Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 16

Mandosira ho Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!

Mandosira ho Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!

(Zefania 2:3)

1. Mitadiava an’i Jehovah ianareo,

Ary katsaho ny fahamarinana.

Izay mandefitra no ho voaro,

Amin’ny fandringanana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ekeo ny Fanjakan’i Jehovah,

’Zay hitondra fitahiana,

Satria io no hany fanantenana,

Hanala ny fijaliana.

2. ’Reo tia ny marina, aoka hifaly

Satria ho foana ny tsy rariny.

’Lay Fanjakana katsaho hatrany,

Jehovah no ankatoavy.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ekeo ny Fanjakan’i Jehovah,

’Zay hitondra fitahiana,

Satria io no hany fanantenana,

Hanala ny fijaliana.

3. Koa mifalia, ka banjino ny hoavy.

Efa manjaka izao i Kristy.

Jehovah irery no atahory,

Omeo voninahitra izy.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ekeo ny Fanjakan’i Jehovah,

’Zay hitondra fitahiana,

Satria io no hany fanantenana,

Hanala ny fijaliana.