Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 7

Fanokanan-tena ho An’Andriamanitra

Fanokanan-tena ho An’Andriamanitra

(Hebreo 10:7, 9)

1. Anao tokoa, ry Jehovah,

Izao rehetra izao.

Ny tany sy ny lanitra

Dia asa tananao.

Satria Mpamorona ianao,

Sy Loharanon’aina,

Dia mendrika hivavahana

Sy tokony hoderaina.

2. Natao batisa Jesosy,

Nivavaka toy ’zao:

‘Intỳ aho tonga mba hanao

Izay sitraponao.’

Tsy mba nivadika izy,

Fa tena nankatò.

Voahosotry ny fanahy izy,

Nanompo an-tsitrapo.

3. Indreto ’zahay Jehovah

Mba hankalaza anao.

Nanokan-tena izahay

Hanao ny sitrakao.

Novidinao lafo ’zahay,

Nomenao i Kristy.

Ho anao lalandava izahay,

Na velona na maty.