Hira 101
Ambarao ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana
1. I Jehovah dia nandefa
Hazavana ara-panahy,
Ka naneho ny marina
Momba ilay Fanjakana.
Koa ambarao ny lazany,
Ankalazao ny anarany.
Aok’ianao ho vonona
Hanao ny sitrapon’i Jehovah.
Torintsika ny marina
Hanafaka ny olona,
Isan-trano, n’aiza n’aiza,
Ary koa eny an-dalana.
Aok’isika hiray saina,
Hamita ny fanompoana.
Mitoria eran-tany,
Mazotoa hatramin’ny farany.
(Jereo koa ny Josoa 9:9; Isaia 24:15; Jaona 8:12, 32.)