Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 24

Banjino Ilay Lokanao!

Banjino Ilay Lokanao!

(2 Korintianina 4:18)

1. Ny jamba dia hahiratra,

Handre ireo marenina.

Ny moana dia hahay hiteny,

Hatanjaka ireo malemy.

Ny tany ngazana hamoa,

Ka hisy renirano koa.

Izany no ho hitanao;

Banjino ilay lokanao!

2. Ny maty dia hatsangana,

Ary ho tanora ny antitra.

Tsy mba hisaraka aminao

’Reo havanao sy namanao.

Ny tany hahavokatra.

Ny ankizy ho finaritra.

Dia hiadana tokoa ianao;

Banjino ilay lokanao!

3. Ny liona sy zanak’omby,

Ny amboadia sy ny ondry

Dia tsy mba hiady intsony.

Ny ankizy hilalao azy.

Ny ranomaso ho foana,

Tsy hisy koa ny tahotra.

Izany no ho lovanao;

Banjino ilay lokanao!