Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Modely—Paoly

Lehilahy Modely—Paoly

Lehilahy Modely—Paoly

Niaiky ny apostoly Paoly fa nanao fahadisoana izy indraindray. Hoy izy: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.” Tena te hanao ny tsara i Paoly. Hoy izy: “Tena mahafinaritra ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy.” Nahoana anefa izy no te hanao ny ratsy koa? Hoy ihany izy: “Ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota.” Nalahelo i Paoly satria nanao fahadisoana. Hoy izy: “Indrisy! Olo-mahantra aho!”—Romanina 7:21-24.

Malahelo be koa ve ianao satria manao fahadisoana imbetsaka? Tadidio fa na i Paoly aza mba nalahelo toa anao. Fantany anefa fa maty ho an’ny olona toa azy i Kristy. Izany no nahatonga azy hiteny hoe: ‘Hisaorana anie Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!’ (Romanina 7:25) Natao ho azy mihitsy ny niheverany ny vidim-panavotana. Hoy izy: ‘Ny Zanak’Andriamanitra efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.’ (Galatianina 2:20) Rehefa malahelo àry ianao, dia eritrereto ny vidim-panavotana. Ary raha ny fahadisoanao no mampalahelo anao, dia tadidio foana fa izany indrindra no nahatonga an’i Kristy ho faty ho antsika. Fantany fa tsy maintsy hanao fahadisoana isika.