Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tovolahy Modely—Davida

Tovolahy Modely—Davida

Tovolahy Modely​—Davida

Tia mozika i Davida. Tena nahay nitendry zavamaneno sy namoron-kira izy. Izy mihitsy aza no nanao ny zavamanenony. (2 Tantara 7:6) Tena nanan-talenta izy, ka nasain’ny mpanjakan’ny Israely hitendry zavamaneno tao an-dapany. (1 Samoela 16:15-23) Nanaiky i Davida. Tsy nanambony tena anefa izy, na nandany fotoana be tamin’ny mozika. Nampiasainy hiderana an’i Jehovah kosa ny talentany.

Tia mozika ve ianao? Tsy mpitendry zavamaneno mahay be angamba ianao, nefa afaka manahaka an’i Davida. Ahoana izany? Aza mandany fotoana be loatra amin’ny mozika. Aza tia mozika mety hahatonga anao hieritreritra na hanao zavatra tsy tian’Andriamanitra. Izay mozika hahatonga ny fiainanao hahafinaritra kosa no henoy. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fahaizana mamoron-kira, sy mankafy izany. (Jakoba 1:17) Nampiasa tsara an’io fanomezana io i Davida, mba hahafaly an’i Jehovah. Nahoana raha manao toa azy koa?