampy anao hieritreritra zavatra hafa kosa izy. Ho hitanao fa be dia be ny zavatra azo saintsainina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Horesahina bebe kokoa ao amin’ny Fizarana 8 ny fialam-boly.

^ feh. 14 Jereo ilay boky teo aloha, toko 25, raha mila fanazavana fanampiny.

ANDININ-TENY

“Na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.”—Filipianina 4:8.

SOSO-KEVITRA

Lasa mikasikasika filahiana na fivaviana indray ve ianao? Aza kivy! Fantaro hoe inona no nahatonga an’ilay izy, ary miezaha tsy hamerina izany intsony.

FANTATRAO VE... ?

Raha mieritreri-dratsy foana ianao, dia mety ho lasa ratsy toetra, ary mety hanao ratsy.—Jakoba 1:14, 15.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko rehefa tsy tokony hieritreritra ankizilahy na ankizivavy aho: ․․․․․

Izao no hataoko, raha vao misy mpiara-mianatra amiko manao resaka vetaveta: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ianao no tsy tokony hieritreritra fa ratsy foana ny faniriana hanao firaisana?

● Nahoana ianao no mila mifehy tena mba tsy hieritreritra foana momba ny firaisana?

● Inona no fialam-boly mety hahatonga anao hieritreritra ankizilahy na ankizivavy foana?

● Nahoana ianao no mila miala avy hatrany, raha vao misy manao resaka vetaveta?

[Teny notsongaina, pejy 240]

Aviliko haingana ny saiko, raha vao te hanao firaisana aho. Eritreretiko foana koa hoe tsy ho mora taitaitra be hoatr’izao intsony aho, any aoriana any.’’—Miandry

[Sary, pejy 239]

Avelanao hisy virosy ho tafiditra ve ao amin’ny ordinateranao? Azo inoana fa tsia! Aza avela hisy zavatra vetaveta ho tafiditra koa àry ao an-tsainao