Hira 84
“Sitrako Tokoa”
1. Tena tia i Kristy satria
Nandao ny fonenany izy,
Tonga tetỳ an-tany,
Toa olona ambany,
Ka nanao ny fanompoany;
Nampahery an’ireo nijaly,
Nanasitrana ny marary.
Izy dia be fitiavana tokoa,
Ka nilaza hoe: “Sitrako.”
2. Tena tia Jehovah satria
Nanendry mpanompo hendry
Izay mitarika,
Manampy antsika
Hamonjy ’reo tia rariny.
Koa iantrao izay mitalaho
Sy mila ny fanampianao.
Ny mahantra aza avela hamoy fo,
Fa ilazao hoe: “Sitrako.”
(Jereo koa ny Jaona 18:37; Efes. 3:19; Fil. 2:7.)