Hira 3
“Andriamanitra dia Fitiavana”
1. Manatòna an’i Jehovah,
Izy anie fitiavana.
Aoka ho tia azy ’sika
Sy ho tia ny namana.
Isan’andro àry ’sika,
Tokony haneho fitia:
Fomba fiaina tsara indrindra,
Nampianarin’i Kristy.
2. Ireo tia an’i Jehovah,
Tia ny fahamarinana,
Dia tsy mialona ny hafa
Na koa mifaninana.
Ny fitiavana madio,
Tsotra sy tsara fanahy,
Ka mandefitra hatrany
Mba hahasoa ny rahalahy.
3. Jehovah manampy antsika
Tsy hitana lolompo,
Hifandray sy hifamela
Ary koa hamindra fo.
Raha tena tianao Jehovah,
Tiavo koa ny namanao.
’Zany foana isan’andro
No ataovy tanjonao.
(Jereo koa ny Mar. 12:30, 31; 1 Kor. 12:31–13:8; 1 Jaona 3:23.)