Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 26

Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra!

Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra!

(Mika 6:8)

1. Miaraha mandeha isan’andro

Amin’i Jehovah,

Manaova soa, ka manompoa

Amim-panetren-tena.

Miezaha hanao ny rariny

Sy ho tsara fanahy.

Ekeo ny fitarihan’i

Jehovah Raintsika.

2. Miaraha mandeha lalandava

Amin’i Jehovah.

Miezaha foana ho matotra,

Hadio fitondran-tena.

Izay madio sy marina,

Saintsaino hatrany.

Miandrasa an’i Jehovah,

Ka matokia azy.

3. Miaraha mandeha tsy tapaka

Amin’i Jehovah.

Ho sambatra ’zay mianina

Sy ’zay mahafoy tena.

Ny fanompoana tanteraho,

Derao i Jehovah.

Ho afa-po tokoa ianao,

Raha tsy mivadika.