Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 77

Aoka Isika Hifamela Heloka

Aoka Isika Hifamela Heloka

(Salamo 86:5)

1. Jehovah Raintsika

Tena be fitiavana.

Izy nanome antsika

Vidim-panavotana,

Mba hanaisotra ny ota

Sy ny fahafatesana.

Raha mibebaka isika,

Ho voavela heloka.

2. Kanefa tsarovy,

Fa izay mangoraka

Sy mamela ny hafa ihany

No voavela heloka.

Aoka mba hifampizaka,

Ary ho tsara fanahy

Sy haneho fanajana.

Tiavo ireo rahalahy.

3. Tena toetra tsara

Ny mahay mamindra fo.

Aza mba mifankahala,

Na mitana lolompo.

Manahafa an’i Jehovah,

Ho mpamindra fo ianao.

Hadinoy any ’zay ratsy,

Ny fitia no ampanjakao.