Hira 19
Mampanantena Paradisa Andriamanitra
1. Hamerina ny Paradisa
’Lay Fanjakana Arivo Taona.
Tsy hisy ’ntsony ny alahelo,
Ny fahotana dia ho foana.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ho Paradisa ny tany.
Ho hitantsika izany.
Kristy hanatanteraka
Ny fikasan’i Jehovah.
2. Jehovah no mampanantena,
Ny maty dia hatsangana,
Satria Kristy efa nilaza
Fa ’lay jiolahy ho velona.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ho Paradisa ny tany.
Ho hitantsika izany.
Kristy hanatanteraka
Ny fikasan’i Jehovah.
3. Hisy tokoa ny Paradisa,
Efa manjaka izao Kristy.
Koa mifalia, derao Jehovah.
Aok’isika hisaotra azy.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ho Paradisa ny tany.
Ho hitantsika izany.
Kristy hanatanteraka
Ny fikasan’i Jehovah.
(Jereo koa ny Mat. 5:5; 6:10; Jaona 5:28, 29.)